Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mananika ny Tampon’i Saba

Mananika ny Tampon’i Saba

Mananika ny Tampon’i Saba

TAO amin’ny nosy holandey iray, antsoina hoe Saba, no fieren’ny jiolahin-tsambo taloha, rehefa handroba ny harena nentin’ireo sambo teny amin’ny Ranomasina Karaiba ry zareo. Any amin’ny 240 kilaometatra atsinanan’i Porto Rico no misy io nosy kely io. Misy mponina 1 600 eo ho eo any ankehitriny, ary Vavolombelon’i Jehovah ny 5 aminy. Mikaroka zavatra sarobidy lavitra noho ny harena horobaina ireo mpitory be herim-po ireo. Miezaka mafy mitady ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ izy ireo.—Asan’ny Apostoly 13:48.

Notorina voalohany tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, tamin’ny 22 Jona 1952. Nampiasa sambo nirefy 18 metatra ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay. Nantsoina hoe Sibia io sambo io, ary naantsona teo amin’ny morontsirak’ilay nosy. (Matio 24:14) I Gust Maki sy Stanley Carter no misionera nandeha tamin’izy io. Ho any The Bottom, renivohitr’i Saba, izy ireo. * Natao hoe The Ladder ny tohatoha-bato nisy zana-tohatra 500 mahery niakaran’izy ireo ho any. Io lalan-kely io ihany no nandehanana tany nandritra ny taonjato maro.

Niseho voalohany tao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1966, ny tatitra momba ny fitoriana tany Saba. Iray ihany no Vavolombelona nitory tany tamin’izay. Tatỳ aoriana dia nisy fianakaviana kanadianina, nitory nandritra ny taona vitsivitsy tany. Vao haingana koa no tonga nitory tany i Russel sy Kathy. Avy any Etazonia izy mivady ireo, ary efa misotro ronono. Araho ny tantarany.

Fitsidihana an’i Saba

I Ronald irery no Vavolombelona teo amin’ilay nosy nandritra ireo taona 1990. Nitsena anay mivady teny amin’ny seranam-piaramanidina izy, ary any aminy izahay no hivantana. Nitondra legioma kely ho azy izahay, ary tena faly izy satria sarotra ny mahita legioma hovidina any. Kamiao kely no nandehananay, niolikolika nanaraka ny tehezan’i Tendrombohitr’i Scenery, mandra-pahatonganay tany an-tampon’io volkano efa maty io.

Nijanona teo amin’ny tanànan’i Hell’s Gate izahay. Nojeren’i Ronald raha mbola teo amin’ny tabilao mpisy ny filazana tao an-tanàna, ny taratasy fanasana hanatrika lahateny ho an’ny besinimaro hatao ny alahady. Faly izahay fa mbola teo ilay izy. Niverina niakatra tao anaty kamiao i Ronald, ary nanohy ny dianay niakatra ho any amin’ilay tanàna lehibe indrindra, atao hoe Windwardside, izahay. Any amin’ny 400 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina io tanàna tsara tarehy io, ary mety tsara aminy ny anarany, satria vava rivotra no misy azy. Rehefa tonga tamin’ny lalana mankany amin’ny tranon’i Ron izahay, dia nahita takelaka voaloko tsara teo am-bavahady. Famantarana ny Efitrano Fanjakana an’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay izy.

Ny hamantatra ny antony nahatonga an’i Ron hitory teto Saba no anton-dianay. Nanontany azy momba izany àry aho nandritra ny sakafo antoandro.

Namaly izy hoe: “Naniry ho voatendry hanompo tany an-tany hafa izahay mivady, rehefa vita ny fanorenana ny sampan’i Porto Rico tamin’ny 1993. Efa tatỳ izahay talohan’io fotoana io, niaraka tamina mpivady mpisava lalana iray. Tsy nisy Vavolombelona teto tamin’izay, nefa nisy mponina 1 400. Nilaza tamin’ny sampan’i Porto Rico àry izahay mivady fa maniry hifindra eto.”

“Nizotra tsara ny zava-drehetra, ka nekena ny hifindranay teto tamin’ny farany. Nampalahelo fa narary mafy ny vadiko roa taona taorian’izay, ka nody tany Kalifornia izahay. Niverina teto Saba aho taorian’ny nahafatesany. Tsy tiako mantsy ny tsy hamita izay efa natomboka.”

Fitoriana isan-trano any Saba

Tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’i Ron ihany no natao ny fivoriana. Efa naharitra zato taona ilay trano. * Raha mbola nisakafo maraina sy niomana handeha hitory izahay, dia nanorana tandrifin-drahona ny andro ka lena ny lakozia tao an-tokotany. Nandeha nitory isan-trano tany The Bottom izahay, rehefa avy nisakafo maraina. Malomaloka ny andro tamin’izay. Arahabain’i Ron amin’ny anarany avy ny olona isam-baravarana. Ny vaovao teo an-toerana no noresahinay. Zatra mahita an’i Ron mitory ny ankamaroan’ny olona, ka maro no mandray boky sy gazety ara-baiboly.

Sarotra ny mitadidy ireo olona liana, raha tsy zatra ny mponina ao ianao. Nahoana? Nilaza i Ron fa “takin’ny lalàna ny hampitoviana loko ny trano rehetra.” Nitafo mena sy niloko fotsy daholo tokoa ny trano, rehefa nojereko ny manodidina.

Nasainay nanatrika ilay lahateny ho an’ny besinimaro hatao any amin’ny Efitrano Fanjakana ny alahady, ny olona niresahanay Baiboly. Manao lahateny isan-kerinandro i Ron, rehefa eo an-toerana. Misy 17 ankehitriny ny olona mianatra Baiboly any. Ary tamin’ny 2004, dia olona 20 no tonga nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Efa ny 1 isan-jaton’ny mponina izany na dia kely aza!

Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hitory ny hafatra mitondra famonjena avy amin’Andriamanitra amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Tontosainy tsara ny asa anendrena azy, na any amin’ny nosy bitika toa an’i Saba izany, na any amin’ny kontinanta, ka ‘ataony mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’—Matio 28:19.

Tapitra sahady ny fitsidihanay. Nanofahofa tanana izahay rehefa niditra ny fiaramanidina. Tsy hohadinoinay mihitsy ny nitsidihanay sy ny nianihanay an’i Saba!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nantsoin’ny jiolahin-tsambo hoe The Bottom, na Ny Fanambany izy io, satria noheverin’izy ireo ho fanambanin’ny volkano iray.

^ feh. 12 Nisy mpiasa an-tsitrapo avy any Floride, any Etazonia, tonga tany Saba tamin’ny 28 Septambra 2003. Nanavao trano iray teo akaiky teo izy ireo mba hatao Efitrano Fanjakana.

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

PORTO RICO

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary eo an-damosina: www.sabatourism.com