Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manan-kery Amin’ny Olona Eran-tany i Jesosy

Manan-kery Amin’ny Olona Eran-tany i Jesosy

Manan-kery Amin’ny Olona Eran-tany i Jesosy

“AZON’I Jesosy nolazaina tao anatin’ny adiny roa monja, ny teniny rehetra hita ao amin’ny filazantsara”, hoy i Edgar Goodspeed, mpandika Baiboly. “Na izay fotsiny aza anefa dia tena nandrisika sy nampihetsi-po ny olona ary nisy vokany lalina teo amin’izy ireo. Izany no ahafahana milaza fa tsy nisy olona nanan-kery tamin’izao tontolo izao toa azy.” 

Lehilahy sy vehivavy 120, fara fahakeliny, no lasa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, rehefa nahavita ny fanompoany teto an-tany izy tamin’ny taona 33. (Asan’ny Apostoly 1:15) Olona roa arivo tapitrisa mahery ankehitriny no milaza ho Kristianina. An-jatony tapitrisa no mino fa mpaminany i Jesosy. Misy heriny lehibe eo amin’ny olona tokoa ny fampianarany.

Ny mpitondra tsy Kristianina koa aza miaiky fa misy heriny eo amin’ny olona eran-tany ny fampianaran’i Jesosy. Nanoratra toy izao, ohatra, i Hyman Enelow, mpitondra fivavahana jiosy: “Raha jerena ny tantaran’ireo fivavahana, dia hita fa i Jesosy no malaza indrindra, anaovana fikarohana be indrindra, ary manan-kery indrindra amin’ny olona. ... Iza tokoa moa no hahavita hitanisa ny zava-drehetra nataony ho an’ny olombelona? Tsy manan-tsahala ny zavatra nataony: Nahatonga ny olona haneho fitiavana sy hanao soa izy, nitondra fampiononana ho azy ireo, ary nanome fanantenana sy fifaliana. Maro ny olona tsara sy malaza, nefa tsy misy manintona sy manan-kery amin’ny olona eran-tany toa an’i Jesosy. Izy no olona mampiaiky indrindra eo amin’ny tantara.” Niteny toy izao kosa ilay mpitondra hindoa atao hoe Mohandas Gandhi: “Tsy mahalala olona nahavita soa betsaka ho an’ny olombelona toa an’i Jesosy aho. Tsy misy hokianina ny Kristianisma, raha ny marina, fa ny olana dia tsy mampihatra izay ampianarinareo akory ianareo Kristianina.”

Efa hatry ny ela tokoa ny Kristianisma Anarana no tsy nampihatra ny fampianaran’i Jesosy. Nilaza i Cecil Cadoux, mpahay tantara, fa “efa nanomboka tamin’ny taona 140 ny mpitondra fivavahana kristianina no nahamarika fa nihanilefitra tamin’ny fitondran-tena tsy mety ny Eglizy.” Hoy koa izy: “Tsy narahina akaiky toy ny taloha intsony ny fitsipi-pitondran-tena, ka tsy mahagaga raha ny fanaon’izao tontolo izao indray no narahina.”

Vao mainka tsy nanaraka fitsipi-pitondran-tena tsara ny olona tamin’ny taonjato fahefatra, rehefa niova ho Kristianina i Constantin, Mpanjaka Romanina. Hoy i Cadoux: “Tsikaritry ny mpahay tantara, ary nampalahelo ny sasany taminy mihitsy, fa voatery nampandefitra be ny fitsipiny ny Eglizy, noho ny fifanekena nataony tamin’i Constantin.” Nandritra ireo taonjato nanaraka izany, dia nanao zava-dratsy maro manala baraka ny anaran’i Kristy ny olona mitonona ho Kristianina.

Tokony hoeritreretintsika àry hoe: Inona marina no nampianarin’i Jesosy? Ary inona no tokony ho herin’ny fampianarany eo amintsika?

[Sary, pejy 3]

“Tsy mahalala olona nahavita soa betsaka ho an’ny olombelona toa an’i Jesosy aho.”—Mohandas Gandhi

[Sary, pejy 3]

“Tsy nisy olona nanan-kery tamin’izao tontolo izao toa azy.”—Edgar Goodspeed

[Sary nahazoan-dalana]

Culver Pictures