Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nihinana ny mofo atolotra i Davida sy ny olony. Midika ve izany fa azo atao ny mandika ny lalàn’Andriamanitra rehefa ao anatin’ny toe-javatra sarotra?—1 Samoela 21:2-7.

Araka ny Levitikosy 24:5-9, dia natao hohanin’ny mpisorona ny mofo atolotra, izay nosoloana isan-tsabata. Izao no toro lalana manohana izany: Masina ireo mofo ireo ka ny olona nanao fanompoana manokana ho an’Andriamanitra, izany hoe ny mpisorona, no tokony hihinana azy. Tsy azo nomena mpiasa tsotra àry izy io, na nohanina toy ny mofo mahazatra. Tsy nanao ratsy anefa i Ahimeleka mpisorona, rehefa nanome ny mofo atolotra mba hohanin’i Davida sy ny olony.

Nanatanteraka asa manokana nampanaovin’i Saoly Mpanjaka azy i Davida tamin’io fotoana io, ary noana izy sy ireo niaraka taminy. Nataon’i Ahimeleka azo antoka fa nadio araka ny fomba fanao izy ireo. Noheverina ho tena fandikan-dalàna mantsy ny fihinanan’izy ireo an’ilay mofo. Nifanaraka tsara tamin’ny antony azo nampiasana ny mofo atolotra anefa ny zavatra nataon’izy ireo. Nanisy fiheverana an’izany i Ahimeleka, vao afaka nanao io zavatra naningana io. Io zava-nitranga io no nampiasain’i Jesosy Kristy mba hanazavana fa henjana loatra ny fomba nampiharan’ny Fariseo ny lalàna momba ny Sabata.—Matio 12:1-8.

Tsy midika anefa izany rehetra izany hoe azo atao ny mandika ny lalàn’Andriamanitra rehefa mihasarotra ny toe-javatra. Toa sahirana, ohatra, ny miaramila israelita rehefa niady tamin’ny Filistinina. Nilaza toy izao àry i Saoly Mpanjaka: “Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko.” Hoy ny Baiboly: “Izy ireo namely ny Filistina tamin’izany andro izany.” Reraka noho ny ady ny miaramila sady noana, ka ‘namono biby teo amin’ny tany, ary nohanin’ny olona mbamin’ny rany.’ (1 Samoela 14:24, 31-33) Nanota tamin’i Jehovah izy ireo satria nandika ny lalàna momba ny ra. Nilaza mantsy Andriamanitra fa tsy azo ampiasaina ny ra raha tsy ‘hanaovana fanavotana’ noho ny ota. Nanao zavatra nifanohitra tamin’izany izy ireo. (Levitikosy 17:10-12; Genesisy 9:3, 4) Namindra fo anefa i Jehovah ka nanaiky fanatitra manokana ho an’ireo nanota.—1 Samoela 14:34, 35.

Takin’i Jehovah ny hankatoavantsika ny lalàny amin’ny toe-javatra rehetra. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

[Sary, pejy 30]

Nasiana mofo atolotra vaovao tao amin’ny tranolay, isan-tsabata