Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Foana Izay Hahafantarana Anao ho Kristianina

Ataovy Foana Izay Hahafantarana Anao ho Kristianina

Ataovy Foana Izay Hahafantarana Anao ho Kristianina

“Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah.”—ISAIA 43:10.

1. Iza avy no karazan’olona taomin’i Jehovah hanatona azy?

DINIHO tsara ny olona manodidina anao, rehefa ao amin’ny Efitrano Fanjakana ianao. Iza avy no hitanao ao amin’io toeram-pivavahana io? Mety ho hitanao ao ny tanora tso-po mihaino tsara ny fahendrena avy ao amin’ny Soratra Masina. (Salamo 148:12, 13) Mety ho hitanao ao koa ny raim-pianakaviana miezaka mampifaly an’Andriamanitra, na dia miaina eto amin’ity tontolo manimba ny fiainam-pianakaviana ity aza. Mety hahita zokiolona koa ianao ao. Miezaka miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany izy ireny, na dia eo aza ny aretina vokatry ny fahanterana. (Ohabolana 16:31) Tena tia an’i Jehovah avokoa izy rehetra ireo, ary faly i Jehovah mifandray aminy. Izao tokoa no nolazain’ilay Zanak’Andriamanitra: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.”—Jaona 6:37, 44, 65.

2, 3. Nahoana no sarotra ny mitondra tena foana toy ny Kristianina?

2 Tsy mahafaly antsika tokoa ve ny hoe anisan’ireo olona tahin’i Jehovah sy ankasitrahany? Sarotra anefa ny mitondra tena foana toy ny Kristianina, amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Marina indrindra izany ho an’ireo tanora nobeazina tao amin’ny fahamarinana. Niaiky toy izao ny iray tamin’izy ireo: “Namonjy ireo fivoriana kristianina aho, nefa tsy tena nanana tanjona voafaritra tsara, sady tsy tena naniry hanompo an’i Jehovah.”

3 Maniry hanompo an’i Jehovah ihany ny olona sasany, saingy resin’ny fanerena mafy avy amin’ny namana, na ity tontolo ity, na koa ny fironan-dratsy. Hadinontsika tsikelikely ny maha Kristianina antsika, rehefa iharam-panerena toy izany isika. Maro amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ohatra, no mihevitra fa lany andro, na tsy mety amin’izao andro maoderina izao intsony ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. (1 Petera 4:4) Ao ny mihevitra fa tsy tena zava-dehibe ny manompo an’Andriamanitra araka ny tari-dalany. (Jaona 4:24) Nilaza i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina, fa manana ny “toe-tsaina” mampiavaka azy ity tontolo ity. (Efesianina 2:2) Io toe-tsaina io no manery ny olona hanaraka ny fomba fisainan’ireo tsy mahafantatra an’i Jehovah.

4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy, fa zava-dehibe ny tsy hanadinoantsika fa Kristianina isika?

4 Hahita loza anefa ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena, na antitra na tanora, raha manadino fa Kristianina izy. Ireo manaraka ny fitsipik’i Jehovah sy manao izay takiny ihany mantsy no tena Kristianina. Tsy mahagaga izany, satria noforonina araka ny endriny isika. (Genesisy 1:26; Mika 6:8) Oharin’ny Baiboly amin’ny akanjo ivelany, anaovana mba ho hitan’ny rehetra, ny maha Kristianina antsika. Nampitandrina toy izao àry i Jesosy, momba ny androntsika: “Indro, avy toy ny mpangalatra aho. Sambatra izay miambina hatrany ka mbola eny aminy ihany ny akanjony ivelany, mba tsy handeha mitanjaka izy ka ho hitan’ny olona ny fahamenarany.” * (Apokalypsy 16:15) Tsy irintsika mihitsy ny hanary ireo toetra sy fitsipi-pitondran-tena kristianina, ka hamela ny tontolon’i Satana hamolavola antsika. Toy ny hoe manary ny ‘akanjontsika ivelany’ isika, raha manao izany. Tena hitondra nenina sy hahamenatra ny toe-javatra toy izany.

5, 6. Nahoana no zava-dehibe ny mitadidy foana fa Kristianina isika?

5 Misy heriny lehibe eo amin’ny fomba fiainan’ny olona iray ny fitadidiany fa Kristianina izy. Raha tsy izany mantsy, dia mety ho varimbariana na hisalasala izy, ka tsy hanana tanjona voafaritra tsara. Mampitandrina antsika ny amin’izany foana anefa ny Baiboly. Hoy i Jakoba mpianatra: “Izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Aoka tsy hanantena handray na inona na inona avy amin’i Jehovah izany olona izany, fa olona misalasala izy, miovaova amin’ny lalany rehetra.”—Jakoba 1:6-8; Efesianina 4:14; Hebreo 13:9.

6 Inona no hanampy antsika hitadidy ny maha Kristianina antsika? Inona no hanampy antsika hahatakatra kokoa, fa tombontsoa lehibe ny hoe mpivavaka amin’ilay Avo Indrindra? Handinika lafin-javatra maromaro isika.

Manàna finoana matanjaka

7. Nahoana no tsara ny mitalaho amin’i Jehovah mba handinika antsika?

7 Hatsarao hatrany ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Ny fifandraisana amin’Andriamanitra no sarobidy indrindra amin’ny Kristianina. (Salamo 25:14; Ohabolana 3:32) Raha nanomboka nisalasala isika hoe tena Kristianina sa tsia, dia mila mandinika tsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Mety tsara ilay fitalahoan’ny mpanao salamo hoe: “Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.” (Salamo 26:2) Nahoana no tena ilaina ny hodinihin’i Jehovah? Satria i Jehovah ihany no tena mahatakatra ny antony manosika antsika sy ny eritreritsika ary ny fihetseham-pontsika. Tsy ho vitantsika mantsy izany.—Jeremia 17:9, 10.

8. a) Nahoana no mahasoa ny fitsapana avy amin’i Jehovah? b) Lazao ny fitsapana efa nihatra taminao sy ny soa noraisinao avy tamin’izany.

8 Manasa an’i Jehovah hitsapa antsika isika, rehefa miangavy azy mba handinika ny tenantsika. Mety hisy toe-javatra avelany hitranga, mba hahitana izay tena ao am-pontsika sy ny antony manosika antsika. (Hebreo 4:12, 13; Jakoba 1:22-25) Tokony hahafaly antsika ny fitsapana toy ireny, satria amin’izay no ampisehoantsika fa tena tsy mivadika amin’i Jehovah isika. Ho hita koa raha ‘lavorary sy tsy misy tsiny amin’ny lafiny rehetra’ isika, ary ‘tsy misy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’ (Jakoba 1:2-4) Handroso ara-panahy isika, rehefa avy mandalo fitsapana toy izany.—Efesianina 4:22-24.

9. Tsy maintsy mianatra ny fahamarinana ara-baiboly ve isika? Hazavao.

9 Ianaro ireo fahamarinana ara-baiboly, mba ho resy lahatra ianao. Mety tsy hitondra tena foana toy ny mpanompon’i Jehovah isika, raha tsy manana fahalalana tsara ny Soratra Masina. (Filipianina 1:9, 10) Tsy maintsy hamarinin’ny Kristianina, na tanora na antitra, fa tena ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no inoany. Nampirisika ny mpiray finoana taminy toy izao i Paoly: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.” (1 Tesalonianina 5:21) Tokony ho takatry ny tanora kristianina eo anivon’ny fianakaviana matahotra an’Andriamanitra, fa tsy afaka miantehitra amin’ny finoana ananan’ny ray aman-dreniny izy. Nampirisika an’i Solomona zanany, ohatra, i Davida mba ‘hamantatra an’Andriamanitry ny rainy sy hanompo azy amin’ny fo rehetra.’ (1 Tantara 28:9) I Solomona mihitsy no tsy maintsy niezaka hamantatra an’i Jehovah, fa tsy ampy ny nijereny fotsiny izay nataon-drainy mba hananany finoana. Nitady an’i Jehovah tokoa i Solomona, rehefa niangavy hoe: “Omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?”—2 Tantara 1:10.

10. Nahoana no tsy ratsy ny mametraka fanontaniana mahaliana, raha noho ny antony tsara no anaovana izany?

10 Ny fahalalana no manampy antsika hanana finoana matanjaka. Nilaza mantsy i Paoly fa “ny finoana dia avy amin’izay re.” (Romanina 10:17) Inona no dikan’izany? Manjary manana finoana matanjaka isika, rehefa mianatra ny tenin’Andriamanitra, ary lasa matoky an’i Jehovah sy ny fampanantenany ary ny fandaminany. Mety hahazoana valiny mampahery ireo fanontaniana ara-baiboly mahaliana apetratsika. Manoro hevitra antsika koa i Paoly, ao amin’ny Romanina 12:2. Hoy izy: ‘Diniho tsara ka fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ Afaka manao izany isika, rehefa mandray “fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (Titosy 1:1) Manampy antsika hahatakatra na dia ny foto-kevitra sarotra indrindra aza, ny fanahin’i Jehovah. (1 Korintianina 2:11, 12) Tokony hitalaho ny fanampian’Andriamanitra isika, rehefa misy zavatra tsy takatsika. (Salamo 119:10, 11, 27) Irin’Andriamanitra hahatakatra ny Teniny, sy hino, ary hankatò azy io isika. Mankasitraka ireo fanontaniana apetraka noho ny antony manosika tsara izy.

Tapa-kevitra hampifaly an’Andriamanitra

11. a) Inona ilay faniriana mety hamandrika antsika? b) Ahoana no ahafahantsika manohitra ny faneren’ny namana?

11 Mitadiava sitraka amin’Andriamanitra, fa tsy amin’olona. Ara-dalàna raha maniry ho tian’ny hafa isika. Mila namana daholo isika rehetra, ary mahatsiaro faly sy milamin-tsaina rehefa eken’ny hafa. Tena mahery ny faneren’ny namana mandritra ny fahatanorana, na rehefa lehibe kokoa, ka manjary irintsika mafy ny hanahaka azy ireo na hampifaly azy. Tsy mitady izay hahasoa antsika foana anefa ny namana sy ireo mitovy taona amintsika. Mitady namana hiara-manao ratsy aminy fotsiny izy ireo indraindray. (Ohabolana 1:11-19) Matetika ny Kristianina no manafina ny maha izy azy, rehefa resin’ny faneren’ny namana. (Salamo 26:4) Nampitandrina toy izao anefa ny apostoly Paoly: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.” (Romana 12:2, Fandikan-teny Protestanta) Omen’i Jehovah antsika ny hery ilaina mba hanoherana ny fanerena hitovy amin’ny hafa.—Hebreo 13:6.

12. Inona no toro lalana sy ohatra manampy antsika hanana finoana matanjaka, rehefa voatohintohina ny fatokisantsika an’Andriamanitra?

12 Mety hanery antsika hanafina ny maha Kristianina antsika ny hafa. Tokony hotadidintsika anefa, fa sarobidy kokoa noho izay tian’ny besinimaro ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra. Manampy antsika amin’izany ny toro lalana ao amin’ny Eksodosy 23:2 hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy.” Nisalasala ny ankamaroan’ny Israelita, raha afaka manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah na tsia. Tsy nanara-drian-drano anefa i Kaleba. Azony antoka fa mendri-pitokisana ny fampanantenan’Andriamanitra. Nandray valisoa tondraka izy noho izany. (Nomery 13:30; Josoa 14:6-11) Irinao koa ve ny hanohitra ny faneren’ny besinimaro, mba hiarovanao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra?

13. Nahoana no fahendrena ny mampahafantatra amin’ny hafa fa Kristianina isika?

13 Ampahafantaro ny hafa fa Kristianina ianao. Miaro antsika ny filazana dieny mialoha fa Kristianina isika. Nisy nanohitra ny Israelita tamin’ny andron’i Ezra, rehefa niezaka nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. Izao anefa no nolazain’izy ireo: “Izahay dia mpanompon’Andriamanitry ny lanitra sy ny tany.” (Ezra 5:11) Mety halemin’ny tahotra isika, raha manan-kery eo amintsika ny fihetsika sy tsikera ataon’ireo mankahala antsika. Tsy hahomby isika, raha maniry hampifaly ny rehetra foana. Aza manaiky hampitahorina àry. Tsara foana ny mampahafantatra ny hafa fa Vavolombelon’i Jehovah ianao. Azonao hazavaina amin’ny fomba hentitra nefa manaja, ny fitsipika arahinao, sy ny finoanao, ary ny toerana tananao amin’ny maha Kristianina anao. Ampahafantaro ny hafa, fa efa tapa-kevitra ny hanaraka hatrany ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena ianao. Hazavao tsara fa tsy azo iadian-kevitra izany. Asehoy fa mampirehareha anao ny fitsipi-pitondran-tena ambony arahinao. (Salamo 64:10) Mahazo hery sy fiarovana ianao rehefa tsy mampandefitra ny maha Kristianina anao, ary mety hanosika ny hafa hanontany momba an’i Jehovah sy ny vahoakany mihitsy aza izany.

14. Tokony ho kivy ve isika rehefa misy maneso na manohitra? Hazavao.

14 Marina aloha fa mety haneso na hanohitra anao ny hafa. (Joda 18) Aza kivy anefa raha tsy mandray tsara izy ireo, rehefa miezaka manazava aminy ny fitsipika arahinao ianao. (Ezekiela 3:7, 8) Tsy haharesy lahatra ireo miziriziry amin’ny heviny ianao, na dia te handresy lahatra toy inona aza. Tsarovy fa tsy nety resy lahatra mihitsy i Farao hoe irak’i Jehovah i Mosesy, na dia teo aza ny loza sy ny fahagagana, ary ny fahafatesan’ny zanany lahimatoa. Aoka àry ianao tsy hanaiky ho resin’ny tahotra olona. Handresy ny tahotra isika, raha matoky sy mino an’Andriamanitra.—Ohabolana 3:5, 6; 29:25.

Todiho ny lasa, banjino ny hoavy

15, 16. a) Inona ireo lovantsika ara-panahy? b) Inona no soa raisintsika, rehefa misaintsaina momba ny lovantsika ara-panahy miorina amin’ny Baiboly?

15 Ankamamio ny lovanao ara-panahy. Handray soa ny Kristianina rehefa misaintsaina momba ny lovany ara-panahy miorina amin’ny Baiboly. Anisan’io lova io ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’i Jehovah, ny fanantenana fiainana mandrakizay, ary ny tombontsoa misolo tena an’Andriamanitra amin’ny maha mpitory ny vaovao tsara. Nomena tombontsoa hanatontosa io asa mamonjy aina io tokoa ny Vavolombelona. Mamita ny anjara asanao ve ianao? Tsarovy fa i Jehovah mihitsy no nanamafy hoe: “Hianareo no vavolombeloko.”—Isaia 43:10.

16 Afaka manontany tena toy izao ianao: ‘Tena sarobidy amiko ve io lova ara-panahy io? Mankasitraka azy io ve aho ka manao ny sitrapon’Andriamanitra ho loha laharana eo amin’ny fiainako, sy manohitra izay fanerena rehetra mety hamoizako azy io?’ Io lova ara-panahy io koa no hanome antsika ilay tsy fananana ahiahy, izay tsy ho hita raha tsy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. (Salamo 91:1, 2) Miaiky mafy isika, rehefa mandinika ireo zava-mitranga miavaka teo amin’ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny, fa tsy misy olona na zavatra afaka hamongotra ny vahoakan’i Jehovah.—Isaia 54:17; Jeremia 1:19.

17. Inona koa no ilaina, ankoatra ny fianteherana amin’ny lova ara-panahy?

17 Tsy hiantehitra fotsiny amin’ny lovantsika ara-panahy anefa isika. Tsy maintsy miezaka hifandray akaiky amin’Andriamanitra koa ny tsirairay amintsika. Niezaka nanampy ny Kristianina tany Filipy i Paoly, mba hananan’izy ireo finoana matanjaka. Nanoratra toy izao izy taorian’izay: “Koa tahaka ny nankatoavanareo mandrakariva, ry malala, tsy fony aho teo aminareo ihany, fa vao mainka aza amin’izao izaho tsy eo aminareo izao, dia miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, hahazoanareo ny famonjena anareo.” (Filipianina 2:12) Miankina amin’ny tenantsika ihany no hahavoavonjy antsika, fa tsy afaka miantehitra amin’olon-kafa isika.

18. Inona avy no asa kristianina hampiaiky antsika fa tena Kristianina isika?

18 Aoka ianao ho revo tanteraka amin’ny asa kristianina. Voalaza fa “ny asa ataony no amantarana ny olona.” Nirahina hanao asa mamonjy aina ny Kristianina, dia ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina. Hoy i Paoly: “Koa satria apostoly ho an’ny hafa firenena tokoa aho, dia mankalaza ny fanompoako.” (Romanina 11:13) Mampiavaka antsika amin’ity tontolo ity ny asa fitoriana ataontsika, ary hita fa tena Kristianina isika rehefa mandray anjara amin’izy io. Vao mainka isika hiaiky fa tena Kristianina, raha mazoto mandray anjara amin’ny asa kristianina hafa. Anisan’izany ny fanatrehana fivoriana sy fanorenana toeram-pivavahana.—Galatianina 6:9, 10; Hebreo 10:23, 24.

Fitahiana azon’ireo fantatra ho Kristianina

19, 20. a) Inona no soa noraisinao manokana noho ianao Kristianina? b) Ahoana no hamaritana ny hasarobidintsika sy ny tena maha isika antsika?

19 Saintsaino kely ange ireo tombontsoa maro be raisintsika, noho isika tena Kristianina e! Mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah isika isam-batan’olona. Hoy i Malakia mpaminany: “Izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (Malakia 3:16) Afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra koa isika. (Jakoba 2:23) Misy heviny lalina ny fiainantsika, ary manana tanjona voafaritra tsara sy mahafa-po isika. Nomena fanantenana hoavy mandrakizay koa isika.—Salamo 37:9.

20 Tsarovy fa izay lazain’Andriamanitra momba anao no hamaritana ny hasarobidinao sy ny tena maha ianao anao, fa tsy izay lazain’ny olona. Mety hisy hitsara antsika araka ny fitsipik’olombelona tsy mahomby. Fananan’Andriamanitra anefa isika, ka tiany sy karakarainy, ary izany no tena mampisy vidiny antsika. (Matio 10:29-31) Tia an’Andriamanitra koa isika, ka izany no tsy hanadinoantsika mihitsy fa Kristianina isika. Izany koa no mitari-dalana antsika eo amin’izay ataontsika. ‘Raha misy tia an’Andriamanitra [mantsy], dia fantatr’Andriamanitra izy.’—1 Korintianina 8:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Miresaka ny asan’ny mpiandraikitra ny tempoly tany Jerosalema angamba ireo teny ireo. Nandeha nitety ny tempoly izy, nandritra ny fiambenana tamin’ny alina, mba hahitana raha niambina tsara na resin-tory ireo Levita mpiambina. Nokapohina izay Levita tratra natory, ary nety ho nodorana ny akanjony ivelany. Famaizana nahamenatra tokoa izany.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no zava-dehibe ny tsy hanadinoantsika fa Kristianina isika?

• Ahoana no hananantsika finoana matanjaka?

• Ahoana no handraisantsika fanapahan-kevitra tsara, rehefa tsy maintsy mifidy izay hampifaliana isika?

• Inona no tahirizin’ny hoavy ho antsika, raha mitondra tena toy ny Kristianina foana isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Hiaiky isika fa tena Kristianina, raha variana manao asa kristianina