Ny Baibolin’i Berleburg
Ny Baibolin’i Berleburg
NISY sampan’ny Fiangonana Loteranina Alemà nampirisika ny olona ho tia fivavahana, tamin’ireo taona 1600 sy 1700. Nesoina sy nenjehina noho ny finoany ny mpikambana sasany tao, ka nisy manam-pahaizana vitsivitsy nitsoaka tany Berleburg. Any amin’ny 150 kilaometatra avaratr’i Francfort-sur-le-Main no misy an’io tanàna io. Navelan’ilay andriana Casimir von Wittgenstein Berleburg, hipetraka tany izy ireo. Zava-dehibe tamin’io olo-manan-kaja io mantsy ny fivavahana. Nitarika ho amin’ny fanaovana fandikan-teny vaovao fantatra ankehitriny hoe Baibolin’i Berleburg, ny nahatongavan’ireo mpitory sy manam-pahaizana ireo tao amin’io tanana io. Ahoana no nanatontosana azy io?
Anisan’ireo nitsoaka tany Berleburg i Johann Haug. Voatery niala tany Strasbourg izy, satria tsy navelan’ireo teolojianina tao naneho ny heviny. Lehilahy avara-pianarana sy manam-pahaizana momba ny teny i Haug. Nilaza tamin’ireo manam-pahaizana niaraka taminy tany Berleburg izy, fa naniry mafy “handika Baiboly araka ny marina tsara, hanitsy ny fandikan-tenin’i Luther, handika ara-bakiteny ny Tenin’Andriamanitra sy hanome ny tena dikany.” (Ny Tantaran’ny Baibolin’i Berleburg, alemà). Hamoaka Baiboly misy fanamarihana sy fanazavana fohy, ary ho mora azon’ny olon-tsotra no tanjona. Nangataka ny fiaraha-miasan’ny manam-pahaizana avy any amin’ny firenena eoropeanina hafa àry i Haug. Roapolo taona no nanatanterahany an’io tetikasa io, ary tamin’ny 1726 no nanomboka nivoaka ilay Baiboly. Fitambarana boky valo izy io, noho ireo fanamarihana ao anatiny.
Ahitana zavatra tena mahaliana ao. Izao, ohatra, no voalazan’ny Eksodosy 6:2, 3: “Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nilaza hoe: Izaho no TOMPO! Ary Andriamanitra mahery indrindra no nisehoako tamin’i Abrahama/ Isaka ary Jakoba: fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany ahy.” Hita ao amin’ny fanazavana fohy momba an’io andininy io, sy ny fanamarihana miaraka amin’ny Eksodosy 3:15 sy ny Eksodosy 34:6 ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.
Anisan’ireo Baiboly alemà mampiasa ny anaran’Andriamanitra izy io. Hita manerana ilay Baiboly sy ao amin’ireo fanamarihana fanampiny izany. Iray amin’ireo fandikan-teny maoderina manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra koa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.