Iza no Hanome Sakafo An’izao Tontolo Izao?
Iza no Hanome Sakafo An’izao Tontolo Izao?
VOALAZAN’NY Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Eran-tany, fa olona 800 tapitrisa no efa ho fatin’ny hanoanana, ary ankizy ny ankamaroany. Nilaza io fikambanana io, vao tsy ela izay, fa io olana io no tokony ho nifantohan’ireo firenena mandroso sy hampiasany ny volany. Nibahan-toerana be anefa ny zava-manahirana hafa, toy ny fampihorohoroana. Nanampy trotraka izany koa ny fihanahan’ny areti-mifindra. Nilaza toy izao ny fikambanana iray, momba ireo tany afrikanina tena ielezan’ny SIDA: “Olon-dehibe maro, izany hoe, taranaka iray manontolo no maty aloha be noho ny SIDA. Matetika no voatery mamelon-tena ireo ankizy naterany. Mbola tsy manana ny fahalalana fototra momba ny fambolena sy fiompiana na ny fiainana andavanandro anefa izy ireo. Ny ray aman-dreny mantsy matetika no mampita ny fahalalana toy izany amin’ny taranany.”
Tohanan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Eran-tany, ny fizarana sakafo indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny, atao any an-tsekoly. Tsy natao hiadiana amin’ny hanoanana fotsiny izy io. Natao koa ilay izy mba hanatanterahana fandaharana hafa, hisorohana ny VIH/SIDA eo amin’ny tanora, amin’ny alalan’ny fanabeazana mitohy.
Any amin’ny toerana efa anaovana io fandaharana io dia omena sakafo ny ankizy, ampiofanina eo amin’ny fahadiovana ara-batana, ary ampiana amin’ny lafiny hafa. Voamarika koa fa nihena ny olona voan’ny VIH/SIDA any amin’ny toerana misy olona efa nanova ny fitondran-tenany.
Mampalahelo fa voafetra ihany matetika ny zava-bitan’ny olombelona, ary tsy misy dikany firy. Mampionona anefa ny fampanantenan’ny Baiboly, satria milaza izy io fa hofoanana tanteraka ny hanoanana. Hoy ny Salamo 72:16: “Hahavoka-bary betsaka ny tany.” Ho afaka hilaza toy izao amin’i Jehovah Andriamanitra ny olona, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra: “Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ... mamboatra vary ho an’ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.”—Salamo 65:9.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
WFP/Y. Yuge