Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatsara ny Fiainany ny Tanora Midera An’i Jehovah

Manatsara ny Fiainany ny Tanora Midera An’i Jehovah

“Ny Famonjena Ahy dia Avy Amin’i Jehovah”

Manatsara ny Fiainany ny Tanora Midera An’i Jehovah

“TE HANKAFY tanteraka ny fiainana aho!”, hoy ny ankizilahy iray. Ahoana anefa no ahafahan’ny tanora mankafy tanteraka ny fiainana? Mazava ny valiny omen’ny Baiboly, manao hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.”—Mpitoriteny 12:1.

Tsy ny olon-dehibe ihany no tokony hidera sy hanompo an’i Jehovah. Mbola kely i Samoela zanakalahin’i Elkana sy Hana, tamin’izy nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tranolay. (1 Samoela 1:19, 20, 24; 2:11) Natoky tanteraka an’i Jehovah koa ny ankizivavy hebreo iray. Nilaza izy fa ho sitrana amin’ny habokany i Namàna, komandin’ny miaramilan’i Syria, raha mankany amin’i Elisa mpaminany. (2 Mpanjaka 5:2, 3) Mandidy ny zatovolahy sy ny zatovovavy hidera an’i Jehovah, ny Salamo 148:7, 12. * Tena nahaliana an’i Jesosy koa ny fanompoana an-dRainy, na dia vao 12 taona aza izy. (Lioka 2:41-49) Nampianarina ny Soratra Masina ny ankizilahy sasany, ka niantsoantso toy izao rehefa nahita an’i Jesosy tao amin’ny tempoly: “Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!”—Matio 21:15, 16.

Fiderana an’i Jehovah ankehitriny

Sarobidy amin’ny tanora maro Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra inoany, ka sahy miresaka momba izany izy ireo any am-pianarana sy any an-toeran-kafa. Ireto misy ohatra roa.

Mipetraka any Grande-Bretagne i Stephanie, 18 taona. Niresaka momba ny fanalana zaza sy ny fitondran-tena mety sy tsy mety ny kilasy nisy azy, indray mandeha. Nilaza ny mpampianatra azy fa efa eken’ny maro ny fanalana zaza ankehitriny, ka tsy misy antony tokony handavan’ny tovovavy izany. Niray hevitra taminy ny iray kilasy. Nieritreritra kosa anefa i Stephanie fa tokony harovany ny zavatra inoany avy ao amin’ny Baiboly. Afaka nanao izany izy, rehefa nanontany ny heviny ilay mpampianatra. Noresahiny izay lazain’ny Soratra Masina, na dia natahotahotra ihany aza izy tamin’ny voalohany. Nofintininy ny Eksodosy 21:22-24, ary nohazavainy fa raha tsy mety ny mandratra zaza any am-bohoka, dia mazava ho azy fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanalana zaza.

Mpiandry ao amin’ny fivavahana misy azy ilay mpampianatra, nefa mbola tsy namaky ireo andinin-teny ireo mihitsy. Afaka niresaka foto-kevitra maro nahaliana tamin’ny mpiara-mianatra taminy i Stephanie, noho ny fahasahiany. Mandray tsy tapaka ny nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izao ny ankizivavy iray. Nisy roa hafa koa nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hijery an’i Stephanie hatao batisa ho fampisehoana ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra.

Mipetraka any Suriname, any Amerika Atsimo, i Vareta, enin-taona. Nanararaotra nidera an’Andriamanitra izy, rehefa nila fampiononana avy tao amin’ny Soratra Masina ny mpampianatra azy. Tsy niasa nandritra ny telo andro ilay mpampianatra. Rehefa niverina izy, dia nanontaniany ny mpianany raha fantatr’izy ireo ny antony tsy niasany. Namaly izy ireo hoe: “Narary ianao e?” “Tsia”, hoy ilay mpampianatra, “maty ny rahavaviko, ary malahelo be aho. Koa tsy tokony hitabataba ianareo.”

Ny tolakandron’iny, dia namadibadika ireo gazety tranainy sy namaky ny lohatenin’izy ireo i Vareta, raha mbola natory kely ny reniny. Hitany ilay Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 2001, mitondra ny lohateny hoe “Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?” Notairiny ny reniny, sady nafana fo erỳ izy niteny hoe: “Neny a, Neny a, jereo! Ity misy gazety momba ny fahafatesana. Ilain’ny Madamanay ity!” Nalefa ho an’ilay mpampianatra àry ilay gazety, niaraka tamin’ny taratasy avy tamin’i Vareta. Izao no nosoratany tao: “Natao ho anao mihitsy ity. Hahita ny rahavavinao indray ianao any amin’ny Paradisa, satria tsy mandainga i Jehovah. Nampanantena izy fa hisy ny paradisa, ary tsy any an-danitra izy io fa eto an-tany.” Tena nankasitrahan’ilay mpampianatra ny fampiononana ara-baiboly hitany tao amin’ilay gazety.

Fanomanana ny hoavy

“Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ary iriny hifaly koa ny tanora. (1 Timoty 1:11) Hoy ny Teniny: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao.” (Mpitoriteny 11:9) Tsy ny ankehitriny ihany no hitan’i Jehovah, fa izay hiafaran’ny fitondran-tena tsara sy ratsy koa. Izany no mahatonga ny Teniny hampirisika ny tanora hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao.”—Mpitoriteny 12:1.

Tian’i Jehovah hankafy tanteraka ny fiainana sarobidy nomeny tokoa ny tanora. Hisy heviny sy hahafa-po ny fiainany, raha mahatsiaro sy midera an’Andriamanitra izy ireo. Tsy misalasala milaza toy izao izy ireo, na dia tojo zava-tsarotra aza: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.”—Salamo 121:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, Martsa/Aprily.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany, ... na ny zatovolahy, na ny zatovovavy.”—Salamo 148:7, 12

[Efajoro, pejy 8]

MANAMPY NY TANORA I JEHOVAH

“Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.”—Salamo 71:5.

‘[Andriamanitra] mahavoky soa ny vavanao; ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery.’—Salamo 103:5.