Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nohararaotinay mba Hitoriana Hatraiza Hatraiza ny Fiovaovan’ny Fiainanay

Nohararaotinay mba Hitoriana Hatraiza Hatraiza ny Fiovaovan’ny Fiainanay

Tantaram-piainana

Nohararaotinay mba Hitoriana Hatraiza Hatraiza ny Fiovaovan’ny Fiainanay

NOTANTARAIN’I RICARDO MALICSI

Niala tamin’ny asako aho, satria tsy mety amin’ny Kristianina ilay izy. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izahay mianakavy, mba hampiany handamina ny fiainanay ho avy. Noresahinay taminy fa te hanompo azy bebe kokoa izahay. Lasa toy ny mpifindrafindra monina izahay, tsy ela taorian’izay. Nitety firenena valo tao anatin’ny kontinanta roa izahay, ka afaka nitory tany amin’ny toerana lavitra.

TERAKA teto Philippines aho tamin’ny 1933, ary nivavaka tao amin’ny Fiangonana Tsy Miankina teto ny 14 tamin’ny fianakavianay. Fony aho 12 taona, dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hitarika ahy ho amin’ny fivavahana marina. Nasain’ny mpampianatra ahy hanao taranja ara-pivavahana aho, ka lasa Katolika nafana fo. Nikonfesy tsy tapaka aho isaky ny asabotsy ary namonjy Lamesa isaky ny alahady. Tsy afa-po anefa aho, ary nisy zavatra nampisalasala ahy. Nanitikitika ny saiko hoe inona no manjo ny olona rehefa maty izy. Nanana fanontaniana momba ny afobe sy ny Andriamanitra telo izay iray koa aho. Tsy nisy dikany sy tsy nahafa-po ahy anefa ny fanazavana nomen’ny mpitondra fivavahana.

Fanazavana nahafa-po

Niditra tao amin’ny fikambanan’ny mpianatra aho teny amin’ny oniversite, ka lasa niady, niloka, nifoka, ary nanao ditra maro. Nihaona tamin’ny renin’ilay mpiara-mianatra tamiko izay aho, indray hariva. Vavolombelon’i Jehovah izy. Napetrako taminy ireo fanontaniana efa napetrako tamin’ireo mpitondra fivavahana. Novaliany avy tao amin’ny Baiboly izy rehetra, ary niaiky aho fa marina ny nolazainy.

Nividy Baiboly aho ary nanomboka nianatra azy io tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia nanatrika ny fivoriana rehetra nataon’izy ireo aho. Tsy niaraka tamin’ny naman-dratsy intsony koa aho, satria milaza ny Baiboly fa “manimba ny fahazarana mahasoa” izy ireny. (1 Korintianina 15:33) Nanampy ahy handroso tamin’ny fianarana Baiboly sy hanolo-tena ho an’i Jehovah izany. Lasa mpitory manontolo andro (na mpisava lalana) nandritra ny fotoana kelikely aho, taorian’ny batisako tamin’ny 1951. Nanambady an’i Aurea Mendoza Cruz aho, tamin’ny Desambra 1953. Lasa namako teo amin’ny fiainako manontolo izy, sady mpiara-manompo tsy nahafoy ahy mihitsy.

Nivaly ny vavakay

Naniry mafy ho mpisava lalana izahay. Tsy tanteraka avy hatrany anefa ny fanirianay hanompo an’i Jehovah bebe kokoa. Na izany aza, dia tsy nitsahatra nangataka taminy izahay, mba ho afaka hanao izany. Sarotra ny fiainanay, nefa notadidinay foana ny tanjonay ara-panahy. Tamin’izaho 25 taona dia voatendry ho mpikarakara ny fiangonana, na mpiandraikitra mpitantan-draharaha, teo anivon’ny fiangonana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah.  

Rehefa nitombo ny fahalalako ny Baiboly ary nihanazava tsara kokoa tamiko ireo toro lalan’i Jehovah, dia nanjary tsy neken’ny feon’ny fieritreretako ny asa nataoko, satria tsy mety amin’ny Kristianina. (Isaia 2:2-4) Nialako àry ilay asa. Tena nitsapa ny finoanay izany. Ahoana no hamelomako ny fianakaviako? Nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra indray izahay. (Salamo 65:2) Noresahinay taminy ny zavatra nampanahy sy nampitebiteby anay. Noresahinay taminy koa anefa ny fanirianay hanompo azy tany amin’ny faritra nilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. (Filipianina 4:6, 7) Tsy noeritreretinay mihitsy hoe hahita fomba maro hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa izahay!

Nanomboka ny fifindra-monina

Nanaiky hiasa tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Vientiane, any Laos aho, tamin’ny Aprily 1965, ary nifindra tany izahay. Mpanara-maso ny mpamono afo sy ny mpamonjy voina no asako. Nisy mpitory 24 tao Vientiane, ary faly izahay niara-nitory tamin’ireo misionera sy ireo rahalahy vitsivitsy tao. Nafindra tany amin’ny Seranam-piaramanidin’i Udon Thani, any Tailandy aho, tatỳ aoriana. Tsy nisy Vavolombelona tao Udon Thani, ka izahay mianakavy ihany no nanao ny fivoriana rehetra isan-kerinandro. Nitory isan-trano izahay, nanao fiverenana mitsidika, ary nanomboka nampianatra Baiboly.

Tsaroanay ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany fa tokony ‘hamoa be hatrany’ izy ireo. (Jaona 15:8) Nanapa-kevitra ny hanahaka azy ireo àry izahay ary nitory ny vaovao tsara foana, ka tsy ela dia nahita vokatra. Nanaiky ny fahamarinana ny tovovavy tailandey iray ary lasa anabavinay ara-panahy. Nisy lehilahy amerikanina roa koa nanaiky ny fahamarinana ary lasa anti-panahy. Folo taona mahery izahay no nitory tany amin’ny faritra avaratr’i Tailandy. Faly be izahay fa misy fiangonana iray izao any Udon Thani! Mbola mamokatra ny sasany amin’ireo voan’ny fahamarinana nambolenay tany.

Nampalahelo fa tsy maintsy nifindra indray izahay, ary nivavaka tamin’ny “Tompon’ny vokatra” mba ho afaka hitory foana. (Matio 9:38) Nafindra tany Téhéran, renivohitr’i Iran izahay. Ny Shah no nanjaka tamin’izany.

Sarotra ny nitory tany amin’ny toerana sasany

Hitanay avy hatrany ireo mpiray finoana taminay rehefa tonga tany Téhéran izahay. Vitsivitsy izy ireo ary avy tamin’ny firenena 13. Tsy maintsy nanao fanovana izahay, mba hitoriana ny vaovao tsara tany Iran. Nila nitandrina mantsy izahay, na dia tsy nisy fanoherana an-karihary aza.

Tsy maintsy nampianatra Baiboly tamin’ny misasakalina ka hatramin’ny maraina be izahay indraindray, satria tamin’izay vao afaka ny olona liana sasany. Faly anefa izahay nahita ny vokatr’ireny asa mafy ireny! Fianakaviana maro avy any Philippines sy Korea no nanaiky ny fahamarinana, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah.

Nalefa niasa tany Dacca, any Bangladesy, indray aho taorian’izay. Tonga tany izahay tamin’ny Desambra 1977. Tsy mora koa ny nitory tao amin’io firenena io. Notadidinay foana anefa fa tsy maintsy mitory izahay. Nahita fianakaviana maro nitonona ho Kristianina izahay, satria nitarika anay ny fanahin’i Jehovah. Nangetaheta ny ranon’ny fahamarinana mampahery avy ao amin’ny Soratra Masina, ny sasany tamin’izy ireo. (Isaia 55:1) Nanomboka fampianarana Baiboly maro izahay, vokatr’izany.

Notadidinay foana fa sitrapon’Andriamanitra ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra.” (1 Timoty 2:4) Nahafaly fa tsy nisy nanohitra ny asanay. Niezaka ny ho sariaka foana izahay, mba tsy hitsara an-tendrony intsony ny olona. Niezaka ny ho “tonga zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra” koa izahay, toy ny apostoly Paoly. (1 Korintianina 9:22) Nohazavainay tamin-katsaram-panahy ny anton’ny fitsidihanay rehefa nanontany ny olona, ary hitanay fa tena tsara fanahy ny ankamaroany.

Nahita Vavolombelona iray tompon-tany izahay tany Dacca, ary nampirisihinay hiaraka hivory sy hitory taminay izy. Nampianatra Baiboly fianakaviana iray koa ny vadiko tamin’izany fotoana izany, ary nasainy hivory izy ireo. Nanaiky ny fahamarinana daholo izy mianakavy, noho ny fitiavana sy hatsaram-panahin’i Jehovah. Nanampy tamin’ny fandikana boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny teny bengali ny zanany mirahavavy, tatỳ aoriana. Lasa nahalala an’i Jehovah koa ny maro tamin’ny havan’izy ireo. Mpianatra Baiboly maro no nanaiky ny fahamarinana, ary anti-panahy sy mpisava lalana ny ankamaroan’izy ireny izao.

Nasainay hanampy anay hitory tany Dacca koa ny havanay sasany, satria betsaka ny mponina tany. Maromaro no namaly ny antsonay. Tena faly sy mankasitraka an’i Jehovah tokoa izahay, satria afaka nitory ny vaovao tsara tany amin’io firenena io! Mpitory iray monja no tany Bangladesy tamin’ny voalohany, nefa misy fiangonana roa any izao.

Tsy maintsy nifindra indray izahay tamin’ny Jolay 1982, ary nandao an’i Bangladesy. Ranomaso no nisarahanay tamin’ireo rahalahy. Niasa tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Entebbe, any Ouganda aho, tsy ela taorian’izay. Nijanona efa-taona sy fito volana tao izahay. Inona no nataonay mba hiderana ny anarana lehiben’i Jehovah tao amin’io firenena io?

Nanompo an’i Jehovah tany Afrika Atsinanana

Nitsena anay mivady sy nitondra anay tany amin’ny trano nipetrahanay ny saofera iray, rehefa tonga tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Entebbe izahay. Niresaka taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra aho teny an-dalana. Nanontany izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?” Rehefa nanaiky aho, dia hoy izy: “Misy namanareo miasa ao amin’ny trano avo fanaraha-maso ny fifamoivoizan’ny fiaramanidina.” Nasaiko nentiny tany amin’ilay rahalahy avy hatrany aho. Faly be ilay rahalahy nahita anay, ary natao ny fandaharana ho amin’ny fivoriana sy ny fanompoana eny amin’ny saha.

Mpitory 228 monja no tany Ouganda tamin’izany fotoana izany. Namafy ny voan’ny fahamarinana niaraka tamin’ny rahalahy roa tao Entebbe izahay, nandritra ny taona voalohany nahatongavanay. Tena tia mamaky teny ny olona, ka nahapetraka boky maro sy gazety an-jatony izahay. Nanasa rahalahy avy tany Kampala renivohitra izahay tamin’ny faran’ny herinandro, mba hanampy anay hitory tamin’ny faritaninay tao Entebbe. Dimy izahay no nanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro voalohany nataoko.

Anisan’ny zavatra nahafaly anay indrindra teo amin’ny fiainanay, ny zava-nitranga telo taona tatỳ aoriana, satria nandray tsara sy nandroso haingana ireo olona nampianarinay. (3 Jaona 4) Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny faritra iray, ny enina tamin’ireo olona nampianarinay Baiboly. Maro tamin’izy ireo no nilaza fa nampirisika azy hanompo manontolo andro, ny fahitany anay nanao mpisava lalana na dia niasa tontolo andro aza.

Hitanay koa fa nisy vokany tsara ny fitoriana tany am-piasana. Nanatona lehilahy iray mpamono afo tao amin’ny seranam-piaramanidina aho, indray mandeha. Noresahiko taminy fa hisy paradisa eto an-tany, araka ny Baiboly. Nasehoko azy tao amin’ny Baiboliny fa hiadana sy hiray saina ny olona mankatò, ary tsy hijaly intsony noho ny fahantrana, ny tsy fananan-trano, ny ady, ny aretina, na ny fahafatesana. (Salamo 46:9; Isaia 33:24; 65:21, 22; Apokalypsy 21:3, 4) Nahaliana azy ny famakiana izany tao amin’ny Baiboliny, ka nanomboka nianatra avy hatrany izy. Namonjy ny fivoriana rehetra izy, ary tsy ela taorian’izay dia nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa. Lasa mpisava lalana toa anay izy tatỳ aoriana.

Indroa nisy hotakotaka tao Ouganda, tamin’izahay tany. Tsy nampitsahatra ny fanompoanay anefa izany. Nalefa nipetraka enim-bolana tany Nairobi, any Kenya, ny fianakavian’ireo olona niasa tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Nijanona tao Ouganda anefa izahay ary mbola nivory sy nitory foana, saingy tsy maintsy mailo sy nitandrina.

Vita ny asako tany tamin’ny Aprily 1988, ary nifindra indray izahay. Afa-po tanteraka izahay rehefa nandao ny Fiangonana Entebbe, satria nisy vokany ny fitoriana. Afaka nitsidika an’i Entebbe indray izahay tamin’ny Jolay 1997, ary efa anti-panahy ny sasany tamin’ireo olona nampianarinay Baiboly. Faly be mihitsy izahay fa efa 106 ny mpanatrika ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro!

Nifindra tany amin’ny faritra tsy voatory

Mbola afaka nanompo bebe kokoa ve izahay tany amin’ireny faritra ireny? Eny. Voatendry hiasa tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Mogadiscio, any Somalia, aho. Nanapa-kevitra izahay fa hanararaotra izany, mba hitoriana tao amin’io faritra tsy voatory io.

Ny mpiasan’ny ambasady sy ireo mpiasa avy any Philippines ary ny vahiny ihany no azonay nitoriana. Hitanay teny an-tsena izy ireo matetika. Namangy azy ireo tany an-tranony koa izahay. Nikaroka fomba hitoriana izahay, ary mailo sy natoky tanteraka an’i Jehovah. Afaka niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ireo olona avy tamin’ny firenena samy hafa àry izahay, ary nisy vokany izany. Nijanona tany Mogadiscio roa taona izahay, ary niala tany taloha kelin’ny nipoahan’ny ady.

Taorian’izay, dia voatendry hiasa tany Yangon, any Myanmar, indray aho. Afaka nanampy olona tso-po hianatra momba ny fikasan’Andriamanitra indray izahay tany. Voatendry hiasa tany Dar es-Salaam, any Tanzania aho taorian’izay. Mora kokoa ny nitory ny vaovao tsara isan-trano tany, satria nisy antokon’olona niteny anglisy.

Tsy nahita olana firy tamin’ny fanatanterahana ny fanompoanay izahay, tany amin’ireo tany rehetra niasanay, na dia voasakantsakana aza ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nampiahiahy ny olona ny zavatra nataonay, satria nifandray tamin’ny governemanta na ny fikambanana iraisam-pirenena ny asako matetika.

Tsy maintsy nifindrafindra monina nandritra ny 30 taona izahay mivady, noho ny asako. Noheverinay ho toy ny fomba hanatanterahana ny fanirianay anefa ilay izy. Ny hampiely ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana no tanjonay voalohany. Misaotra an’i Jehovah izahay satria nanampy anay izy hanararaotra ny fiovaovana teo amin’ny fiainanay, ary nomeny tombontsoa izahay hitory hatraiza hatraiza. 

Niverina nody

Nangataka fisotroan-dronono alohan’ny fotoana aho tamin’izaho 58 taona, ary niverina teto Philippines. Nivavaka tamin’i Jehovah mba hitantana ny fiainanay izahay, rehefa tafaverina. Nanompo tao amin’ny fiangonana iray tao amin’ny tanànan’i Trece Martires, faritanin’i Cavite izahay. Tsy nisy afa-tsy mpitory 19 tao, fony izahay vao tonga. Nalamina ny fandaharam-pitoriana isan’andro, ary fampianarana Baiboly maro no natomboka. Nitombo ny fiangonana. Nisy fotoana nitarihan’ny vadiko fampianarana Baiboly 19, ary 14 ny ahy.

Vetivety dia nanjary tery kely ny Efitrano Fanjakana. Nivavaka tamin’i Jehovah momba izany izahay. Nanome tany ny rahalahy iray sy ny vadiny, ary nanaiky hampisambotra vola hanorenana Efitrano Fanjakana vaovao ny biraon’ny sampana. Tena nampandroso ny fitoriana ilay efitrano vaovao, ary nitombo isan-kerinandro ny isan’ny mpivory. Manampy fiangonana iray misy mpitory 17 kosa izahay ankehitriny. Adiny iray mahery izahay vao tonga any, ary toy izany koa rehefa miverina.

Tena velom-pankasitrahana izahay mivady, satria afaka nanompo tany amin’ireny firenena maro ireny. Afa-po tokoa izahay rehefa manao jery todika ireny fifindra-monina ireny, satria nampiasainay tamin’ny fomba tsara indrindra izany, mba hanampiana ny hafa hahafantatra an’i Jehovah!

[Sarintany, pejy 24, 25]

(Jereo ny gazety)

TANZANIA

OUGANDA

SOMALIA

IRAN

BANGLADESY

MYANMAR

LAOS

TAILANDY

PHILIPPINES

[Sary, pejy 23]

Izahay sy Aurea vadiko