Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy sa Tsy Misy Dikany ny Aina?

Sarobidy sa Tsy Misy Dikany ny Aina?

Sarobidy sa Tsy Misy Dikany ny Aina?

“Manapotika ny zavatra masina indrindra sy sarobidy indrindra eto an-tany ny mpamono olona, satria natao tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona.”—William Barclay.

‘ZAVATRA sarobidy indrindra eto an-tany.’ Toy izany ve no fiheveranao ny aina? Porofoin’ny zavatra ataon’ny olona maro fa tsy miombon-kevitra amin’io mpanoratra io izy ireo. Ain’olona an-tapitrisany no aripaky ny mahery setra sy ny tsy misy indrafo, satria mitady tombony ho an’ny tenany fotsiny izy, fa tsy miraharaha izay hahasoa ny hafa.—Mpitoriteny 8:9.

Atao tsinontsinona ny aina

Izany indrindra no nitranga tamin’ny Ady Lehibe I. Maro “ny olona novonoina tsy amin’antony” nandritra io ady nahatsiravina io, hoy ilay mpahay tantara atao hoe A. Taylor. Nikatsaka fahefana sy voninahitra ny mpitari-tafika, ka nataony toy ny tsinontsinona ny miaramila, sady tsy nampaninona azy na maty aza. Niharihary izany tamin’ilay ady natao hahazoana an’i Verdun, tanàna iray any Frantsa. Fitonjato tapitrisa mahery no isan’ny maty tamin’izay. Kanefa “tsy nisy tombony azo mihitsy”, hoy i Taylor, “fa vonoan’olona sy hetahetam-boninahitra fotsiny no hita tany.”—Ny Ady Lehibe I (anglisy).

Mbola maro koa no manimbazimba ny aina. Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Kevin Bales, fa “nitombo be ny isan’ny mponina, hany ka maro be ny mahantra mitady asa, ary mora hararaotina izy ireo.” Mba hahafahany hivelona, dia miady mafy mandritra ny androm-piainany izy ireo, eo anivon’ny orinasa mampahory sy mihevitra “ny aina ho tsy misy dikany.” Toy ny andevo mihitsy ny fomba itondran’ny mpanararaotra azy ireny, hoy i Bales. “Ataony fitadiavam-bola fotsiny izy ireo, toy ny fitaovana azo ariana rehefa vita izay ilana azy.”

“Misambo-drivotra foana”

Misy antony maro koa mahatonga ny olona an-tapitrisany, hihevi-tena ho tsy misy vidiny mihitsy sy hamoy fo. Mino izy ireo fa tsy misy miraharaha azy, na ho faty izy na ho velona. Ankoatra ny ady sy ny tsy rariny, dia eo koa ny voka-dratsin’ny hain-tany, ny mosary, ny aretina, ny fahafatesan’ny havana, ary ny fahoriana maro hafa mianjady amin’ny olona rehetra ankehitriny. Manontany tena àry ny olona raha mbola misy antony hahavelomany ihany.—Mpitoriteny 1:8, 14.

Tsy ny rehetra no mahantra fadiranovana sy tototry ny alahelo. Kanefa manaiky izao tenin’i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny izao ny olona, na dia tsy iharam-pahoriana mafy toy izany aza: “Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny fikatsahan’ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ny masoandro?” Maro no miaiky, rehefa avy nisaintsaina tsara, fa “zava-poana sy misambo-drivotra foana” ny zava-bitany.—Mpitoriteny 2:22, 26.

Rehefa manao jery todika ny fiainany izy ireo, dia miteny hoe: “Izay fotsiny ve no mba fiainako?” Firy tokoa moa no afa-po tanteraka tamin’ny fiainany toa an’i Abrahama? (Genesisy 25:8, fanamarihana ambany pejy) Maro no mihevitra hoe tsy misy dikany ny fiainany. Tsy voatery ho izany anefa no izy. Sarobidy amin’Andriamanitra mantsy ny ain’ny olona tsirairay, ary tiany hanana fiainana mahafa-po tanteraka isika tsirairay. Ahoana no hahatanteraka izany? Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.