Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Nivadika tao Anatin’ny Fitsapana”

“Tsy Nivadika tao Anatin’ny Fitsapana”

“Tsy Nivadika tao Anatin’ny Fitsapana”

NANAFIKA tampoka antokona Kristianina tsy nanan-tsiny tany andrefan’ny taniny ny governemanta sovietika, tany am-piandohan’ny Aprily 1951. Tsy iza no notafihin’izy ireo fa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nafatratra tao anaty vagao mpitondra entana, ary nentina tany Siberia, ny fianakaviana an’arivony, nisy ankizikely sy zokiolona ary vehivavy bevohoka. Naharitra 20 andro ilay dia, ka namizana be. Nomelohina hatao sesitany mandra-pahafaty izy ireo, ary fiainana mafy sy tsizarizary no niandry azy.

Nisy kasety video navoaka tany Moscou, ny Aprily 2001, ho fankalazana ny faha-50 taonan’io zava-niseho niavaka io. Resahin’ilay video ny fampahoriana ny Vavolombelon’i Jehovah, izay naharitra am-polo taonany, tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Misy mpahay tantara sy olona nahita maso mitantara koa ao hoe ahoana no nahatafavoaka velona ny Vavolombelona sy nampitombo azy ireo, na dia tena mafy aza ny nanjo azy.

Izao no lohatenin’ilay video: Tsy Nivadika tao Anatin’ny Fitsapana—Vavolombelon’i Jehovah Tany Amin’ny Firaisana Sovietika (frantsay). Olona an-tapitrisany tany Rosia sy tany an-toeran-kafa no efa nahita azy io. Tena tian’ny mpahay tantara sy ny olona amin’ny ankapobeny koa izy io. Ireto, ohatra, no tenin’ny manam-pahaizana rosianina roa, mipetraka any amin’ny toerana nanaovana sesitany ny ankamaroan’ireo fianakaviana Vavolombelona:

“Tiako be io video io. Efa nahafinaritra ahy foana ianareo, nefa vao mainka aho mankasitraka anareo rehefa avy nijery ilay video. Tena nahay izay nanao azy io! Ny olona tsirairay mihitsy koa no nasainareo nitantara izay nanjo azy, ary izany no tena tiako tamin’izy iny. Ortodoksa aho, ary tsy mieritreritra ny hiova finoana, nefa mahafinaritra ahy ny Vavolombelona. Tiako raha manana io video io ny sampam-pianarana misy ahy. Tapa-kevitra mantsy izahay mpampianatra, fa handefa azy io hojeren’ny mpianatra sy hampiditra azy io ao amin’ny fandaharam-pianarana.”—Profesora Sergei Rubtsov, mpiandraikitra ao amin’ny sampam-pianarana tantara any amin’ny Oniversitem-panjakana Mampiofana Mpampianatra, any Irkoutsk, Rosia.

“Faly aho rehefa nivoaka io video io. Rehefa misy manao video mahakasika fampahoriana, dia sarotra be foana ny mamoaka tsara ny fizotran’ilay tantara. Vitanareo tsara anefa ilay izy. Mba anatero video hafa aho e!”—Profesora Sergei Kuznetsov, mpiandraikitra ao amin’ny sampam-pianarana tantara any amin’ny Oniversitem-panjakana any Irkoutsk, Rosia.

Tena tian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Siberia koa ilay video. Hoy ny sasany tamin’izy ireo:

“Olona maro teto Rosia no nahazo fanazavana diso momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fotoana nitrangan’ireo zavatra voalazan’io video io. Rehefa avy nijery azy io anefa ry zareo, dia hitany fa tsy sekta, araka ny noeritreretiny, isika. Hoy ireo olona vao haingana no lasa Vavolombelona: ‘Tsy noeritreretinay mihitsy hoe efa nizaka ny mafy toy ireny, ireo Kristianina niara-nonina sy niara-niasa taminay ireo!’ Rehefa avy nijery ilay video ny Vavolombelona iray, dia nilaza fa naniry ho mpisava lalana izy.”—Anna Vovchuk, natao sesitany tany Siberia.

“Nangovitra aho rehefa nasehon’ilay video, ny polisy miafina mandondòna ao amin’ny Vavolombelona iray. Nitovy tamin’ny fomba nandondonan’ny polisy tao aminay mihitsy ilay izy. Tadidiko fa niteny i Neny tamin’izay hoe: ‘Angamba misy poa-basy any ho any.’ Mampahatsiaro ahy koa anefa ilay video fa Vavolombelona maro no nijaly kokoa noho izaho. Vao mainka manatanjaka sy mampahazoto kokoa anay hanompo an’i Jehovah, izany rehetra izany.”—Stepan Vovchuk, natao sesitany tany Siberia.

“Anisan’ireo Vavolombelona natao sesitany ny ray aman-dreniko. Nieritreritra àry aho fa efa betsaka ny zavatra reko momba ireny fanenjehana ireny. Rehefa avy nijery io video io anefa aho, dia hitako fa tena kely ny zavatra fantatro. Nanganohano ny ranomasoko rehefa nihaino ireo fanadinadinana aho. Fantatro izao fa tena nisy izy ireny, fa tsy tantara fotsiny. Nanatsara ny fifandraisako amin’Andriamanitra ilay video, sady nanampy ahy ho vonona hizaka ny zava-tsarotra rehetra mbola ho avy.”—Vladimir Kovash, Irkoutsk.

“Hitako fa nisy vokany kokoa noho ny tantara an-tsoratra io video io. Hoatran’ny hoe nihatra tamiko mihitsy ny fitsapana mafy rehetra nahazo an’ireo anadahy, rehefa nijery sy nandre ireo fanadinadinana aho. Nisy anadahy iray, ohatra, nanao sary ho an’ireo zanany vavy kely, tamin’izy tany am-ponja. Mandrisika ahy hiezaka hanohina ny fon’ireo zanako mba ho tia ny fahamarinana koa izany. Misaotra! Noho io video io, dia vao mainka tsapan’ny Vavolombelona eto Rosia, fa anisan’ny fandaminan’i Jehovah eran-tany izy ireo.”—Tatyana Kalina, Irkoutsk.

“Mihatra amin’io video io mihitsy ilay fitenenana hoe: ‘Aleo mahita indray mandeha toy izay mandre injato.’ Tena marina sy mahakasika antsika izy io ary mamelombelona! Tsy maintsy naka fotoana ela be nisaintsainana aho rehefa avy nijery azy io. Afaka nipetraka teo amin’ny toeran’ireo Vavolombelona natao sesitany àry aho. Lasa hafa be izao ny fahitako ny olana atrehintsika ankehitriny, rehefa ampitahaiko amin’ny azy ireo ny fiainako.”—Lidia Beda, Irkoutsk.

Efa navoaka amin’ny fiteny 25 izao ny video Tsy Nivadika tao Anatin’ny Fitsapana, ary tena be mpitia maneran-tany. * Nisy televiziona nandefa azy io manontolo tany Saint-Pétersbourg sy Omsk, ary tany amin’ny tanàna hafa any Rosia. Toy izany koa tany Vinnytsia, Kertch, Melitopol, ary tany amin’ny faritr’i Lviv, samy any Ukraine. Nahazo marim-pankasitrahana avy tamin’ny sampan-draharaha iraisam-pirenena mpanao sivana filma koa izy io.

Nisy vokany be io video io, satria tena nahery fo sy nanana finoana natanjaka ireo olon-tsotra an’arivony voalaza ao, nandritra ireo taona maro nanenjehana azy ireo. Tena hita tokoa fa tsy nivadika tao anatin’ny fitsapana, ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika. Raha tianao ny hijery an’io video io, dia ho faly hanome anao azy io ny Vavolombelon’i Jehovah. Miresaha amin’izay Vavolombelona eo amin’ny manodidina anao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Misy amin’ireto fiteny ireto ilay video: alemà, anglisy, boligara, danoà, espaniola, failandey, frantsay, grika, holandey, hongroà, indonezianina, italianina, japoney, kantôney, koreanina, litoanianina, mandarin, norvezianina, poloney, romanianina, rosianina, slovaky, slovène, soedoà, ary tseky.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

Staline: U.S. Army photo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Staline: U.S. Army photo