Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Samoela Voalohany

TAONA 1117 T.K. tamin’izay, ary telonjato taona teo ho eo no lasa hatramin’ny nahazoan’i Josoa ny Tany Nampanantenaina. Nangataka zavatra hafahafa tamin’ny mpaminanin’i Jehovah, ny anti-panahin’ny Israely. Nivavaka momba izany ilay mpaminany, ary neken’i Jehovah ny fangatahan’izy ireo. Nifarana hatreo àry ny fe-potoana nisian’ny Mpitsara teo amin’ny Israely, ary nanomboka nitondra ny mpanjaka olombelona. Tantarain’ny bokin’ny Samoela Voalohany ireo zava-nitranga mampientam-po mifandray amin’io fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Israely io.

I Samoela sy Natana ary Gada no nanoratra ny Samoela Voalohany. Mahafaoka fe-potoana maharitra 102 taona izy io, nanomboka tamin’ny 1180 ka hatramin’ny 1078 T.K. (1 Tantara 29:29) Mpitondra efatra teo amin’ny Israely no tantaraina ao, ka mpitsara ny roa, ary mpanjaka ny roa hafa. Nankatò an’i Jehovah ny roa, fa tsy nankatò kosa ny sisa. Hitantsika ao koa ny ohatra tsara navelan’ny vehivavy roa, sy ny an’ny mpiady iray mahery nefa tsara fanahy. Mampianatra antsika lesona sarobidy momba izay fihetsika sy fanao tokony hotahafina na hohalavirina, ireny ohatra ireny. Afaka manan-kery eo amin’ny eritreritra sy ny ataontsika àry ny votoatin’ny Samoela Voalohany.—Hebreo 4:12.

MPITSARA NANDIMBY AN’I ELY I SAMOELA

(1 Samoela 1:1–7:17)

Tonga ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Faly be i Hana, izay nipetraka tany Rama. * Namaly ny vavaka nataony mantsy i Jehovah, ka tera-dahy izy. Natolony hanompo ‘tao an-tranon’i Jehovah’ i Samoela zanany, mba hanefany ny voadiny. “Nanao fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo anatrehan’i Ely mpisorona” ilay zaza. (1 Samoela 1:24; 2:11) Niresaka tamin’i Samoela i Jehovah, na dia mbola kely aza izy, ary nanameloka ny ankohonan’i Ely. Niaiky ny olon’ny Israely rehetra fa mpaminany i Samoela, rehefa nihalehibe izy.

Nanafika ny Israely ny Filistinina, tatỳ aoriana. Nobaboiny ny fiaran’Andriamanitra ary novonoiny izy mirahalahy zanak’i Ely. Maty i Ely be taona raha vao nandre ilay vaovao. “Efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.” (1 Samoela 4:18) Nampidi-doza ny Filistinina ny fananany ilay Fiara, ka naveriny tamin’ny Israelita. I Samoela izao no nitsara ny Israely, ary niadana ilay tany.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:10—Nahoana i Hana no nivavaka tamin’i Jehovah mba “hanome hery ny mpanjakany”, nefa tsy nisy mpanjaka olombelona teo amin’ny Israely? Efa nilaza mialoha ny Lalàn’i Mosesy fa hanana mpanjaka olombelona ny Israelita. (Deoteronomia 17:14-18) Hoy ny faminanian’i Jakoba, taloha kelin’ny nahafatesany: “Ny tehim-panjakana [manondro ny fahefan’ny mpanjaka] tsy hiala amin’i Joda.” (Genesisy 49:10) Hoy koa i Jehovah momba an’i Saraha, razamben’ny Israelita: “Hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.” (Genesisy 17:16) Nivavaka ho an’izay ho lasa mpanjaka àry i Hana.

3:3—Tena nandry tao amin’ny Masina Indrindra ve i Samoela? Tsia. Levita tsy mpisorona, zanakalahin’ny Kehatita, izy. (1 Tantara 6:18-23) Tsy nahazo ‘niditra hijery ny fitoerana masina’ àry izy. (Nomery 4:17-20) Ny kianjan’ny tranolay ihany no azon’i Samoela naleha tao amin’ny toerana masina. Tsy maintsy ho tao izy no natory. Toa natory tao amin’ilay kianja koa i Ely. Mazava àry fa manondro ny faritry ny tranolay ny teny hoe “izay nisy ny fiaran’Andriamanitra.”

7:7-9, 17—Any amin’ny toerana fidin’i Jehovah ihany no azo anolorana fanatitra ho azy. Nahoana anefa i Samoela no nanatitra fanatitra dorana tany Mizpa sy nanorina alitara tany Rama? (Deoteronomia 12:4-7, 13, 14; Josoa 22:19) Tsy niharihary tao amin’ny tranolay tany Silo intsony ny fanatrehan’i Jehovah, rehefa nesorina tao ny Fiara masina. Nanatitra fanatitra dorana tany Mizpa i Samoela, ary nanorina alitara tany Rama, satria izy no nisolo tena an’Andriamanitra. Toa nankasitrahan’i Jehovah ny zavatra nataony.

Lesona ho antsika:

1:11, 12, 21-23; 2:19. Modely ho an’ny vehivavy matahotra an’Andriamanitra i Hana. Tia nivavaka izy, nanetry tena, nankasitraka ny hatsaram-panahin’Andriamanitra, ary naneho ny tena fitiavan-dreny.

1:8. Tena fakan-tahaka i Elkana satria nampahery ny hafa tamin’ny teny! (Joba 16:5) Tsy nanameloka mihitsy ilay fanontaniana napetrany tamin’i Hana. Efa nalahelo be mantsy izy. Hoy i Elkana: “Nahoana no malahelo fo hianao?” Nandrisika an’i Hana hiresaka ny fihetseham-pony izany. Nanome toky ny amin’ny fitiavany i Elkana avy eo. Hoy izy: “Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?”

2:26; 3:5-8, 15, 19. Ho ‘tian’Andriamanitra sy ny olona’ isika, raha mazoto manatanteraka ny asa nasain’Andriamanitra ataontsika, mahay manararaotra ny fampiofanana antsika, ary manaja olona sy mahalala fomba.

4:3, 4, 10. Tsy voaro ny olona, na dia nataony ody fiaro aza ny zavatra masina, toy ny fiaran’ny fifanekena. Tsy maintsy ‘mitandrin-tena amin’ny sampy’ àry isika.—1 Jaona 5:21.

NAHOMBY VE ILAY MPANJAKA VOALOHANY TEO AMIN’NY ISRAELY?

(1 Samoela 8:1–15:35)

Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Samoela, nandritra ny androm-piainany. Tsy nanaraka ny toro lalan’Andriamanitra kosa ny zanany. Navelan’i Jehovah hanana mpanjaka olombelona ny Israely, rehefa nangataka izany ny anti-panahin’izy ireo. Nanaraka ny toromarik’i Jehovah i Samoela, ka nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka. Lehilahy tsara tarehy avy amin’ny taranak’i Benjamina izy. Vao mainka nanamafy ny toeran’i Saoly tamin’ny naha mpanjaka azy ny nandreseny ny Amonita.

Nandresy ny miaramila tao amin’ny tobin’ny Filistinina i Jonatana, lehilahy mahery, zanak’i Saoly. Tonga hiady tamin’ny Israely ny tafika lehiben’ny Filistinina. Raiki-tahotra i Saoly ka nanolotra fanatitra dorana, nefa fandikana ny fitsipik’i Jehovah izany. Be herim-po kosa i Jonatana, ka naka ny mpitondra fiadiany ary nanafika toby hafan’ny Filistinina. Tsy nandresy tanteraka anefa ny Israelita, noho ilay fianianana maimaika nataon’i Saoly. Voatery niady tamin’ny fahavalony rehetra ‘nanodidina’ azy izy. (1 Samoela 14:47) Tsy nankatò an’i Jehovah anefa izy rehefa avy nandresy ny Amalekita, ka naka tamin’ny zavatra ‘natokana’ horinganina. (Levitikosy 27:28, 29) Nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka i Saoly noho izany.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

9:9—Nahoana no tena ilaina ireo teny hoe “izay atao hoe ‘mpaminany’ ankehitriny no natao hoe ‘mpahita’ tany aloha”? Mety hidika izany fa nasolo ny teny hoe “mpahita” ny hoe “mpaminany.” Lasa nisongadina kokoa mantsy ny mpaminany, tamin’ny andron’i Samoela sy nandritra ny fotoana nisian’ny mpanjaka teo amin’ny Israely. Mety ho i Samoela no voalohany tamin’ireo mpaminany nifandimby.—Asan’ny Apostoly 3:24.

14:24-32, 44, 45—Nandika ny fianianan’i Saoly i Jonatana rehefa nihinana tantely. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ve izy noho izany? Toa tsy nahatonga an’i Jonatana tsy hankasitrahan’Andriamanitra iny zavatra nataony iny. Voalohany, tsy fantany ilay fianianana nataon-drainy. Nataon’i Saoly koa iny fianianana niteraka olana ho an’ny vahoakany iny, satria te hiseho ho be zotom-po izy, na te hampiseho ny fahefany. Ahoana moa no haneken’Andriamanitra ny fianianana toy izany? Tsy novonoina i Jonatana, na dia vonona hizaka ny vokatry ny nandikany ilay fianianana aza.

15:6—Nahoana i Saoly no tsara fanahy tamin’ny Kenita? Taranaky ny rafozan’i Mosesy ny Kenita. Nampian-dry zareo ny Israelita rehefa niala avy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Nomery 10:29-32) Niara-nonina nandritra ny fotoana kelikely tamin’ny taranak’i Joda koa ny Kenita, tao amin’ny tany Kanana. (Mpitsara 1:16) Nifandray tsara foana tamin’ny Israely izy ireo, na dia niara-nonina tamin’ny Amalekita sy firenen-kafa aza, tatỳ aoriana. Rariny àry raha tsy namono ny Kenita i Saoly.

Lesona ho antsika:

9:21; 10:22, 27. Nihevi-tena araka ny antonony i Saoly sady nanetry tena, tamin’izy lasa mpanjaka. Niaro azy tsy hanao zavatra maimaika izany, rehefa nisy “olona tena ratsy fanahy” tsy nanaiky ny naha mpanjaka azy. Tena miaro antsika tsy hanao zavatra tsy amim-piheverana ny toe-tsaina toy izany!

12:20, 21. Aza avela hampiala anao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny “zava-poana”, toy ny fatokisana olombelona, na ny herin’ny tafika, na ny sampy.

12:24. Mila ‘mieritreritra ireo zavatra lehibe nataon’i Jehovah’ ho an’ny vahoakany fahiny sy ankehitriny isika, raha te hanaja lalina azy foana.

13:10-14; 15:22-25, 30. Aza miana-kendry mihitsy, fa mitandrema mba tsy hanao asa mampiseho tsy fankatoavana na hanana fihetsika miavonavona.—Ohabolana 11:2.

ZAZALAHY MPIANDRY ONDRY NO VOAFIDY HO MPANJAKA

(1 Samoela 16:1–31:13)

Nanosotra an’i Davida avy amin’ny fokon’ny Joda ho mpanjaka, i Samoela. Taoriana kelin’izany, dia antsamotady fotsiny no namonoan’i Davida an’ilay Filistinina goavam-be atao hoe Goliata. Nanjary mpinamana be izy sy Jonatana. Nataon’i Saoly ho lehiben’ny miaramilany i Davida. Hoy ny hiran’ireo vehivavy israelita, noho ny fandresena maro azony: “Saoly nahafaty arivoarivo; fa Davida nahafaty alinalina.” (1 Samoela 18:7) Nialona azy i Saoly, ka nitady hamono azy. Intelo izy no nanao izany, ka tsy maintsy nandositra i Davida taorian’izay.

Nandritra ireo taona nandosirany dia indroa izy no afaka namono an’i Saoly, nefa tsy nanao izany. Nihaona tamin’i Abigaila tsara tarehy koa izy, ary nanambady azy tatỳ aoriana. Niantso vonjy tamin’i Jehovah i Saoly, rehefa tonga nanafika ny Israely ny Filistinina. Efa nahafoy azy anefa i Jehovah. Efa maty koa i Samoela. Very hevitra àry i Saoly ka nanatona olona mifandray amin’ny fanahy ratsy. Nilaza anefa io vehivavy io fa ho faty ao amin’ilay ady amin’ny Filistinina izy. Naratra mafy izy nandritra ilay ady, ary maty ireo zanany. Mifarana amin’ny nahafatesan’i Saoly ilay tantara. Mbola niafina i Davida tamin’izay.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

16:14—Inona ilay fanahy ratsy nampahatahotra an’i Saoly? Tsy voatery hanondro zavaboary ara-panahy ny teny hoe “fanahy”, araka ny fiteny tany am-boalohany. Mety hidika hoe toe-tsaina koa izy io. Tsy hety ho demonia mihitsy io “fanahy ratsy” io, satria lazaina fa avy tany amin’i Jehovah. Manondro ny toe-tsaina sy toe-po, izay nanosika an’i Saoly hanao ratsy, izy io. Tsy niaro an’i Saoly intsony ny fanahy masina rehefa nesorin’i Jehovah taminy, ka lasa nofehezin’ilay toe-tsaina ratsiny izy. Nantsoina hoe “fanahy ratsy avy tany amin’i Jehovah” izany toe-tsaina izany, satria navelan’Andriamanitra hisolo ny fanahiny masina.

17:55—Rehefa dinihina ny 1 Samoela 16:17-23, nahoana i Saoly no mbola nanontany hoe zanak’iza i Davida? Tsy ny anaran-drain’i Davida ihany no nanontanian’i Saoly tamin’izany. Azo antoka fa tiany ho fantatra koa ny toetran’ilay niteraka an’ilay zazalahy nahavita zavatra nahavariana, ka namono an’ilay goavam-be.

Lesona ho antsika:

16:6, 7. Tsy ho taitra noho ny bika aman’endrika fotsiny isika, na hitsara avy hatrany ny hafa, fa tokony hiezaka hanahaka ny fomba fijerin’i Jehovah.

17:47-50. Afaka ny ho be herim-po isika rehefa miatrika fanoherana na fanenjehana avy amin’ny fahavalo mampahatahotra mitovy amin’i Goliata. “An’i Jehovah [mantsy] ny ady.”

18:1, 3; 20:41, 42. Eo anivon’ireo tia an’i Jehovah no ahitana ny tena namana.

21:13, 14. Takin’i Jehovah ny hampiasantsika ny fahaiza-misaina sy ny fahaizantsika, rehefa miatrika zava-tsarotra isika. Nomeny antsika ny Teniny, izay manome fahendrena sy fahalalana ary fahaiza-misaina. (Ohabolana 1:4) Manampy antsika koa ny anti-panahy kristianina.

24:7; 26:11. Tena nanaja ny voahosotr’i Jehovah i Davida. Nanome ohatra tsara tokoa izy!

25:23-33. Fakan-tahaka ny fahendren’i Abigaila.

28:8-19. Afaka misandoka ho fanahin’ny olona iray ny fanahy ratsy, rehefa mikendry ny hamitaka na hanisy ratsy olona. Tokony hanalavitra ireo fifandraisana amin’ny fanahy ratsy isika.—Deoteronomia 18:10-12.

30:23, 24. Miorina amin’ny Nomery 31:27 io fanapahan-kevitra io, ary mampiseho fa tena ankasitrahan’i Jehovah ireo manampy eo anivon’ny fiangonana. Koa na inona na inona ataontsika, dia aoka ‘hataontsika amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.’—Kolosianina 3:23.

Inona no “tsara noho ny fanatitra”?

Izao no toro lalana fototra misongadina avy amin’ny tantaran’i Ely, Samoela, Saoly ary Davida: “Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy. Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima.”—1 Samoela 15:22, 23.

Tena voninahitra ho antsika tokoa ny mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra! Manome tari-dalana antsika i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany eto an-tany. Tsy maintsy manao araka izay fara herintsika isika mba hankatoavana azy ireny, rehefa manao sorona fiderana ho an’i Jehovah, dia ny “vokatry ny molotra.”—Hosea 14:3; Hebreo 13:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Hita ao amin’ny pejy 18-19 amin’ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa’, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo toerana voatonona ao amin’ny Samoela Voalohany.

[Sary, pejy 23]

Lasa niavonavona sy niana-kendry ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, nefa nihevi-tena araka ny antonony sy nanetry tena taloha

[Sary, pejy 24]

Inona no azontsika antoka rehefa miatrika fanoheran’ny fahavalo mampahatahotra mitovy amin’i Goliata isika?