Fotoan-dehibe Tokony Hotsarovana
Fotoan-dehibe Tokony Hotsarovana
FOTOAN-DEHIBE inona izany? Ny nahafatesan’ny lehilahy iray, efa ho 2 000 taona lasa izay. Hoy izy:“Afoiko ny aiko mba hahazoako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko fa izaho no mahafoy azy araka ny nahim-poko.” (Jaona 10:17, 18) I Jesosy Kristy izany lehilahy izany.
Nasain’i Jesosy nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany ho sorona ny mpianany. Antsoina koa hoe “ny sakafo harivan’ny Tompo” na “ny Fanasan’ny Tompo” io fotoana io. (1 Korintianina 11:20; Fandikan-teny Protestanta) Hankalaza io Fahatsiarovana io ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo namany, amin’ny alakamisy 24 Martsa 2005, aorian’ny filentehan’ny masoandro.
Amin’io fotoana io, dia hisy lahateny miorina amin’ny Baiboly hanazava ny dikan’ny mofo tsy misy lalivay sy ny divay mena. (Matio 26:26-28) Hamaly ireto fanontaniana ireto koa ilay lahateny: Isaky ny inona no tokony hankalazain’ny Kristianina io fotoan-dehibe io? Iza no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay? Iza no mandray soa avy amin’ny nahafatesan’i Jesosy? Hanampy ny rehetra hahatakatra ny zava-kendren’ny fiainan’i Jesosy sy ny fahafatesany, io fankalazana lehibe io.
Asaina amim-pitiavana ianao hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Mba anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao ny toerana sy ny ora marina hanaovana azy io.