Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitadiavana Ilay ‘Vatosoa Sarobidy’ Ankehitriny

Fitadiavana Ilay ‘Vatosoa Sarobidy’ Ankehitriny

Fitadiavana Ilay ‘Vatosoa Sarobidy’ Ankehitriny

“Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.”—MATIO 24:14.

1, 2. a) Ahoana no niheveran’ny Jiosy ny Fanjakan’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Jesosy? b) Inona no nataon’i Jesosy mba ho azon’ny olona tsara hoe inona ilay Fanjakana, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny mpianany?

TENA nahaliana ny Jiosy ny Fanjakan’Andriamanitra, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Matio 3:1, 2; 4:23-25; Jaona 1:49) Tsy takatry ny ankamaroan’izy ireo tsara anefa tamin’ny voalohany hoe hatraiza ny faritra hanjakany, ary amin’ny fomba ahoana no hampiharany ny fahefany. Tsy azon’izy ireo koa fa fitondram-panjakana any an-danitra izy io. (Jaona 3:1-5) Na ny mpianatr’i Jesosy sasany aza tsy nahazo tsara hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra, na inona no tsy maintsy nataony mba ho anisan’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy izy.—Matio 20:20-22; Lioka 19:11; Asan’ny Apostoly 1:6.

2 Nampianatra zavatra maro tamin’ny mpianany anefa i Jesosy, rehefa nandeha ny fotoana. Anisan’izany ilay fanoharana momba ilay vatosoa sarobidy, nodinihintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nasehony azy ireo fa tena ilaina ny miezaka mafy mba hikatsahana ilay Fanjakana any an-danitra. (Matio 6:33; 13:45, 46; Lioka 13:23, 24) Azo antoka fa nanohina lalina ny fon’izy ireo izany, satria lasa nazoto sy be herim-po izy ireo, rehefa nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana hatrany amin’ny faritra lavitra amin’ny tany. Betsaka ny porofo manamarina izany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.—Asan’ny Apostoly 1:8; Kolosianina 1:23.

3. Inona no nolazain’i Jesosy momba ilay Fanjakana, rehefa niresaka ny amin’ny androntsika izy?

3 Ary ahoana ny amin’ny androntsika? Torina amin’ny olona maro be fa handrotsaka fitahiana ho an’ny olona eto amin’ny tany Paradisa ilay Fanjakana. Izao no nolazain’i Jesosy tao amin’ilay faminaniany lehibe momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:3, 14; Marka 13:10) Nohazavainy fa ho tontosa io asa goavana io, na dia misy sakana sy zava-tsarotra lehibe ary fanenjehana mihitsy aza. Nanome toky anefa izy hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:9-13) Mitaky fandavan-tena sy fikirizana izany, toy ny nananan’ilay mpivaro-mandeha tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Misy olona maneho finoana sy zotom-po toy izany koa ve ankehitriny, mba hikatsahana ilay Fanjakana?

Mahafaly ny mahita ny fahamarinana

4. Inona no vokany, rehefa mahalala ny fahamarinana momba ilay Fanjakana ny olona?

4 Dibo-kafaliana ilay mpivarotra tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, rehefa nahita ilay ‘vatosoa sarobidy.’ Izany no nahatonga azy hanao izay rehetra azony natao mba hahazoana azy io. (Hebreo 12:1) Manintona ny olona sy manosika azy hanao zavatra koa ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ankehitriny. Mampahatsiahy antsika izay nolazain’ny Rahalahy A. Macmillan tao amin’ny boky Finoana Mandroso (anglisy) izany. Noresahiny tao fa nitady an’Andriamanitra sy niezaka hahafantatra ny fikasany momba ny olombelona izy. Hoy izy: “Olona maro be isan-taona no mbola mianatra ny zavatra nianarako. Olona toa antsika ihany izy ireny, satria avy amin’ny firenena, foko, sy fari-piainana isan-karazany, sady samy hafa taona. Tsy manavakavaka ny fahamarinana, fa misarika ny karazan’olona rehetra.”

5. Inona no vokatra tsara hita ao amin’ny tatitra momba ny taom-panompoana 2004?

5 Marina tokoa izany, satria olona ana hetsiny isan-taona no manolo-tena ho an’i Jehovah sy manao ny sitrapony, noho ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany koa no hita tamin’ny taom-panompoana 2004, nanomboka tamin’ny Septambra 2003 ka hatramin’ny Aogositra 2004. Nandritra ireo 12 volana ireo, dia olona 262 416 tany amin’ny tany 235, no natao batisa tao anaty rano, mba hampisehoana ampahibemaso fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy. Mitarika fampianarana Baiboly 6 085 387 isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo tany ireo. Mampianatra olona avy amin’ny fari-piainana rehetra sy avy amin’ny firenena, foko ary fiteny maro izy ireo, mba hahatakarany ilay fahamarinana manome aina, avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Apokalypsy 7:9.

6. Nahoana no misy foana ny fitomboana hatramin’ny taona maro?

6 Inona no nahatonga izany rehetra izany? Tsy isalasalana fa mitaona ny olona manana toe-po tsara i Jehovah. (Jaona 6:65; Asan’ny Apostoly 13:48) Tsy azo hamaivanina koa anefa ny fahafoizan-tenan’ireo mikatsaka ilay Fanjakana sy ny ezaka mafy ataony. Izao no nosoratan’ny Rahalahy Macmillan, tamin’izy 79 taona: “Mbola tsy lefy foana ny fanantenako momba ny marary sy ny maty, hatramin’ny nianarako azy io voalohany tao amin’ny Baiboly. Tamin’izay aho, dia efa tapa-kevitra ny hianatra bebe kokoa ny Baiboly, mba hanampiako ny olona toa ahy, izay maniry hahalala an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, sy ny fikasany momba ny olombelona.”

7. Inona no ohatra mampiseho fa faly sy mazoto ireo mahita ny fahamarinana ara-baiboly?

7 Ahitana zotom-po toy izany koa eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Iray amin’izany i Daniela avy any Vienne, Aotrisy. Hoy izy: “Andriamanitra no namako akaiky indrindra hatramin’izaho mbola kely. Te hahalala ny anarany foana aho hatramin’izay, satria tsy nampiseho ny maha izy azy ilay teny hoe ‘Andriamanitra’ tamiko. Efa 17 taona anefa aho vao nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika ahy. Nohazavainy tamiko daholo izay tiako ho fantatra momba an’Andriamanitra. Hitako ihany ny fahamarinana tamin’ny farany, ary tena nahafinaritra be ilay izy! Faly erỳ aho ka nanomboka nitory tamin’ny olon-drehetra.” Nafana fo tokoa i Daniela, ka tsy ela dia naneso azy ny mpiara-mianatra taminy. Hoy ihany izy: “Toy ny hoe hitako ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, satria nilaza i Jesosy fa hankahalaina sy henjehina noho ny anarany ny mpianany. Sady faly be aho no gaga.” Nanolo-tena ho an’i Jehovah i Daniela taoriana kelin’izay, natao batisa, ary nanao tanjona ho misionera. Nanambady an’i Helmut izy, ary avy eo izy mivady, dia nanomboka nitory tamin’ireo olona avy any Afrika, Chine, Inde, ary Philippines monina any Vienne. Misionera any atsimoandrefan’i Afrika izao i Daniela sy Helmut.

Tsy kivy izy ireo

8. Inona no fomba iray mahafa-po ampisehoan’ny maro fa tia an’Andriamanitra izy ireo, ary tsy mivadika amin’ny Fanjakany?

8 Ny fanompoan’ny misionera no fomba iray ampisehoan’ny vahoakan’i Jehovah fa tia azy izy ireo, ary tsy mivadika amin’ny Fanjakany. Vonona handeha lavitra toy ilay mpivarotra tao amin’ny fanoharan’i Jesosy ireo misionera, noho ilay Fanjakana. Mazava ho azy fa tsy hitady ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana akory no anton-dian’izy ireo. Te hampita izany amin’ireo olona mipetraka any an-tany lavitra kosa izy ireo, ary tiany ny hampianatra sy hanampy azy ireny ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy. (Matio 28:19, 20) Miaritra zava-tsarotra tsy fahitany izy ireo any amin’ny tany maro, nefa tena valian-tsoa ny fiaretany.

9, 10. Inona no zavatra mahafinaritra hitan’ny misionera any an-tany lavitra, toy ny any amin’ny République centrafricaine?

9 Raiso, ohatra, ny any amin’ny République centrafricaine. Nahatratra 16 184 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny taon-dasa, izany hoe efa ho avo fito heny noho ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Tsy misy jiro ny faritra maro any amin’io tany io, ka any an-tokotany ny olona matetika no manao ny raharahany, eo ambany aloky ny hazo. Tsy mahagaga àry raha izany koa no ataon’ny misionera, rehefa manao fanompoana. Eo ambany aloky ny hazo any an-tokotany izy no mampianatra Baiboly. Tsy hoe mazava sy mangatsiatsiaka kokoa fotsiny any ivelany, fa misy tombony hafa koa. Tia Baiboly mantsy ny olona any, ka mahazatra azy ireo ny miresaka momba ny fivavahana. Matetika izany no hitan’ny mpandalo, ka tonga koa izy hiara-mianatra amin’ilay olona eo.

10 Nampianatra Baiboly teo an-tokotany, ohatra, ny misionera iray. Nanatona azy ny tovolahy iray nipetraka tao amin’ny trano teo ampitan’ny arabe. Nilaza izy fa mbola tsy nisy nitsidika, ka tokony mba ho tonga any aminy ilay misionera hampianatra Baiboly azy. Mazava ho azy fa faly ilay misionera nanampy an’ilay tovolahy, ary nandroso haingana izy. Matetika no sakanan’ny polisy any amin’io tany io ny Vavolombelona rehefa eny an-dalana. Tsy hampiantso azy eo anatrehan’ny fitsarana na hampandoa lamandy azy akory no anaovany izany, fa mba hangataka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! nivoaka farany, na hisaotra azy ireo noho ny lahatsoratra tena tiany.

11. Ahoana no fiheveran’ireo misionera efa hatramin’ny ela ny fanompoany, na dia miatrika fitsapana aza izy ireo?

11 Mbola manohy ny fanompoany foana ny ankamaroan’ireo misionera efa hatramin’ny 40 na 50 taona lasa. Modely ho antsika rehetra tokoa ny finoana sy ny faharetan’izy ireo! Nanompo nandritra ny 42 taona mahery tany amin’ny tany telo, ohatra, ny mpivady misionera. Hoy ilay rahalahy: “Nisy ny olana, satria voan’ny tazomoka matetika, ohatra, izahay nandritra ny 35 taona. Tsy nanenina mihitsy anefa izahay nanapa-kevitra ny ho misionera.” Hoy koa ny vadiny: “Be dia be foana ny zavatra mahavelom-pankasitrahana anay. Tena mahafaly ny fanompoana eny amin’ny saha, ary mora ny manomboka fampianarana Baiboly. Toy ny hoe misy fivoriam-pianakaviana isaky ny tonga mivory ireo olona ampianarinay Baiboly, ary miezaka mifankahalala ry zareo.”

‘Heveriny ho fatiantoka ny zava-drehetra’

12. Ahoana no ampisehoan’ny olona iray fa tena sarobidy aminy ilay Fanjakana?

12 Rehefa nahita vatosoa iray sarobidy ilay mpivaro-mandeha, dia “lasa nivarotra avy hatrany izay rehetra nananany ka nividy ilay vatosoa.” (Matio 13:46) Vonona hamoy izay mety hoheverina ho sarobidy koa ny olona mankasitraka ilay Fanjakana. Hoy ny apostoly Paoly, izay hiaraka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakany be voninahitra: “Tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny mba hahazoako an’i Kristy.”—Filipianina 3:8.

13. Ahoana no nampisehoan’ny lehilahy iray tany amin’ny Repoblika Tseky fa tiany ilay Fanjakana?

13 Maro koa ankehitriny no vonona hanao fiovana lehibe, mba hahazoana ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Tamin’ny Oktobra 2003, ohatra, dia nisy rangahy 60 taona, talen’ny sekoly iray any amin’ny Repoblika Tseky, sendra nahita ilay boky fianarana Baiboly hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Vao avy namaky azy io izy, dia nangataka Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny faritra nisy azy, mba hampianatra Baiboly azy. Nandroso haingana izy, ary tsy ela dia nanatrika ny fivoriana rehetra. Ary nanao ahoana ny fikasany hilatsaka ho ben’ny tanàna, sy ho mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona? Naleony indray nikely aina hanao ny asan’ny mpitory ilay Fanjakana. Hoy izy: “Nahapetraka boky ara-baiboly be dia be tamin’ny mpianatro aho.” Natao batisa tao anaty rano io lehilahy io tamin’ny fivoriambe Jolay 2004, mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy.

14. a) Voatosika hanao inona ny olona an-tapitrisany, rehefa nahare ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? b) Inona no fanontaniana mampieritreritra tokony hosaintsainintsika tsirairay?

14 An-tapitrisany eran-tany no nanao toy izany, rehefa nahare ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tsy anisan’ity tontolo ratsy ity intsony izy ireo, niala tamin’ny toetrany taloha, tsy miaraka amin’ny namany taloha, ary tsy mikatsaka intsony ny zavatra eto amin’ity tontolo ity. (Jaona 15:19; Efesianina 4:22-24; Jakoba 4:4; 1 Jaona 2:15-17) Inona no antony? Satria amin’izy ireo dia sarobidy lavitra noho ny zavatra atolotr’ity tontolo ity, ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany koa ve no tsapanao? Manosika anao hiova ve ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, mba hifanarahan’ny fomba fiainanao, sy izay heverinao ho zava-dehibe, ary ny tanjonao amin’izay takin’i Jehovah? Raha manao izany ianao, dia handray soa be dia be dieny izao, sy amin’ny hoavy.

Hifarana tsy ho ela ny fotoam-pijinjana

15. Inona no nolazain’ny faminaniana momba ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro farany?

15 Hoy ny mpanao salamo: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao.” Anisan’izany ireo ‘zatovo tahaka ny ando ateraky ny maraina’ sy ‘ny antoko lehiben’ireo vehivavy mpilaza soa.’ (Salamo 68:11; 110:3) Inona no vokatra azo noho ny zotom-po sy ny fandavan-tenan’ny vahoakan’i Jehovah, na lahy izy na vavy ary na antitra na tanora, amin’izao andro farany izao?

16. Inona no ohatra mampiseho fa miezaka mafy ny mpanompon’Andriamanitra, mba hanampy olona hianatra momba ilay Fanjakana?

16 Misy roa tapitrisa mahery ny marenina any Inde. Nanontany tena àry ny mpisava lalana iray, na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, hoe ahoana no hanampiana azy ireo hianatra momba ilay Fanjakana. (Isaia 35:5) Nanapa-kevitra ny hianatra baikon’ny moana àry izy. Afaka niresaka ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana tamin’ny marenina maro izy, tany amin’ilay sekoly, ka nisy olona maromaro niara-nampianariny Baiboly. Nisy 12 mahery tamin’izy ireo tonga nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana, afaka herinandro vitsivitsy. Nihaona tamin’ny tovolahy marenina avy any Calcutta, io mpisava lalana io tatỳ aoriana, tamin’ny fampakaram-bady iray. Be dia be ny fanontaniana napetrak’ilay tovolahy, ary hita fa tena te hahafantatra bebe kokoa an’i Jehovah izy. Nisy olana anefa. Tokony ho niverina nanohy ny fianarany tany amin’ny oniversite any Calcutta io tovolahy io, nefa any amin’ny 1 600 kilaometatra no misy an’io tanàna io. Tsy nisy Vavolombelona nahay baikon’ny moana koa tany. Niezaka mafy àry izy nandresy lahatra ny rainy hamela azy hianatra any Bangalore, mba hitohizan’ilay fianarana Baiboly. Nandroso tsara izy, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah, rehefa afaka herintaona teo ho eo. Nampianatra Baiboly ny marenina maromaro izy, anisan’izany ny namany iray hatramin’ny mbola kely. Manao fandaharana izao ny sampan’i Inde, mba hampianarana baikon’ny moana ny mpisava lalana, hahafahany hanampy ireo marenina.

17. Inona no hitanao fa tena mampahery ao amin’ilay tatitra momba ny taom-panompoana 2004, eo amin’ny pejy 19-22?

17 Ho hitanao eo amin’ny pejy 19 ka hatramin’ny 22 ny tatitra maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny taom-panompoana 2004. Makà fotoana kely handinihana azy io, fa ho hitanao hoe miezaka mafy hikatsaka ilay ‘vatosoa sarobidy’, ny vahoakan’i Jehovah eran-tany ankehitriny.

‘Katsaho hatrany aloha ny Fanjakana’

18. Inona no tsy noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ilay mpivaro-mandeha, ary nahoana?

18 Hiverina kely amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay mpivaro-mandeha isika. Tsy nolazain’i Jesosy mihitsy hoe ahoana no nahafahan’ilay mpivarotra namelon-tena, rehefa namidiny daholo ny fananany. Mety hanontany àry ny sasany hoe: ‘Ahoana no nahitany sakafo, akanjo, ary trano, satria tsy nanana na inona na inona intsony izy? Inona no soa azony avy amin’ny fananana ilay vatosoa sarobidy?’ Ara-dalàna amin’ny olona ny manontany tena toy izany. Kanefa, moa ve i Jesosy tsy nampirisika ny mpianany hoe: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany”? (Matio 6:31-33) Ny tena hevi-dehibe tamin’ilay fanoharana dia hoe ilaina ny mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra, sy mazoto ho an’ilay Fanjakana. Afaka mandray lesona avy amin’izany ve isika?

19. Inona no hevi-dehibe ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay vatosoa sarobidy?

19 Tsy maintsy mifantoka hatrany amin’ilay Fanjakana isika, na vao mianatra ilay vaovao tsara mahatalanjona, na efa ela no nikatsaka ilay Fanjakana sy nilaza tamin’ny hafa ny fitahiana hoentin’izy io. Marina fa sarotra ny fiainana, nefa misy antony marim-pototra inoantsika fa tena misy ny zavatra katsahintsika, sady tsy manan-tsahala toy ilay vatosoa hitan’ilay mpivaro-mandeha. Porofoin’ny zava-mitranga eran-tany sy ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, fa miaina amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” isika. (Matio 24:3) Toy ilay mpivaro-mandeha, dia aoka àry isika hafana fo ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hifaly noho ny tombontsoa hitory ny vaovao tsara.—Salamo 9:1, 2.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no mitombo ny isan’ny mpivavaka marina hatramin’ny taona maro?

• Inona no toe-tsaina ananan’ny misionera?

• Inona no fiovana nataon’ny olona noho ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?

• Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay vatosoa sarobidy?

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 19-22]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH TAOM-PANOMPOANA 2004

(Jereo ny gazety)

[Sary, pejy 14]

‘Misarika ny karazan’olona rehetra ny fahamarinana.’—A. Macmillan

[Sary, pejy 15]

Mitory amin’ny vahiny any Vienne i Daniela sy Helmut

[Sary, pejy 16, 17]

Mahazo fitahiana be dia be toy ilay mpivaro-mandeha ny misionera ankehitriny

[Sary, pejy 17]

“Ny olonao dia mazoto manolo-tena”