Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifamaliana—Nahoana Izany no Mandratra?

Fifamaliana—Nahoana Izany no Mandratra?

Fifamaliana​—Nahoana Izany no Mandratra?

“Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo?”—JAKOBA 4:1.

TSY ny miaramila romanina niady tamin’ny androny no nanontanian’i Jakoba, mpanoratra Baiboly, teo. Tsy nanadihady ny anton’ny ady anaty akata nataon’ireo Jiosy nantsoina hoe Mpitan-tsabatra tamin’ny taonjato voalohany koa izy. Niresaka momba ny fifandiran’olon-droa kosa izy teo. Nahoana? Satria mampidi-doza toy ny ady ny fifandirana. Manamarina izany ireto fitantarana ao amin’ny Baiboly ireto.

Nankahala an’i Josefa rahalahiny ny zanakalahin’i Jakoba, ka nivarotra azy ho andevo. (Genesisy 37:4-28) Nanandrana namono an’i Davida i Saoly, mpanjakan’ny Israely. Nahoana? Satria nialona an’i Davida izy. (1 Samoela 18:7-11; 23:14, 15) Nampikorontana ny fiangonana manontolo koa i Eodia sy Syntyke, vehivavy kristianina tamin’ny taonjato voalohany, noho ny tsy fifankahazoan’izy ireo.—Filipianina 4:2.

Tatỳ aoriana kokoa, dia nifanandrina tamin’ny sabatra na basipoleta ny olona, mba handaminana tsy fifanarahana. Maty mihitsy ny iray tamin’izy ireo matetika, na lasa kilemaina. Teny masiaka sy mandratra mazàna no ataon’ny olona fitaovam-piadiana ankehitriny, rehefa mifandrafy izy. Marina fa tsy misy ra latsaka amin’izany, nefa miteraka ratram-po sy manaratsy laza. Mijaly noho ireny “ady” ireny koa matetika ny tsy manan-tsiny.

Intỳ nisy zava-nitranga taona maromaro lasa izay. Nisy pretra anglikanina niampanga pretra iray hafa ho tsy nahay nitantana ny volan’ny fiangonana. Lasa fantatry ny mpiangona ilay fifamaliana, ka nizarazara izy ireo. Nisy tsy nety nanatrika fotoam-pivavahana, raha vao ilay pretra notoherin’izy ireo no nitarika izany. Nifanamavo tanteraka ireo mpiangona, ka nifampianjonanjona rehefa tao am-piangonana. Vao mainka koa rafitra ny ady, rehefa nisy nilaza fa naloto fitondran-tena ilay pretra niampanga ilay iray hafa.

Nampieritreritra an’ireo pretra ireo ny Arsevekan’i Cantorbéry, ary nilaza fa nitatra toy ny “kansera” ny adin’izy roa lahy, sady “nanala baraka ny anaran’ny Tompontsika.” Nanaiky tsy hanao ny asany intsony àry ilay pretra iray tamin’ny 1997. Ilay iray kosa nijanona tamin’ny toerany, mandra-pahatongan’ny fotoana tsy maintsy nandehanany nisotro ronono. Tsy nety niala anefa izy, raha tsy feno 70 taona katroka, ny 7 Aogositra 2001. Nilaza ny Gazetin’ny Eglizin’i Angletera (anglisy), fa ny andro fankalazana ny “Masindahy” Victricius izy no nandeha nisotro ronono. Iza io “Masindahy” io? Eveka tamin’ny taonjato fahefatra izy io, ary nokaravasina, hono, satria tsy nety nanao miaramila. Nasongadin’ilay gazety fa tena tsy nitovy tamin’ilay pretra io eveka io. Hoy ilay gazety: “Tsy mba nanda tsy hiady [ilay pretra].”

Tsy ho nahita fahavoazana toy izany ireo pretra ireo sy ny olon-kafa, raha nanaraka ny torohevitra ao amin’ny Romanina 12:17, 18 manao hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Manomeza izay tsara eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”

Ary ianao? Inona no hataonao raha misy manafintohina anao? Hifamaly aminy ve ianao, satria sosotra? Sa aleonao tsy manao teny maharary, ary mivonona hihavana aminy raha toa ka manatona anao izy? Ary raha ianao indray no nanafintohina olona, moa ve ianao handosidositra azy, ka hanantena fa hohadinoiny ilay zava-nitranga rehefa mandeha ny fotoana? Sa ianao vonona hiala tsiny? Ho sambatra kokoa ianao raha miezaka hihavana amin’ny olona. Marina foana izany, na ianao no mila mifona, na ianao no mila mamela heloka. Afaka manampy antsika handamina tsy fifanarahana maharitra mihitsy aza ny torohevitry ny Baiboly, araka ny hita ao amin’ny lahatsoratra manaraka.