Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Satroboninahitra Tsara Tarehy” ny Fahanterana

“Satroboninahitra Tsara Tarehy” ny Fahanterana

“Ny Famonjena Ahy dia avy Amin’i Jehovah”

“Satroboninahitra Tsara Tarehy” ny Fahanterana

HOY i Muriel, 101 taona: “Izany no fiainana tsara indrindra.” “Tena tombontsoa ilay izy!”, hoy i Theodoros, 70 taona. Hoy koa i Maria, 73 taona: “Izay no hitako ho fomba tsara indrindra azoko nampiasana ny fiainako.” Nanompo an’i Jehovah Andriamanitra nandritra ny fiainany manontolo izy rehetra ireo.

Maro ny mpanompon’i Jehovah zokiolona marisika toy izany eran-tany. Mbola manompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo izy ireny, na dia mihabe taona sy tsy salama ary miatrika zava-tsarotra hafa aza. Fakan-tahaka amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra izy ireo, eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tena sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoana ataony, na dia mety ho voafetra noho ny toe-javatra misy azy aza ny zava-bitany. *2 Korintianina 8:12.

Miresaka momba ny fiainana azon’ny zokiolona mahatoky antenaina ny bokin’ny Salamo. Afaka ny ho tahaka ny hazo lehibe izay efa antitra nefa mbola mamokatra, izy ireo. Izao no hira nataon’ny mpanao salamo momba azy ireo: “Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy.”—Salamo 92:14.

Mety hatahotra ny hailikilika sy tsy horaharahaina ny sasany, rehefa antitra ka mihena ny heriny. Nitalaho tamin’Andriamanitra i Davida hoe: “Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” (Salamo 71:9) Inona no mahatonga ny zokiolona hamokatra foana fa tsy hihaosa? Ny fanaovana izay lazain’Andriamanitra fa marina. Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Ny marina hamololona tahaka ny rofia.”—Salamo 92:12.

Ireo nanokana ny fiainany tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra tamim-pahatokiana, dia mbola mamokatra ihany rehefa mihantitra. Mitondra voka-tsoa ny zavatra maro nataony mba hanampiana ny tenany sy ny hafa, sahala amin’ny voa maniry sy mamokatra be. (Galatianina 6:7-10; Kolosianina 1:10) Mazava ho azy, fa tsy manana zavatra ireharehana firy matetika ireo antitra tsy nahalala afa-tsy ny tenany, sy tsy niraharaha ny lalan’Andriamanitra teo amin’ny fiainany.

Antitranterin’ny bokin’ny Ohabolana koa, fa firavaky ny zokiolona ny fanaovana ny marina. Izao no lazainy: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohabolana 16:31) Mampiharihary ny hatsaran’ny olona iray tokoa ny fanaovany ny marina. Manjary hajaina ny olona nanao ny marina foana teo amin’ny fiainany. (Levitikosy 19:32) Mahazo voninahitra ny fotsy volo, rehefa manam-pahendrena sy tsara toetra.—Joba 12:12.

Tena mampifaly an’i Jehovah ny olona nanokana ny fiainany tamin’ny fanompoana azy. Hoy ny Soratra Masina: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho [Jehovah], ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.” (Isaia 46:4) Mampanantena ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, fa hanohana sy hanampy ny mpanompony tsy mivadika izy, rehefa antitra izy ireo. Tena mampahery tokoa izany!—Salamo 48:14.

Koa satria mampifaly an’i Jehovah ny olona nanokana ny fiainany tamin’ny fanompoana azy, moa ve tsy mendrika ny fanajan’ny hafa koa izy ireny? Manahaka an’Andriamanitra isika, ka mihevitra ho sarobidy an’ireo mpiray finoana zokiolona. (1 Timoty 5:1, 2) Andeha àry isika hijery fomba sasany hanehoana fitiavana amin’izy ireny sy hikarakarana izay ilainy.

Zokiolona mandeha amin’ny lalan’ny fahamarinana

Manome toky antsika i Solomona, fa “amin’ny làlan’ny fahamarinana no misy fiainana.” (Ohabolana 12:28) Tsy manakana ny olona tsy handeha amin’io lalana io ny fahanterany. Nampandroso ny Kominisma nandritra ny fahatanorany manontolo, ohatra, ny lehilahy iray 99 taona tany Moldavia. Nirehareha erỳ izy, satria efa niresaka tamin’ireo mpitondra kominista fanta-daza toa an-dry V. Lénine. Nanjary tsy nanan-java-kendrena intsony anefa io lehilahy zokiolona io, rehefa nikororosy sy rava ny Kominisma. Rehefa nohazavain’ny Vavolombelon’i Jehovah taminy avy tao amin’ny Baiboly anefa, fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tena vahaolana ho an’ny zava-manahirana ny olombelona, dia nanaiky izany fahamarinana izany izy ary nanjary nazoto nianatra ny Soratra Masina. Nampalahelo fa maty talohan’ny nanaovana batisa azy izy.

Nianatra momba ny fitsipi-pitondran-tena avy amin’Andriamanitra ny vehivavy iray 81 taona tany Hongria, ka fantany fa nila nisora-panambadiana tamin’ilay lehilahy niarahany efa an-taonany maro izy. Nisikina herim-po izy, ary nanazava tamin’io lehilahy io izay lazain’ny Baiboly. Tena gaga sy faly izy, rehefa nanaiky hanambady azy ilay rangahy. Nandroso tsara izy, rehefa vita ny fisoratam-panambadiany. Lasa mpitory izy, valo volana taorian’ny nanombohany ny fianarana Baiboly, ary tsy ela taorian’izay dia natao batisa. Toy ny satroboninahitra mandravaka ny zokiolona tokoa ny fanaovana ny marina!

Mahazo matoky tokoa ny Kristianina zokiolona tsy mivadika, fa miahy azy ireo Andriamanitra. Tsy hahafoy ireo tsy mivadika aminy mihitsy i Jehovah. Mampanantena kosa izy fa hitarika sy hanampy ary hanohana azy ireo, na dia rehefa antitra aza izy ireo. Ho tsapany amin’izay fa marina ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.”—Salamo 121:2

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, Janoary/Febroary.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.”—OHABOLANA 16:31.

MIKARAKARA NY MPANOMPONY ZOKIOLONA I JEHOVAH

“Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy.” —Levitikosy 19:32.

“Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.”—Isaia 46:4.