Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Rota

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Rota

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Rota

MANOHINA ny fo ny tantaran’ireo vehivavy roa nifaneho tsy fivadihana, voarakitra ao amin’io boky io. Hita ao koa ny fanajana fatratra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fatokisana ny fandaharany. Asongadina ao fa tena mahaliana an’i Jehovah ny tantaram-pirazanan’ny Mesia. Manohina ny fo ny fitantarana ny fifaliana sy ny alahelon’ny fianakaviana iray. Izany rehetra izany no ao amin’ny bokin’ny Rota, sady misy zavatra hafa koa.

Mahafaoka fe-potoana naharitra 11 taona ny bokin’ny Rota, “tamin’ny andro nitsaran’ny mpitsara” tany Israely. (Rota 1:1) Iray amin’ireo olona resahina ao i Boaza tompon-tany, zanak’i Rahaba izay niaina tamin’ny andron’i Josoa. Azo antoka àry fa tany am-piandohan’ny fotoana nisian’ny Mpitsara no nitrangan’ilay tantara. (Josoa 2:1, 2; Rota 2:1; Matio 1:5) Tamin’ny 1090 T.K. angamba no nanoratan’i Samoela mpaminany an’io fitantarana io. Izy io no hany boky ao amin’ny Baiboly mitondra anaram-behivavy tsy Israelita. “Velona sy mahery” ny hafatra ao anatin’izy io.—Hebreo 4:12.

“IZAY ALEHANAO NO HALEHAKO”

(Rota 1:1–2:23)

I Naomy sy Rota no nifantohan’ny sain’ny olona, rehefa tonga tany Betlehema izy ireo. Niresaka an’ilay be taona kokoa ny vehivavy tao an-tanàna, ka tsy nitsahatra nanontany hoe: “Naomy va re ity?” Hoy kosa i Naomy: “Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon’ny Tsitoha amiko. Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’i Jehovah tsy manana na inona na inona.”—Rota 1:19-21.

Nifindra avy tany Betlehema nankany Moaba ny fianakavian’i Naomy, rehefa nisy mosary tany Israely. “Nanam-be” izy tamin’izay, izany hoe nanana vady sy zanakalahy roa. Maty anefa i Elimeleka vadiny, raha vao nipetraka kelikely tany Moaba izy ireo. Nanambady an’i Orpa sy Rota vehivavy moabita, ireo zanany lahy, tatỳ aoriana. Folo taona teo ho eo taorian’izay, dia maty tsy niteraka ireo zanany, ka izy telo vavy sisa tavela. Nanapa-kevitra ny hiverina tany Joda i Naomy, ary nandeha niaraka taminy ireo vinantony lasa mpitondratena. Teny an-dalana dia nampirisihin’i Naomy hiverina tany Moaba ireo vinantony, ary hitady vady eo amin’ny iray firenena aminy. Nanaiky i Orpa. Nifikitra tamin’i Naomy kosa i Rota, ary niteny hoe: “Izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”—Rota 1:16.

Tonga tany Betlehema i Naomy sy Rota, izay samy mpitondratena, teo am-piandohan’ny fijinjana. Nahay nanararaotra ilay fandaharana tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra i Rota, ka nanomboka nitsimpona salohim-bary teo amin’ny sahan’i Boaza, Jiosy be taona, havan’i Elimeleka. Nahafinaritra an’i Boaza i Rota, ka navelany hanohy hitsimpona salohim-bary teo amin’ny sahany, “mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika.”—Rota 2:23.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:8—Nahoana no nasain’i Naomy nody ‘tany amin’ny tranon-dreniny avy’ ireo vinantovaviny, fa tsy tany amin’ny tranon-drainy? Tsy voalaza raha mbola velona na tsia ny rain’i Orpa, tamin’izany fotoana izany. Mbola velona kosa ny an’i Rota. (Rota 2:11) Niresaka momba ny tranon-dreniny anefa i Naomy. Nihevitra angamba izy fa hampahatsiahy azy ireo ny tambitamby sy ny fitiavan’ny reny, ny firesahany momba ny renin’izy ireo. Tena hampionona azy ireo izany, satria nalahelo be noho ny fisarahany tamin’ny rafozam-baviny izy ireo. Hita avy amin’ireo teny ireo koa, fa nanana trano tsara ny renin’i Rota sy Orpa. Tsy toy izany kosa i Naomy.

1:13, 21—I Jehovah ve no nampahory an’i Naomy, ka nahatonga ny fiainany hangidy taminy? Tsia, ary tsy niampanga an’Andriamanitra ho nanao zava-dratsy mihitsy i Naomy. Noheveriny ho nanohitra azy kosa i Jehovah, noho izay nitranga taminy. Tena diso fanantenana izy. Noheverina ho fitahiana avy amin’Andriamanitra koa ny zanaka tamin’izany fotoana izany, ary toy ny voaozona izay tsy miteraka. Tsy nanan-jafikely i Naomy, sady maty ny zanany lahy roa. Nety ho nieritreritra àry izy, fa rariny raha mihevitra an’i Jehovah ho nampietry azy izy.

2:12—Inona no “valim-pitia lehibe” azon’i Rota avy tamin’i Jehovah? Niteraka zazalahy izy ary nahazo voninahitra, satria lasa anisan’ny razamben’i Jesosy Kristy.—Rota 4:13-17; Matio 1:5, 16.

Lesona ho antsika:

1:8; 2:20. Natoky foana ny fitiavana sy hatsaram-panahin’i Jehovah i Naomy, na teo aza ireo loza nanjo azy. Tokony hanao toy izany koa isika, indrindra rehefa tojo fitsapana mafy.

1:9. Tsy tokony ho toerana fisakafoana sy fatorian’ny mpianakavy fotsiny ny trano. Tokony ho toeram-pialan-tsasatra milamina sy ahitana fiononana kosa izy io.

1:14-16. ‘Nody tany amin’ny fireneny sy ny andriamaniny’ i Orpa. Tsy nanao toy izany kosa i Rota. Nandao ny tanindrazany niadana sy nilamina izy, ary tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tsy ho lasa tia tena isika, sady tsy ‘hihemotra ho amin’ny fandringanana’, raha tsy miovaova ny fitiavantsika an’Andriamanitra sady mahafoy tena isika.—Hebreo 10:39.

2:2. Afaka nitsimpona salohim-bary teny an-tsaha ny vahiny sy ny mahantra, ary naniry handray soa tamin’izany fandaharana izany i Rota. Tena nanetry tena izy. Tsy tokony ho be hambom-po ny Kristianina mahantra, ka tsy hanaiky ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ny mpiray finoana aminy, na avy amin’ny fitondram-panjakana, raha mahafeno fepetra hahazo izany izy.

2:7. Nangata-dalana i Rota talohan’ny nitsimponany salohim-bary, na dia nanan-jo hanao izany aza. (Levitikosy 19:9, 10) Hita amin’izany fa nahay nandefitra izy. Tokony ‘hitady ny fandeferana’ isika, satria ny ‘mpandefitra no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.’—Zefania 2:3; Salamo 37:11.

2:11. Tsy havana fotsiny i Rota tamin’i Naomy, fa tena namana. (Ohabolana 17:17) Mafy orina ny fisakaizan’izy ireo, satria nifototra tamin’ny toetra toy ny fitiavana, tsy fivadihana, fahaiza-miara-miory, hatsaram-panahy, ary fahafoizan-tena. Mbola zava-dehibe kokoa aza, fa naniry hanompo an’i Jehovah sy ho anisan’ny mpivavaka aminy izy ireo. Azontsika atao koa ny minamana tsara amin’ireo mpivavaka marina.

2:15-17. Nazoto niasa i Rota, ka “nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ny andro”, na dia nataon’i Boaza aza izay hahamaivana ny asany. Tokony halaza ho mpiasa mazoto koa ny Kristianina.

2:19-22. Nanao resaka nahafinaritra i Naomy sy Rota nandritra ny takariva. Liana tamin’ny asan’i Rota izay zandriny kokoa, i Naomy, ary afaka nilaza tsara ny eritreriny sy ny fihetseham-pony ny andaniny sy ny ankilany. Tokony ho toy izany ny eo anivon’ny fianakaviana kristianina.

2:22, 23. Nifidy ny hifanerasera tamin’ny mpivavaka amin’i Jehovah i Rota, fa tsy toa an’i Dina zanakavavin’i Jakoba. Ohatra tsara ho antsika tokoa izany!—Genesisy 34:1, 2; 1 Korintianina 15:33.

LASA “NANAM-BE” I NAOMY

(Rota 3:1–4:22)

Antitra loatra i Naomy, ka tsy afaka niteraka intsony. Nasainy nisolo toerana azy àry i Rota, mba hanambady ny havana mahavotra iray, sy hiteraka avy aminy. Nanaraka ny toromarik’i Naomy i Rota, ary nangataka an’i Boaza mba hitondra loloha azy. Nanaiky i Boaza, kanefa mbola nisy havana akaiky kokoa tokony ho niresahana aloha.

Tsy nangataka andro i Boaza, fa nandamina avy hatrany an’ilay raharaha. Ny ampitson’io ihany, dia namory anti-panahy folo tao Betlehema izy. Teo anatrehan’izy ireo no nanontaniany ilay havana akaiky, raha vonona ny hitondra loloha izy. Tsy nanaiky hanao izany ilay lehilahy. Nanambady an-dRota àry i Boaza, ka nitondra loloha azy, ary niteraka an’i Obeda, raiben’i Davida Mpanjaka izy ireo. Hoy ireo vehivavy tao Betlehema tamin’i Naomy: “Isaorana anie Jehovah ... Hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra hianao; fa niteraka azy ny vinantonao-vavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.” (Rota 4:14, 15) ‘Tsy nanana na inona na inona’ ilay vehivavy rehefa nody tao Betlehema. Lasa “nanam-be” indray anefa izy izao!—Rota 1:21.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:11—Nahoana i Rota no nalaza ho “vehivavy tsara”? Tsy ny “firandranam-bolo” na ny “fanaovana firava-bolamena na akanjo ivelany” no nanosika ny olona hidera azy, fa noho ‘ilay toetra miafina tao am-pony.’ Teo koa ny tsy fivadihany sy ny fitiavany. Nanetry tena sy nandefitra izy, ary nazoto niasa sady nahafoy tena. Tsy maintsy miezaka hanana ireo toetra ireo ny vehivavy matahotra an’Andriamanitra, raha maniry hanana laza toy ny an’i Rota.—1 Petera 3:3, 4; Ohabolana 31:28-31.

3:14—Nahoana i Rota sy Boaza no nifoha, raha mbola maizimaizina ny andro? Tsy hoe nanao firaisana maloto akory izy ireo nandritra ny alina, ka te hanafina izany. Toa fanaon’ny vehivavy rehefa hangataka ny zony momba ny fitondrana loloha, ny zavatra nataon’i Rota tamin’iny alina iny. Nanaraka ny toromarik’i Naomy izy, ary hita mazava tsara tamin’ny valin-tenin’i Boaza, fa tsy nisy zava-dratsy nataony tamin’izay. (Rota 3:2-13) Azo inoana àry fa nifoha vao maraina izy ireo, mba tsy hahatonga ny olona hanely tsaho.

3:15—Nahoana no nety tsara ny nanomezan’i Boaza an’i Rota vary hordea inenin’ny famarana? Mety ho nidika izany fa nanakaiky ny andro fitsaharan’i Rota, toy ny hisian’ny andro itsaharana aorian’ny enina andro iasana. Nataon’i Boaza mantsy izay hahitan’i Rota “fiadanana” tao an-tranon’ny vadiny. (Rota 1:9; 3:1) Mety hidika koa izany hoe inenin’ny famarana ihany no azon’i Rota nololohavina.

3:16—Nahoana i Naomy, araka ny teny hebreo tany am-boalohany, no nanontany an’i Rota hoe: “Iza moa ianao, anaka?” Tsy nahafantatra ilay vinantovaviny ve izy? Mety ho marina izany, satria nety ho mbola maizina ny andro tamin’i Rota niverina tany amin’i Naomy. Mety hidika koa anefa io fanontaniana io, fa nanontany izy raha efa voavotra i Rota.

4:6—Ahoana no mety ‘hahasimba’ ny lovan’ilay havana mahavotra, raha nitondra loloha izy? Tsy maintsy nividy ny tanin’ilay nahantra aloha izy, raha namidin’io olona io ny taniny. Faritana araka ny isan’ny taona tavela mandra-pahatongan’ny Jobily anefa, ny vidiny hividianany azy. (Levitikosy 25:25-27) Hihena be ny fananany, noho izany. Ilay zazalahy haterak’i Rota koa no handova ilay tany vao avy novidina, fa tsy ny iray amin’ireo havan’ilay nanavotra.

Lesona ho antsika:

3:12; 4:1-6. Nanaraka tsara ny fandaharan’i Jehovah i Boaza. Miezaka mafy hanaraka ny fomba fiasa tarihin’Andriamanitra ve isika?—1 Korintianina 14:40.

3:18. Natoky an’i Boaza i Naomy. Tsy tokony hatoky an’ireo mpiray finoana amintsika mahatoky koa ve isika? Tsy fantatr’i Rota akory hoe iza ilay hanavotra azy, ary tsy lazain’ny Baiboly koa ny anaran’ilay olona. Nivonona hanambady azy anefa izy. (Rota 4:1) Nahoana? Satria natoky ny fandaharan’Andriamanitra izy. Matoky azy io koa ve isika? Rehefa mitady vady isika, ohatra, arahintsika ve ilay torohevitra mba hanambadiana “ao amin’ny Tompo ihany”?—1 Korintianina 7:39.

4:13-16. Nahazo tombontsoa lehibe i Rota, na dia Moabita sy mpivavaka tamin’ilay andriamanitra atao hoe Kemosy aza izy taloha! Hita amin’izany fa marina ilay toro lalana hoe: “Tsy miankina amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka ... izany, fa miankina kosa amin’Andriamanitra izay mamindra fo.”—Romanina 9:16.

‘Hanandratra anao Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony’

Asehon’ny bokin’ny Rota fa Andriamanitra tia sy tsara fanahy i Jehovah, ka mitady izay hahasoa ny mpanompony mahatoky. (2 Tantara 16:9) Rehefa mieritreritra ny fomba nitahiana an’i Rota isika, dia takatsika fa tena zava-dehibe ny hatokisana an’Andriamanitra, sy hananana finoana matanjaka, ary hinoana mafy fa “misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.”—Hebreo 11:6.

Natoky tanteraka ny fandaharan’i Jehovah i Rota sy Naomy ary Boaza, ka nandray soa avy tamin’izany. Toy izany koa fa “ataon’Andriamanitra izay hahatonga ny asany rehetra hiara-miasa mba hahasoa an’ireo tia azy, dia ireo voantso araka ny fikasany.” (Romanina 8:28) Aoka àry isika hampihatra ny torohevitry ny apostoly Petera hoe: “Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony, ary apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.”—1 Petera 5:6, 7.

[Sary, pejy 26]

Fantatrao ve hoe nahoana i Rota no tsy nandao an’i Naomy?

[Sary, pejy 27]

Nahoana i Rota no nalaza ho “vehivavy tsara”?

[Sary, pejy 28]

Inona ilay “valim-pitia lehibe” azon’i Rota avy tamin’i Jehovah?