Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!

Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!

Nandresy i Samsona Noho ny Herin’i Jehovah!

NAMALY faty ireo olona nisambotra azy, ka nanapotsitra ny masony sy nampanao asa an-terivozona azy. Nalaina tao am-ponja izy avy eo, ary nentina tao amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy mba hampialana voly ny vahoaka. Noterena handeha teo anoloan’ny olona an’arivony izy, ary natao fihomehezana. Tsy mpanao heloka bevava io voafonja io, na mpitari-tafika fahavalo. Mpanompon’i Jehovah kosa izy, ary mpitsara teo amin’ny Israely nandritra ny 20 taona.

I Samsona, ilay lehilahy natanjaka indrindra teto an-tany, no resahintsika eto. Nahoana izy no nalana baraka toy izany? Nahavonjy azy ve ny hery miavaka nananany? Inona no tena nahatonga azy hatanjaka be? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantarany?

‘Izy no hanomboka hamonjy ny Israely’

Imbetsaka ny zanak’Israely no niala tamin’ny fivavahana marina. Koa rehefa ‘nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray izy ireo, dia natolony teo an-tanan’ny Filistinina efapolo taona.’—Mpitsara 13:1.

Toy izao no niandohan’ny tantaran’i Samsona: Nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’ny vadin’i Manoa, lehilahy israelita. Nilaza ilay anjely fa hiteraka zazalahy io vehivavy momba io. Nandidy azy izy hoe: “Tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina.” (Mpitsara 13:2-5) Talohan’ny niforonan’i Samsona tao an-kibon-dreniny àry, dia efa nilaza i Jehovah fa homeny andraikitra manokana izy. Ho Nazirita izy raha vao teraka, izany hoe olona voafidy hanao fanompoana masina manokana.

“Izy no mahafinaritra ahy”

Nihalehibe i Samsona, ary “Jehovah nitahy azy.” (Mpitsara 13:24) Nanatona ny ray aman-dreniny izy indray andro, ary niteny hoe: “Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.” (Mpitsara 14:2) Eritrereto ange ny hatairan’izy ireo e! Tsy nanavotra ny Israely tamin’ireo mpampahory i Samsona, fa naniry hiditra ho fianakavian’izy ireo indray. Voararan’ny Lalàn’Andriamanitra koa ny manambady mpanompo sampy. (Eksodosy 34:11-16) Nanda ny fangatahan’i Samsona àry ny ray aman-dreniny, ka nanao hoe: “Moa tsy misy vehivavy va eto amin’ny zana-kavanao, na ato amin’ny fireneko rehetra, no dia mandeha maka vady any amin’ny Filistina tsy mifora hianao?” Nisisika ihany anefa i Samsona. Hoy izy: “Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.”—Mpitsara 14:3.

Nahoana io vehivavy filistinina io no ‘nahafinaritra’ an’i Samsona? Milaza ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong, fa tsy ‘ny hatsaran-tarehin’ilay vehivavy no nahafinaritra an’i Samsona. Nisy tanjona noeritreretiny hotratrarina kosa tamin’ny alalan’io vehivavy io.’ Inona izany tanjona izany? Milaza ny Mpitsara 14:4 fa “nitady izay hiadiany tamin’ny Filistina Izy.” Izany no nitiavan’i Samsona io vehivavy io. “Niantomboka nanindry azy” na nandrisika azy hanao zavatra ny fanahin’i Jehovah, rehefa lasa olon-dehibe izy. (Mpitsara 13:25) Ny fanahin’i Jehovah àry no nahatonga azy hangataka vady tsy Israelita, sady nanampy azy hanao ny asan’ny mpitsara teo amin’ny Israely. Nahavita namely ny Filistinina ve i Samsona? Andeha aloha hojerentsika ny fomba nanomezan’i Jehovah toky azy fa manohana azy izy.

Teny an-dalana ho any Timna, tanàna nisy ilay ho vadiny, i Samsona. Hoy ny Baiboly: “Nony tonga tao amin’ny tanimboaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. Dia nilatsaka tamin’i Samsona ny Fanahin’i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny.” Irery i Samsona fa tsy nisy nahita, rehefa niseho izany tanjany miavaka izany. Avy amin’i Jehovah ve izany hery izany, mba hanomezana toky an’i Samsona fa ho vitany ny andraikitry ny Nazirita nankininy taminy? Tsy mamaly izany ny Baiboly. Azo antoka anefa fa tsapan’i Samsona hoe tsy ny heriny samirery ilay izy, fa tsy maintsy ho avy tamin’Andriamanitra. Fantany àry fa afaka niantehitra tamin’i Jehovah izy, mba hanampy azy hanatontosa ilay asa niandry azy. Nampahery an’i Samsona ny fandreseny ilay liona, ary ‘nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra azy izy.”—Mpitsara 14:5-7.

“Nivily hizaha ny fatin’ilay liona” i Samsona, rehefa niverina mba hampakatra ny vadiny. “Nisy renitantely nivangongo sy tantely tao amin’ilay fatin’ny liona.” Notadidin’i Samsona izany, ary nataony ankamantatra tamin’ny lehilahy filistinina 30, nandritra ny fampakaram-badiny. Hoy izy: “Avy tao amin’ny mpihinana no nivoahan’ny hanina; ary avy tao amin’ny mahery no nivoahan’ny mamy.” Homen’i Samsona lobaka sy akanjo 30 izy ireo, raha mahavaly ilay ankamantatra. Raha tsy izany, dia izy ireo no hanome izany ho an’i Samsona. Sahiran-tsaina tamin’ilay ankamantatra ireo Filistinina nandritra ny telo andro. Farany, dia norahonan’izy ireo ny vadin’i Samsona tamin’ny andro fahefatra, ka nilazany hoe: “Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin’ny afo hianao sy ny ankohonan-drainao.” Haratsiam-panahy re izany! Ny olona iray firenena taminy aza nataon’ny Filistinina toy izany, ka alao sary an-tsaina ange ny fahorian’ny Israelita e!—Mpitsara 14:8-15.

Raiki-tahotra ravehivavy, ka nanery an’i Samsona hilaza ny valin’ilay ankamantatra. Nambarany avy hatrany tamin’ireo Filistinina izany avy eo, satria tsy tena tia an’i Samsona izy sady nivadika taminy. Voavalin’izy ireo àry ilay ankamantatra, ary fantatr’i Samsona ny nahatonga izany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko hianareo, dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.” Tonga amin’izay ny fotoana efa nandrasan’i Samsona. ‘Nilatsaka taminy ny Fanahin’i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telopolo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ireo ka nomeny ho an’izay nilaza ny fampanonona.’—Mpitsara 14:18, 19.

Naniry hamaly faty ve i Samsona matoa nanao izany? Tsia. Asan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ilay mpanafaka voafidiny izany. Nanomboka niady tamin’ireo mpampahory ny vahoakany i Jehovah tamin’ny alalan’i Samsona, ary tsy maintsy notohizina izany. Afaka namely ny Filistinina indray i Samsona, rehefa nandeha nitsidika ny vadiny.

Niady irery i Samsona

Rehefa tafaverina tany Timna i Samsona dia hitany fa nampanambadian’ny rafozany lehilahy hafa ny vadiny. Nihevitra mantsy io rafozany io fa nankahala ny vadiny izy. Tezitra àry i Samsona. Nisambotra fosa 300 izy, ary nampifamatorany tsiroaroa izy ireo, sady nasiany fanilo nirehitra teo anelanelan’ny rambony. Navotsony izy ireo avy eo, ka nandoro ny saha sy ny tanimboaloboka ary ny tanin’olivan’ny Filistinina. Simba tanteraka ny vokatra nantenain’izy ireo tamin’io taona io. Romotra izy ireo ka nanao habibiana. Nodorany ny vadin’i Samsona sy ny rafozany, satria noheveriny fa izy ireo no fototry ny fahavoazany. Nohararaotin’i Samsona izany valifaty naharikoriko izany, mba hanatratrarany ny tanjony. Nanafika azy ireo izy ka nahafaty olona be dia be.—Mpitsara 15:1-8.

Takatr’ireo Israelita ve fa nitahy an’i Samsona i Jehovah Andriamanitra, ka niray hina taminy izy ireo mba hamarana ny fanjanahan’ny Filistinina? Tsy izany mihitsy. Tsy te hahita olana ny lehilahy tao Joda, ka naniraka lehilahy 3 000 mba hisambotra ilay mpitarika nofidin’Andriamanitra, ary hanolotra azy amin’ny fahavalony. Afaka namely ny fahavalony indray anefa i Samsona, noho izany fivadihan’ny Israelita izany. Tamin’izy andeha hatolotra ny Filistinina, dia ‘nilatsaka taminy ny Fanahin’i Jehovah, ka tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tanany ny fatorana.’ Naka valanoranom-boriky izy avy eo, ary novonoiny tamin’iny ny arivo tamin’ny fahavalony.—Mpitsara 15:10-15.

Nitaraina tamin’i Jehovah izy hoe: “Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ny tànan’ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ny tsy mifora!” Ren’i Jehovah izany vavak’i Samsona izany ary novaliany. “Nampitresahin’Andriamanitra ilay fitoerana hoboka ..., ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona izy.”—Mpitsara 15:18, 19.

Ny hiady tamin’ny Filistinina ihany no masaka tao an-tsain’i Samsona, satria izay no tanjony. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny mpivaro-tena iray tany Gaza izy, mba hahafahany hiady amin’ny fahavalon’Andriamanitra. Tsy nisy trano hatoriana izy tamin’io alina io, afa-tsy tany an-tranon’ny mpivaro-tena. Tany amin’ny tanànan’ny fahavalo mantsy no nisy azy. Tsy nikasa ny haloto fitondran-tena akory izy. Niala tao an-tranon’ilay vehivavy izy tamin’ny misasakalina. Nongotany ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolana roa, ary nentiny 60 kilaometatra niala teo, tany an-tampon’ny tendrombohitra iray akaikin’i Hebrona. Nankasitraka izany i Jehovah matoa nanome hery azy.—Mpitsara 16:1-3.

Hafakely ny fomba niasan’ny fanahy masina tamin’i Samsona, noho ny toe-javatra tsy nahazatra nisy azy. Afaka miantehitra amin’io fanahy io koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, mba hanatanjaka azy ireo. Nanome toky ny mpanara-dia azy i Jesosy, fa “hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy” i Jehovah.—Lioka 11:13.

Nahoana no ‘niala tamin’i Samsona’ i Jehovah?

Nanjary raiki-pitia tamin’ny vehivavy atao hoe Delila i Samsona. May ny hamono an’i Samsona ireo mpanjaka filistinina dimy mpiray dina, ka nangataka ny fanampian’i Delila. Nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: “Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran’ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy.” Nampanantena hanome tsolotra “sekely zato amby arivo” avy ireo mpanjaka dimy.—Mpitsara 16:4, 5.

Tena vola be izany sekely volafotsy 5 500 izany. Sekely 400 no nividianan’i Abrahama ny tany nandevenana ny vadiny, ary 30 monja ny vidin’ny andevo iray. (Genesisy 23:14-20; Eksodosy 21:32) Israelita angamba i Delila, matoa notambazan’ireo mpanjaka filistinina vola, fa tsy nampirisihiny hanampy azy noho ny fitiavan-tanindrazana. Nanaiky ilay fangatahana i Delila, na izany na tsy izany.

Intelo i Samsona no namitaka an’i Delila rehefa nanontaniany, ary intelo i Delila no namadika azy ka nanolotra azy tamin’ny fahavalony. “Rehefa nitorikisina taminy isan-andro [anefa] ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.” Nilaza ny marina i Samsona tamin’ny farany. Nambarany fa mbola tsy notapahina mihitsy ny volony, ary hiala aminy ny heriny raha tapahina izy io, ka ho tahaka ny olona rehetra izy.—Mpitsara 16:6-17.

Izay no nahalavo an’i Samsona. Nofetsen’i Delila izy avy eo mba hahafahany hanaratra ny volony. Tsy tao amin’ny volony anefa, raha ny marina, no nisy ny herin’i Samsona. Mariky ny fifandraisany manokana tamin’Andriamanitra izy io, tamin’ny naha Nazirita azy. ‘Niala taminy [àry] i Jehovah’, rehefa nanao zavatra nahatonga azy tsy ho Nazirita intsony izy. Noharatana mantsy ny volony. Tsy nahatohitra ireo Filistinina intsony izy avy eo. Nopotsirin’izy ireo ny masony, ary nogadrainy izy.—Mpitsara 16:18-21.

Tena andraisantsika lesona lehibe izany! Tokony hoheverintsika ho tena sarobidy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mbola manantena ny hotahiny ve isika, raha manao zavatra mifanohitra amin’ny fanoloran-tenantsika ho azy?

‘Aoka hiara-maty amin’ny Filistinina aho’

Dibo-kafaliana sy nisaotra an’i Dagona andriamaniny ireo Filistinina, satria resy i Samsona. Nentiny tao amin’ny tempolin’i Dagona izy, mba ho fankalazana ny fandreseny. Fantatr’i Samsona anefa ny tena anton’ny fahalavoany. Fantany hoe nahoana i Jehovah no niala taminy, ary nibebaka izy noho ny tsy nety nataony. Naniry be indray ny volony tamin’izy tany am-ponja. Inona àry no nataony rehefa teo anatrehan’ny Filistinina an’arivony izy?

Nivavaka izy hoe: “Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin’ny masoko roa.” Niankina tamin’ireo andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano izy avy eo, ary natosiny mafy izany. Inona no vokany? “Nianjera tamin’ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin’ny andro niainany.”—Mpitsara 16:22-30.

Tsy nisy tokoa olona natanjaka noho i Samsona. Tena niavaka ny zava-bitany. Ny tena zava-dehibe anefa, dia resahin’ny Tenin’i Jehovah fa anisan’ny olona nanana finoana natanjaka i Samsona.—Hebreo 11:32-34.

[Sary, pejy 26]

Inona no nahatonga an’i Samsona hatanjaka be?