Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ny Mihavana

Mahasoa ny Mihavana

Mahasoa ny Mihavana

EFA ho faty i Ed tamin’izay. Nankahala azy i Bill, na dia mpinamana be aza izy ireo taloha. Nanjary tsy an’asa mantsy i Bill, 20 taona lasa izay, noho ny fanapahan-kevitra noraisin’i Ed. Rava tanteraka ny fisakaizan’izy ireo. Nanandrana niala tsiny tamin’i Bill i Ed, mba ho faty amim-piadanana. Tsy nety nihaino azy anefa i Bill.

Nanazava ny antony tsy namelany an’i Ed i Bill, taloha kelin’ny nahafatesany, efa ho 30 taona tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tsy tokony ho nanao izany tamiko mihitsy i Ed, satria mpinamana be izahay. Tsy te hihavana taminy tsotra izao aho, na dia roapolo taona tatỳ aoriana aza. ... Izay aloha no tsapako tamin’izay, na dia mety ho diso aza aho.” *

Tsy ratsy fiafara toy izany foana ny tsy fifanarahan’ny olona, nefa matetika no miteraka ratram-po sy fifankahalana. Eritrereto ny tsapan’ny olona toa an’i Ed. Mety hanenjika azy foana ny eritreriny, noho ny fahavoazana nentin’ny fanapahan-keviny. Tsapany koa angamba fa misy banga eo amin’ny fiainany, satria very namana izy. Marary anefa ny fony, isaky ny mieritreritra fa natao tsinontsinona toy ny fako ny fisakaizan’izy ireo.

Ny olona toa an’i Bill indray, dia mieritreritra fa nohararaotin’ny namany ny fahatsorany, ka lasa feno fankahalana sy lolompo izy. Mino izy fa fanahy inian’ilay namany taloha ny nampidi-kizo azy. Matetika no samy mihevi-tena ho manana ny rariny ny olona tsy mifanaraka, ary mieritreritra fa ilay iray no tena diso. Izany no mampiady ny mpinamana.

Tsy andrenesana feo anefa ny adin’izy ireo. Mihodina ny iray rehefa mandalo ny ankilany, ary toy ny tsy mifankahalala izy ireo rehefa miaraka amin’ny olona maromaro. Mifangala-pijery na mifampivandravandra koa izy ireo. Ary rehefa mba mifampiresaka izy, dia teny manindrona na mandratra toy ny antsy no ataony.

Azo inoana anefa fa misy zavatra iombonany ihany, na dia toa tsy mifanaraka mihitsy aza izy ireo. Miaiky izy ireo fa manana olana lehibe, ary mampalahelo izany hoe very namana izany. Samy mahatsiaro ho mijaly izy ireo, satria mihalalina ny ratram-pony, ary fantany fa misy zavatra tokony hatao mba hampitonena azy io. Iza anefa no hanao ny dingana voalohany mba hamitranam-pihavanana? Tsy misy vonona ho amin’izany izy ireo.

Nifanditra mafy ny apostolin’i Jesosy Kristy indraindray, roa arivo taona lasa izay. (Marka 10:35-41; Lioka 9:46; 22:24) Rehefa avy nifamaly be izy ireo indray mandeha, dia nanontanian’i Jesosy hoe: “Inona no nifandiranareo teny an-dalana?” Tsy nisy namaly izy rehetra, fa menatra. (Marka 9:33, 34) Nanampy azy ireo hifankahazo tsara indray anefa ny fampianaran’i Jesosy. Hatramin’izao dia mbola manampy ny olona handamina tsy fifanarahana sy hinamana indray, ny torohevitr’i Jesosy sy ny mpianany sasany. Andeha hodinihintsika izany.

Miezaha hihavana

“Tsy te hiresaka amin’iny olona iny intsony aho, sady tsy te hahita azy intsony.” Asehon’ireto andinin-teny ireto, fa mila manao zavatra ianao, raha efa nahateny toy izany.

Nampianatra i Jesosy hoe: “Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara àry ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao. Ary mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao.” (Matio 5:23, 24) Hoy koa izy: “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ary rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany.” (Matio 18:15) Na ianao no nanafintohina ilay olona, na izy no nanafintohina anao, dia asongadin’ireo tenin’i Jesosy ireo fa ianao no mila miresaka haingana aminy. Tokony hataonao “amim-pahalemem-panahy” izany. (Galatianina 6:1) Ny hihavana aminy no tanjonao amin’izay, fa tsy ny hanamarin-tena mba hiarovana ny lazanao, na ny hanery azy hiala tsiny. Mandaitra ve izany torohevitry ny Baiboly izany?

Tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa lehibe iray i Hery. * Noho ny asany, dia tsy maintsy nandamina olana sasany niaraka tamin’ny karazan’olona be dia be izy, nandritra ny taona maro. Tsy maintsy niezaka nifandray tsara tamin’izy ireo koa izy. Voamariny fa zavatra kely fotsiny dia mety hahatonga tsy fifanarahana. Hoy izy: “Tsy nifankahazo tamin’ny olona aho indraindray. Rehefa nitranga anefa izany, dia nipetraka niara-nidinika an’ilay izy taminy aho. Manatòna an’ilay olona, ary ataovy izay hihavanana aminy. Milamina foana ilay izy, rehefa izay no atao.”

Mana-namana samy hafa kolontsaina i Alicia. Hoy izy: “Efa mahateny zavatra aho indraindray, vao tonga saina hoe mety ho nanafintohina an’ilay olona ny teniko. Manatona azy àry aho, ary miala tsiny. Miala tsiny imbetsaka noho ny tokony ho izy angamba aho indraindray. Milamin-tsaina kokoa mantsy aho rehefa avy miala tsiny, na dia tsy tafintohina aza ilay olona. Fantatro amin’izay fa tsy misy tsy fifankahazoan-kevitra eo aminay.”

Sakana tokony horesena

Misy sakana tsy maintsy resena matetika, rehefa mamitram-pihavanana. Efa nisy fotoana ve nieritreretanao hoe: “Fa nahoana no izaho no tsy maintsy manao ny dingana voalohany? Izy ange no diso e!” Mety ho niteny toy izao koa ilay olona, rehefa nanatona azy ianao mba hihavana aminy: “Tsy manan-kambara aho.” Misy olona mamaly toy izany, noho ny ratram-pony. Hoy ny Ohabolana 18:19: “Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny mahafaka vohitra mafy, ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka.” Eritrereto àry izay tsapan’ilay olona. Omeo fotoana kely aloha izy raha mbola tsy te hiresaka aminao, ary manandrama miresaka aminy indray avy eo. Mety hisokatra ilay “vohitra mafy” aorian’izay, ary hiala ilay ‘hidy’ misakana ny fihavanana.

Mety hisakana ny olona tsy hihavana amin’ny hafa koa, ny tahotra sao tsy hasian’ny olona vidiny. Misy mantsy mihevitra fa manala baraka ny miala tsiny na ny miresaka amin’ny fahavalo. Ilaina tokoa ny mahatsiaro tena ho misy vidiny. Kanefa, hisy vidiny kokoa eo anatrehan’ny hafa ve ianao raha tsy manaiky hihavana aminy, sa lasa tsy hisy vidiny kosa? Sao dia mba hambom-po kosa izany, raha ny marina?

Nasehon’i Jakoba, mpanoratra Baiboly, fa misy ifandraisana ny hambom-po sy ny fitia te hifanditra. Rehefa avy niresaka ny “ady” sy ny “fifandirana” misy eo amin’ny Kristianina izy, dia niteny hoe: “Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny manetry tena kosa.” (Jakoba 4:1-3, 6) Nahoana no misakana ny olona tsy hihavana ny avonavona, na ny hambom-po?

Mamitaka ny hambom-po, satria mahatonga ny olona hihevitra fa tsara kokoa noho ny hafa izy. Mihevitra ny olona miavonavona fa zony ny mitsara ny hafa ho tsara na ratsy. Ahoana moa izany? Rehefa misy tsy fifanarahana, dia matetika izy no mihevitra fa tsy afaka hihatsara intsony ilay olona mifanditra aminy. Ny avonavona no mahatonga ny sasany hieritreritra fa tsy mendrika ny hanehoana fiheverana ny olona tsy mitovy hevitra aminy, ka tsy mendrika ny hialana tsiny avy amin’ny fo. Matetika àry ny olona miavonavona no tsy mandamina ilay olana, fa mamela izany hitohy foana.

Toy ny fefy misakan-dalana ny avonavona. Misakana ny olona tsy hihavana amin’ny hafa izy io. Raha sarotra aminao àry ny mihavana amin’ny olona, dia mety ho ny avonavona no fototr’izany. Ahoana no andresena azy io? Miezaha hanana ilay toetra mifanohitra aminy, dia ny fanetren-tena.

Manetre tena

Asehon’ny Baiboly fa tena ilaina ny manetry tena. “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” (Ohabolana 22:4) Miresaka ny fiheveran’Andriamanitra ny olona miavonavona sy ny manetry tena ny Salamo 138:6. Izao no voalaza ao: “Na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra, ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.”

Mampifangaro ny fanetren-tena sy ny fampietrena ny olona maro, anisan’izany ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity. Manaiky ny sitrapony ny firenena manontolo, nefa izy kosa tsy mba manetry tena ka miaiky ny fahadisoany. Mivoaka an-gazety mihitsy ny mpitondra, rehefa miteny hoe: “Miala tsiny aho.” Natao matoan-dahatsoratra tao amin’ny gazety, ohatra, ny tenin’ny manam-pahefana iray niala tsiny, noho izy tsy nahavita nisakana loza nahafaty olona.

Izao no amaritan’ny Rakibolana malagasy ny hoe manetry tena: “Tsy tia manambony tena, manambany tena.” Araka izany, dia ny fiheveran’ny olona ny tenany no tafiditra amin’ny hoe fanetren-tena, fa tsy ny fiheveran’ny hafa azy. Tsy mampietry mihitsy ny miaiky fahadisoana sy mangata-pamelana, fa vao mainka aza manatsara laza. Hoy ny Baiboly: “Ny fireharehan’ny fon’ny olona mialoha ny fahasimbana; fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.”—Ohabolana 18:12.

Izao no nolazain’ny olona iray momba ireo mpanao politika, izay tsy mba miala tsiny mihitsy noho ny diso nataony: ‘Mampalahelo fa mihevitra izy ireo hoe fahalemena ny manao izany. Ny olona malemy sy tsy matoky tena anefa no mahalana vao miala tsiny. Ny olona tsara fanahy sy be herim-po kosa tsy mihevi-tena ho afa-baraka, rehefa milaza hoe: “Diso aho.” ’ Marina izany, na dia tsy mpanao politika aza ny olona iray. Antenaina fa hihavana amin’ny olona tsy ifankahazoanao ianao, raha miezaka hanetry tena fa tsy hiavonavona intsony. Izany no tsapan’ity fianakaviana ity. 

Lasa niady i Julie sy William anadahiny, noho ny tsy fifankahazoan-kevitra. Tezitra be tamin’i Julie sy Joseph vadiny i William, ka tsy nifandray tamin’izy ireo intsony. Naveriny tamin’izy mivady mihitsy aza ny fanomezana rehetra azony avy tamin’izy ireo. Lasa nifankahala izy mianadahy rehefa nandeha ny fotoana, na dia nifankatia erỳ aza taloha.

Nanapa-kevitra ny hanaraka izay voalazan’ny Matio 5:23, 24 anefa i Joseph. Nanandrana niresaka tamim-pahalemem-panahy tamin’ny zaodahiny izy. Nandefa taratasy fialan-tsiny ho azy koa izy, ary nampirisika ny vadiny hamela ny heloky ny anadahiny. Tsikaritr’i William ihany tamin’ny farany, fa tena naniry hihavana taminy tokoa i Julie sy Joseph, hany ka nihanilefitra izy. Nihaona tamin’i William mivady i Julie sy Joseph. Samy niala tsiny daholo izy rehetra, nifamihina, ary nifankatia indray.

Raha maniry mafy hamitram-pihavanana amin’ny olona iray tsy nifankahazo taminao ianao, dia ampiharo foana ny torohevitry ny Baiboly ary miezaha hihavana aminy. Hanampy anao i Jehovah Andriamanitra. Ho tanteraka aminao ireto teniny tamin’ny Israelita fahiny ireto: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao.”—Isaia 48:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nalaina avy tamin’ny boky nosoratan’i Stanley Cloud sy Lynne Olson.

^ feh. 12 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 7]

Matetika no mihavana indray ny olona rehefa miala tsiny