Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tari-dalana Feno Fahendrena ho An’ny Mpivady

Tari-dalana Feno Fahendrena ho An’ny Mpivady

Tari-dalana Feno Fahendrena ho An’ny Mpivady

“Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo. Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo.” —Efesianina 5:22, 25.

1. Ahoana no tokony hiheverana ny fanambadiana?

NILAZA i Jesosy fa ampiraisin’Andriamanitra zioga ny mpivady, ka lasa “nofo iray ihany.” (Matio 19:5, 6) Tsy mitovy toetra izy ireo, nefa miezaka ny ho tia izay tian’ny vadiny, ary miara-miasa mba hanatratra tanjona mitovy. Maharitra mandra-pahafaty ny voadim-panambadiana, fa tsy fifanekena maivan-danja ka hoe azo atao ny mivadika mora foana. Mora ny misara-panambadiana any amin’ny tany maro, fa amin’ny Kristianina kosa, dia masina ny fanambadiana. Tsy azo ravana izy io, raha tsy noho ny antony tena lehibe.—Matio 19:9.

2. a) Inona no afaka manampy ny mpivady? b) Nahoana no ilaina ny miezaka hanana tokantrano sambatra?

2 Hoy ny mpanolo-tsaina iray momba ny fanambadiana: “Ho sambatra ny mpivady, raha vonona ny hiova rehefa misy toe-javatra vaovao miseho, miezaka handamina ny olana mipoitra, ary manaiky ny fanampiana atolotra azy isaky ny misy fiovana lehibe eo amin’ny fiainany.” Anisan’ny manampy ny mpivady kristianina ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly, ny fanampian’ny Kristianina hafa, ary ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Maharitra ny tokantrano sambatra, ka faly sy afa-po ny mpivady. Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra izay namorona ny fanambadiana mihitsy aza izany.—Genesisy 2:18, 21-24; 1 Korintianina 10:31; Efesianina 3:15; 1 Tesalonianina 5:17.

Manahafa an’i Jesosy sy ny fiangonany

3. a) Fintino ny torohevitr’i Paoly ho an’ny mpivady. b) Inona no modely navelan’i Jesosy?

3 Roa arivo taona lasa izay, dia nanoro hevitra ny mpivady kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Toy ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no tokony haneken’ny vehivavy ny vadiny amin’ny zavatra rehetra. Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesianina 5:24, 25) Tsara tokoa izany fampitahana izany! Rehefa manetry tena sy manaiky ny vadiny ny vehivavy, dia manahaka ny fiangonana izay manaiky sy mankatò ny fahefana misy eo anivony. Rehefa tia ny vadiny foana ny lehilahy, na amin’ny mora na amin’ny sarotra, dia manahaka akaiky an’i Kristy izay tia sy miahy ny fiangonana.

4. Ahoana no anahafan’ny lehilahy an’i Jesosy?

4 Ny lehilahy no loham-pianakaviana, nefa manana filoha koa izy, dia i Jesosy. (1 Korintianina 11:3) Miahy ny fiangonany i Jesosy, ary miahy ny fianakaviany toy izany koa ny lehilahy. Mamelona azy ireo izy, ary mikarakara azy eo amin’ny lafiny ara-panahy, na dia mitaky fahafoizan-tena aza izany. Ny hahasoa ny fianakaviany no zava-dehibe kokoa aminy, fa tsy ny faniriany sy ny zavatra tiany manokana. Hoy i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Ny mpivady indrindra no tokony hampihatra izany, araka ny tenin’i Paoly hoe: ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy. Tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa, ary mikarakara azy amim-pitiavana.’ (Efesianina 5:28, 29) Tokony hazoto hamelona sy hikarakara amim-pitiavana ny vadiny ny lehilahy, toy ny ataony amin’ny tenany ihany.

5. Ahoana no anahafan’ny vehivavy ny fiangonana kristianina?

5 Ataon’ny vehivavy manompo an’Andriamanitra ho modely ny fiangonana kristianina. Fony i Jesosy tetỳ an-tany, dia niala an-tsitrapo tamin’ny asany ny mpianany ary nanaraka azy. Nankatò azy foana izy ireo, na dia taorian’ny nahafatesany aza. Mbola mankatò azy sy manaiky ny fahefany amin’ny zava-drehetra foana koa ny tena fiangonana kristianina, efa 2 000 taona mahery izao. Toy izany koa ny vehivavy kristianina, satria tsy manambany ny vadiny izy, sady tsy manamaivana ilay fahefana nomena azy araka ny hita ao amin’ny Soratra Masina. Manampy ny vadiny sy manaiky azy kosa izy, ary miara-miasa aminy, ka mampahery azy. Rehefa mifaneho fitiavana toy izany ny mpivady, dia tena ho sambatra ny tokantranony, ka hahafinaritra azy ireo.

Miaraha mitoetra aminy foana

6. Inona no torohevitr’i Petera ho an’ny lehilahy, ary nahoana izany no zava-dehibe?

6 Nanoro hevitra ny mpivady koa ny apostoly Petera, ary mivantana ny teny nataony tamin’ny lehilahy. Hoy izy: “Aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Mpiara-mandova aminy mantsy ianareo, eny, mpiara-mandova ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana.” (1 Petera 3:7) Tena mavesa-danja tokoa io torohevitra io. Hita eo fa raha tsy manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy, dia hisy vokany eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah izany. Ho voasakana ny vavaka ataony.

7. Ahoana no tokony hanomezan’ny lehilahy voninahitra ny vadiny?

7 Ahoana àry no anomezan’ny lehilahy voninahitra ny vadiny? Mila maneho fitiavana azy izy, ary manaja sy manisy vidiny azy. Hafahafa tamin’ny olona maro izany fanehoana hatsaram-panahy amin’ny vady izany taloha. Hoy ny manam-pahaizana grika iray: “Tsy nanana zo mihitsy ny vehivavy, teo ambanin’ny lalàna romanina. Toy ny an’ny ankizy ny zony. ... Teo ambanin’ny fahefan’ny vadiny tanteraka izy, ary tsy maintsy nanao ny sitrapony rehetra.” Tena mifanohitra amin’ny fampianarana kristianina izany! Nanome voninahitra ny vadiny mantsy ny lehilahy kristianina. Tsy araka izay tiany fotsiny no fomba nitondrany ny vadiny, fa araka ny toro lalana kristianina. Naneho fiheverana azy “araka ny fahalalana” koa izy, izany hoe nitadidy fa fanaka malemy kokoa ny vadiny.

Nahoana no hoe “fanaka malemy kokoa”?

8, 9. Inona avy no mampitovy ny vehivavy amin’ny lehilahy?

8 Rehefa nilaza i Petera fa “fanaka malemy kokoa” ny vehivavy, dia tsy nidika izany hoe tsy mahira-tsaina loatra izy ireo raha oharina amin’ny lehilahy, na malemy kokoa amin’ny lafiny ara-panahy. Marina fa tsy hahazo ireo andraikitra ananan’ny lehilahy kristianina maro eo anivon’ny fiangonana ny vehivavy, ary tsy maintsy manaiky ny vadiny izy. (1 Korintianina 14:35; 1 Timoty 2:12) Samy tokony hanam-pinoana sy hiaritra daholo anefa na ny lehilahy na ny vehivavy, ary fitsipi-pitondran-tena ambony mitovy ihany no tokony harahiny. Samy “mpiara-mandova ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana” koa ny mpivady, hoy i Petera. Amin’i Jehovah Andriamanitra, dia samy afaka ny ho voavonjy izy ireo. (Galatianina 3:28) Ny Kristianina voahosotra tamin’ny taonjato voalohany no nanoratan’i Petera. Ireo teniny ireo dia nampahatsiahy ny lehilahy kristianina, fa nitovy tamin’ny an’ny vadiny ihany ny fanantenany, izany hoe samy ho “mpiara-mandova amin’i Kristy” any an-danitra izy ireo. (Romanina 8:17) Samy ho mpisorona sy mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy ireo!—Apokalypsy 5:10.

9 Tsy ambany noho ny vadiny voahosotra mihitsy ny vehivavy kristianina voahosotra. Toy izany koa ireo manantena hiaina eto an-tany. Samy manasa sy mamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry, ny lehilahy sy vehivavy anisan’ny “vahoaka be.” Samy midera an’i Jehovah “andro aman’alina” eran-tany koa izy ireo. (Apokalypsy 7:9, 10, 14, 15) Na ny lehilahy na ny vehivavy, dia samy manantena hanana ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”, rehefa hahazo “ny tena fiainana.” (Romanina 8:21; 1 Timoty 6:19) Miara-manompo an’i Jehovah toy ny “andiany iray” andrasan’ny ‘mpiandry iray’ ihany ny Kristianina rehetra, na voahosotra izy na anisan’ny ondry hafa. (Jaona 10:16) Tena mampirisika ny mpivady kristianina hifanome voninahitra izany!

10. Nahoana ny vehivavy no atao hoe “fanaka malemy kokoa”?

10 Nahoana àry ny vehivavy no atao hoe fanaka malemy kokoa? Ny tian’i Petera holazaina teo angamba dia hoe mazàna no kely kokoa ny vatan’ny vehivavy sy ny heriny, raha oharina amin’ny an’ny lehilahy. Zava-mahatalanjona koa ny fiterahana. Mety hisy vokany eo amin’ny fahasalaman’ny vehivavy anefa izany, noho isika tsy lavorary. Mety tsy ho salama loatra koa izy matetika, amin’ny fotoana sasany amin’ny volana. Tena mila anehoana fiahiana sy fiheverana izy ireo amin’ireny fotoana ireny, na koa rehefa bevohoka sy miteraka satria mamizana be izany. Hanampy azy àry ny vadiny, raha manome voninahitra azy. Ho sambatra tokoa ny tokantranon’izy ireo amin’izay.

Mpivady tsy mitovy finoana

11. Nahoana no afaka ny ho sambatra ny mpivady, na dia tsy mitovy aza ny fivavahany?

11 Ahoana raha tsy mitovy finoana ny mpivady, satria nanaiky ny fahamarinana ny iray taorian’ny fanambadiany, fa tsy nanaiky izany kosa ny iray? Afaka ny ho sambatra ve izy ireo? Izany tokoa, ary maro ny mpivady afaka manaporofo izany. Afaka ny hanana tokantrano sambatra sy maharitra ny mpivady, na dia tsy mitovy aza ny zavatra inoany. Mbola manan-kery eo imason’i Jehovah foana koa ny voadim-panambadiany, ary mbola “nofo iray ihany” izy ireo. Noho izany, dia toroana hevitra ny Kristianina mba tsy handao ny vadiny, raha manaiky izany izy. Handray soa avy amin’ny tsy fivadihany koa ny zanany.—1 Korintianina 7:12-14.

12, 13. Araka ny torohevitr’i Petera, ahoana no ahafahan’ny vehivavy kristianina manampy ny vadiny tsy Vavolombelona?

12 Nomen’i Petera torohevitra tamin-katsaram-panahy ny vehivavy kristianina, izay manana vady tsy mitovy finoana aminy. Afaka mampihatra izany koa anefa ny lehilahy kristianina, raha tsy mitovy finoana aminy ny vadiny. Hoy i Petera: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba hahazoanareo azy tsy amin’ny teny, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.”—1 Petera 3:1, 2.

13 Tena tsara raha afaka manazava ny zavatra inoany amin’ny vadiny ny vehivavy, sady mandanjalanja rehefa manao izany. Ahoana anefa raha tsy mety mihaino ilay vadiny? Tsy azo terena izy, nefa tsy hoe tsy misy azo antenaina intsony. Toy ny fitoriana vita ho azy mantsy ny fitondran-tena tsara. Lehilahy maro no lasa “nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay”, rehefa nahita ny fitondran-tena tsaran’ny vadiny. Tsy liana tamin’ny fivavahany, na nanohitra izany mihitsy aza anefa izy ireo taloha. (Asan’ny Apostoly 13:48) Na dia tsy manaiky ny fahamarinana ara-baiboly aza ny lehilahy iray, dia mety hampiaiky azy ny fitondran-tenan’ny vadiny, ka hanatsara ny fifandraisan’izy ireo. Niaiky ny lehilahy iray manambady Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy ho vitany mihitsy ny hanaraka ny fitsipi-pitondran-tena ambony arahin’izy ireo. Hoy anefa izy: “Sambatra aho fa mahafinaritra be ny vadiko.” Nidera ny vadiny sy ny Vavolombelona hafa koa izy, tao amin’ny taratasy iray navoaka an-gazety.

14. Ahoana no ahafahan’ny lehilahy kristianina manampy ny vadiny tsy Vavolombelona?

14 Rehefa nampihatra ny toro lalana nomen’i Petera koa ny lehilahy kristianina sasany, dia nahataona ny vadiny noho ny fitondran-tena tsarany. Hitan’ny vehivavy tsy Vavolombelona fa lasa nahay nandray andraikitra ny vadiny, tsy nandany vola tamin’ny sigara sy ny toaka ary ny filokana intsony, ary tsy niteny ratsy intsony koa. Lasa nahafantatra Kristianina hafa teo anivon’ny fiangonana koa ny vehivavy sasany, ary nampiaiky azy ny firahalahian’izy ireo. Nahatonga azy ireo hanatona an’i Jehovah ny zavatra hitany teo anivon’ireo rahalahy.—Jaona 13:34, 35.

“Ilay toetra miafina ao am-po”

15, 16. Inona no toetra mety hahataona ny vady tsy Vavolombelona?

15 Inona no toetra mety hahataona ny vady tsy Vavolombelona? Toetra efa iezahan’ny vehivavy kristianina hananana ilay izy, raha ny marina. Hoy i Petera: “Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany toy ny firandranam-bolo sy ny fanaovana firava-bolamena na akanjo ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po, izay manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra. Fa toy izany koa taloha no niravahan’ny vehivavy masina izay nanantena an’Andriamanitra. Nanaiky ny vadiny izy ireny, tahaka an’i Saraha izay nankatò an’i Abrahama, ka niantso azy hoe ‘tompo.’ Zanak’i Saraha ianareo raha manao ny tsara foana, sady tsy matahotra izay mampihorohoro.”—1 Petera 3:3-6.

16 Nanoro hevitra ny vehivavy kristianina mba tsy hifantoka loatra amin’ny fitafiana sy ny taovolo ary ny fihaingoana i Petera teo. Tokony ho hitan’ny vadiny kosa fa nanatsara ny toetrany ny fianarany Baiboly. Tokony ho hitany koa fa manana toetra vaovao izy. Hampitahainy amin’ny toetra taloha nananan’ny vadiny angamba izany. (Efesianina 4:22-24) Azo antoka fa hahafinaritra sy hanintona azy ilay toetrany “tony sy malemy paika.” “Tena sarobidy eo imason’Andriamanitra” mihitsy izany, fa tsy hoe hampifaly ny vadiny fotsiny.—Kolosianina 3:12.

17. Nahoana i Saraha no modely ho an’ny vehivavy kristianina?

17 Atao modely i Saraha, ary tena tokony hanahaka azy ny vehivavy kristianina, na mitovy finoana aminy ny vadiny na tsia. Tsy isalasalana fa nihevitra ny vadiny ho toy ny filohany i Saraha. Niantso azy anakampo hoe ‘tompoko’ mihitsy aza izy. (Genesisy 18:12) Tsy nampietry azy anefa izany. Hita fa nanana finoana natanjaka izy, sady natoky tanteraka an’i Jehovah. Anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” nanana finoana fakan-tahaka tokoa izy, ka mampirisika antsika “hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.” (Hebreo 11:11; 12:1) Tsy manambany ny vehivavy ny fanahafany an’i Saraha.

18. Inona no toro lalana tokony hotadidina, rehefa tsy mitovy finoana ny mpivady?

18 Ny lehilahy foana no loham-pianakaviana, na dia tsy mitovy finoana amin’ny vadiny aza izy. Raha izy no Vavolombelon’i Jehovah, dia tokony hanaja ny zavatra inoan’ny vadiny izy, nefa tsy hampandefitra ny finoany. Tsy tokony hampandefitra ny finoany koa ilay vehivavy, raha izy no Vavolombelon’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 5:29) Tsy hanohitra ny fahefan’ny vadiny anefa izy fa hanaja izany, ary hankatò hatrany ny “lalàn’ny vadiny.”—Romanina 7:2.

Feno fahendrena ny tari-dalan’ny Baiboly

19. Inona avy no mety hiteraka olana eo amin’ny mpivady, nefa ahoana no ahafahana miatrika izany?

19 Zavatra maro no mety hiteraka olana eo amin’ny mpivady ankehitriny. Tsy mandray ny andraikiny ny lehilahy sasany. Tsy manaiky ny fahefan’ny vadiny ny vehivavy sasany. Misy koa mampijaly vady. Etsy an-danin’izany, dia eo ny olana ara-bola sy ny tsy fahalavorariantsika ary ny toe-tsain’ity tontolo ity, izay mampirisika ny olona ho ratsy fitondran-tena sy hanao ho loha laharana ny zavatra tsy dia lehibe loatra. Tahin’i Jehovah anefa ny lehilahy sy ny vehivavy kristianina, rehefa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana, na inona na inona mitranga. Na ny iray amin’ny mpivady ihany aza no manao izany, dia efa tsara kokoa noho ny hoe tsy misy manao mihitsy. Tian’i Jehovah sy ampiany koa ny mpanompony, rehefa tsy mivadika amin’ny voadim-panambadiany, na dia misy zava-tsarotra aza. Tsy manadino ny tsy fivadihan’izy ireo izy.—Salamo 18:25; Hebreo 6:10; 1 Petera 3:12

20. Inona no torohevitra nomen’i Petera ho an’ny Kristianina rehetra?

20 Nanao teny fampaherezana ny apostoly Petera, rehefa avy nanoro hevitra ny lehilahy sy vehivavy manambady. Hoy izy: “Farany, miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana, manetre tena, ka aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva rehefa misy manevateva, fa aoka kosa aza hirary soa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba handovanareo fitahiana.” (1 Petera 3:8, 9) Torohevitra feno fahendrena ho an’ny rehetra tokoa izany, indrindra fa ho an’ny mpivady!

Tadidinao Ve?

• Ahoana no anahafan’ny lehilahy an’i Jesosy?

• Ahoana no anahafan’ny vehivavy ny fiangonana?

• Ahoana no anomezan’ny lehilahy voninahitra ny vadiny?

• Inona no tena tsara hataon’ny vehivavy kristianina, raha tsy mitovy finoana aminy ny vadiny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Tia sy miahy ny vadiny ny lehilahy kristianina

Manaja sy manome voninahitra ny vadiny ny vehivavy kristianina

[Sary, pejy 17]

Tsy toy ny lalàna romanina ny fampianarana kristianina, fa mitaky ny hanomezan’ny lehilahy voninahitra ny vadiny

[Sary, pejy 18]

Samy manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny lehilahy sy vehivavy anisan’ny “vahoaka be”

[Sary, pejy 20]

Nihevitra an’i Abrahama ho tompony i Saraha