Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Ianareo ho Tia Mandray Vahiny”

“Aoka Ianareo ho Tia Mandray Vahiny”

“Aoka Ianareo ho Tia Mandray Vahiny”

NANANA olana i Foiby, vehivavy kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Avy any Kenkrea any Gresy izy no nankany Roma, nefa tsy nisy mpiray finoana taminy fantany tany. (Romanina 16:1, 2) Milaza toy izao ilay mpandika Baiboly atao hoe Edgar Goodspeed: “Ratsy fitondran-tena sy feno herisetra ny tontolo romanina [tamin’izany andro izany], toerana tena nalaza ratsy ny hotely, ka tsy tsara nalehan’ny vehivavy tsara fitondran-tena, indrindra fa ny vehivavy kristianina.” Taiza àry i Foiby no niantrano?

Nanao dia lavitra betsaka ny olona taloha. Nanao izany i Jesosy Kristy sy ny mpianany, mba hitoriana ny vaovao tsara nanerana an’i Jodia sy Galilia. Taoriana kelin’izay, dia nisy misionera toa an’i Paoly nitondra hafatra tany amin’ireo tanàna mediteraneanina. Anisan’izany i Roma renivohitry ny fanjakana romanina. Taiza àry no niantrano ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanao dia tany amin’ireo tanàna jiosy na tany amin’ny firenena hafa? Inona no zava-tsarotra natrehiny? Inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo momba ny fitiavana mandray vahiny?

“Tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao aho anio”

Mampiavaka ny mpanompon’i Jehovah hatry ny ela, ny fitiavana mandray vahiny. Nanana izany toetra izany, ohatra, i Abrahama sy Lota ary Rebeka. (Genesisy 18:1-8; 19:1-3; 24:17-20) Nilaza toy izao momba ny nitondrany ny vahiny i Joba, loham-pianakaviana fahiny: “Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; fa novohako ny varavarako manatrika ny làlana.”—Joba 31:32.

Nipetraka teo an-kianjan’ny tanàna fotsiny matetika ireo mpanao dia, ary niandry an’ireo Israelita iray firenena taminy hampandroso azy. (Mpitsara 19:15-21) Fanaon’ny tompon-trano tamin’izay ny nanasa ny tongotry ny vahininy, sy nanome azy ireo sakafo sy zavatra hosotroina, ary nanome sakafo ny bibiny. (Genesisy 18:4, 5; 19:2; 24:32, 33) Nivatsy izay nilainy, toy ny mofo sy divay ary sakafo ho an’ny ampondrany kosa, ireo mpanao dia tsy te hanahirana ny mpampiantrano azy. Toerana hatoriana amin’ny alina fotsiny no nilainy.

Tsy maintsy nisy toerana natorian’i Jesosy sy ny mpianany, rehefa nitory izy ireo, na dia tsy miresaka firy momba izany aza ny Baiboly. (Lioka 9:58) Nilaza tamin’i Zakaiosy toy izao fotsiny i Jesosy rehefa nandalo tao Jeriko: “Tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao aho anio.” Koa “faly” nampiantrano azy i Zakaiosy. (Lioka 19:5, 6) Nivahiny matetika tany amin-dry Marta sy Maria ary Lazarosy namany tany Betania, koa i Jesosy. (Lioka 10:38; Jaona 11:1, 5, 18) Ary toa niantrano tao amin’i Simona Petera izy rehefa tany Kapernaomy.—Marka 1:21, 29-35.

Hanao ahoana ny fandraisan’ny Israelita an’ireo apostoly 12? Mamaly izany ny toromarika momba ny fanompoana nomen’i Jesosy azy ireo. Hoy izy: “Aza mitady volamena na volafotsy na varahina hatao ao anaty fehikibo fasianareo vola, ary aza mitady kitapom-batsy hoentina any amin’izay halehanareo, na akanjo roa, na kapa na tehina. Fa ny mpiasa mendrika hahazo ny sakafony. Izay tanàna idiranareo, na kely na lehibe, dia tadiavo izay mendrika ao, ka mitoera ao mandra-pialanareo.” (Matio 10:9-11) Fantatr’i Jesosy fa hampiantrano tsara ny mpianany ireo olona tso-po, ka hanome sakafo sy fialofana ary zavatra hafa mety ho nilain’izy ireo.

Ho avy anefa ny fotoana, tsy maintsy hivatsian’ireo mpitory ny vaovao tsara izay rehetra nilainy, rehefa nitety tanàna izy ireo. Hisy hanohitra mantsy ireo mpanara-dia an’i Jesosy, sady hitory any amin’ny tanàna tsy israelita, ka nilazany hoe: “Aoka izay manana fitoeram-bola hitondra izany, ary toy izany koa izay manana kitapom-batsy.” (Lioka 22:36) Nilaina ny nanao dia, sy ny nahita toerana hilasiana, mba hampielezana ny vaovao tsara.

“Araho ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny”

Tsy dia nisy ny ady, ary betsaka ny lalana rarivato nanerana ny Fanjakana Romanina, tamin’ny taonjato voalohany, ka nihamaro ny olona nivezivezy. * Nilaina àry ny toerana filasiana maro kokoa. Lasa nisy hotely teny amin’ireo lalam-be, ary nielanelana lalana iray andro izy ireo. Mitantara toy izao anefa Ny Bokin’ny Apostoly teo Amin’ny Tontolo Grika sy Romanina (anglisy): “Misy boky miresaka fa toerana tena ratsy [ireny hotely ireny]. Hita avy amin’ny boky sasany sy ny fikarohana ambanin’ny tany fa simba sy naloto ireny trano ireny, zara raha nisy fanaka, nisy kongona. Ratsy sy tsy azo antoka koa ny sakafo sy zava-pisotro naroso tany, tsy azo nitokisana ny mpiasa sy tompon’ny hotely, ary ratsy laza sy ratsy fitondran-tena matetika ireo tonga hanofa azy ireny.” Mazava ho azy fa tsy nankany amin’ireny toerana ireny ny mpandeha tsara fitondran-tena, raha mbola azony natao koa.

Tsy mahagaga àry raha mamerimberina mampirisika ny Kristianina ho tia mandray vahiny ny Soratra Masina. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma: “Mba anomezo amin’izay anananareo ny olona masina, araka izay ilainy. Araho ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny.” (Romanina 12:13) Nampahatsiahy ny Kristianina jiosy koa izy hoe: “Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny, fa noho izany, dia nampiantrano anjely ny sasany nefa tsy fantany.” (Hebreo 13:2) Ary nampirisika ny mpiray finoana taminy i Petera mba “ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany, tsy misy fimonomononana.”—1 Petera 4:9.

Tsy hety anefa indraindray ny handraisana vahiny. Hoy ny apostoly Jaona momba “izay rehetra mihoa-pefy ka tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy”: “Aza mampiantrano azy mihitsy na miarahaba azy akory. Miombona amin’ny ratsy ataony mantsy izay miarahaba azy.” (2 Jaona 9-11) Nanoratra toy izao koa i Paoly momba ireo mpanota tsy nibebaka: ‘Aza mifanerasera intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary aza miara-mihinana aminy akory.’—1 Korintianina 5:11.

Mety hisy mpamitaka sy olon-kafa hanararaotra ny fahatsoran’ny Kristianina marina. Miresaka momba ny finoana kristianina ny boky tsy ara-pivavahana iray, nosoratana tamin’ny taonjato faharoa, atao hoe Didachè na Fampianaran’ny Apostoly Roa Ambin’ny Folo (anglisy). Manoro hevitra izy io fa “iray na roa andro raha tena ilaina” no tsara hampiantranoana ny mpitory manao dia lavitra. “Tsy hitondra afa-tsy sakafo” izy rehefa hanohy ny diany. Ary “raha mangata-bola izy dia mpaminany sandoka.” Hoy ihany ilay boky: ‘Raha te hijanona ao aminao izy ary raha misy asa hainy, dia asaivo manao izany izy mba hiantohany ny sakafony. Raha tsy manana asa izy dia aza avela hipetra-potsiny ao aminao, satria Kristianina izy. Hoentiny hifetsifetsena fotsiny ny anaran’i Kristy, ka mitandrema amin’ny olona toy izany.’

Nataon’ny apostoly Paoly izay tsy hahatonga azy ho enta-mavesatra ho an’izay nampiantrano azy, rehefa nijanona ela tao amin’ny tanàna sasany nitoriany izy. Nanao tranolay izy mba hahafahany hamelon-tena. (Asan’ny Apostoly 18:1-3; 2 Tesalonianina 3:7-12) Toa nanoratra taratasy misy tatitra tsara momba ilay nanao dia, ny Kristianina tany am-boalohany, mba hanampiana izay mendrika ny hampiantranoina. Izany, ohatra, no hita tao amin’ny taratasin’i Paoly nanao hoe: ‘Indro, ampahafantariko anareo i Foiby anabavintsika mba handraisanareo tsara azy ao amin’ny Tompo, ary mba hanampianareo azy amin’izay ilany anareo.’—Romanina 16:1, 2.

Soa raisin’izay tia mandray vahiny

Natoky ny misionera kristianina tamin’ny taonjato voalohany, fa hikarakara izay rehetra nilainy i Jehovah. Handray tsara azy ireo ao an-tranony koa ve anefa ny mpiray finoana aminy? Nandray tsara an’i Paoly sy ny namany tao an-tranony i Lydia. Nipetraka tao amin-dry Akoila sy Prisila koa izy tany Korinto. Namelatra latabatra ho an’i Paoly sy Silasy ny mpiambina fonja tany Filipy. Nivahiny tao amin’i Jasona i Paoly tao Tesalonika, tao amin’i Filipo tany Kaisaria, ary tao amin’i Menasona rehefa avy tany Kaisaria ho any Jerosalema. Nampiantrano an’i Paoly koa ny rahalahy tao Potioly rehefa nandeha ho any Roma izy. Nanatanjaka ny finoan’ny mpampiantrano tokoa ireny fiarahana ireny!—Asan’ny Apostoly 16:33, 34; 17:7; 18:1-3; 21:8, 16; 28:13, 14.

Nanamarika toy izao ilay manam-pahaizana atao hoe Frederick Bruce: ‘Nanampy an’i Paoly ny namany sy ny mpiara-miasa taminy ary ireo nampiantrano azy, satria tia azy sy ny Tompo. Fantatr’izy ireo fa toy ny hoe nikarakara ilay Tompony ihany izy ireo, rehefa nikarakara an’i Paoly.’ Tena antony tsara handraisana vahiny izany.

Mbola ilaina ny fahaizana mandray vahiny ankehitriny. Mandray tsara ireo solontena mpitety faritany an’arivony eo aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mianto-tena ny mpitory ilay Fanjakana sasany, mba hitoriana any amin’ireo tanàna mahalana vao mahare ny vaovao tsara. Mandray soa be dia be isika raha mampiantrano azy ireny, na dia tsotra aza ny tranontsika. Afaka ‘mifampahery’ ary maneho fitiavana ny rahalahintsika sy Andriamanitra isika, rehefa mandray azy ireo tsara, na dia tsotra aza ny sakafo arosontsika azy. (Romanina 1:11, 12) Mandray soa tokoa àry ny mpampiantrano, satria “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Tombanana ho lalana rarivato mirefy 80 000 kilaometatra no nataon’ny Romanina, tany amin’ny taona 100.

[Sary, pejy 23]

‘Manaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’ ny Kristianina