Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mitondra Vohoka ho An’olon-kafa?

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mitondra Vohoka ho An’olon-kafa?

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mitondra Vohoka ho An’olon-kafa?

ANY amin’ny tany mandroso, dia misy mpivady tsy miteraka manakarama vehivavy mba hitondra vohoka ho azy. Tsy nahalala an’io fanao io i Horace, poety romanina fahiny, rehefa nanoratra hoe: “Tsy zava-dehibe ny hoe iza no ray aman-dreny niteraka ny olona iray, mba hiheverana azy ho olo-manga.” Efa ela talohan’ny nisian’ny olana ara-pitsarana momba io fanao io, dia nilaza toy izao koa ny mpanoratra frantsay iray tamin’ny taonjato faha-17: ‘Tsy misy dikany ny fahaterahan’ny zaza iray, raha tsy tsara fitondran-tena ny ray aman-dreniny.’ Milaza anefa i Mary Thom ao amin’ny gazety Ms. fa noho ny teknolojia vaovao, dia afaka manana “reny” roa na telo ny zaza iray, ka ‘ny iray hanome tsirivavy, ny iray hitondra vohoka, ary ny iray hikarakara ilay zaza rehefa teraka izy.’ Manjary tsy fantatra tsara sy sarotra faritana àry izay “zava-dehibe” sy izay ‘fitondran-tena tsara.’

Tany antenatenan’ireo taona 1970, vao nisy vehivavy nitondra vohoka ho an’olon-kafa. Niteraka olana mbola tsy nisy toa azy teo amin’ny fiaraha-monina sy ny fitsarana izany. Nisy adihevitra koa hoe azo ekena ve ilay izy sa tsia. May erỳ ny mpivady tsy niteraka sasany hampiasa io fomba fiterahana vaovao io. Tetsy an-kilany kosa, dia niezaka mafy haharaka ireo teknolojia momba ny fiterahana ireo dokotera sy mpisolovava ary mpanao lalàna, mba hahafahany hanome toro lalana handaminana ireo adihevitra aterak’izy ireny momba ny fitondran-tena.

Fitondrana vohoka ho an’olon-kafa

Manao fifanekena aloha ilay vehivavy hitondra vohoka sy ilay vehivavy te hanan-janaka. Ampidirina ao amin’ilay vehivavy hitondra vohoka, ny tsirilahin’ny vadin’ilay vehivavy te hanan-janaka. Azo lazaina ho renin’ilay zaza ihany àry ilay vehivavy mitondra vohoka, satria izy no nanome ny tsirivavy ahazoana ilay zaza. Indraindray kosa anefa, dia atambatra any amin’ny laboratoara aloha ny tsirilahy sy tsirivavin’ilay mpivady. Rehefa miforona ilay tsaika, vao ampidirina ao amin’ny tranonjazan’ilay vehivavy hitondra vohoka.

Nahoana no mihabetsaka ny olona manao izany? Efa avo lenta tokoa ny teknolojia, ka misy fomba maro hahafahan’ny vehivavy hanan-janaka. Maniry mafy hiteraka angamba ny mpivady maro, nefa tsy afaka satria momba, na tsy mety ny toe-batany, na vitsy ny zaza salama azony atsangana. Manofa vatan’olon-kafa àry izy ireo mba hananany zanaka. Vola be no aloa amin’izany, ka misy miantso an’ilay izy hoe “fanandevozana tsy fidiny” sy “fanararaotana ny fahafahan’ny mahantra miteraka.”

Miaiky ny Fitsarana Tampony any New Jersey, any Etazonia, fa mety hohararaotin’ny mpanankarena ny mahantra. Izao koa no nolazainy momba ny raharaha iray nahakasika ny fitondrana vohoka ho an’olon-kafa: “Raha fintinina, dia misy fitsipika heverin’ny olona ho zava-dehibe, ka tsy mandika izany mihitsy izy, na tambazana vola be aza ho takalon’ny fisasarany, ny fitiavany, na ny ainy.” Nilaza ny Fitsarana Tampony any Frantsa, fa tsy manome hasina ny vatan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka ho an’olon-kafa, ary “tsy natao hampindramina, na hampanofaina, na hamidy ny vatan’olombelona.”

Ireo olana aterany

Miteraka olana maro ny fitondrana vohoka ho an’olon-kafa. Mety hisy ady ara-pitsarana mahatsiravina, ohatra, raha te hihazona ilay zaza ilay vehivavy miteraka azy. Zanak’iza ilay zaza? An’ilay vehivavy niteraka azy ve, sa an’ilay vehivavy nanome ny tsirivavy? Mahatonga ady ara-pitsarana àry ny fahaterahan’ny zaza indraindray, nefa tokony ho fotoam-pifaliana. Ankoatra izany, dia tsapan’ny vehivavy sasany manaiky hitondra vohoka ho an’olon-kafa, fa miova ny fihetseham-pony rehefa mitombo ao an-kibony ilay zaza ary teraka avy eo. Mihasarotra kokoa aminy ny manaja ilay fifanekena nataony. Manjary miraiki-po be mantsy izy sy ilay zaza ao an-kibony. Tsy nanampo izany ny vehivavy iray, ka hoy izy rehefa nisaraka tamin’ilay zaza: “Toy ny hoe nisy olona maty mihitsy tamin’izay. Tsapako fa tena nila ny zanako aho.”

Tokony hojerena koa hoe inona no mety ho vokatr’izany any aoriana any, eo amin’ny ankizy hafa zanak’ilay vehivavy nitondra vohoka, eo amin’ilay fianakaviana handray ilay zaza, ary eo amin’ilay zaza mihitsy. Ahoana raha sampona izy? Voatery handray azy ve ilay rainy? Raha tsia, iza no hamelona azy? Ary ny fanontaniana lehibe kokoa noho izany aza dia hoe: Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fitondrana vohoka ho an’olon-kafa?

Manaja ny fanambadiana ve izany?

Milaza ny Baiboly fa masina amin’Andriamanitra ny fanambadiana. Milaza, ohatra, ny Hebreo 13:4 hoe: “Aoka ho mendri-kaja eo amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” * Irin’Andriamanitra ny hiheveran’ny Kristianina rehetra ny fanambadiana ho mendri-kaja, sy hihazonany azy io ho toy izany foana. Inona no mandoto azy io? Mahatonga ny fanambadiana ho tsy mendri-kaja ny fijangajangana na ny firaisana alohan’ny fanambadiana, sy ny fanitsakitsaham-bady.

Manaja ny fanambadiana sy tsy mandoto ny fandrian’ny mpivady ve ny fitondrana vohoka ho an’olon-kafa? Tsy izany mihitsy. Tsirilahin’olona tsy vadiny mantsy no apetraka ao amin’ilay vehivavy hitondra vohoka. Hita ao amin’ny Levitikosy 18:20 ny hevitry ny Baiboly momba izany. Izao no voalaza ao: “Aza mandry amin’ny vadin’ny namanao, handoto ny tenanao aminy.” Ilay teny hebreo nadika hoe “mandry” eto, dia midika ara-bakiteny hoe “manome tsirinaina.” Hitantsika avy amin’izany fa araka ny Baiboly, dia mitovy ihany ny mampiditra tsirinaina amin’ny alalan’ny firaisana sy ny mampiditra izany amin’ny fomba hafa. Mijangajanga na manitsakitsa-bady àry ilay vehivavy, raha mandray tsirilahin’olon-kafa tsy vadiny ara-dalàna.

Ahoana indray raha atambatra any amin’ny laboratoara aloha ny tsirinain’izy mivady, vao ampidirina ao amin’ny vehivavy hafa? Mandoto ny fandrian’ny mpivady koa izany. Marina aloha fa avy amin’izy mivady ilay tsaika vao miforona. Apetraka ao an-kibon’ny vehivavy hafa anefa ilay izy avy eo, ary izay mihitsy no mahabevohoka azy. Tsy vokatry ny firaisana nataon’io vehivavy io sy ny vadiny izany. Olon-kafa àry no mampiasa ny taovam-pananahany, fa tsy ny vadiny. Mandika ny toro lalan’ny Baiboly izany. Lazaina ao mantsy fa ny vadiny ihany no tokony ho rain-janaky ny vehivavy. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 23:3.) Tsy mety raha olon-kafa ankoatra ny vadiny no mampiasa ny taovam-pananahan’ilay vehivavy manaiky hitondra vohoka. Fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fandrian’ny mpivady izany. Tsy mety amin’ny Kristianina àry ny mitondra vohoka ho an’olon-kafa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Araka ny boky Fandinihana ny Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), “ny fandrian’ny mpivady” resahin’ny Hebreo 13:4 dia mampiseho fa tsy ny fanambadiana ihany no tsy tokony ho voaloto, fa ny fampiasan’ny mpivady ny taovam-pananahany koa.