Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Fahitana Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Tanteraka ny Fahitana Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Tanteraka ny Fahitana Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

“Tsara ... ny ataonareo raha mandinika [ny teny faminaniana] ianareo, toy ny fandinika jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina.”—2 PETERA 1:19.

1. Inona no tsy fitoviana misy ankehitriny?

 MANDIA fotoan-tsarotra foana ity tontolo ity. Anisan’izany ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fampihorohoroana eran-tany. Mitombo hatrany ny zava-manahirana ny olombelona, ary tsy nahavita nanampy, na dia ny fivavahana aza. Izy ireny mihitsy aza matetika no manampy trotraka amin’ny fandranitana ny tsy fifandeferana, sy ny fankahalana ary ny fanindrahindram-pirenena, izay mampisaratsaraka ny olona. Manarona ny “firenena” tokoa ny “aizim-pito”, araka ny nambara mialoha. (Isaia 60:2) Misy olona an-tapitrisany koa anefa mibanjina ny hoavy amin-toky. Nahoana? Noho izy ireo mandinika ny teny faminanian’Andriamanitra, toy ny “fandinika jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina.” Avelany hitari-dalana azy ny “teny” na ny hafatr’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly.—2 Petera 1:19.

2. Iza ihany no hahatakatra ny fahamarinan’Andriamanitra, araka ny voalazan’i Daniela mpaminany momba ny “andro farany”?

2 Hoy i Daniela mpaminany momba ny “andro farany”: “Maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana. Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.” (Daniela 12:4, 10) Ireo ‘mazoto mandinika’ na mianatra ny Tenin’Andriamanitra, sy manaraka ny fitsipiny, ary miezaka manao ny sitrapony ihany no hahatakatra ny fahamarinan’Andriamanitra.—Matio 13:11-15; 1 Jaona 5:20.

3. Inona no fahamarinana lehibe takatry ny mpianatra ny Baiboly voalohany, tamin’ireo taona 1870?

3 Nanomboka nanazava bebe kokoa momba ny “zava-miafina masina momba ny fanjakan’ny lanitra” i Jehovah tamin’ireo taona 1870, izany hoe talohan’ny nanombohan’ny “andro farany.” (2 Timoty 3:1-5; Matio 13:11) Takatry ny mpianatra ny Baiboly tamin’izany fotoana izany hoe tsy ho hita maso ny fiverenan’i Kristy, fa tsy araka ny niheveran’ny besinimaro azy. Hiverina amin’ny fomba tsy hita maso izy rehefa avy nandray fanjakana tany an-danitra, ary hampifantoka ny sainy amin’ny raharahan’ny tany. Famantarana hita maso sy misy lafiny maro no hampahafantatra amin’ny mpianany fa efa manomboka manatrika izy.—Matio 24:3-14.

Tanteraka ilay fahitana

4. Ahoana no anatanjahan’i Jehovah ny finoan’ny mpanompony ankehitriny?

4 Nampiseho an’i Kristy lasa Mpanjaka be voninahitra ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy. (Matio 17:1-9) Nanatanjaka ny finoan’i Petera sy Jakoba ary Jaona izany, tamin’ny fotoana nandaozan’ny mpianatra maro an’i Jesosy. Tsy nanao ny zavatra nantenain’ireo mpianatra ireo hataony mantsy i Jesosy, satria tsy araka ny Soratra Masina izy ireny. Manatanjaka ny finoan’ny mpanompony ankehitriny koa i Jehovah amin’izao andro farany izao. Hazavainy bebe kokoa ny fahatanterahan’io fahitana mahatalanjona io, sy ireo faminaniana hafa mifandray aminy. Hodinihintsika izao ny sasany amin’ireny zavatra manatanjaka finoana ireny.

5. Iza ilay Kintana Fitarikandro, ary oviana sy tamin’ny fomba ahoana izy no ‘niposaka’?

5 Niresaka momba ilay fiovan-tarehy ny apostoly Petera, ary nilaza hoe: “Koa manana ny teny faminaniana isika, ary natao azo antoka kokoa izy io. Tsara àry ny ataonareo raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina, izany hoe ao am-ponareo, mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.” (2 Petera 1:19) Ilay Kintana Fitarikandro, na ilay “kintan’ny maraina mamirapiratra” dia i Jesosy Kristy nomem-boninahitra. (Apokalypsy 22:16) ‘Niposaka’ izy tamin’ny 1914, rehefa teraka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanamarika ny fiandohan’ny vanim-potoana vaovao izany. (Apokalypsy 11:15) Niara-niseho tamin’i Jesosy i Mosesy sy Elia tao amin’ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy, ary niresaka taminy. Iza no mifanitsy amin’izy ireo?

6, 7. Iza no mifanitsy amin’i Mosesy sy Elia hita tao amin’ilay fiovan-tarehy, ary inona no tsipirian-javatra lehibe nambaran’ny Soratra Masina momba izany?

6 Azo antoka fa ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy no mifanitsy amin’i Mosesy sy Elia. Hita niaraka tamin’i Kristy tao amin’ny voninahiny mantsy ireo vavolombelona mahatoky roa ireo. Ny fahatakarantsika fa hisy hiara-manjaka amin’i Jesosy dia mifanaraka amin’ilay fahitana azon’i Daniela mpaminany, momba ny Mesia nomena fanjakana. Nahita “toy ny zanak’olona” nahazo “fanjakana mandrakizay” avy tamin’ny “Fahagola”, na i Jehovah Andriamanitra, izy. Mariho anefa izay naseho an’i Daniela taoriana kelin’izay. Hoy izy: “Ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra.” (Daniela 7:13, 14, 27) Dimanjato taona mahery talohan’ilay fiovan-tarehy àry, dia efa nambaran’Andriamanitra fa hisy ‘olona masina’ hiara-manjaka amin’i Kristy.

7 Iza ireo olona masina tao amin’ny fahitan’i Daniela ireo? Niresaka azy ireny ny apostoly Paoly rehefa nilaza hoe: “Ny fanahy masina sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka àry isika, dia mpandova koa, izany hoe, mpandova an’Andriamanitra tokoa nefa mpiara-mandova amin’i Kristy, raha miara-miaritra aminy isika mba homem-boninahitra miaraka aminy koa.” (Romanina 8:16, 17) Tsy iza àry ireo olona masina fa ny mpianatr’i Jesosy voahosotra. Hoy i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy: “Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako, tahaka ny nandreseko ka niarahako nipetraka tamin’ny Raiko teo amin’ny seza fiandrianany.” Hiaraka amin’i Jesosy ireo ‘mpandresy’ natsangana tamin’ny maty ireo, izay miisa 144 000, ary ho mpanjaka hitondra ny tany manontolo.—Apokalypsy 3:21; 5:9, 10; 14:1, 3, 4; 1 Korintianina 15:53.

8. Inona no asa mitovy amin’ny an’i Mosesy sy Elia nataon’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra, ary inona no vokatr’izany?

8 Nahoana anefa ireo Kristianina voahosotra no lazaina fa mifanitsy amin’i Mosesy sy Elia? Satria manao asa mitovy amin’ny an’i Mosesy sy Elia izy ireo, raha mbola eto an-tany. Manaporofo ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah foana, ohatra, izy ireo na dia iharam-panenjehana aza. (Isaia 43:10; Asan’ny Apostoly 8:1-8; Apokalypsy 11:2-12) Misikina herim-po toa an’i Mosesy sy Elia koa izy ireo, ka manala sarona ny fivavahan-diso, sady mampirisika ny olona tso-po hanompo an’Andriamanitra irery ihany. (Eksodosy 32:19, 20; Deoteronomia 4:22-24; 1 Mpanjaka 18:18-40) Nahitam-bokatra ve ny asan’izy ireo? Izany tokoa! Nanampy teo amin’ny fanangonana ny sisa voahosotra izy ireo, ary nanampy olona maro be anisan’ny “ondry hafa” mba hanaiky an-tsitrapo an’i Jesosy Kristy.—Jaona 10:16; Apokalypsy 7:4.

Mamita ny fandreseny i Kristy

9. Ahoana no ilazalazan’ny Apokalypsy 6:2 an’i Jesosy ankehitriny?

9 Tsy olon-tsotra mitaingina zanak’ampondra intsony i Jesosy ankehitriny, fa Mpanjaka mahery. Aseho ho toy ny mitaingin-tsoavaly izy, ary milaza ady ny hoe soavaly ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 21:31) Hoy ny Apokalypsy 6:2: “Indro, nisy soavaly fotsy. Ary ilay nitaingina azy nanana tsipìka, ary nomena satroboninahitra izy. Ary nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.” Hoy koa i Davida momba an’i Jesosy: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.”—Salamo 110:2.

10. a) Inona no fandresena voalohany azon’i Jesosy? b) Inona no vokatr’ilay fandresena voalohany azon’i Jesosy, teo amin’ny ankamaroan’ny olona?

10 Nandresy an’i Satana sy ireo demonia, fahavalony matanjaka indrindra, i Jesosy. Izany no fandresena voalohany azony. Noroahiny avy tany an-danitra izy ireo, ary natsipiny mafy tamin’ny tany. Fantatr’ireny fanahy ratsy ireny fa fohy ny fotoana ananany. Nirehitra tamin’ny olombelona àry ny fahatezeran’izy ireo, ka loza lehibe no vokany. Aseho an’ohatra amin’ny dia ataon’ny mpitaingin-tsoavaly telo hafa izany, ao amin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 6:3-8; 12:7-12) Ady sy mosary ary areti-mandringana no entin’ireo soavaly ireo, araka ny faminanian’i Jesosy momba ny “famantarana ny [fanatrehany] sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3, 7; Lioka 21:7-11) Toy ny “fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka” ireny fahoriana ireny, ka hihamafy ‘mandra-pamitan’i Kristy ny fandreseny’, amin’ny fandravana tanteraka ny fandaminana hita mason’i Satana. *Matio 24:8.

11. Porofoin’ny tantaran’ny fiangonana kristianina fa efa lasa mpanjaka i Kristy. Hazavao.

11 Izao koa no anaporofoana fa efa lasa mpanjaka i Jesosy: Niaro ny fiangonana kristianina izy, mba hahafahan’izy io hanatanteraka ilay asa nasaina hataony, dia ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana maneran-tany. Mahery vaika ny fanoherana avy amin’i Babylona Lehibe na ny fivavahan-diso rehetra. Toy izany koa ny ataon’ireo fitondram-panjakana feno fankahalana. Mitohy foana anefa ny asa fitoriana, ary nahatratra ambaratonga lehibe mbola tsy nisy toy izany. (Apokalypsy 17:5, 6) Manaporofo tokoa izany fa lasa mpanjaka i Kristy!—Salamo 110:3.

12. Nahoana ny ankamaroan’ny olona no tsy nahatakatra ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso?

12 Fisehoan-javatra tsy hita maso no mahatonga ireo zava-mitranga miavaka eto an-tany. Mampalahelo anefa fa tsy mahatakatra izany ny ankamaroan’ny olona, anisan’izany ireo olona an-tapitrisany mitonona ho Kristianina. Maneso ireo mitory ny Fanjakan’Andriamanitra aza izy ireo. (2 Petera 3:3, 4) Nahoana? Satria nanajamba ny sainy i Satana. (2 Korintianina 4:3, 4) Efa taonjato maro lasa izy, raha ny marina, no nanomboka nandrakotra haizina ara-panahy teo amin’ireo nitonona ho Kristianina. Nataony mihitsy aza izay hamoizan’izy ireo ny fanantenany ny amin’ilay Fanjakana.

Nafoiny ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana

13. Inona no vokatry ny haizina ara-panahy teo amin’ireo nitonona ho Kristianina?

13 Nilaza mialoha i Jesosy fa hitsofoka eo anivon’ny fiangonana kristianina ny mpivadi-pinoana, ary hitarika ny maro hiala. Toy ny tsimparifary afafy eo amin’ny vary izy ireny. (Matio 13:24-30, 36-43; Asan’ny Apostoly 20:29-31; Joda 4) Nanaraka fety sy fanao ary fampianaran’ny mpanompo sampy ireny olona nitonona ho Kristianina ireny, tamin’ny farany. Nolazainy mihitsy aza fa an’ny “Kristianina” izy ireny. Niandoha avy tamin’ny fombafombam-pivavahana tamin’i Mithra sy Saturne, andriamanitra sampy, ohatra, ny Krismasy. Inona anefa no nandrisika ireny olona ireny hanao fankalazana tsy kristianina toy izany? Hoy ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy, 1974): “Tsy ninoan’ny Kristianina hoe efa antomotra ny fiverenan’i Kristy, ka izay no antony iray nahatonga azy ireo hanomboka hankalaza ny Krismasy ho fetin’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy.”

14. Nahoana no tsy nampiseho tsara ny fahamarinana momba ilay Fanjakana ny fampianaran’i Origène sy Augustin?

14 Diniho koa ny fanolanana ny hevitr’ilay teny hoe “fanjakana.” Hoy ilay boky hoe Fanazavana Momba ny Fanjakan’Andriamanitra Tamin’ny Taonjato Faha-20 (anglisy): “ I Origène [teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo] no nanova ny fampiasan’ny Kristianina ny teny hoe ‘fanjakana’, ho amin’ilay heviny hoe ao am-po ny Fanjakan’Andriamanitra.” Niorina tamin’ny inona anefa ny fampianaran’i Origène? Tsy tamin’ny Soratra Masina, fa tamin’ny “filozofia sy fijerin’olombelona, izay tena hafa noho ny fisainan’i Jesosy sy ny fiangonana voalohany.” Nilaza i Augustin avy any Hippone (taona 354-430) tao amin’ilay bokiny hoe Civitate Dei (Ilay Tanànan’Andriamanitra), fa ny fiangonana no Fanjakan’Andriamanitra. Izany fisainana tsy araka ny Soratra Masina izany no nahatonga ireo fiangonan’ny fivavahana kristianina hanaiky fahefana ara-politika. Nanana fahefana toy izany izy ireo, nandritra ny taonjato maro. Matetika anefa no nampiharina tamin-kabibiana izy ireny.—Apokalypsy 17:5, 18.

15. Ahoana no nahatanterahan’ny Galatianina 6:7 tamin’ireo fiangonana maro ao amin’ny Kristianisma Anarana?

15 Mijinja izay nafafiny anefa ny fiangonana amin’izao andro izao. (Galatianina 6:7) Toa tsy manana fahefana intsony ny ankamaroan’izy ireny, ary mihamihena ny isan’ny mpiangona ao aminy. Hita indrindra izany any Eoropa. Milaza ny gazety Kristianisma Ankehitriny (anglisy), fa “tranombakoka falehan’ny mpizaha tany sisa ireo katedraly lehibe any Eoropa amin’izao fotoana izao, fa tsy trano fivavahana intsony.” Hita taratra koa izany any an-tany hafa. Milaza inona momba ny fivavahan-diso izany? Ho foana tsy hisy hamonjy ve izy io? Ary inona no ho fiantraikan’izany eo amin’ny fivavahana marina?

Miomàna ho amin’ny andro lehiben’Andriamanitra

16. Midika ho inona ny fitomboan’ny fankahalana an’i Babylona Lehibe?

16 Rehefa manomboka mamoaka setroka sy lavenona ny volkano iray tsy nihetsika ela, dia midika izany fa efa hipoaka izy. Ny fankahalana ny fivavahana any amin’ny tany maro koa, dia midika fa kely sisa ny andron’ny fivavahan-diso. Hataon’i Jehovah tsy ho ela izay hampiray hina ny mpanao politika, ka hahatonga azy ireo hampitanjaka sy handrava an’i Babylona Lehibe, ilay mpivaro-tena an’ohatra. (Apokalypsy 17:15-17; 18:21) Tokony hatahoran’ny Kristianina marina ve io fisehoan-javatra io, sy ireo lafiny hafa amin’ny “fahoriana lehibe” izay hitranga aorian’izany? (Matio 24:21) Tsia dia tsia tokoa! Hanana antony hifaliana aza izy ireo, rehefa handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. (Apokalypsy 18:20; 19:1, 2) Diniho izay nitranga tamin’i Jerosalema sy ireo Kristianina nipetraka tany, tamin’ny taonjato voalohany.

17. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika no afaka miatrika amin-toky ny faran’ity tontolo ity?

17 Tsy taitra na nivadi-po ny Kristianina mailo ara-panahy, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika romanina, tamin’ny taona 66. Nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ka fantany fa ‘nanakaiky ny fandravana an’i Jerosalema.’ (Lioka 21:20) Fantany koa fa hanokatra lalana handosirany any amin’ny toerana azo antoka kokoa Andriamanitra. Nandositra izy ireo rehefa nitranga izany. (Daniela 9:26; Matio 24:15-19; Lioka 21:21) Toy izany koa ankehitriny. Afaka miatrika amin-toky ny faran’ity tontolo ity ireo mahafantatra an’Andriamanitra sy mankatò ny Zanany. (2 Tesalonianina 1:6-9) Raha ny marina, dia ‘hitraka’ amim-pifaliana izy ireo rehefa hamely ny fahoriana lehibe, ary ‘hanandratra ny lohany, fa efa manakaiky ny fanafahana azy ireo.’—Lioka 21:28.

18. Inona no ho vokatr’ilay fanafihan’i Goga ny mpanompon’i Jehovah?

18 Hanao ny asan’i Gogan’i Magoga i Satana, ka hanafika ny Vavolombelon’i Jehovah mandry feizay, aorian’ny handravana an’i Babylona Lehibe. Manantena ny handresy mora foana ny tafik’i Goga, ka ho avy “tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany.” Tsy hampoizin’izy ireo anefa izay hitranga! (Ezekiela 38:14-16, 18-23) Hoy ny apostoly Jaona: “Nahita ny lanitra nisokatra aho, ary indro nisy soavaly fotsy. Ary antsoina hoe Mahatoky sy Marina ilay nitaingina azy... Ary nisy sabatra maranitra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavany mba hamelezany ny firenena.” Hanafaka ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ary handringana ny fahavalony rehetra, io “Mpanjakan’ny mpanjaka” tsy mety resy io. (Apokalypsy 19:11-21) Izany ka fiafarana tsara ho an’ny fahatanterahan’ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy!

19. Inona no ho vokatry ny fandresena tanteraka azon’i Kristy eo amin’ny mpianany tsy mivadika, ary inona izao no tokony hiezahan’izy ireo hatao?

19 Natao mba “hahatalanjona amin’izany andro izany [i Jesosy] raha ny amin’izay rehetra naneho finoana.” (2 Tesalonianina 1:10) Ho tianao ve ny ho anisan’ireo ho talanjona noho ny fandresen’ilay Zanak’Andriamanitra? Aoka àry ianao hanatanjaka hatrany ny finoanao ary ‘hiomana, satria amin’ny ora tsy eritreretinao no hiavian’ny Zanak’olona.’—Matio 24:43, 44.

Aoka ianareo hisaina tsara

20. a) Ahoana no anehoantsika fankasitrahana ny “mpanompo mahatoky sy malina”? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

20 Mampirisika foana ny vahoakan’Andriamanitra ny “mpanompo mahatoky sy malina”, mba hisaina tsara sy ho mailo hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Matio 24:45, 46; 1 Tesalonianina 5:6) Velom-pankasitrahana ve ianao noho ireny fampahatsiahivana ara-potoana ireny? Mitadidy azy ireny ve ianao, rehefa mamantatra izay zava-dehibe kokoa? Nahoana raha manontany tena hoe: ‘Mazava tsara amiko ve izay lazain’ny Soratra Masina momba ny dikan’ireo zava-mitranga maneran-tany? Ekeko ve fa efa manjaka any an-danitra ilay Zanak’Andriamanitra? Takatro ve fa vonona hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’i Babylona Lehibe sy ny sisa amin’ny tontolon’i Satana izy?’

21. Inona no mety ho nampahalemy ny finoan’ny olona sasany, ary inona no ilain’izy ireo hatao maika dia maika?

21 Nanjary nalemy finoana ny olona sasany nifanerasera tamin’ny vahoakan’i Jehovah. Tsy nanam-paharetana toy ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany ve izy ireny? Nisy vokany teo aminy ve ny fanahiana eo amin’ny fiainana sy ny fitiavan-karena ary ny fanenjehana? (Matio 13:3-8, 18-23; Lioka 21:34-36) Hitan’ny sasany angamba fa sarotra ny mahatakatra ny fanazavana sasany navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Raha nitranga taminao izany dia mampirisika anao izahay hianatra ny Tenin’Andriamanitra amin-jotom-po. Mitalahoa koa amin’i Jehovah mba hanananao fifandraisana tsara sy akaiky aminy indray.—2 Petera 3:11-15.

22. Inona no tsapanao rehefa nandinika ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy sy ireo faminaniana mifandray aminy ianao?

22 Nomena ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy ny mpianatr’i Jesosy rehefa nila fampaherezana. Zavatra lehibe lavitra noho izany ankehitriny no hampaherezana antsika. Izany dia ny fahatanterahan’iny fahitana mahavariana iny sy ireo faminaniana hafa mifandray aminy. Enga anie isika ka hiombom-pihetseham-po tanteraka amin’ny apostoly Jaona, rehefa mandinika ireny zava-miseho be voninahitra ireny sy ny fahatanterahany amin’ny hoavy. Hoy mantsy izy: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!”—Apokalypsy 22:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Toa milaza ny Matio 24:8 fa toy ny fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka ny olana eto amin’ity tontolo ity ka hitombo sy hihamafy ary haharitra, mandra-pahatratrany ny fara tampony amin’ny fahoriana lehibe.

Tadidinao Ve?

• Inona no nanjary takatr’ireo mpianatra ny Baiboly vitsivitsy tamin’ireo taona 1870, momba ny fiverenan’i Kristy?

• Ahoana no nahatanterahan’ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy?

• Inona no vokatr’ilay fandresen’i Jesosy, teo amin’ny olona eran-tany sy teo amin’ny fiangonana kristianina?

• Inona no tokony hataontsika, raha irintsika ny ho tafavoaka velona, rehefa hamita ny fandreseny i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Tanteraka ilay fahitana

[Sary, pejy 18]

Fantatrao ve izay nitranga rehefa nanomboka ny fandreseny i Kristy?