Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Samsona no mbola Nazirita ihany, nefa nikasika ny fatin’ireo olona novonoiny?

Afaka nivoady ho Nazirita nandritra ny fotoana sasany ny Israelita fahiny. * Iray tamin’ireo fepetra notakina tamin’izay nanao io voady io ny hoe: “Amin’ny andro rehetra izay itokanany ho an’i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy; aoka tsy handoto tena izy na dia amin’ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo.” Ahoana raha ‘nisy olona maty tampoka teo anilany’? Nahatonga ilay Nazirita tsy hadio ny fikasihana faty toy izany. Koa izao no voalaza: “Ho very ny andro teo aloha.” Tsy maintsy nanao fombafomba fanadiovana izy, ary namerina indray ilay fotoana naha-nazirita azy.—Nomery 6:6-12.

Nazirita i Samsona, saingy tamin’ny heviny hafa. Nilaza toy izao tamin’ny reniny ny anjely iray, talohan’ny nahaterahany: “Indro, hanan-anaka hianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina.” (Mpitsara 13:5) Tsy nivoady ho Nazirita i Samsona. Andriamanitra no nanendry azy ho Nazirita nandritra ny androm-piainany. Tsy nihatra taminy àry ilay fameperana tsy hikasika faty. Ahoana tokoa moa no hamerenany ny fotoana naha-nazirita azy, izay nanomboka tamin’ny nahaterahany, satria nikasika faty tsy nahy izy? Hita àry fa tsy tena nitovy ny zavatra notakina tamin’ny Nazirita nandritra ny androm-piainany, sy ireo nanolo-tena ho Nazirita.

Diniho ny didy nomen’i Jehovah an’i Samsona sy Samoela ary Jaona Mpanao Batisa. Samy Nazirita nandritra ny androm-piainany izy telo mirahalahy ireo. Anisan’ny notakina tamin’i Samsona ny tsy hanapahana mihitsy ny volony, araka ny voalaza tetsy aloha. Nivoady toy izao kosa i Hana renin’i Samoela, momba ilay zaza haterany: ‘Homeko ho an’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.’ (1 Samoela 1:11) Nilaza toy izao momba an’i Jaona Mpanao Batisa koa ny anjelin’i Jehovah: “Tsy mahazo misotro divay na toaka mihitsy” izy. (Lioka 1:15) Fanampin’izany, dia “volon-drameva ny fitafian’io Jaona io, fehikibo hoditra no teo amin’ny andilany, ary valala sy tantelidia no sakafony.” (Matio 3:4) Tsy nisy nodidiana tsy hanakaiky faty àry izy telo mirahalahy ireo.

Anisan’ny mpitsara natsangan’i Jehovah hamonjy ny Israelita tamin’ny tanan’ireo namabo azy i Samsona, na dia Nazirita aza. (Mpitsara 2:16) Ary nikasika faty izy, rehefa nanatanteraka io fanendrena io. Namono Filistinina 30 lahy i Samsona indray mandeha, ary naka ny fitafian’izy ireo. Namely ny fahavalony izy, tatỳ aoriana, “ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be.” Naka valanoranom-boriky vaovao koa izy, ary namono arivo lahy tamin’iny. (Mpitsara 14:19; 15:8, 15) Nankasitraka sy nanampy azy i Jehovah tamin’izany rehetra izany. Milaza ny Soratra Masina fa lehilahy nanam-pinoana fakan-tahaka i Samsona.—Hebreo 11:32; 12:1.  

Nolazaina fa nosamatsamahin’i Samsona “hoatra ny fanasamaka zanak’osy” ny liona iray. Midika ve izany fa fanao tamin’ny androny ny manasamaka zanak’osy?

Tsy misy porofo mampiseho fa fanao tamin’ny andron’ireo Mpitsara teo amin’ny Israely ny nanasamaka zanak’osy. Lazain’ny Mpitsara 14:6 fa “nilatsaka tamin’i Samsona ny Fanahin’i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany.” Azo inoana fa fampitahana ilay ampiasaina eto.

Mety hisy heviny roa ilay filazana hoe “nosamatsamahiny.” Nanasamaka ny valanoranon’ny liona iray angamba i Samsona, na nanasamatsamaka ny rantsambatany rehetra. Raha ilay voalohany no izy, dia midika izany fa vitan’ny olombelona ny manasamaka valanoranon-janak’osy. Tiana holazaina amin’izany àry, fa mora toy ny namono zanak’osy ny nandresen’i Samsona an’ilay liona, na dia tsy nisy na inona na inona aza teny an-tanany. Ahoana indray anefa, raha nanasamatsamaka ny rantsambatan’ilay liona i Samsona? Tsy maintsy ho fampitahana ilay izy raha izany. Ny hevitra tiana hampitaina dia hoe nanatanjaka an’i Samsona ny fanahin’i Jehovah, mba hanaovany zavatra nitaky hery mihoatra noho ny ananan’ny olombelona. Na ahoana na ahoana, ny fampitahana ao amin’ny Mpitsara 14:6, dia mampiseho fa tsy natanjaka be ilay liona tamin’ny Samsona fa toy ny zanak’osy ihany, satria nanampy azy i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Niankina tamin’ilay olona nanao voady ny halavan’ny fotoana naha Nazirita azy. Telopolo andro izany, fara fahakeliny, araka ny fomba jiosy. Raha latsaka noho izany ilay fotoana, dia tsy noheverina ho zava-dehibe loatra ilay voady.