Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Notoherina i Saoly Satria Nitory

Notoherina i Saoly Satria Nitory

Notoherina i Saoly Satria Nitory

TSY takatry ny Jiosy tao Damaskosy hoe nahoana no lasa mpivadi-pinoana ilay olona nafana fo tamin’ny fivavahan-drazana. Tsy iza izany fa i Saoly, izay nanenjika ireo niantso ny anaran’i Jesosy tany Jerosalema. Ary ho any Damaskosy izy hanenjika ny mpianatra tany. Izy indray anefa izao no mitory, fa ilay mpanao heloka bevava nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana, satria nolazaina fa nanevateva an’Andriamanitra no Mesia! Lasa adala ve i Saoly?—Asan’ny Apostoly 9:1, 2, 20-22.

Azo hazavaina angamba izany. Tena mety ho niresaka izay nitranga teny an-dalana, ny sasany tamin’ireo niray dia tamin’i Saoly avy any Jerosalema. Nisy hazavana tampoka nanjelanjelatra be nanodidina azy ireo, rehefa nanakaiky an’i Damaskosy, ka lavo tamin’ny tany izy rehetra. Nandre feo koa izy ireo. Tsy nisy naninona anefa ny olona, afa-tsy i Saoly ihany. Nidaboka teo amin’ny lalana izy. Notantanan’ireo niara-dia taminy ho any Damaskosy izy rehefa niarina, satria lasa jamba.—Asan’ny Apostoly 9:3-8; 26:13, 14.

Mpanohitra lasa mpanohana

Inona no nanjo an’i Saoly teny an-dalana ho any Damaskosy? Nety ho nandreraka azy ve ny lalana lavitra sy ny hainandron’ny mitataovovonana? Mba hanomezana fanazavana azo ekena dia milaza ireo mpisalasala amin’ny andro ankehitriny fa nety ho nirediredy i Saoly, nilaza ho nahita zavatra tsy misy, na very saina satria nenjehin’ny eritreriny. Mety ho voadona mafy koa, hono, ny sainy, na nitady ho voan’ny androbe izy.

Ny tena marina anefa dia hoe niseho tamin’i Saoly tao anatin’ny hazavana nahajambena i Jesosy Kristy, ka izany no nampiaiky azy fa izy no Mesia. Asehon’ny mpanao sary sasany ho nianjera avy teny ambony soavaly i Saoly tamin’izay. Mety ho marina angamba izany, nefa milaza fotsiny ny Baiboly fa “lavo tamin’ny tany” izy. (Asan’ny Apostoly 22:6-11) Na ahoana na ahoana fomba nianjerany, dia tsy nisy dikany izany raha nampitahaina tamin’ny fietreny tamin’ny toerana notanany taloha. Voatery niaiky izy fa marina izay notorin’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy misy azony natao afa-tsy ny niandany tamin’izy ireo. Lasa mpanohana mafana fo ny hafatr’i Jesosy àry, ilay fahavalo mpanohitra mafy teo aloha. Rehefa nahita indray i Saoly ary natao batisa, dia ‘vao mainka izy nahazo hery, ary gaga sady very hevitra ny Jiosy nonina tany Damaskosy, rehefa nanome porofo tsara lahatra izy fa i Jesosy no Kristy.’—Asan’ny Apostoly 9:22.

Nandamòka ilay tetika hamonoana an’i Saoly

Nantsoina hoe Paoly i Saoly tatỳ aoriana. Nankaiza izy taorian’ny niovany finoana? Nilaza tamin’ny Galatianina izy fa “nankany Arabia ary niverina indray tany Damaskosy.” (Galatianina 1:17) Manondro ny toerana rehetra azo aleha any amin’ny Saikinosin’i Arabia ny hoe “Arabia.” Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho tany amin’ny Efitr’i Syria, na tany amin’ny fanjakana nabateanina nentin’i Areta Faha-4, no nandehanan’i Paoly. Azo inoana fa nandeha nisaintsaina tany amin’ny toerana mangina izy rehefa avy natao batisa, tahaka an’i Jesosy nandeha tany an-tany efitra, taorian’ny batisany.—Lioka 4:1.

Rehefa niverina tany Damaskosy i Saoly, dia “nikaon-doha hamono azy ny Jiosy.” (Asan’ny Apostoly 9:23) Nampiambina ny tanàna ilay governora tany Damaskosy nisolo tena an’i Areta Mpanjaka, mba hisamborana an’i Saoly. (2 Korintianina 11:32) Nataon’ny mpianatr’i Jesosy anefa izay handosirany, raha mbola nanao tetika hamonoana azy ny fahavalo.

Anisan’ny nanampy an’i Saoly handositra, i Ananiasy sy ireo mpianatra niaraka taminy fony izy vao niova finoana. * (Asan’ny Apostoly 9:17-19) Mety ho nanampy azy koa ireo tonga mpino noho ny fitoriany tany Damaskosy, satria milaza toy izao ny Asan’ny Apostoly 9:25: “Nalain’ny mpianany izy, ary nataony tao an-tsobika ka nampidininy avy teo amin’ny loaka tamin’ny manda, tamin’ny alina.” Mety ho nanondro ireo olona nampianarin’i Saoly ilay teny hoe “mpianany.” Na ahoana na ahoana, dia azo inoana fa ny fahombiazana hitany teo amin’ny fanompoana no vao mainka nankahalan’ny olona azy.

Lesona tsoahina

Rehefa dinihina ny zava-niseho sasany tamin’i Saoly niova finoana sy natao batisa, dia hita fa tsy nanahy loatra momba izay fiheveran’ny olona azy izy. Tsy nahasakana azy tsy hitory koa ny fanoherana mafy. Ny fanirahana azy hitory no zava-dehibe indrindra taminy.—Asan’ny Apostoly 22:14, 15.

Vao haingana ve ianao no niaiky fa zava-dehibe ny mitory ny vaovao tsara? Fantatrao araka izany, fa tsy maintsy mitory ilay Fanjakana ny Kristianina marina rehetra. Tsy tokony ho gaga ianao raha misy manohitra indraindray, rehefa manompo. (Matio 24:9; Lioka 21:12; 1 Petera 2:20) Fakan-tahaka ny nataon’i Saoly rehefa nisy nanohitra. Hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny Kristianina miaritra fitsapana, sy tsy mitsoaka an-daharana. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.” Nanome toky anefa izy hoe: “Ary raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.”—Lioka 21:17-19.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Taorian’ny nitorian’i Jesosy tany Galilia, na taorian’ny Pentekosta taona 33, no mety ho nidiran’ny Kristianisma tany Damaskosy.—Matio 4:24; Asan’ny Apostoly 2:5.

[Sary, pejy 28]

“Lavo tamin’ny tany” i Saoly rehefa niseho taminy i Jesosy

[Sary, pejy 29]

Nandositra i Saoly rehefa nisy nitetika hamono azy tany Damaskosy