Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana ‘Raha Teren’ny Manam-pahefana’ Hanao Zavatra Ianao?

Ahoana ‘Raha Teren’ny Manam-pahefana’ Hanao Zavatra Ianao?

Ahoana ‘Raha Teren’ny Manam-pahefana’ Hanao Zavatra Ianao?

“E! IANAO io! Ajanòny izao dia izao io zavatra ataonao io, ary avia atỳ. Ento ireto entana ireto.” Araka ny hevitrao, ahoana no nety ho fihetsiky ny Jiosy iray teo am-perinasa, raha nisy miaramila romanina niteny taminy toy izany? Nanoro hevitra i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra hoe: “Raha misy manana fahefana ka manery anao handeha iray kilaometatra, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.” (Matio 5:41) Ahoana no nandraisan’ny mpihaino an’i Jesosy io torohevitra io? Ary inona no dikan’izany ho antsika ankehitriny?

Mba hamaliana izany, dia ilaintsika ny mahafantatra momba ny fanompoana tsy maintsy natao, fahiny. Tena nahazatra ny mponina tany Israely tamin’ny andron’i Jesosy izany.

Fanompoana tsy maintsy natao

Efa tany amin’ireo taona 1700 T.K. no fantatra fa nisy fanompoana tsy maintsy natao, tany Proche-Orient. Resahin’ireo taratasim-panjakana hita tany Alalakh, tanàna syrianina fahiny, fa nisy antokon’olona noteren’ny fitondrana hanao asa manokana. Noterena hanao asa toy izany koa ny tantsaha mpamboly tanin’olona, tany Ougarit, any amin’ny morontsirak’i Syria, raha tsy hoe nafahan’ny mpanjaka tamin’ilay adidy angaha.

Mazava ho azy, fa matetika no nasaina niasa an-terivozona ireo olona babo. Nandevozin’ny Ejipsianina, ohatra, ny Israelita ary notereny hanao biriky. Nasain’ny Israelita niasa toy ny andevo koa, tatỳ aoriana, ireo Kananita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Ary mbola nitohy izany tamin’ny andron’i Davida sy Solomona.—Eksodosy 1:13, 14; 2 Samoela 12:31; 1 Mpanjaka 9:20, 21.

Rehefa nangataka mpanjaka ny Israelita, dia nohazavain’i Samoela ny zavatra mety hotakin’ny mpanjaka sy hananany zo. Hotendreny ho mpitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ny olom-peheziny, hiasa tany sy hijinja, ary hanamboatra fitaovam-piadiana, sy ny sisa. (1 Samoela 8:4-17) Ny vahiny ihany anefa no nasaina nanao asa an-terivozona, nandritra ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah. “Ny Zanak’Isiraely dia tsy mba nampanaovin’i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin’ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.”—1 Mpanjaka 9:22.

Hoy kosa ny 1 Mpanjaka 5:27, 28 momba ireo Israelita niasa tamin’ny tetikasa fanorenana: “Solomona mpanjaka naka olona tamin’ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy. Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana: iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony.” Hoy ny manam-pahaizana iray: “Tsy isalasalana fa nampanao fanompoana ny vahoaka ny mpanjakan’ny Israely sy Joda, mba tsy hanakaramana olona hanorina trano sy hiasa ny tanin’ny mpanjaka.”

Mafy ny fanompoana rehefa nanjaka i Solomona. Tena nampahory tokoa ilay izy, hany ka nikomy sy nitora-bato ny komandin’ny mpanao fanompoana ny Israely rehetra, rehefa nilaza i Rehoboama fa hampitomboiny ny fanompoan’izy ireo. (1 Mpanjaka 12:12-18) Tsy nofoanana anefa ilay izy. Nandidy ny mponin’i Joda i Asa, zafikelin’i Rehoboama, mba hanorina ny tanànan’i Geba sy Mizpa, ary “tsy nisy nataony afaka [tamin’ny fanompoana] na dia iray aza.”—1 Mpanjaka 15:22, Fandikan-teny Katolika.

Teo ambany fitondran’i Roma

‘Noterena’ hanao fanompoana indraindray ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ary nahazatra azy ireo izany raha ilay Toriteny teo An-tendrombohitra no jerena. Avy amin’ny teny grika hoe ag·ga·reuʹo ilay teny nadika hoe ‘noterena.’ Nifandray tamin’ny asan’ny mpitondra taratasy persanina izy io, tany am-boalohany. Nanana fahefana izy hanery olona hanao zavatra, haka an-keriny ny soavaliny, ny sambony, na zavatra hafa mba hamitana haingana ny asam-panjakana.

Izany koa no nataon’ny Romanina tamin’ny andron’i Jesosy, rehefa nifehy an’i Israely izy ireo. Nisy asa tsy maintsy nataon’ny mponina, tany amin’ny faritany atsinanana, ankoatra ny fandoavan-ketra nahazatra. Mety ho natao tsy tapaka ilay asa na tsindraindray ihany. Tena tsy tian’ny olona ireny asa ireny. Nalaina an-keriny koa matetika ny bibin’olona, ny mpitondra kalesiny na ny saretiny mba hitaomana entam-panjakana, na dia tsy nisy fahazoan-dalana hanao izany aza. Nilaza i Michael Rostovtzeff, mpahay tantara, fa nisy manam-pahefana “niezaka nametraka lalàna hifehezana sy handaminana [ilay fanompoana], nefa tsy nahomby. Tsy maintsy hisy voka-dratsiny foana mantsy ilay izy, raha mbola mitohy. Lalàna maro no navoaka, mba hampitsaharana ny fanamparam-pahefana sy ny fampahoriana ny vahoaka ... Mbola nampijaly foana anefa ilay fanompoana.”

Hoy ny manam-pahaizana grika iray: “Na iza na iza dia mety ho noterena hitondra entan’ny tafika mankany amin’ny toerana iray, ary mety ho noteren’ny Romanina hanao izay asa tiany hampanaovina azy.” Izany no nitranga tamin’i Simona avy any Kyrena, izay noteren’ny miaramila romanina hilanja ny hazo fijalian’i Jesosy.—Matio 27:32.

Miresaka momba io fanao tsy tiam-bahoaka io koa ny soratra nataon’ny raby, na mpitondra fivavahana jiosy. Nisy raby noterena hitaona rotra tany amin’ny lapa iray, ohatra. Mety ho nisy mpiasa nalaina tany amin’ny mpampiasa azy mba hanao asa hafa, nefa ny mpampiasa azy ihany no tsy maintsy nandoa ny karamany. Mety ho nalain’ny fanjakana koa ny biby mpitondra entana na ny omby. Tsy mahavita na inona na inona intsony ilay biby rehefa miverina avy any, raha averiny aza. Izany no nahatonga ny olona hihevitra fa efa naman’ny tsy hiverina intsony ny fananany, rehefa alain’ny manam-pahefana. Manamafy izany ilay ohabolana jiosy hoe: “Toy ny fahafatesana ny angareia.” Hoy koa ny mpahay tantara iray: “Noho ny angareia dia nety ho lasa nahantra faraidiny ny tanàna iray, satria nalaina an-keriny mba hitaomana entana ny biby natao hiasa tany.”

Tsy mahagaga raha tsy tiam-bahoaka ilay fanompoana, indrindra satria nanambany sy nanao ny tsy rariny matetika ny olona nampanao azy ireny. Nankahala ny hafa firenena nifehy azy ny Jiosy, ka vao mainka tsy faly mihitsy satria nampietry azy ny fanaovana ireny fanompoana mampijaly ireny. Tsy misy lalàna ahafantarantsika ny tena habetsahan’ny asa nampanaovina ny mponina. Toa tsy te hanao zavatra mihoatra noho izay notakin’ny lalàna ny maro.

Izany anefa no noresahin’i Jesosy rehefa nilaza izy hoe: “Raha misy manana fahefana ka manery anao handeha iray kilaometatra, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.” (Matio 5:41) Tsy maintsy ho nieritreritra ny sasany tamin’ireo mpihaino azy fa nitaky be loatra izy. Inona no tena tiany holazaina?

Ahoana no tokony hataon’ny Kristianina?

Raha tsorina, dia niteny tamin’ny mpihaino azy i Jesosy, fa raha misy manana fahefana manery azy ireo hanao zavatra tsy mandika lalàna, dia tokony hanao izany an-tsitrapo izy ireo fa tsy ho tezitra. Tokony handoa amin’i “Kaisara izay an’i Kaisara” àry izy ireo, nefa koa tsy hanadino fa tsy maintsy haloa ‘amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’—Marka 12:17. *

Nampirisika ny Kristianina koa ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra izay naorin’Andriamanitra. ... Raha manao ratsy anefa ianao, dia matahora fa misy antony matoa mitondra ny sabatra izy.”—Romanina 13:1-4.

Neken’i Jesosy sy Paoly àry fa manana zo hanasazy ny olona tsy manao izay takiny, ny mpanjaka na ny fitondram-panjakana. Sazy inona? Milaza ny iray amin’izany i Epictète, filozofa grika tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa: “Raha misy miaramila mitaky zavatra tampoka, toy ny zanak’ampondranao ohatra, dia avelao hoentiny ilay izy. Aza manohitra na mimenomenona, fa sao hoveleziny ianao sady tsy haveriny intsony ilay ampondra.”

Tsy manaiky hanao izay takin’ny fitondram-panjakana anefa ny Kristianina indraindray, na fahiny na ankehitriny, rehefa tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Nitera-doza ho azy ireo izany indraindray. Nomelohina ho faty ny sasany. Nigadra an-taonany maro ny hafa, satria tsy nanaiky hitsabaka tamin’ny raharahan’izao tontolo izao. (Isaia 2:4; Jaona 17:16; 18:36) Nanaiky hanao izay nangatahina taminy kosa ny Kristianina, tamin’ny toe-javatra hafa. Mihevitra, ohatra, ny sasany fa afaka manao asa mahasoa ny fiaraha-monina izy, raha tsy mifandray amin’ny raharaha miaramila ilay izy. Angamba mikarakara ny antitra na ny kilemaina, mamono afo, manadio torapasika, mikarakara zaridainam-panjakana, ala, na tranomboky, sy ny sisa.

Mazava ho azy fa miovaova arakaraka ny firenena ny asa takina. Tsy maintsy manaraka ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly àry ny Kristianina, rehefa hanapa-kevitra raha hanaiky ny zavatra angatahina aminy izy na tsia.

‘Miaraha aminy roa kilaometatra’

Mihatra amin’ny fiainana andavanandro koa ilay toro lalana nomen’i Jesosy, fa tsy amin’ny zavatra angatahin’ny fitondram-panjakana fotsiny. Tokony ho vonona hanao izay angatahina amintsika isika, raha tsy mandika lalàna ilay izy. Mety hangataka anao hanao zavatra iray tsy tianao, ohatra, ny olona manana fahefana aminao, ary tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ilay izy. Ahoana no hataonao? Mety ho tezitra ianao satria mitaky fotoana sy hery be loatra aminao izany. Mety hankahala ilay olona manana fahefana koa ianao. Raha mankatò tsy sazoka indray ianao, dia mety tsy hilamin-tsaina. Inona no vahaolana? Araho ny didin’i Jesosy, ka mandehana iray kilaometatra fanampiny miaraka aminy. Midika izany hoe aza izay angatahina aminao fotsiny no atao, fa manaova mihoatra noho izany mihitsy aza. Ataovy an-tsitrapo ilay izy. Ianao ihany no mibaiko ny tenanao amin’izay, ary tsy hahatsiaro tena ho nohararaotina ianao.

Hoy ny mpanoratra iray: “Tsy manao afa-tsy izay takina aminy ny olona maro, mandritra ny fiainany manontolo. Tsy mahafaly azy ireo ny miaina, ary rera-dava izy. Ny hafa kosa anefa tsy mianina amin’ny famitana adidy fotsiny, fa mahafoy tena mihitsy.” Raha ny marina, dia manana safidy ny olona amin’ny toe-javatra maro: Na hanao izay takina aminy fotsiny araka ny zony, na hanao mihoatra noho izany ka ho afa-po tanteraka amin’ilay zavatra ataony. Ary ianao? Inona matetika no ataonao? Mety ho sambatra kokoa sy hahavita zavatra bebe kokoa ianao raha manao an-tsitrapo ny asanao, fa tsy mihevitra izany ho toy ny adidy tsy maintsy efaina fotsiny.

Ary ahoana raha manana fahefana amin’ny olon-kafa ianao? Hita fa tsy maneho fitiavana sady tsy toetra kristianina ny manararaotra fahefana, mba hanerena olona hankatò tsy sazoka. Hoy i Jesosy: “Manjakazaka amin’ny firenena entiny ny mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe.” Tsy toy izany anefa ny Kristianina. (Matio 20:25, 26) Marina fa mety hahazoana izay tadiavina ny fanaovana didy jadona. Tsy tsara lavitra ve anefa ny fifandraisana, raha ara-drariny sy atao amin-katsaram-panahy ny fangatahana, ary ankatoavina amim-panajana sy amim-pifaliana? Hihatsara tokoa ny fiainanao, raha vonona hanao zavatra mihoatra noho izay takin’ny adidy fotsiny ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1996, pejy 15-20, raha tianao ny hahita fanazavana feno momba ny hoe ‘mandoa amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, sy amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’

[Efajoro, pejy 25]

NOHARARAOTINA NY VAHOAKA FAHINY

Nisy nanararaotra, ka nanery ny hafa hanao zavatra mihoatra noho ilay fanompoana mahazatra. Manaporofo izany ny lalàna navoaka hisakanana io fanararaotana io. Tamin’ny 118 T.K., dia namoaka didy i Ptolémée Évergète II, mpanjakan’i Ejipta, fa ‘tsy mahazo manery ny mponina hanao asa ho azy ireo manokana ny tandapany, ary tsy mahazo maka an-keriny (aggareuein) ny biby fiompin’izy ireo mba hanaovany zavatra ho azy manokana.’ Hoy koa izy: “Tsy misy mahazo maka sambon’olona an-keriny ... na inona na inona antony.” Tamin’ny soratra hita tao amin’ny tempoly iray tany Ejipta, tamin’ny taona 49, dia niaiky ilay mpitondra romanina atao hoe Vergilius Capito, fa naka an-keriny zavatr’olona ny miaramila. Namoaka didy izy hoe: “Tsy misy mahazo maka zavatr’olona ... raha tsy mahazo taratasy fahazoan-dalana avy amiko.”

[Sary, pejy 24]

Noterena hanao fanompoana i Simona avy any Kyrena

[Sary, pejy 26]

Vavolombelona maro no nigadra satria tsy nivadika tamin’Andriamanitra