Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hirehareha Satria Kristianina!

Aoka Ianao Hirehareha Satria Kristianina!

Aoka Ianao Hirehareha Satria Kristianina!

“Izay mirehareha, dia aoka ho Jehovah no ho reharehany.”—1 KORINTIANINA 1:31.

1. Ahoana no fihetsiky ny olona manoloana ny fivavahana ankehitriny?

NIRESAKA momba ny fihetsiky ny olona manoloana ny finoany, ny mpanao gazety iray. Nanazava izy fa mirona “ho kamo hanaraka ny fivavahany” ny mpiangona ao amin’ireo fivavahana, ankehitriny. Maro, araka ny filazany no “mino an’Andriamanitra ... Tsy miraharaha azy anefa izy ireo.”

2. a) Nahoana isika no tsy gaga, raha kamo hanaraka ny fivavahany ny ankamaroan’ny olona? b) Inona no mety ho voka-dratsin’io toe-tsaina io eo amin’ny tena Kristianina?

2 Tsy gaga ny mpianatra ny Baiboly, raha manjary kamo hanaraka ny fivavahany ny ankamaroan’ny olona. (Lioka 18:8) Ampoizina ny hisian’izany eo amin’ny fivavahana. Efa hatramin’ny ela mantsy ny fivavahan-diso no namitaka sy nandiso fanantenana ny olona. (Apokalypsy 17:15, 16) Mety hanimba ny tena Kristianina anefa io toe-tsaina miely patrana io. Hisy vokany mampalahelo tokoa, raha manjary tsy miraika amin’ny finoantsika isika, na tsy marisika intsony amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, na tsy liana intsony amin’ny fahamarinana. Matimaty ara-panahy ny Kristianina tany Laodikia tamin’ny taonjato voalohany. Nampitandrina azy ireo àry i Jesosy hoe: “Tsy mangatsiaka na mafana ianao. Enga anie ianao mba hangatsiaka na hafana! ... Matimaty ianao.”—Apokalypsy 3:15-18.

Ny lafiny mampiavaka antsika

3. Inona no mampiavaka ny Kristianina, ka azony ireharehana?

3 Tokony hahatakatra tsara ny lafiny mampiavaka azy ny Kristianina, ary hirehareha ny amin’izany, mba tsy ho matimaty ara-panahy. Miresaka momba antsika ny Baiboly, satria mpanompon’i Jehovah isika, sady mpianatr’i Kristy. Lazainy ao fa ‘vavolombelon’i’ Jehovah isika, sady “mpiara-miasa amin’Andriamanitra”, noho isika mazoto mizara ny “vaovao tsara” amin’ny hafa. (Isaia 43:10; 1 Korintianina 3:9; Matio 24:14) Olona ‘mifankatia’ ny tena Kristianina, ary “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.” (Jaona 13:34; Hebreo 5:14) “Mpanazava eo amin’izao tontolo izao” koa isika, ary miezaka ‘ho tsara fitondran-tena’ foana eo anivon’izy io.—Filipianina 2:15; 1 Petera 2:12; 2 Petera 3:11, 14.

4. Inona koa ny lafin-javatra hafa mampiavaka ny tena mpivavaka amin’i Jehovah?

4 Misy lafin-javatra hafa mampiavaka ny tena mpivavaka amin’i Jehovah koa anefa. “Tsy anisan’izao tontolo izao izy”, tahaka an’i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika azy, izay tsy anisan’izao tontolo izao. (Jaona 17:16) Miezaka ny ho tafasaraka hatrany amin’ny “hafa firenena” izay “maizin-tsaina sy lavitra ny fiainana an’Andriamanitra” izy ireo. (Efesianina 4:17, 18) ‘Mandà izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao’ àry ny mpanara-dia an’i Kristy. ‘Misaina sy manao izay mahitsy ary mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ koa izy ireo, ‘eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.’—Titosy 2:12.

5. Nahoana moa isika no tokony ‘hirehareha ny amin’i Jehovah’?

5 Hanjary ‘hirehareha’ noho ny amin’i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao, sy ny fifandraisantsika aminy isika, raha mazava tsara amintsika ny lafiny mampiavaka antsika. (1 Korintianina 1:31) Nahoana moa isika no tokony hirehareha? Satria mahafaly antsika Kristianina marina ny manana an’i Jehovah ho Andriamanitra. Arahintsika ilay torohevitra hoe: “Izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany.” (Jeremia 9:23) ‘Mirehareha’ isika, noho ny tombontsoa mahafantatra an’Andriamanitra sady ampiasainy hanampy ny hafa.

Zava-tsarotra atrehintsika

6. Nahoana no sarotra amin’ny Kristianina sasany ny mitadidy ireo lafiny mampiavaka azy?

6 Marina aloha fa tsy mora foana ny mitadidy ireo lafiny mampiavaka antsika Kristianina. Nilaza ny lehilahy iray nobeazina tao amin’ny fahamarinana, fa nisy fotoana nampahalemy ny finoany. Hoy izy: “Nisy fotoana tsy nahafantarako hoe nahoana aho no Vavolombelon’i Jehovah. Efa hatramin’ny mbola kely aho no nampianarina ny fahamarinana. Nihevitra anefa aho indraindray, fa anisan’ny fivavahana fanaraky ny olona fotsiny izy io.” Nanjary nisy vokany teo amin’ny hafa kosa ny fialam-bolin’ity tontolo ity, sy ny haino aman-jery, ary ny fomba fisainana tsy araka an’Andriamanitra, ka tsy hita intsony ny maha Kristianina azy. (Efesianina 2:2, 3) Mety tsy hatoky tena ny Kristianina sasany indraindray, ary mety handinika indray ny tanjony sy ireo zavatra heveriny ho lehibe kokoa.

7. a) Inona no karazana fandinihan-tena mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra? b) Inona kosa no karazana fandihan-tena tsy mety?

7 Ratsy ve ny mandini-tena tsindraindray? Tsy izany velively. Mety ho tsaroanao fa nampirisika ny handinihan-tena hatrany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.” (2 Korintianina 13:5) Nampirisika antsika izy, mba hiezaka hijery izay fahalemena mety ho efa namaka tao amintsika, ary hanitsy izany. Tsy maintsy fantarin’ny Kristianina, raha mifanaraka amin’izay inoany ny teniny sy ny ataony, mba hahitany raha miorina amin’ny finoana izy na tsia. Tsy araka ny tokony ho izy anefa ilay fandinihan-tena ataontsika, raha lasa any ivelan’ny fiangonana isika no mitady izay “maha isika antsika”, tsy misy fiheverana ny fifandraisana amin’i Jehovah. Tsy misy dikany ny fandinihan-tena toy izany, sady mety hanimba ny finoantsika. Tsy irintsika mihitsy ny ho ‘vaky sambo raha ny amin’ny finoana’!—1 Timoty 1:19.

Tsy vita fanefitra amin’ny zava-manahirana ny Kristianina

8, 9. a) Ahoana no nampisehoan’i Mosesy fa tsy natoky tena izy? b) Inona no navalin’i Jehovah an’i Mosesy? d) Manome toky i Jehovah fa hanampy antsika. Inona no vokatr’izany eo aminao?

8 Mety tsy hatoky tena ny Kristianina sasany indraindray. Midika anefa ve izany fa malemy finoana izy ireo? Tsy izany velively! Hampahery azy ireo ny mahafantatra fa tsy vao izao akory no misy io olana io. Efa nanana izany olana izany koa ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky fahiny. Anisan’izany i Mosesy, izay nanana finoana niavaka, sy tsy nivadika, ary nahafoy tena ho an’Andriamanitra. Tsy natoky tena anefa izy, rehefa nasaina hanao asa noheveriny fa sarotra. Hoy izy: “Iza moa aho”? (Eksodosy 3:11) Ny valiny tao an-tsainy angamba dia hoe: ‘Olona tsinontsinona aho!’, na hoe: ‘Tsy mahay an’izany aho!’ Ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Mosesy angamba no nahatonga azy hihevi-tena toy izany. Andevo ny Israelita, firenena niaviany, ary efa nolavin’izy ireo izy. Tsy nahay nandaha-teny koa izy. (Eksodosy 1:13, 14; 2:11-14; 4:10) Mpiandry ondry izy, kanefa asa naharikoriko ny Ejipsianina izany. (Genesisy 46:34) Tsy nahagaga àry raha nihevitra i Mosesy, fa tsy mendrika ny ho mpanafaka ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozana izy!

9 Nanome fampanantenana roa lehibe i Jehovah, mba hampaherezana an’i Mosesy. Hoy izy: “Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity hianareo.” (Eksodosy 3:12) Nolazain’Andriamanitra tamin’io mpanompony tsy natoky tena io fa hanohana azy foana izy. Nasehon’i Jehovah koa fa hanafaka ny vahoakany tokoa izy. Nampanantena ny hanampy ny mpanompony foana Andriamanitra nandritra ny taonjato maro. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’ny firenen’Israely, tamin’ny alalan’i Mosesy, taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Mahereza sy matanjaha ... Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.” (Deoteronomia 31:6) Nanome toky an’i Josoa toy izao koa i Jehovah: ‘Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao. Homba anao Aho, ary tsy handao anao na hahafoy anao.’ (Josoa 1:5) Nampanantena ny Kristianina koa izy hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Hebreo 13:5) Tsy tokony ho reharehantsika ve ny maha Kristianina antsika, noho isika mahazo fanampiana lehibe toy izany?

10, 11. Ahoana no nanampiana an’i Asafa Levita hitadidy, fa zava-dehibe ny fanompoany an’i Jehovah?

10 Niaina 500 taona teo ho eo, taorian’i Mosesy i Asafa, Levita nahatoky. Nisalasala koa izy, raha tena ilaina ny manana fitondran-tena tsara hatrany. Niezaka mafy i Asafa mba hanompo an’Andriamanitra, na teo aza ny fitsapana sy fakam-panahy. Hitany anefa fa nitombo hery sy nihananan-karena hatrany ireo olona naneso an’Andriamanitra. Inona no vokatr’izany teo amin’i Asafa? Hoy izy: “Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako, satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” Nanomboka nisalasala izy raha tena zava-dehibe ny manompo an’i Jehovah. Hoy ihany izy: “Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasako ny tànako tamin’ny fahamarinana. Azom-pahoriana mandritra ny andro aho.”—Salamo 73:2, 3, 13, 14.

11 Sahiran-tsaina i Asafa. Ahoana no niatrehany an’izany? Nanafina ny fihetseham-pony ve izy? Tsia. Noresahiny tamin’Andriamanitra tamin’ny vavaka ilay izy, araka ny hitantsika ao amin’ny Salamo faha-73. Niova ny fihetsik’i Asafa, rehefa nankany amin’ny toerana masina tao amin’ny tempoly izy. Nanjary tsapany fa tsy misy tsara noho ny mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Nankasitraka ny fanompoana an’Andriamanitra indray izy. Takany fa mankahala ny ratsy i Jehovah, ary hanasazy ny ratsy fanahy amin’ny fotoana voatondrony. (Salamo 73:17-19) Takatr’i Asafa bebe kokoa tamin’izay fa tombontsoa ny manompo an’i Jehovah. Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tànako ankavanana Hianao. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.” (Salamo 73:23, 24) Nanjary reharehan’i Asafa indray ilay Andriamaniny.—Salamo 34:2.

Tsy hadinony fa mpanompon’i Jehovah izy

12, 13. Iza avy no resahin’ny Baiboly fa nirehareha noho ny fifandraisany tamin’Andriamanitra?

12 Azontsika atao ny mandinika sy manahaka ny finoan’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky, mba tsy hanadinoantsika ny maha Kristianina antsika. Nirehareha ny amin’ny fifandraisany tamin’Andriamanitra mantsy izy ireny, na dia tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Diniho ny nanjo an’i Josefa, zanak’i Jakoba. Namidy ho andevo izy tamin’izy mbola kely, ary nentina tany Ejipta, tany amin’ny an-jatony kilaometatra. Nanjary tafasaraka tamin’ilay rainy natahotra an’Andriamanitra izy, ary niaina tany amin’ny toerana tsy nahitana rivo-piainana nahafinaritra sy feno fiahiana, toy ny nisy azy taloha. Tsy nisy olona azon’i Josefa nangatahana torohevitra tsara tany. Tsy maintsy niatrika toe-javatra nisedra ny fitondran-tena tsarany, sy ny fahatokiany an’Andriamanitra koa izy. Niezaka foana anefa izy nitadidy fa mpanompon’Andriamanitra ny tenany, ary niezaka nifikitra tamin’izay mahitsy izy. Nireharehany ny maha mpanompon’i Jehovah azy, na dia ratsy fanahy aza ny olona niara-niaina taminy. Tsy nisalasala mihitsy izy nanambara ny tao am-pony.—Genesisy 39:7-10.

13 Lasa andevon’i Namàna, jeneraly syrianina, ny zazavavy israelita iray, 800 taona tatỳ aoriana. Tsy nohadinoin’io zazavavy io koa fa mpivavaka tamin’i Jehovah izy. Nitory tamin-kerim-po momba an’i Jehovah izy, raha vao afaka nanao izany. Niresaka an’i Elisa ho mpaminan’ilay Andriamanitra marina izy. (2 Mpanjaka 5:1-19) Taona maromaro taorian’izay, dia nitondra fanovana maharitra teo amin’ny lafiny ara-pivavahana i Josia Mpanjaka, na dia niaina teo anivon’ny tontolo ratsy fitondran-tena aza. Niezaka nanamboatra ny tempolin’Andriamanitra, sy namerina ilay firenena ho amin’i Jehovah koa izy. (2 Tantara, toko 34, 35) Tsy nohadinoin’i Daniela sy ireo namany Hebreo telo lahy tany Babylona koa, fa mpanompon’i Jehovah izy ireo. Tsy nivadika izy ireo, na dia tao anatin’ny fanerena sy fakam-panahy aza. Hita fa tena nireharehan’izy ireo ny naha mpanompon’i Jehovah azy.—Daniela 1:8-20.

Aoka ianao hirehareha satria Kristianina

14, 15. Inona no tafiditra amin’ny hoe mirehareha satria Kristianina?

14 Nahomby ireo mpanompon’Andriamanitra ireo, satria nirehareha noho ny fifandraisany tsara tamin’Andriamanitra. Ary ahoana ny amintsika? Inona no tafiditra amin’ny hoe mirehareha satria Kristianina?

15 Tena faly isika satria anisan’ny vahoaka mitondra ny anaran’i Jehovah, ary mahazo ny fitahiany sy ny fankasitrahany. Fantatr’Andriamanitra tsara ny olony. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, na dia nisafotofoto be aza ny fivavahana tamin’ny androny: “Fantatr’i Jehovah ny azy.” (2 Timoty 2:19; Nomery 16:5) Ireharehan’i Jehovah izay “azy”, satria hoy izy: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ (Zakaria 2:12) Tena tia antsika tokoa i Jehovah. Ny fitiavana lalina azy koa no tokony hanosika antsika hifandray aminy. Nilaza i Paoly hoe: “Raha misy tia an’Andriamanitra kosa, dia fantatr’Andriamanitra izy.”—1 Korintianina 8:3.

16, 17. Nahoana ny Kristianina antitra sy tanora no afaka mirehareha noho ny lova sarobidy ananan’izy ireo?

16 Tokony handinika ny tanora nobeazina tao amin’ny fahamarinana, raha manana finoana matanjaka miorina amin’ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra izy ireo na tsia. Tsy afaka miantehitra fotsiny amin’ny finoan’ny ray aman-dreniny izy ireo. Izao no nolazain’i Paoly momba ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay: “Eo anoloan’ny mpampiasa azy no ijoroany na ahalavoany.” Nanampy toy izao izy: “Samy hampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay avy.” (Romanina 14:4, 12) Mazava ho azy fa tsy afaka hifandray akaiky sy maharitra amin’i Jehovah ianao, raha manaraka tsy sazoka fotsiny ny finoan’ny ray aman-dreninao.

17 Vavolombelon’i Jehovah maro no nifandimby teo amin’ny tantara. Izany dia nanomboka tamin’i Abela nahatoky, 6 000 taona teo ho eo izay, ka hatramin’ny “vahoaka be”, ahitana ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny sy ireo mpanompon’i Jehovah maro be hiaina mandrakizay. (Apokalypsy 7:9; Hebreo 11:4) Betsaka tokoa ny mpanompon’i Jehovah mahatoky, fa isika no vao haingana indrindra. Manana lova sarobidy tokoa isika!

18. Nahoana ny fitsipika sy toro lalana arahintsika no mampiavaka antsika amin’ity tontolo ity?

18 Mampiavaka antsika Kristianina koa ny toetra ananantsika, sy ireo fitsipika ary toro lalana arahintsika. Io ilay antsoina hoe “Ny Lalana”, dia ilay hany fomba fiaina mahomby sy mampifaly an’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 9:2; Efesianina 4:22-24) ‘Mamantatra tsara ny zava-drehetra’ ny Kristianina, ary ‘mifikitra amin’izay tsara’! (1 Tesalonianina 5:21) Takatsika tsara ny maha samy hafa ny Kristianisma sy ilay tontolo tafasaraka amin’Andriamanitra. Avahan’i Jehovah tsara ny fivavahana marina sy ny diso. Hoy izy tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany: “Ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.”—Malakia 3:18.

19. Inona no tsy hitranga mihitsy amin’ny tena Kristianina?

19 Zava-dehibe ny hoe manana an’i Jehovah ho reharehantsika, eto anivon’ity tontolo misafotofoto ity. Inona àry no hanampy antsika amin’izany, ary inona no hanampy antsika tsy hanadino mihitsy fa Kristianina isika? Mirakitra torohevitra mahasoa ny lahatsoratra manaraka. Rehefa misaintsaina azy ireo ianao, dia ho hitanao fa tsy ho kamo hanaraka ny fivavahany mihitsy ny tena Kristianina.

Tadidinao Ve?

• Inona no hataon’ny Kristianina, raha tiany ho ‘reharehany i Jehovah’?

• Inona no nianaranao avy tamin’ny ohatr’i Mosesy sy Asafa?

• Iza ireo olona resahin’ny Baiboly fa nirehareha tamin’ny fanompoany an’Andriamanitra?

• Inona no tafiditra amin’ny hoe mirehareha satria Kristianina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 14]

Nisy fotoana, tsy natoky tena i Mosesy

[Sary, pejy 15]

Maro tamin’ny olona fahiny no nirehareha satria mpanompon’i Jehovah