Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao ny Rariny Foana i Jehovah

Manao ny Rariny Foana i Jehovah

Manao ny Rariny Foana i Jehovah

“Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra.”—SALAMO 145:17.

1. Inona no tsapanao rehefa misy olona diso hevitra momba anao, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

EFA nisy olona diso hevitra momba anao ve? Angamba niahiahy ny zavatra nataonao na ny antony nanaovanao zavatra izy, nefa tsy fantany akory ny zava-misy rehetra. Ara-dalàna raha nalahelo ianao tamin’izay. Misy zava-dehibe ianarantsika avy amin’izany: Fahendrena ny tsy maika hitsara olona, rehefa tsy fantatra ny tsipiriany rehetra momba ilay toe-javatra.

2, 3. Inona no ataon’ny sasany, rehefa tsy mahavaly ny fanontaniany rehetra ny tsipirian’ny tantara ao amin’ny Baiboly? Inona anefa no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah?

2 Tokony hitadidy izany isika, rehefa manatsoaka hevitra momba an’i Jehovah Andriamanitra. Nahoana? Satria toa manahiran-tsaina ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly. Mety tsy ho ampy mantsy ny tsipiriany omeny, ka tsy voavaly ny fanontaniana rehetra manitikitika ny saintsika. Momba ny zavatra nataon’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny angamba ilay izy, na momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Mampalahelo fa manakiana an’ireny tantara ireny ny sasany, ary misalasala mihitsy aza raha manao ny marina sy ny rariny Andriamanitra. Milaza anefa ny Baiboly fa “marina Jehovah amin’ny làlany rehetra.” (Salamo 145:17) Manome toky antsika koa ny Teniny fa “tsy manao ratsy mihitsy” izy. (Joba 34:12; Salamo 37:28) Koa mba eritrereto ange izay tsapany, rehefa misy diso hevitra momba azy e!

3 Handinika antony dimy tokony hanekena ny didim-pitsaran’i Jehovah isika. Sady hanao izany an-tsaina isika, no handinika tantara roa ao amin’ny Baiboly, izay saro-takarina amin’ny olona sasany.

Antony anekena ny didim-pitsaran’i Jehovah

4. Nahoana isika no tokony hanetry tena, rehefa mihevitra izay ataon’Andriamanitra? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Ny antony voalohany, dia satria fantatr’i Jehovah ny tsipiriany rehetra amin’ny zava-mitranga, fa isika kosa tsy mahafantatra izany. Tokony hanetry tena àry isika, rehefa mihevitra izay ataon’Andriamanitra. Eritrereto, ohatra, hoe namoaka didim-pitsarana ny mpitsara iray, malaza ho tsy miangatra. Ahoana raha misy manakiana ny fanapahan-keviny, nefa tsy mahalala ny tsipiriany rehetra amin’ilay raharaha, na tsy mahazo tsara ny lalàna mihatra amin’ilay izy? Hadalana ny hanakianana zavatra iray, raha tsy fantatra tsara akory ny mombamomba an’ilay izy. (Ohabolana 18:13) Tsy mainka ve ho hadalana, raha ny olombelona no mba mianatra manakiana ilay “Mpitsara ny tany rehetra”?—Genesisy 18:25.

5. Inona no tokony hotadidintsika, rehefa mamaky ny didim-pitsarana nampiharin’Andriamanitra tamin’ny olona sasany isika?

5 Ny antony faharoa tokony hanekena ny didim-pitsaran’Andriamanitra, dia satria mahay mamantatra ny ao am-po izy, fa tsy toy ny olona. (1 Samoela 16:7) Hoy izy: “Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.” (Jeremia 17:10) Rehefa mamaky ny didim-pitsarana nihatra tamin’ny olona sasany tao amin’ny Baiboly àry isika, dia tokony hitadidy fa mahita ny zava-drehetra Andriamanitra. Fantany ny eritreritry ny olona sy ny fikasany ary ny antony nahatonga azy ireo hanao zavatra sasany, na dia tsy voalaza ao amin’ny Teniny aza izany.—1 Tantara 28:9.

6, 7. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa manaraka ny fitsipiny marina sy araka ny rariny foana izy, na dia voatery mamoy zavatra be aza? b) Inona no tokony hotadidintsika, raha misy zavatra voalazan’ny Baiboly, mahatonga antsika hisalasala raha manao ny rariny Andriamanitra?

6 Mariho ny antony fahatelo anekena ny didim-pitsaran’i Jehovah: Manaraka ny fitsipiny marina foana izy, na dia voatery mamoy zavatra be aza. Nanaraka izany fitsipiny izany, ohatra, i Jehovah rehefa nanome ny Zanany ho vidim-panavotana, mba hanafahana ny olona mankatò amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Romanina 5:18, 19) Tsy maintsy ho tototry ny alahelo mafy izy, rehefa nahita ny Zanany malala nijaly sy maty teo amin’ny hazo fijaliana. Inona no dikan’izany? Milaza ny Baiboly fa ‘nataon’Andriamanitra mba hanehoana ny fahamarinany’, ny “vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.” (Romanina 3:24-26) Izao no ilazan’ny fandikan-teny hafa ny Romanina 3:25: “Asehon’izany fa manao ny rariny sy ny hitsiny foana Andriamanitra.” (Dikan-tenin’ny Taonjato Vaovao, anglisy) Zava-dehibe amin’i Jehovah tokoa “ny rariny sy ny hitsiny”, matoa izy nahafoy ny zanany ho vidim-panavotana.

7 Izao àry no tokony hotadidintsika, raha misy zavatra voalazan’ny Baiboly, mahatonga antsika hisalasala raha manao ny rariny Andriamanitra: Navelan’i Jehovah hanaintaina sy ho faty ny Zanany, mba hanarahana ny fitsipiny momba ny marina sy ny rariny. Koa hampandefitra ireo fitsipika ireo ve izy amin’ny zavatra hafa? Tsy mandika ireo fitsipiny ireo mihitsy i Jehovah. Afaka matoky àry isika fa manao ny rariny sy ny hitsiny foana izy.—Joba 37:23.

8. Nahoana no tsy mety, raha ny olona no hilaza fa tsy manao ny rariny sy ny fahamarinana i Jehovah?

8 Eritrereto ity antony fahefatra anekena ny didim-pitsaran’i Jehovah ity: Nataony tahaka ny endriny ny olombelona. (Genesisy 1:27) Noho izany, dia afaka manana ny toetrany izy ireo, anisan’izany ny fanaovana ny rariny sy ny fahamarinana. Koa raha isika aza tia ny rariny sy ny fahamarinana, ho afaka hilaza ve isika fa tsy manana ireo toetra ireo i Jehovah? Tsy izany mihitsy. Raha misy tantara manahiran-tsaina antsika ao amin’ny Baiboly, dia tokony hotadidintsika fa nandova ota isika, ka tsy tonga lafatra intsony ny fiheverantsika ny atao hoe rariny sy fahamarinana. Tanteraka kosa anefa ny fanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny rariny sy ny fahamarinana. (Deoteronomia 32:4) Ny olona natao tahaka ny endriny indray ve no hahay hanao ny rariny sy ny fahamarinana mihoatra noho izy? Tsy mitombina izany.—Romanina 3:4, 5; 9:14.

9, 10. Nahoana i Jehovah no tsy voatery hanazava na hanamarina amin’ny olona ny anton’ny zavatra ataony?

9 Ny antony fahadimy anekena ny didim-pitsaran’i Jehovah, dia satria izy no “Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18) Noho izany, dia tsy voatery hanazava na hanamarina amin’ny olona ny anton’ny zavatra ataony izy. Izy no Mpanefy Tanimanga Lehibe, ary tanimanga volavolainy araka izay itiavany azy isika. (Romanina 9:19-21) Isika izay tanimanga novolavolainy ve no handeha hanakiana ny fanapahan-keviny sy izay ataony? Diso hevitra momba ny fomba itondran’Andriamanitra ny olona i Joba. Nanitsy azy àry i Jehovah, ka nanontany azy hoe: “Hanaisotra ny rariny amiko va hianao? Hanameloka Ahy va hianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?” Niaiky i Joba fa niteny tsy tamim-piheverana, ary nibebaka. (Joba 40:8; 42:6) Enga anie isika tsy hanakiana an’Andriamanitra na oviana na oviana!

10 Hitantsika avy amin’izany, fa afaka matoky isika hoe manao ny rariny foana i Jehovah. Andeha isika izao handinika tantara ara-baiboly roa, izay manahiran-tsaina ny olona sasany. Momba ny zavatra nataon’ny iray tamin’ny mpanompon’Andriamanitra ny voalohany, ary fampiharany ny didim-pitsarany ny faharoa.

Nahoana i Lota no nanolotra ny zanany vavy ho an’ny vahoaka romotra?

11, 12. a) Inona no nitranga, rehefa nisy anjely roa nirahin’Andriamanitra ho any Sodoma? b) Inona no fanontaniana apetraky ny sasany momba an’io tantara io?

11 Nirahin’Andriamanitra ho any Sodoma ny anjely roa nitafy vatan’olombelona. Voatantara ao amin’ny Genesisy toko faha-19 ny zava-nitranga tamin’izay. Tsy nanaiky i Lota raha tsy nivahiny tao aminy ireo mpitsidika ireo. Nisy lehilahy maro avy tao an-tanàna anefa nanodidina ny tranony tamin’io alina io. Nasain’izy ireo navoakan’i Lota ireo vahininy, mba hanaovan’izy ireo firaisana. Niezaka nandresy lahatra azy ireo mba tsy hanao izany i Lota, nefa tsy nahomby. Te hiaro ny vahininy i Lota, ka niteny hoe: “Masìna hianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy. Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna hianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin’ny tafon-tranoko izy.” Tsy nanaiky mihitsy anefa ny olona, ary efa saika hamaky ny varavarana. Farany, dia nataon’ireo anjely izay hahajamba ireo olona nisahotaka ireo.—Genesisy 19:1-11.  

12 Ara-dalàna raha manahiran-tsaina ny sasany io tantara io. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Nahoana i Lota no nanolotra ny zanany vavy ho an’ny vahoaka adalana firaisana, mba hiarovana ny vahininy? Tsy ratsy ve ny nataony? Tsy hakanosana mihitsy ve izany?’ Ary nahoana i Petera no nasain’Andriamanitra hilaza fa “olo-marina” i Lota? Nankasitrahan’Andriamanitra ve ny zavatra nataon’i Lota? (2 Petera 2:7, 8) Hodinihintsika tsara izany, mba tsy hanatsoahantsika hevi-diso.

13, 14. a) Inona no tokony homarihina momba ny tantaran’i Lota ao amin’ny Baiboly? b) Inona no manaporofo fa tsy kanosa i Lota?

13 Tokony homarihina aloha, fa mitantara izay nitranga fotsiny ny Baiboly, fa tsy milaza hoe mety ny nataon’i Lota na tsy mety. Tsy voalaza ao koa izay noeritreretin’i Lota, na ny antony nahatonga azy hanolotra ny zanany vavy. Mety hanome tsipiriany izy, rehefa ho velona indray amin’ny “fitsanganan’ny marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

14 Tsy kanosa velively i Lota. Latsaka an-katerena izy. Rehefa nilaza izy fa ‘tonga hialoka teo ambanin’ny tafon-tranony’ ireo vahiny, dia nidika izany fa noraisiny ho andraikitra ny hiaro sy hanome fialofana azy ireo. Tsy mora anefa izany. Nilaza i Josèphe mpahay tantara, fa “tsy nanao ny rariny [ny mponina tao Sodoma], sady nanevateva an’Andriamanitra ... Nankahala vahiny izy ireo, ary nanaram-po tamin’ny firaisan’ny samy lehilahy.” Tsy nandositra an’io vahoaka feno fankahalana io anefa i Lota. Nivoaka kosa izy, ary nandeha niresaka tamin’ireo lehilahy tezitra ireo. ‘Nakatony [mihitsy aza] ny varavarana teo ivohony.’—Genesisy 19:6.

15. Nahoana isika no milaza fa mety ho ny finoana no nahatonga an’i Lota hanolotra ny zanany?

15 Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Nahoana àry i Lota no nanolotra ny zanany vavy ho an’ilay vahoaka?’ Toy izay hieritreritra hoe ratsy ny antony nahatonga azy hanao izany, nahoana raha mieritreritra izay mety ho nitranga? Voalohany aloha, dia mety ho ny finoan’i Lota no nanosika azy hanolotra ny zanany. Nahoana? Tsy isalasalana fa fantany hoe narovan’i Jehovah i Saraha, vadin’i Abrahama rahalahin-drainy. Tena tsara tarehy i Saraha, ka nasain’i Abrahama nilaza hoe anabaviny izy. Natahotra mantsy izy sao hovonoin’ny olona, mba hahazoan’izy ireo an’i Saraha. * Inona àry no nitranga? Nentina tany an-tranon’i Farao i Saraha. Nosakanan’i Jehovah tsy hametaveta azy anefa i Farao. (Genesisy 12:11-20) Mety ho nino koa i Lota hoe harovana toy izany ny zanany vavy. Ary tena narovan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny anjeliny tokoa izy ireo, ka tsy naninona.

16, 17. a) Nahoana isika no milaza, fa mety ho te hanaitra na hanao izay hahasanganehana ny olona tao Sodoma i Lota? b) Na ahoana na ahoana fomba fihevitr’i Lota, inona no azontsika antoka?

16 Mety ho nisy antony hafa koa anefa. Te hanaitra na hanao izay hahasanganehana ny olona angamba i Lota, mba hahatonga saina azy ireo. Mety ho nieritreritra izy fa tsy haniry hanao firaisana amin’ny zanany vavy ireo olona ireo, satria mpanao firaisana amin’ny lehilahy ny mponina tao Sodoma. (Joda 7) Efa nanana fofombady tao an-tanàna koa izy mirahavavy, ary mety ho niaraka tamin’ilay vahoaka ny havan’ireo lehilahy ireo sy ny namany ary ny mpiara-miasa taminy. (Genesisy 19:14) Noho izany, dia nanantena angamba i Lota fa mety hiaro ny zanany vavy ny sasany tamin’ireo olona ireo. Tsy natahorana loatra hampidi-doza izy ireo raha tsy niray saina. *

17 Na inona na inona noeritreretin’i Lota sy antony nahatonga azy hanolotra ny zanany vavy, dia azo antoka fa manao ny rariny foana i Jehovah, ka tsy maintsy misy antony tsara nahatonga azy hihevitra an’i Lota ho “olo-marina.” Ary moa ve tsy ara-drariny tanteraka ny nandringanan’i Jehovah ny mponin’i Sodoma, rehefa heverina ny haratsiam-panahin’izy ireo?—Genesisy 19:23-25.

Nahoana i Jehovah no namono an’i Oza?

18. a) Inona no nitranga, rehefa nentin’i Davida tany Jerosalema ny fiaran’ny fanekena? b) Inona no fanontaniana mipetraka momba io tantara io?

18 Mety hanahiran-tsaina koa ny tantaran’ny nitondran’i Davida ny fiaran’ny fanekena tany Jerosalema. Sariety notarihin’i Oza sy ny rahalahiny no nitondrana azy io. Hoy ny Baiboly: “Nony tonga teo amin’ny famoloan’i Nakona izy, dia naninjitra ny tànany tamin’ny fiaran’Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ny omby ny fiara. Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan’ny fiaran’Andriamanitra izy.” Nentina tany Jerosalema indray ilay Fiara volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Tody soa aman-tsara izy io, rehefa nolanjain’ny Levita kehatita, araka ny didin’Andriamanitra. (2 Samoela 6:6, 7; Nomery 4:15; 7:9; 1 Tantara 15:1-14) Mety hisy hanontany hoe: ‘Nahoana i Jehovah no nandray fepetra hentitra be toy izany? Niezaka niaro ilay Fiara fotsiny ange i Oza e!’ Mila mandinika ny tsipiriany sasany isika, mba tsy hanatsoahana hevi-diso.

19. Nahoana no tsy afaka ny hanao ny tsy rariny mihitsy i Jehovah?

19 Tokony hotadidintsika fa tsy afaka ny hanao ny tsy rariny mihitsy i Jehovah. (Joba 34:12) Tsy maneho fitiavana izy raha manao izany, nefa nianarantsika tao amin’ny Baiboly manontolo fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Milaza koa ny Soratra Masina fa “rariny sy fitsarana no fanorenan’ny seza [fiandrianan’Andriamanitra].” (Salamo 89:14) Ahoana àry no ahafahan’i Jehovah hanao ny tsy rariny? Ny fototry ny fahefany mihitsy no ho rava, raha manao izany izy.

20. Nahoana no tokony ho efa fantatr’i Oza ny lalàna momba ilay Fiara?

20 Tadidio fa tokony ho nahalala ny Lalàna i Oza. Porofon’ny fanatrehan’i Jehovah ny fiaran’ny fanekena. Voalaza mazava tsara tao amin’ny Lalàna, fa ny olona mahazo alalana ihany no afaka mikasika azy io, ary ho faty izay mandika izany. (Nomery 4:18-20; 7:89) Tsy tokony ho natao kitoatoa àry ny famindrana io vata masina io. Toa Levita i Oza, na dia tsy mpisorona aza, ka tokony ho nahalala tsara ny Lalàna. Nafindra sy narovana tao an-tranon-drainy koa ilay Fiara, taona maromaro talohan’izay. (1 Samoela 6:20–7:1) Najanona tao nandritra ny 70 taona teo ho eo izy io, mandra-pahatongan’ny fotoana namindran’i Davida azy. Midika izany fa efa hatry ny mbola kely i Oza no nahalala ny lalàna momba ilay Fiara.

21. Rehefa mieritreritra ny nanjo an’i Oza isika, nahoana no ilaina hotadidina fa mahafantatra ny ao am-pon’ny olona i Jehovah?

21 Hitantsika teo aloha fa mahay mamantatra ny ao am-po i Jehovah. Milaza ny Teniny fa nanao ‘fahadisoana’ i Oza. Efa nahatsikaritra angamba i Jehovah fa nisy fitiavan-tena tao aminy, na dia tsy voatantara aza izany. Mety ho niana-kendry ve i Oza, ka tia nihoa-pefy? (Ohabolana 11:2) Sa ve lasa nieboebo izy, satria nitarika ampahibemaso ilay Fiara, izay narovan’ny fianakaviany tany an-tranony? (Ohabolana 8:13) Tsy nanam-pinoana ve izy, ary nieritreritra fa fohy loatra ny tanan’i Jehovah, ka tsy hahavita hiaro ilay vata masina, izay porofon’ny fanatrehany? Na ahoana na ahoana, dia afaka matoky isika fa nanao ny rariny i Jehovah. Azo inoana fa nahita zavatra tsy nety tao am-pon’i Oza izy, matoa nanasazy azy avy hatrany.—Ohabolana 21:2.

Antony atokisana an’i Jehovah

22. Nahoana no azo lazaina fa hendry i Jehovah, matoa misy tsipiriany sasany tsy nasainy nosoratana ao amin’ny Teniny?

22 Manana fahendrena tsy manan-tsahala tokoa i Jehovah, matoa misy tsipiriany sasany tsy nasainy nosoratana tao amin’ny Teniny. Noho izany, dia afaka mampiseho isika raha tena matoky azy. Araka ny zavatra nodinihintsika teo, tsy miharihary ve fa manana antony tsara anekena ny didim-pitsaran’i Jehovah isika? Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra amim-pahatsorana isika fa tsy manakiana avy hatrany, dia miana-javatra betsaka momba an’i Jehovah, ka miaiky fa tena manao ny rariny sy ny fahamarinana foana izy. Raha misy tantara manahiran-tsaina antsika àry ao amin’ny Baiboly, nefa tsy mahita valiny amin’ny fanontaniantsika isika, dia aoka isika hatoky tanteraka fa nanao ny rariny i Jehovah.

23. Inona no azontsika atokisana, raha ny amin’ny zavatra hataon’i Jehovah amin’ny hoavy?

23 Afaka matoky koa isika fa hanao ny rariny i Jehovah amin’ny hoavy. Azo antoka àry fa tsy ‘handringana ny marina miaraka amin’ny meloka’ izy, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany mandritra ny fahoriana lehibe izay efa antomotra. (Genesisy 18:23) Tsy hamela azy hanao izany mihitsy ny fitiavany ny rariny sy ny fahamarinana. Afaka matoky tanteraka koa isika fa hanome izay rehetra ilaintsika izy ao amin’ny tontolo vaovao, sady hanao izany amin’ny fomba mety indrindra.—Salamo 145:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Rariny raha natahotra i Abrahama. Milaza ny taratasy papyrus fahiny iray fa nisy Farao naniraka lehilahy nitam-piadiana, mba haka an-keriny vehivavy iray tsara tarehy sy hamono ny vadiny.

^ feh. 16 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2004, pejy 27.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no antony tokony hanekentsika ny didim-pitsaran’i Jehovah?

• Inona no tokony hoeritreretintsika, mba tsy hahatonga antsika hanatsoaka hevi-diso momba an’i Lota?

• Inona no hanampy antsika hahatakatra ny antony namonoan’i Jehovah an’i Oza?

• Inona no azontsika atokisana, raha ny amin’ny zavatra hataon’i Jehovah amin’ny hoavy?

[Fanontaniana]