Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampitaha ny Tenanao Amin’ny Hafa ve Ianao?

Mampitaha ny Tenanao Amin’ny Hafa ve Ianao?

Mampitaha ny Tenanao Amin’ny Hafa ve Ianao?

IZA amintsika no tsy mahafantatra olona tsara tarehy kokoa, toa be mpitia kokoa, mora mahataka-javatra kokoa, na mahay kokoa noho isika any am-pianarana? Salama noho isika angamba ny hafa, mahafa-po kokoa ny asany, mahomby kokoa ny fiainany, na be namana kokoa izy. Mety hanan-javatra misimisy izy, be vola kokoa, vaovao kokoa ny fiarany, na angamba toa sambatra kokoa izy. Mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa ve isika, rehefa mahamarika izany? Tsy maintsy manao fampitahana foana ve, sa azo ialana izany? Afaka ny ho afa-po ve isika, na tsy mampitaha tena amin’ny hafa aza?

Antony sy fotoana mety hanaovantsika fampitahana

Antony iray mety hahatonga ny olona hampitaha tena amin’ny hafa ny faniriany hahatsapa ho misy vidiny, na ny faniriany hampitombo izany fahatsapana izany. Matetika no afa-po ny olona, rehefa fantany fa mahavita ny vitan’ireo mitovy aminy izy. Antony iray hafa koa ny hoe matoky tena kokoa isika rehefa mampitaha tena amin’ny hafa, ka lasa mahafantatra ny mety ho vitantsika sy ny fetran’ny tenantsika. Dinihintsika amin’izay ny zava-bitan’ny hafa. Raha mitovy amintsika ihany ireny olona ireny, nefa nahatratra tanjona sasany, dia mety hihevitra isika fa azontsika atao koa ny manatratra tanjona mitovy amin’ny azy.

Matetika ny fampitahana no atao eo amin’ny samy lehilahy na samy vehivavy, mitovy taona sy fari-piainana, ary olona mifankahalala. Mahalana isika vao mampitaha tena amin’ny olona tsy dia mitovy amintsika loatra. Midika izany fa aleon’ny ankizivavy mampitaha ny tenany amin’ny mpiara-mianatra, toy izay amin’ny mpampiranty lamaody. Azo inoana koa anefa fa tsy hampitaha ny tenany amin’ny ankizivavy tsotra ny mpampiranty lamaody.

Anaovantsika fampitahana avokoa ny fananana na izay zavatra heverin’ny fiaraha-monina ho sarobidy. Mety ho fahaizana izany, na hatsaran-tarehy, na harena, na fitafiana. Izay mahaliana antsika ihany anefa no anaovantsika fampitahana. Azo antoka fa tsy hitsiriritra ny habetsahan’ny hajia voangon’ny olona iray isika, raha tsy hoe tena mahaliana antsika angaha izany.

Miteraka fihetseham-po isan-karazany ny fanaovana fampitahana. Mety hahafa-po antsika izany na hahakivy antsika, ary mety hahatonga antsika hankasitraka sy haka tahaka olona iray, na ho sorena sy hankahala azy. Fihetseham-po manimba ny sasany amin’ireo, ary tsy mifanaraka amin’ny toetra kristianina.

Manao fampitahana misy fifaninanana

Olona maro no tia mifaninana, ka miezaka ny ho “mpandresy” rehefa manao fampitahana. Te ho tsara kokoa noho ny hafa izy ireo, ka tsy afa-po raha tsy tanteraka izany. Tsy mahafinaritra ny mifanerasera amin’ny olona toy izany. Lasa tsy tia olona sy kizitina ianao rehefa minamana aminy. Tsy manetry tena izy, ary mazàna no tsy manaraka ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitiava-namana. Manjary mora mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny sy ambany ny hafa, noho ny fihetsiny.—Matio 18:1-5; Jaona 13:34, 35.

Mety hitondra fahavoazana ho an’ny hafa ianao rehefa manao izay hahatsapany ho “ambany.” Hoy ny mpanoratra iray: “Vao mainka malahelo isika, raha ny olona mitovy amintsika no nahazo izay nirintsika.” Ny toe-tsaina tia mifaninana àry, dia mahatonga antsika hitsiriritra sy hitana lolompo ary tsy ho faly amin’ny olona iray, noho ny fananany, fahombiazany, toerana tanany, lazany, tombontsoany, sy ny toy izany. Miteraka toe-tsaina tia mifaninana foana izany. Melohin’ny Baiboly anefa ny “fifaninanana.”—Galatianina 5:26.

Manambany ny zava-bitan’ireo olona tiany hifaninanana ilay mpitsiriritra, mba hialany amin’ny fahatsapan-tena ho tsy mendrika. Toa tsy mampaninona izany fihetsika izany, nefa mety hitarika ho amin’ny fanaovan-dratsy lehibe, raha tsy fantarina sy ialana. Andeha isika handinika fitantarana roa ao amin’ny Baiboly mahakasika ny fitsiriritana.

Nahazo fitahina i Isaka, rehefa nivahiny teo amin’ny Filistinina, ary nanana ‘ondry aman’osy sy omby ary andevo maro, ka nialona azy ny Filistinina.’ Nototofan’izy ireo àry ny fantsakana nohadin’i Abrahama rain’Isaka, ary nangataka an’i Isaka mba hiala teo aminy ny mpanjakan’izy ireo. (Genesisy 26:1-3, 12-16) Lasa feno hasomparana sy nanimba zavatra izy ireo, noho ny fitsiriritany. Tsy zakan’izy ireo intsony ny nahita an’i Isaka niadam-pinaritra.

Niavaka ny zava-bitan’i Davida tany an’ady, taonjato maro tatỳ aoriana. Nidera izany toy izao ny vehivavy teo amin’ny Israely: “Saoly nahafaty arivoarivo; fa Davida nahafaty alinalina.” Nahazo dera i Saoly, nefa nihevitra ilay fampitahana ho nanambany azy, ka nitombo tao am-pony ny fitsiriritana. Nitahiry lolom-po tamin’i Davida izy nanomboka tamin’izay. Nanandrana namono an’i Davida izy, tsy ela taorian’izay, ary imbetsaka no nanao izany. Tena mety hitarika ho amin’ny fanaovan-dratsy lehibe ny fitsiriritana!—1 Samoela 18:6-11.

Mitandrema tsara àry rehefa mampitaha tena amin’ny hafa, na mampitaha ny zava-bitany sy ny tombontsoany amin’ny antsika! Mety hampitombo fitsiriritana na toe-tsaina tia mifaninana ao amintsika izany. Ratsy ny fihetseham-po toy izany ary tsy mifanaraka amin’ny fiheveran’Andriamanitra. Andeha anefa aloha isika hijery antony hafa mahatonga antsika hanao fampitahana, alohan’ny handinihana ny fomba azo ialana amin’izany. 

Mandini-tena sy afa-po

‘Mba mahira-tsaina sy manintona, mahay, tomady sy hajaina ary tian’ny olona ihany ve aho?’ Mahalana isika vao mametra-panontaniana toy izany rehefa mandini-tena. Milaza anefa ny mpanoratra iray fa “matetika no mandalo ao an-tsaintsika ny fanontaniana toy ireo, ary ahazoantsika valiny mangina mety hahafa-po antsika na tsia.” Mety hisaintsaina momba izany ny olona tsy matoky izay mety ho vitany, nefa tsy voatery hanao fampitahana na hitsiriritra. Mandini-tena fotsiny izy, ary tsy misy maharatsy izany. Tsy ny fampitahan-tena amin’ny hafa anefa no fomba tsara handinihan-tena.

Tsy mitovy ny zavatra haintsika noho ny antony maro. Hisy foana anefa ny olona toa afaka manao tsara kokoa noho isika. Aza mitsiriritra azy ireny, fa tombano araka ny fitsipika marin’Andriamanitra ny zava-bitanao. Manome tari-dalana azo antoka ny amin’izay tsara sy ratsy mantsy izy io. Misy vidiny amin’i Jehovah ny tsirairay amintsika. Tsy mila mampitaha antsika amin’iza na amin’iza izy. Manoro hevitra antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Galatianina 6:4.

Tohero ny fitsiriritana

Ilaina ny ezaka mafy sy mitohy mba hanoherana ny fitsiriritana, satria tsy lavorary ny olona rehetra. Mety ho fantatsika ny voalazan’ny Soratra Masina manao hoe: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” Tsy midika avy hatrany anefa izany hoe efa mampihatra azy io isika. Neken’i Paoly fa ao aminy ny faniriana hanota, ka tsy maintsy ‘nanisy mafy ny vatany’ sy nanandevo izany izy. (Romanina 12:10; 1 Korintianina 9:27) Isika kosa angamba tsy maintsy manohitra ny toe-tsaina tia mifaninana, ary mifantoka amin’ny lafin-javatra mampahery. Tokony hangataka ny fanampian’i Jehovah isika, mba tsy ‘[hiheverantsika tena] mihoatra noho izay tokony hoheverina.’—Romanina 12:3.

Manampy koa ny fianarana Baiboly sy ny fisaintsainana. Saintsaino, ohatra, ny Paradisa ho avy ampanantenain’Andriamanitra. Amin’izay ny rehetra dia hiadana, ho salama tsara, ho ampy sakafo, hanana trano misy izay ilaina sy asa mahafa-po. (Salamo 46:8, 9; 72:7, 8, 16; Isaia 65:21-23) Mbola hisy te hifaninana ve amin’izany? Azo antoka fa tsia. Tsy hisy antony tokony hanaovana izany intsony. Marina fa tsy nolazain’i Jehovah tamin’ny an-tsipiriany izay ho fiainantsika amin’izany. Ara-dalàna anefa ny hiheverana fa ho afaka hanao zavatra mahaliana, sy manavanana ary mahafinaritra azy ny tsirairay. Mety hisy hianatra momba ny astronomia, na ny fanamboarana lamba tsara soratra. Koa nahoana àry no hisy hitsiriritra ny hafa? Handrisika antsika hanao zavatra tsaratsara kokoa ny asan’ny mpiara-belona amintsika, fa tsy hampialona antsika. Tsy hisy intsony amin’izay ny fialonana.

Raha izany no fiainana irintsika, tsy tokony hiezaka hanana toe-tsaina toy izany dieny izao ve isika? Efa miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy, tsy isian’ny olana maro mpahazo ny olona manodidina antsika, isika. Tsy ho tia mifaninana intsony ny olona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ka tokony hialana dieny izao izany.

Tsy mety àry ve ny mampitaha tena amin’ny hafa? Sa misy mahamety an’izany ihany, indraindray?

Fampitahana mety

Fampitahana maro no niteraka fahasosorana na alahelo, nefa tsy voatery ho izany foana no izy. Mariho izay nolazain’ny apostoly Paoly momba izany: ‘Manahafa an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo manana finoana sy faharetana.’ (Hebreo 6:12) Handray soa isika raha miezaka hanana ny toetra tsaran’ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky fahiny. Marina fa mety hisy fampitahana amin’izany. Mety hanampy antsika hahita ny lafiny azo ihatsarana anefa ny ohatr’izy ireo.

Diniho i Jonatana. Mety hisy hilaza fa tena nanana antony hitsiriritana izy. Nanantena ho tonga mpanjaka angamba izy, noho izy lahimatoan’i Saoly mpanjakan’ny Israely. I Davida tanora, izay zandriny 30 taona anefa no nofidin’i Jehovah. Niavaka tokoa i Jonatana. Tsy nisy fitadiavana tombony ny fisakaizany tamin’i Davida, ary tsy nialona azy izy, fa nanohana azy noho izy Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. Tena lehilahy araka ny fanahy izy. (1 Samoela 19:1-4) Tsy toa an-drainy izay nihevitra an’i Davida ho rafy izy. Niaiky kosa izy fa i Jehovah no nitarika ilay raharaha, ary izany no sitrapony. Tsy nampitaha ny tenany tamin’i Davida izy, na nanontany hoe: “Nahoana no tsy izaho no nofidina, fa i Davida?”

Tsy tokony hiahiahy mihitsy isika hoe mitady hihoatra na haka ny toerantsika ny Kristianina namantsika. Tsy mety ny mifandrafy. Ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-tsaina ary ny fitiavana no mampiavaka ny Kristianina matotra, fa tsy ny fifaninanana. Hoy i Francesco Alberoni, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: “Manaisotra ny fitsiriritana ny fitiavana. Irintsika hahita ny soa sy ny tsara ny olona iray tiantsika, ary faly isika rehefa mahomby sy sambatra izy.” Hanosika antsika ho faly àry ny fitiavana, rehefa olona hafa eo anivon’ny fiangonana kristianina no nofidina hahazo ilay fanendrena nirintsika. Izany no nataon’i Jonatana. Hahazo fitahiana toa azy isika, raha manohana ireo mpiandraikitra manompo amim-pahatokiana eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah.

Mety ny mankasitraka ny Kristianina manome ohatra tsara. Ho voatosika hanahaka ny finoany isika, raha mahay mandanjalanja rehefa manao fampitahana. (Hebreo 13:7) Mety hivadika ho fifaninanana anefa ilay izy, raha tsy mitandrina isika. Mety ho lasa fitsiriritana ilay ezaka atao mba hanahafana ny olona ankasitrahantsika, rehefa mihevitra isika fa nihoarany. Hanandrana hanambany na hanakiana ilay olona isika amin’izay.

Tsy afaka hanome modely tonga lafatra ny olona tsy lavorary. Izany no antony ilazan’ny Soratra Masina hoe: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo.” Ary koa hoe: “Kristy ... nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany.” (Efesianina 5:1, 2; 1 Petera 2:21) Ny toetran’i Jehovah sy Jesosy no tokony hiezahantsika hotahafina. Anisan’izany ny fitiavana, hatsaram-panahy, fiaraha-miory, ary fanetren-tena. Tokony haka fotoana isika mba handinihan-tena raha mifanaraka amin’ny toetran’izy ireo sy ny fikasany ary ny fomba fanaovany zavatra ny antsika. Mety hahasoa antsika ny manao izany, sady ahazoana tari-dalana azo antoka sy tsy fananana ahiahy. Afaka manampy antsika ho Kristianina matotra koa izany. (Efesianina 4:13) Tsy ho mora hampitaha tena amin’ny olon-kafa isika, raha manao araka izay fara herintsika mba hanahafana ny ohatra lavorary omen’izy mianaka, ary mifantoka amin’izany.

[Sary, pejy 28, 29]

Nanjary nitsiriritra an’i Davida i Saoly Mpanjaka

[Sary, pejy 31]

Tsy nihevitra an’i Davida tanora ho toy ny rafy mihitsy i Jonatana