Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mampamirapiratra ny Fampianaran’Andriamanitra’ ny Fitondran-tena Tsara

‘Mampamirapiratra ny Fampianaran’Andriamanitra’ ny Fitondran-tena Tsara

‘Mampamirapiratra ny Fampianaran’Andriamanitra’ ny Fitondran-tena Tsara

TSARA feo erỳ i Maria, tovovavy any Krasnoïarsk any Rosia, ka nampidirin’ny mpampianatra azy tao amin’ny antoko-mpihiran’ny sekoly. Taoriana kelin’izay, dia nanatona mpampianatra iray izy, ary nanazava taminy fa tsy afaka hanao hira sasany. Nahoana? Satria nifanohitra tamin’ny zavatra inoany avy ao amin’ny Baiboly ny fanaovany hiram-pivavahana. Gaga ilay mpampianatra, ka nilaza hoe: ‘Inona no maharatsy ny manao hira manome voninahitra an’Andriamanitra?’

Nasehon’i Maria tao amin’ny Baiboliny ny antony tsy hihirany momba ny Andriamanitra telo izay iray. Nohazavainy fa samy hafa i Jesosy Kristy sy Andriamanitra, ary ny fanahy masina dia hery ampiasain’Andriamanitra. (Matio 26:39; Jaona 14:28; Asan’ny Apostoly 4:31) Hoy izy: “Tsy nampiova ny fifandraisako tamin’ilay mpampianatra izany. Tena tia mpianatra mantsy ny ankabeazan’ny mpampianatra anay. Tian’izy ireo hampiseho ny tena maha izy anay izahay.”

Nandritra ny taom-pianarana, dia nohajain’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra taminy i Maria noho ny fahasahiany. Hoy izy: “Manampy ahy eo amin’ny fiainako ny toro lalan’ny Baiboly. Nahazo loka aho rehefa tapitra ny taom-pianarana, satria madio sy milamina ary milaza ny marina foana. Nahazo taratasy fisaorana manokana koa ny ray aman-dreniko, satria nitaiza tsara ny zanany.”

Natao batisa tamin’ny 18 Aogositra 2001 i Maria. Hoy izy: “Faly aho fa afaka manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra mahatalanjona!” Mifanaraka amin’ny voalazan’ny Titosy 2:10 ny fiainan’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Voalaza ao fa tokony “hampamirapiratra ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny zava-drehetra” isika.

[Sary, pejy 32]

Taratasy fisaorana sy mari-pankasitrahana

[Sary, pejy 32]

Maria sy ny ray aman-dreniny, taorian’ny batisany