Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara

INONA no ataon’i Jehovah rehefa miala aminy ny vahoakany, ka manomboka manompo andriamani-kafa? Ahoana raha mandà tsy hankatò azy foana izy ireo, ka tsy miantso vonjy raha tsy efa ao anatin’ny fahoriana? Hamonjy azy ireo foana ve i Jehovah? Hamaly an’ireo fanontaniana lehibe ireo sy ny hafa koa ny bokin’ny Mpitsara. Vitan’i Samoela mpaminany tamin’ny taona 1100 T.K. io boky io. Resahina ao ny zava-nitranga tao anatin’ny 330 taona, nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Josoa, ka hatramin’ny nandraisan’ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely ny seza fiandrianana.

Tena sarobidy amintsika ny bokin’ny Mpitsara. Anisan’ireo teny na hafatra mafonja avy amin’Andriamanitra mantsy izy io. (Hebreo 4:12) Takatsika avy amin’ireo tantara mahafinaritra ao anatiny ny toetran’i Jehovah. Manatanjaka ny finoantsika koa ny zavatra ianarantsika ao, sady manampy antsika hihazona mafy ny “tena fiainana”, na ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (1 Timoty 6:12, 19; 2 Petera 3:13) Nanafaka ny vahoakany tamin’ny fomba maro i Jehovah. Santionany fotsiny amin’ilay fanafahana lehibe kokoa hoentin’i Jesosy Kristy Zanany anefa izy ireny.

NAHOANA NO NILAINA NY MPITSARA?

(Mpitsara 1:1–3:6)

Naka ny tany ho lovany ny fokon’ny Israely tsirairay, rehefa resy teo ambany fitarihan’i Josoa ireo mpanjakan’ny tany Kanana. Tsy vitan’ny Israelita anefa ny nandroaka ny olona tao amin’ilay tany. Tena lasa fandrika ho azy ireo izany.

“Tsy nahalala an’i Jehovah, na ny asa efa nataony ho an’ny Isiraely” ilay taranaka taorian’ny andron’i Josoa. (Mpitsara 2:10) Nanomboka nanambady Kananita sy nanompo ny andriamanitr’izy ireo koa ny olona. Natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny fahavalony àry ny Israelita. Nitalaho fanampiana tamin’ilay Andriamanitra marina anefa ny zanak’Israely, rehefa nihamafy ny fampahoriana. Izany no toe-draharaha, ara-pivavahana sy ara-tsosialy ary ara-politika, nisy tamin’ny fotoana nananganan’i Jehovah mpitsara hanafaka ny vahoakany tamin’ny fahavalony.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:2, 4—Nahoana ny fokon’ny Joda no notendrena voalohany haka ny tany lovany? Ny fokon’i Robena lahimatoan’i Jakoba no tokony hanao izany, raha ny tena izy. Naminany anefa i Jakoba, taloha kelin’ny nahafatesany, fa tsy ho lohany i Robena noho izy namoy ny fizokiany. Hiparitaka eran’i Israely kosa ny fokon’i Simeona sy Levy, noho izy ireo nanao zavatra tamin-kabibiana. (Genesisy 49:3-5, 7) I Joda, zanak’i Jakoba fahefatra àry no lasa voalohany. Niara-niakatra taminy anefa i Simeona, ka nahazo tany lova niparitaka eran’ilay faritany midadasika azon’i Joda. *Josoa 19:9.

1:6, 7—Nahoana no notapahina ny ankiben-tanana sy ankiben-tongotr’ireo mpanjaka resy? Toa tsy afaka niady ny olona iray rehefa namoy ny ankiben-tanany sy ny ankiben-tongony. Ahoana tokoa moa no ihazonan’ny miaramila iray sabatra na lefona, rehefa tsy eo ny ankiben-tanany? Mety hianjera koa izy rehefa tsy misy ankiben-tongotra.

Lesona ho antsika:

2:10-12. Tokony hanana fandaharam-pianarana Baiboly tsy tapaka isika, mba tsy ‘hanadinoantsika ny fitahian’i Jehovah rehetra.’ (Salamo 103:2) Ilain’ny ray aman-dreny ny mandentika ao am-pon’ny zanany ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra.—Deoteronomia 6:6-9.

2:14, 21, 22. Avelan’i Jehovah hitranga amin’ny vahoakany tsy mankatò ny zava-dratsy mba hanafaizana azy ireo, hanadiovana azy, ary handrisihana azy ireo hiverina aminy.

NANANGANA MPITSARA I JEHOVAH

(Mpitsara 3:7–16:31)

Natsahatr’i Otniela ny fifehezan’ny mpanjakan’i Mezopotamia ny Israely nandritra ny valo taona. Izany no fiandohan’ilay fitantarana mahafinaritra momba ny zava-bitan’ny mpitsara teo amin’ny Israely. Nampiasa paikady feno fahasahiana kosa i Ehoda Mpitsara, rehefa namono an’i Eglona, mpanjaka moabita natavy be. Nahery fo koa i Samgara, satria na irery aza izy, dia afaka namely Filistinina 600 tamin’ny fanindronan’omby. Iray alina monja ny miaramilan’i Baraka, ary zara raha nanana fiadiana. Vitany anefa ny nandresy ny tafika maherin’i Sisera, noho ny fampaherezan’i Debora mpaminanivavy, sy ny fanampian’i Jehovah. Natsangan’i Jehovah ho mpitsara i Gideona, ary nomeny fandresena teo amin’ny Midianita izy sy ny olony 300.

Nafahan’i Jehovah tamin’ny Amonita ny Israely, tamin’ny alalan’i Jefta. Anisan’ireo lehilahy 12 nitsara ny Israely koa i Tola, Jaïra, Ibzana, Elona, ary Abdona. Nifarana tamin’ny andron’i Samsona, izay niady tamin’ny Filistinina ny fotoana nisian’ny mpitsara.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

4:8—Nahoana i Baraka no nanantitrantitra fa tsy maintsy mandeha miaraka aminy any an’ady i Debora mpaminanivavy? Miharihary fa nahatsiaro ho tsy ampy fahaizana mba hiady irery tamin’ny tafik’i Sisera izy. Hahazo toky anefa izy sy ny miaramilany fa hitari-dalana azy ireo Andriamanitra, raha miaraka aminy ilay mpaminanivavy. Tsy fahalemena àry ny an’i Baraka, raha nanizingizina izy fa tokony hiaraka aminy i Debora. Nasehony kosa fa nanana finoana natanjaka izy.

5:20—Ahoana no niadian’ny kintana avy tany an-danitra ho an’i Baraka? Tsy milaza ny Baiboly raha manondro ny fanampian’ny anjely izany, na tainkintana niraraka izay noheverin’ireo olon-kendrin’i Sisera ho fambara loza, na koa fanambarana diso nataon’ny mpanandro. Tsy maintsy nisy fomba namonjen’Andriamanitra ny vahoakany anefa tamin’izay.

7:1-3; 8:10—Nahoana i Jehovah no nilaza fa be loatra ny miaramilan’i Gideona 32 000, raha hiady amin’ny fahavalo 135 000? Satria i Jehovah no hanome fandresena an’i Gideona sy ny miaramilany. Tsy tian’Andriamanitra hieritreritra izy ireo hoe nandresy ny Midianita noho ny herin’ny tenany manokana izy.

11:30, 31—Sorona olombelona ve no tao an-tsain’i Jefta rehefa nanao ilay voadiny izy? Tsy hieritreritra an’izany mihitsy i Jefta, satria nilaza mazava ny Lalàna hoe: “Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo.” (Deoteronomia 18:10) Olona anefa no tao an-tsain’i Jefta, fa tsy biby. Tsy azo inoana hoe hihazona biby mety hatao sorona tao an-tranony ny Israelita. Tsy ho zavatra niavaka koa ny fanolorana biby. Fantatr’i Jefta tsara fa mety ho ny zanany vavy ilay olona hivoaka ny tranony mba hitsena azy, ka hatolotra ho “fanatitra odorana”, izany hoe hatokana mba tsy hanao afa-tsy ny fanompoana an’i Jehovah any amin’ny toerana masina.

Lesona ho antsika:

3:10. Ny fanahin’i Jehovah no mampahomby ny fanompoana azy, fa tsy ny fahendren’ny olona.—Salamo 127:1.

3:21. Nahay nampiasa ny sabany i Ehoda sady nisikina herim-po. Tsy maintsy miezaka koa isika mba hahay hampiasa ny “sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra.” Midika izany fa tokony hisikina herim-po isika eny amin’ny fanompoana, ka hampiasa ny Soratra Masina.—Efesianina 6:17; 2 Timoty 2:15.

6:11-15; 8:1-3, 22, 23. Mampianatra antsika lesona lehibe telo ny fanetren-tenan’i Gideona: 1) Rehefa omena tombontsoam-panompoana isika, dia tokony hisaintsaina ny andraikitra tafiditra amin’izany, fa tsy hifantoka amin’ny toerana miavaka na ny laza azo avy amin’izy io. 2) Fahendrena ny manetry tena rehefa mifampiraharaha amin’ny olona tia ady. 3) Hiaro antsika tsy hifantoka loatra amin’ny toeram-pahefana ny fanetren-tena.

6:17-22, 36-40. Tsy maintsy mitandrina tsara koa isika mba tsy ‘hino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy.’ Ilaintsika ny ‘mamantatra raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.’ (1 Jaona 4:1) Tsara raha manatona anti-panahy za-draharaha kokoa ny anti-panahy vaovao, alohan’ny hanomezany torohevitra, mba hahazoana antoka fa miorina tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra holazainy.

6:25-27. Nitandrina i Gideona, mba tsy hampahatezitra tsy amin’ny antony an’ireo mpanohitra azy. Tsy maintsy mitandrina koa isika rehefa mitory ny vaovao tsara, mba tsy hanafintohina ny olona tsy amin’ny antony ny fomba fitenintsika.

7:6. Mailo sy nitandrina foana ireo miaramilan’i Gideona 300. Tokony hanahaka azy ireo isika rehefa manompo an’i Jehovah.

9:8-15. Hadalana tokoa raha manao zavatra amim-pireharehana sy manao tetika hahazoana laza na fahefana isika!

11:35-37. Nanampy ny zanakavavin’i Jefta hanana finoana matanjaka sy hahafoy tena ny ohatra tsara nomen’ny rainy. Tokony hanome ohatra tsara ho an’ny zanany koa ny ray aman-dreny, amin’izao andro izao.

11:40. Hampahery ny olona iray mazoto manompo an’i Jehovah ny fanomezana azy teny fiderana.

13:8. Tokony hangataka ny tari-dalan’i Jehovah sy hanaraka ny toromariny ny ray aman-dreny, rehefa mampianatra ny zanany.—2 Timoty 3:16.

14:16, 17; 16:16. Manimba fihavanana ny fanerena olona iray hanao zavatra, amin’ny alalan’ny ranomaso sy ny filana vaniny.—Ohabolana 19:13; 21:19.

FAHOTANA HAFA TEO AMIN’NY ISRAELY

(Mpitsara 17:1–21:25)

Mirakitra tantara mahavariana roa ny ampahany farany amin’ny bokin’ny Mpitsara. Mahakasika lehilahy iray atao hoe Mika ny voalohany. Nanangana sampy tao an-tranony izy, ary Levita iray no nataony mpisorona. Nandrava ny tanànan’i Laisy na Lesema ny Danita, ary nanorina tanàna nantsoiny hoe Dana. Nampiasain’izy ireo hananganana fivavahana hafa tao Dana àry ny sampin’i Mika sy ny mpisorony. Miharihary fa azo talohan’ny nahafatesan’i Josoa ny tanànan’i Laisy.—Josoa 19:47.

Taoriana kelin’ny nahafatesan’i Josoa kosa no nisehoan’ilay zava-nitranga faharoa. Nifarimbona nanao firaisana maloto ny lehilahy sasany tao Gibea. Izany no saika nahalany tamingana ny fokon’i Benjamina. Lehilahy 600 sisa no tafavoaka velona. Nisy fandaharana nahasoa natao anefa, mba hahazoan’izy ireo vady. Efa ho 60 000 àry ny isan’ny miaramilany, tamin’ny andro nanjakan’i Davida.—1 Tantara 7:6-11.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

17:6; 21:25—Tsy nahatonga ny fiainana ho baranahiny ve raha “samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra”? Tsy voatery ho izany, satria nanao fandaharana ampy mba hitarihana ny vahoakany i Jehovah. Nomeny ny Lalàna sy ny mpisorona izy ireo, mba hampianarana azy ireo ny lalany. Rehefa nisy raharaha lehibe nipoitra, dia afaka nanontany an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny mpisoronabe. (Eksodosy 28:30) Nisy anti-panahy afaka nanome torohevitra tsara koa tao amin’ny tanàna tsirairay. Nanana tari-dalana tsara ho an’ny feon’ny fieritreretany ny Israelita raha nahay nanararaotra ireny fandaharana ireny, ary amin’izay no hisy vokany tsara ny ‘fanaovany izay nataony ho marina.’ Ratsy kosa ny vokany, raha tsy niraharaha ny Lalàna ilay olona, ka nandray ny fanapahan-keviny manokana momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana.

20:17-48—Nahoana i Jehovah no namela ny Benjamita handresy indroa an’ireo foko hafa, na dia nila nofaizina aza izy? Navelan’i Jehovah ho voa mafy aloha ireo foko nahatoky, mba hitsapana raha tapa-kevitra marina hanaisotra ny faharatsiana teo amin’ny Israely izy ireo.

Lesona ho antsika:

19:14, 15. Tsy nety nandray vahiny ny mponin’i Gibea, ka hita tamin’izany fa ratsy toetra izy ireo. Ampirisihina ‘hanaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’ àry ny Kristianina.—Romanina 12:13.

Ho avy ny fanafahana

Kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy Jesosy dia handringana ny ratsy fanahy sy hitondra fanafahana lehibe ho an’ny mahitsy sy tsy manan-tsiny. (Ohabolana 2:21, 22; Daniela 2:44) Ho levona ny ‘fahavalon’i Jehovah rehetra’ amin’izay, ary ireo “tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ny heriny izy.” (Mpitsara 5:31) Aoka àry hoporofointsika fa anisan’ireo tia an’i Jehovah isika, ka hampiharintsika izay nianarantsika avy tao amin’ny bokin’ny Mpitsara.

Izao ilay toro lalana fototra naseho imbetsaka tao amin’ny bokin’ny Mpitsara: Mitondra fitahiana tondraka ny fankatoavana an’i Jehovah, fa loza kosa no entin’ny tsy fankatoavana. (Deoteronomia 11:26-28) Mampahafantatra antsika ny sitrapony Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny hankatoavantsika izany ‘amin’ny fo’!—Romanina 6:17; 1 Jaona 2:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy nahazo anjara tany hafa ny Levita, afa-tsy tanàna 48 nanerana ny Tany Nampanantenaina.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

“Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ny tànan’ireo namabo azy.”—Mpitsara 2:16

MPITSARA

1. Otniela (Fokon’i Manase)

2. Ehoda (Fokon’i Joda)

3. Samgara (Fokon’i Joda)

4. Baraka (Fokon’i Naftaly)

5. Gideona (Fokon’i Isakara)

6. Tola (Fokon’i Manase)

7. Jaïra (Fokon’i Manase)

8. Jefta (Fokon’i Gada)

9. Ibzana (Fokon’i Asera)

10. Elona (Fokon’i Zebolona)

11. Abdona (Fokon’i Efraima)

12. Samsona (Fokon’i Joda)

DANA

MANASE

NAFTALY

ASERA

ZEBOLONA

ISAKARA

MANASE

GADA

EFRAIMA

DANA

BENJAMINA

ROBENA

JODA

[Sary, pejy 26]

Nanantitrantitra i Baraka, fa tsy maintsy mandeha any an’ady i Debora. Inona no ianaranao avy amin’izany?