Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Heriny eo Aminao ve ny Fampianaran’i Jesosy Kristy?

Misy Heriny eo Aminao ve ny Fampianaran’i Jesosy Kristy?

Misy Heriny eo Aminao ve ny Fampianaran’i Jesosy Kristy?

MOA ve tsy misy heriny eo amin’ny olona eran-tany tokoa ny fampianaran’i Jesosy, araka ny hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha? Tokony hoeritreretintsika tsirairay anefa izao fanontaniana lehibe izao: “Misy heriny eo amiko ve ny fampianaran’i Jesosy?”

Nampianatra zavatra maro i Jesosy, ary mety hahasoa anao eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao izany. Nampianatra antsika hamaritra izay tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana izy. Natorony koa hoe ahoana no atao mba ho naman’Andriamanitra, hifandraisana tsara amin’ny olona, hamahana olana, ary hahaizana hifehy tena tsy hanao herisetra. Ireo no hodinihintsika izao.

Farito izay zava-dehibe indrindra

Lany fotoana sy hery be dia be ny olona ankehitriny, noho ny fiainana mirotoroto. Matetika àry no lasa ambanin-javatra ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny zavatra hafa mifandray amin’izany. Izany no nanjo ny tovolahy iray 20 taona, izay antsointsika hoe Jaona. Tia miresaka fivavahana izy, ary tena mankasitraka ny zavatra ianarany avy amin’izany. Nitaraina anefa izy hoe: “Tsy manam-potoana hiresahana momba izany matetika aho, satria miasa foana isan’andro afa-tsy ny alahady. Reraka loatra aho, rehefa mahavita ny zavatra tsy maintsy ataoko.” Raha izany koa no mahazo anao, dia hahasoa anao ny zavatra nampianarin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra.

Hoy izy tamin’ny olona nivory hihaino azy: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo. Tsy mihoatra noho ny sakafo ve ny aina ary ny vatana noho ny fitafiana? Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitahirizana ireny, nefa manome sakafo azy ny Rainareo any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo? ... Koa aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Matio 6:25-33) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tsy tokony hikarakara izay ilaintsika sy ny an’ny fianakaviantsika isika. Ny Baiboly aza milaza hoe: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1 Timoty 5:8) Nanome toky kosa i Jesosy fa homen’Andriamanitra izay ilaintsika, raha mamaritra izay zava-dehibe indrindra isika, ka ny fanompoana azy no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana. Ho sambatra isika raha manao izany, satria “sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Miezaha mba ho naman’Andriamanitra

Ny olona mahatsapa fa mila an’Andriamanitra dia miaiky fa mila miezaka hifandray tsara aminy. Ahoana tokoa moa no hifandraisana tsara amin’ny olona iray? Tsy miezaka hahafantatra azy tsara kokoa ve isika aloha? Tsy maintsy maka fotoana isika hahafantarana ny fomba fiheviny, ny toe-tsainy, ny zavatra hainy, ny zava-bitany, ary ny zavatra tiany sy tsy tiany. Izany koa no tokony hatao, mba ho naman’Andriamanitra. Ilaina ny mahafantatra ny marina momba azy. Hoy i Jesosy, rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra momba ny mpianany: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Mila miezaka hahafantatra an’Andriamanitra àry isika, raha te ho namany. Ny Teniny ihany no afaka manampy antsika hahafantatra azy. (2 Timoty 3:16) Noho izany, dia tsy maintsy manokana fotoana isika hianarana ny Soratra Masina.

Tsy ampy anefa ny fahalalana. Tao amin’ilay vavaka teo ihany, dia hoy i Jesosy momba ny mpianany: “Efa notandremany ny teninao.” (Jaona 17:6) Midika izany fa tsy ampy ny mianatra momba an’Andriamanitra, fa ilaina koa ny mampihatra izay ianarantsika. Ahoana moa no hahatonga antsika ho namany, raha tsy manao an’izany isika? Manantena hinamana amin’ny olona iray ve isika, raha minia manao zavatra mifanohitra amin’ny heviny sy ny toro lalana arahiny? Tokony hanaraka ny hevitr’Andriamanitra sy ny toro lalany foana àry isika amin’izay rehetra ataontsika. Diniho ny fomba azontsika ampiharana ny toro lalana roa nomeny, rehefa mifandray amin’ny olona isika.

Mahaiza mifandray amin’ny olona

Nilaza tantara fohy i Jesosy indray mandeha, mba hampitana lesona lehibe momba ny fifandraisana amin’ny olona. Nisy mpanjaka iray, hoy izy, nitaky ny trosany tamin’ny mpanompony. Nananany vola be ny iray tamin’izy ireo, nefa tsy nanana hamerenana an’ilay izy. Nasain’ilay mpanjaka namidy àry ilay mpanompo sy ny vady aman-janany, mba handoavana ilay trosa. Niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ary nitalaho hoe: “Mahareta re fa haloako avokoa ny volanao rehetra e!” Nangoraka azy ny tompony tamin’izay, ka nanafoana ny trosany. Rehefa nahita mpanompo iray hafa nananany vola kely anefa io lehilahy io, dia nitaky ny volany. Niangavy azy ilay mpanompo namany mba hiantra azy, nefa nalefany tany am-ponja mandra-pandoany ny trosany rehetra. Tezitra ilay mpanjaka rehefa nandre izany. Hoy izy: “Tsy mba tokony hiantra ny mpanompo namanao ... ve ianao, toy ny niantrako anao?” Nampidiriny am-ponja ilay mpanompo tsy nety niantra, mandra-pandoany ny trosany rehetra. Nampiana-javatra avy tamin’izany i Jesosy, ka niteny hoe: “Toy izany koa no hitondran’ny Raiko any an-danitra anareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”—Matio 18:23-35.

Manana kileman-toetra maro isika olombelona tsy lavorary. Manota amin’Andriamanitra isika, ka toy ny hoe ananany trosa be, izay tsy ho voaloantsika mihitsy. Tsy misy azontsika atao afa-tsy ny mangataka famelan-keloka. Vonona hamela ny fahadisoantsika rehetra i Jehovah Andriamanitra, raha mamela ny fahotan’ny rahalahintsika isika. Lesona mavesa-danja tokoa izany! Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao ny mpanara-dia azy: “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.”—Matio 6:12.

Alamino hatrany am-potony ny zava-manahirana

Nahalala tsara ny olombelona i Jesosy. Natorony antsika hoe mila alamina hatrany am-potony ny zava-manahirana. Ireto misy ohatra roa.

Hoy i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza tamin’ny olona fahiny hoe: ‘Aza mamono olona, fa na iza na iza mamono olona dia hampamoahina eo anatrehan’ny fitsarana.’ Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny, dia hampamoahina eo anatrehan’ny fitsarana.” (Matio 5:21, 22) Nasehon’i Jesosy fa ny toe-pon’ilay mpamono olona no tena fototry ny olana, fa tsy ilay herisetra nataony loatra. Tsy mikasa hanao herisetra mihitsy ny olona, raha sakanany tsy hitombo ao am-pony ny fahasosorana sy ny fahatezerana. Ain’olona maro tokoa no ho voatsimbina, raha arahina io fampianaran’i Jesosy io!

Niresaka momba ny fototry ny zava-manahirana iray hafa miteraka alahelo be koa i Jesosy. Hoy izy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady. Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.” (Matio 5:27-29) Nilaza i Jesosy fa ny fanirian-dratsy nahatonga ilay olona haloto fitondran-tena, no tena fototry ny olana. Raha mifehy tena tsy haniry zava-dratsy àry ny olona, sady ‘manaisotra’ izany ao an-tsainy, dia hisakana azy tsy haloto fitondran-tena izany.

“Avereno amin’ny toerany ny sabatrao”

Namoaka sabatra hiarovany an’i Jesosy ny mpianany iray, ny alina namadihana sy nisamborana azy. Nandidy azy anefa i Jesosy hoe: “Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mandray sabatra.” (Matio 26:52) Niteny toy izao tamin’i Pontio Pilato i Jesosy ny ampitson’iny: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Fahendrena ve ny mampihatra izany?

Nanaiky tsy hanao herisetra ve ny Kristianina voalohany, araka ny nampianarin’i Jesosy? Izao no voalaza ao amin’ilay boky hoe Ny Fiheveran’ny Kristianina Voalohany ny Ady (anglisy): “[Nampianarin’i Jesosy] fa fandikan-dalàna ny fanaovana herisetra sy fandratrana olona. Midika izany fa fandikan-dalàna koa ny fandraisana anjara amin’ny ady ... Nankatò tanteraka ny tenin’i Jesosy ny Kristianina voalohany, ary takany fa tokony ho tsara fanahy sy tsy hanao herisetra hanoherana ny hafa izy. Amin’izy ireo, dia midika hoe tsy miady ny hoe manaraka ny [Kristianisma]. Nanohitra tanteraka ny ady izy ireo, satria ain’olona maro no ripaka tamin’izany.” Ho hafa mihitsy ny tantara, raha nampihatra izany fampianarana izany ny olon-drehetra milaza ho Kristianina!

Mahasoa anao ny zava-drehetra nampianarin’i Jesosy

Tena mahafinaritra sy tsotra ary mavesa-danja, ny fampianaran’i Jesosy nodinihintsika teo. Handray soa ny olona, raha miezaka hahafantatra sy hampihatra ny fampianarany. *

Ho faly hanoro anao izay tokony hatao ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao, mba handraisanao soa avy amin’ireo fampianarana feno fahendrena ireo. Tena tsara raha manatona azy ireo ianao, na manoratra any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 2 amin’ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Hazavaina tsirairay ny fampianaran’i Jesosy rehetra, ao amin’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 5]

“Manome sakafo azy ny Rainareo any an-danitra”

[Sary, pejy 7]

Handray soa ianao raha mampihatra ny fampianaran’i Jesosy