Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Pima” Iray Manaporofo fa Marina ny Baiboly

“Pima” Iray Manaporofo fa Marina ny Baiboly

“Pima” Iray Manaporofo fa Marina ny Baiboly

INDRAY mandeha ihany no hita ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany ny teny hoe “pima.” Tsy maintsy nandranitra ny fitaovany vy tany amin’ny mpanefy filistinina ny Israelita, tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. Milaza ny Baiboly fa “[pima iray no sarany naloa, TV ] handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.”—1 Samoela 13:21.

Fa inona ny pima? Tsy fantatra mihitsy izy io hoe vato mizana, raha tsy tamin’ny 1907. Tamin’izay mantsy vao nisy pima iray hita tany ambanin’ny tany, tao amin’ny tanànan’i Gazera fahiny. Sahirana ireo mpandika Baiboly taloha nitady ny dikan’io teny io. Izao, ohatra, no ilazan’ny Fandikan-teny Protestanta ny 1 Samoela 13:21: “Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.”

Fantatry ny manam-pahaizana ankehitriny, fa vato mizana milanja 7,82 grama eo ho eo ny pima. Izy io dia tokotokony ho roa ampahatelon’ny sekely, lanja nampiasain’ny Hebreo. Vakivakim-bolafotsy milanja iray pima no naloan’ny Israelita tamin’ny Filistinina, mba handranitana ny fitaovany. Tsy nampiasaina teo amin’ny fandanjana intsony ny sekely, rehefa rava ny fanjakan’i Joda sy Jerosalema renivohiny, tamin’ny 607 T.K. Nahoana àry ny pima no manaporofo fa marina ny voalaza ao amin’ny soratra hebreo?

Milaza ny manam-pahaizana sasany, fa nosoratana tamin’ny andron’ny Grika sy ny Romanina ny Soratra Hebreo, anisan’izany ny bokin’ny Samoela Voalohany. Nanambara mihitsy aza izy ireo fa tamin’ny taonjato faharoa na voalohany T.K. no nanoratana azy io. Lazain’izy ireo àry fa ‘tsy marina ny Soratra Hebreo, ka tsy hanampy firy na tsy hanampy mihitsy ny mpamaky mba hahafantatra hoe nanao ahoana marina izany “Israely fahiny” resahin’ny Baiboly izany. Ny Jiosy sy ny Kristianina mantsy no namorona an’io Israely fahiny io.’

Niresaka momba ilay pima ao amin’ny 1 Samoela 13:21 anefa i William Dever, mpampianatra momba ny arkeolojian’ny Proche-Orient. Hoy izy: “Tsy azo inoana hoe ‘noforonin’ny’ mpanoratra tamin’ny andron’ny Grika sy ny Romanina [ny pima]. Efa tsy nampiasaina intsony nandritra ny taonjato maro mantsy io lanja io tamin’izany fotoana izany, sady efa hadino. Raha ny marina, dia tsy nazava io andinin-teny io, raha tsy tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Hita tany ambanin’ny tany tamin’izay, [ny vato mizana] voalohany nisy teny hebreo hoe pîm.” Hoy koa i Dever: “Nahoana àry no hita ao amin’ny Baiboly hebreo io resaka [momba ny pima] io, raha ‘noforonina’ tamin’ny andron’ny Grika sy ny Romanina daholo ny tantara ao amin’ny Baiboly? Marina aloha fa mety hisy hilaza hoe ‘tsipirian-javatra fotsiny’ ny pîm. Marina izany, nefa fantatry ny rehetra fa ‘anisan’ny tantara ny tsipirian-javatra.’ ”

[Sary, pejy 29]

Tokotokony ho roa ampahatelon’ny sekely ny pima