Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny ho Sambatra ny Tokantranonao

Afaka ny ho Sambatra ny Tokantranonao

Afaka ny ho Sambatra ny Tokantranonao

“Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” —Kolosianina 3:14.

1, 2. a) Inona no zavatra mampahery hita eo anivon’ny fiangonana kristianina? b) Inona no atao hoe tokantrano sambatra?

DINIHO ange ny fiangonana kristianina e! Tsy mahafinaritra ve ny mahita mpivady maro mifampatoky efa hatramin’ny 10, 20, 30 taona, na maherin’izany mihitsy aza? Tsy nandao ny vadiny mihitsy izy ireo, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.—Genesisy 2:24.

2 Miaiky ny ankamaroan’izy ireo fa nisy olana ihany tao an-tokantranony. Nisy mpanolo-tsaina nilaza hoe: ‘Tsy hoe tsy manan-java-manahirana akory ny tokantrano sambatra. Mifamahofaho foana ny soa sy ny ratsy. Tsy misaraka anefa ireo mpivady ireo, na dia eo aza ny [korontana] ateraky ny fiainana ankehitriny.’ Sambatra ny mpivady, rehefa mianatra miatrika ireo olana sy fahasahiranana lehibe tsy azo anoarana vokatry ny adim-piainana, indrindra moa raha manan-janaka izy. Tsapan’izy ireny tokoa fa ‘tsy levona mandrakizay’ ny tena fitiavana.—1 Korintianina 13:8.

3. Inona no asehon’ireo antontan’isa momba ny fanambadiana sy ny fisarahana, ary inona no fanontaniana aterak’izany?

3 Tokantrano an-tapitrisany kosa anefa no rava. Hoy ny tatitra iray: ‘Araka ny tombantombana natao, dia ny antsasaky ny mpivady rehetra any Etazonia no hisaraka any aoriana any. Ny antsasak’ireo mpivady hisaraka ireo, dia hanao izany eo amin’ny fahafito taonan’ny fanambadiany. Ary raha jerena ny telo ampahefatry ny olona manambady fanindroany, dia hita fa mbola hisaraka ny antsasany mahery amin’izy ireo.’ Misy fiovana toy izany koa, na dia any amin’ny tany tsy nahitana fisaraham-panambadiana firy aza. Nitombo efa ho avo roa heny, ohatra, ny isan’ny fisaraham-panambadiana any Japon, tao anatin’ireo taona faramparany. Inona no olana sasany nahatonga izany, izay mety hitranga na dia eo anivon’ny fiangonana kristianina aza? Inona no ilaina mba hananana tokantrano sambatra, na dia miezaka hanimba azy io aza i Satana?

Fandrika tokony hialana

4. Inona avy no mety hanimba ny tokantrano?

4 Asehon’ny Tenin’Andriamanitra hoe inona no mety hanimba ny tokantrano. Diniho, ohatra, izao tenin’ny apostoly Paoly momba ny andro farany izao: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Ialao ny olona toy ireny.”—2 Timoty 3:1-5.

5. Nahoana no mety hanimba ny tokantranony ny olona raha “tia tena”, ary inona no torohevitry ny Baiboly momba izany?

5 Rehefa dinihintsika ireo tenin’i Paoly ireo, dia hita fa misy zavatra maro mety handrava ny tokantrano. Tsy mitady afa-tsy izay hahasoa azy, ary tsy mihevitra ny hafa, ohatra, ny olona “tia tena.” Ny vady tia tena, dia tsy manaiky raha tsy mahazo izay tadiaviny. Tsy mandefitra mihitsy izy. Hahasambatra ny tokantrano ve izany toetra izany? Azo antoka fa tsia. Izao no torohevitra feno fahendrena nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina, anisan’izany ny mpivady: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany, ary asio fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenanareo ihany.”—Filipianina 2:3, 4.

6. Nahoana ny fitiavam-bola no mety hanimba ny fifandraisan’ny mpivady?

6 Mety hampisaraka ny mpivady koa ny fitiavam-bola. Nampitandrina i Paoly hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” (1 Timoty 6:9, 10) Mampalahelo fa izany no hita ao amin’ny tokantrano maro. Betsaka no variana mikatsaka vola aman-karena, ka tsy miraharaha izay ilain’ny vadiny. Tsy maneho fitiavana amin’ny vadiny, ohatra, izy ireny, ary mahalana vao miaraka aminy.

7. Inona indraindray no fihetsika mitarika ny olona hanitsakitsa-bady?

7 Nilaza koa i Paoly fa ‘tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, ary tsy ho azo ifanarahana’, ny olona sasany amin’ny andro farany. Ny voadim-panambadiana dia fianianana mamatotra ny mpivady mandra-pahafatiny, ka tsy tokony hifamitaka izy ireo. (Malakia 2:14-16) Manjary miraiki-pitia amin’olon-kafa tsy vadiny anefa ny sasany. Izany no hitan’ny vehivavy iray 30 taona mahery. Talohan’ny nandaozan’ny vadiny azy, dia efa tsikariny fa nifankazatra be loatra sy naneho firaiketam-po be loatra tamin’ny vehivavy izy. Tsy tsapan’ilay vadiny fa fihetsika tsy tokony hataon’ny lehilahy manambady no nataony. Nalahelo mafy ilay vehivavy nahita izany, ary niezaka nampitandrina azy hoe mety hitera-doza ny fihetsiny. Nanitsakitsaka azy ihany anefa ilay vadiny. Efa nampitandremana tamin-katsaram-panahy izy nefa tsy niraharaha, ka voafandrika.—Ohabolana 6:27-29.

8. Inona no mety hahatonga ny olona hanitsakitsa-bady?

8 Mampitandrina antsika mazava tsara ny Baiboly mba tsy hanitsakitsa-bady! “Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; izay ta-hanimba tena no manao izany.” (Ohabolana 6:32) Tsy tongatonga ho azy na tampotampoka mazàna ny fanitsakitsaham-bady. Nilaza i Jakoba mpanoratra Baiboly, fa matetika ny olona no manao io fahotana io, rehefa avy nieritreritra momba izany sy nanolokolo izany faniriana izany. (Jakoba 1:14, 15) Mivadika tsikelikely amin’ny vadiny izy, na dia efa nanome toky azy aza fa tsy hivadika aminy mandra-pahafatiny. Hoy i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.”—Matio 5:27, 28.

9. Inona no torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Ohabolana 5:18-20?

9 Ilaina àry ny manaraka izao teny ao amin’ny Ohabolana izao, mba hanehoana fahendrena sy tsy fivadihana: “Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana làlandava amin’ny fitiavany hianao. Nahoana hianao, anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo ka hanohona ny tratran’ny vahiny janga?”—Ohabolana 5:18-20.

Aza maika hanambady

10. Nahoana no fahendrena ny maka fotoana hahafantarana tsara ilay olona kasainao halaina ho vady?

10 Mety hahita olana ao an-tokantranony ny olona maika hanambady. Mety ho tanora loatra sy mbola tsy vonona ho amin’izany mantsy izy ireo. Tsy maka fotoana hifankahalalana tsara koa angamba izy ireo, mba hahafantarana ny zavatra tian’ilay ho vadiny sy tsy tiany, ny tanjony eo amin’ny fiainana, ary ny mombamomba ny fianakaviany. Mila maharitra ianao, ka maka fotoana hahafantarana tsara ilay olona kasainao halaina ho vady. Tadidio i Jakoba, zanak’i Isaka. Tsy maintsy niasa fito taona ho an’ny rain’i Rahely izy, vao afaka nanambady an’i Rahely. Nanao izany anefa izy satria tena tia azy, fa tsy hoe ny bika aman’endriny fotsiny no nanintona azy.—Genesisy 29:20-30.

11. a) Inona matetika no hita eo amin’ny mpivady? b) Nahoana ny mpivady no mila mieritreritra tsara izay hoteneniny?

11 Tsy fiarahan’olon-droa mifankatia fotsiny akory ny fanambadiana. Mampiray olon-droa avy amin’ny fianakaviana samy hafa izy io. Samy manana ny toetrany sy ny fihetseham-pony izy ireo, ary matetika no tsy mitovy ny fanabeazana azony. Mety ho samy hafa koa ny kolontsainy, ary na dia ny fiteniny aza. Na tsy misy fahasamihafana toy izany aza eo amin’ny mpivady, dia tsy mitovy ny fomba fihevitr’izy ireo momba ny zavatra maro. Izany mihitsy no atao hoe fanambadiana. Mety ho mpanakiana sy be taraina ilay lehilahy na ilay vehivavy, na koa hahay hampahery amim-pitiavana. Mety handratra na hanasitrana tokoa ny tenintsika. Mety hampisy olana lehibe eo amin’ny mpivady ny teny tsy voahevitra.—Ohabolana 12:18; 15:1, 2; 16:24; 21:9; 31:26.

12, 13. Inona no tokony hotadidin’ny olona mikasa hanambady?

12 Noho izany, dia fahendrena ny maka fotoana hahafantarana tsara ilay olona kasainao halaina ho vady. Hoy ny anabavy iray efa manambady hatry ny ela: “Rehefa misy olona kasainao halaina ho vady, dia mieritrereta toetra folo tianao hananany. Raha ny fito amin’ireo ihany no hitanao ao aminy, dia manontania tena hoe: ‘Tsy mampaninona ahy ve raha tsy manana ireo toetra telo hafa izy? Afaka ny hiara-miaina aminy isan’andro ve aho, na dia tsy manana ireo toetra ireo aza izy?’ Raha misalasala ianao, dia mieritrereta tsara indray aloha.” Mila mijery ny zava-misy koa anefa ianao. Raha te hanambady ianao, dia tsarovy fa tsy hahita vady tonga lafatra mihitsy. Na ianao koa aza tsy ho vady tonga lafatra!—Lioka 6:41.

13 Mitaky fahafoizan-tena ny fanambadiana. Nanantitrantitra izany i Paoly, rehefa niteny hoe: ‘Iriko ianareo ho afaka amin’ny fanahiana. Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny an’ny Tompo, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny Tompo. Fa ny lehilahy manambady kosa manahy ny an’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny vadiny, ka voazarazara izy. Ankoatra izany, ny vehivavy tsy manambady sy ny virjiny dia manahy ny an’ny Tompo, mba ho masina ny tenany sy ny sainy. Ny vehivavy manambady kosa anefa manahy ny an’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny vadiny.’—1 Korintianina 7:32-34.

Nahoana ny mpivady sasany no misaraka?

14, 15. Inona avy no mety hanimba ny fifandraisan’ny mpivady?

14 Nijaly ny vehivavy kristianina iray, rehefa nisaraka taminy ny vadiny, izay lasa niaraka tamin’ny vehivavy hafa. Efa 12 taona anefa izy ireo no nivady. Nisy zavatra tsikariny ve talohan’ny nisarahan’izy ireo? Nanazava izy hoe: “Tsy nivavaka intsony izy. Zavatra tsy dia nanao ahoana loatra no nataony fialan-tsiny tsy handehanana hivory sy hitory. Nilaza koa izy fa tsy nanam-potoana hiarahana tamiko, satria be atao loatra na vizana loatra. Tsy niresaka tamiko izy, ary tsy niresaka zavatra ara-panahy tamiko intsony koa. Tena nalahelo aho. Hoatran’ny hoe olon-kafa mihitsy izy, fa tsy ilay lehilahy naka vady ahy.”

15 Nilaza toy izany koa ny olon-kafa nilaozan’ny vadiny. Tsikaritr’izy ireo fa nataon’ny vadiny tsirambina ny fianarana samirery ny Baiboly sy ny vavaka ary ny fivoriana kristianina. Midika izany fa efa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony, ny ankamaroan’ny olona nandao ny vadiny. Nanova ny fomba fijeriny izany, satria tsy nihevitra an’i Jehovah ho Andriamanitra tena misy intsony izy. Tsy nino intsony koa izy fa tena hisy ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Tao amin’ny tokantrano sasany, dia nitranga talohan’ny naharaiki-pitia azy tamin’olon-kafa izany rehetra izany.—Hebreo 10:38, 39; 11:6; 2 Petera 3:13, 14.

16. Inona no manamafy ny fatoram-panambadiana?

16 Nilaza kosa anefa ny mpivady iray tena sambatra, fa miara-manao zavatra ara-panahy foana izy ireo ka izany no mahasambatra azy. Miara-mivavaka sy miara-mianatra Baiboly izy ireo. Hoy ilay lehilahy: “Miara-mamaky Baiboly izahay, ary miara-manompo. Mahafinaritra anay ny manao zavatra miaraka.” Ianarantsika avy amin’izany àry, fa tena manamafy ny fatoram-panambadiana ny fifandraisana tsara hatrany amin’i Jehovah.

Jereo ny zava-misy ary mifampiresaha

17. a) Inona no zavatra roa ilaina, mba hahasambatra ny tokantrano? b) Inona no nolazain’i Paoly momba ny fitiavana?

17 Tokony hifankatia sy hifampiresaka ny mpivady, raha te hanana tokantrano sambatra. Matetika no tsy miraharaha ny kileman-toetran’ny olon-tiany ny olona raiki-pitia. Mety hanantena zavatra be loatra àry izy ireo rehefa mivady. Antenainy ho hita ao an-tokantranony angamba ny zavatra novakiny tao amin’ny tantaram-pitiavana na hitany tamin’ny filma. Tsy maintsy ho hitany ihany anefa ny tena zava-misy, rehefa ela ny ela. Mety ho lasa olana lehibe ny fahadisoana madinidinika sy ny fahazarana mahasorena sasany, amin’izay fotoana izay. Raha izany no mitranga, dia ilaina ny maneho ny vokatry ny fanahy, anisan’izany ny fitiavana. (Galatianina 5:22, 23) Tena mahery tokoa ny fitiavana. Nilaza i Paoly fa ny fitiavana dia ‘mahari-po, tsara fanahy, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, ary miaritra ny zava-drehetra.’ (1 Korintianina 13:4-7) Mazava araka izany, fa mandefitra ny kileman-toetran’ny hafa ny tena fitiavana. Mifanaraka amin’ny zava-misy izy io, ka tsy mitaky ny tonga lafatra.—Ohabolana 10:12.

18. Nahoana ny fifampiresahana no manamafy ny fifandraisan’ny mpivady?

18 Tena ilaina koa ny fifampiresahana. Tokony hifampiresaka ny mpivady, ary samy hihaino tsara izay lazain’ny anankiray, na firy taona na firy taona naha mpivady azy. Hoy ny lehilahy iray: “Tsy misalasala mifamboraka ny ao am-ponay izahay mivady, nefa ataonay amin-katsaram-panahy izany.” Rehefa miara-miaina elaela ny mpivady, dia lasa mahatakatra tsara izay lazain’ny andaniny avy, ary na dia izay tsy lazainy koa aza. Midika izany fa lasa mahafantatra ny eritreritry ny vadiny sy ny fihetseham-pony izy rehefa mandeha ny fotoana, na dia tsy lazain’ilay vadiny aza izany. Misy vehivavy milaza anefa fa tsy tena mihaino azy ny vadiny. Misy indray lehilahy mitaraina fa amin’ny fotoana tsy mety aminy vao te hiresaka ny vadiny. Tafiditra amin’ny fifampiresahana koa ny fahaizana mangoraka sy mahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa. Mahasoa ny mpivady ny fifampiresahana tsara.—Jakoba 1:19.

19. a) Nahoana no mety ho sarotra ny miala tsiny? b) Inona no hanosika antsika hiala tsiny?

19 Tafiditra amin’ny fifampiresahana koa indraindray ny fialan-tsiny, ary mety ho sarotra izany. Mila manetry tena isika, mba hahafahantsika hiaiky ny fahadisoantsika. Tena hanamafy ny fatoram-panambadiana anefa izany! Rehefa miala tsiny avy amin’ny fony ny mpivady, dia mety hisoroka fifandirana, hifamela heloka tanteraka, ary hahita vahaolana amin’ilay zava-manahirana azy. Hoy i Paoly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—Kolosianina 3:13, 14.

20. Ahoana no tokony hifampitondran’ny mpivady, rehefa izy roa irery sy rehefa miaraka amin’ny olona?

20 Tena ilaina koa ny mifanohana. Tokony hifampatoky ny mpivady kristianina, ary hiantehitra amin’ny andaniny avy. Tsy tokony hanambany azy izy, na hanao zavatra hafa hahatonga azy tsy hatoky tena. Tokony hidera ny vadiny amim-pitiavana izy, fa tsy hanakiana mafy azy. (Ohabolana 31:28b) Tsy manao vazivazy ratsy manambany sy tsy maneho fiheverana ny vadiny mihitsy koa izy. (Kolosianina 4:6) Vao mainka mifanohana ny mpivady, rehefa mifaneho fitiavana matetika. Ny fihetsika maneho fitiavana sy ny teny mamy, ohatra, dia toy ny milaza hoe: “Mbola tia anao aho, ary faly aho fa eto anilako ianao.” Mety hisy akony eo amin’ny fifandraisan’ny mpivady ireo lafin-javatra sasany ireo, ary hanampy azy hanana tokantrano sambatra. Mbola misy toro lalana hafa mahasambatra ny tokantrano ao amin’ny Soratra Masina, ary hamelabelatra izany ny lahatsoratra manaraka. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Raha mila fanazavana bebe kokoa momba izany ianao, dia jereo ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona avy no mety hanimba ny tokantrano?

• Nahoana no tsy fahendrena ny maika hanambady?

• Nahoana no lazaina fa misy vokany eo amin’ny fanambadiana ny fanaovan-javatra ara-panahy?

• Inona avy no ilaina mba hampaharitra ny fanambadiana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Tsy fiarahan’olon-droa mifankatia fotsiny akory ny fanambadiana

[Sary, pejy 14]

Ho sambatra ny mpivady, raha mifandray tsara amin’i Jehovah