‘Tahaka ny Vatosoa Mena’
‘Tahaka ny Vatosoa Mena’
NAHAZO fahitana momba ny seza fiandrianana be voninahitra any an-danitra ny apostoly Jaona. “Tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena” no fahitany an’ilay nipetraka teo amboniny. (Apokalypsy 4:2, 3) Inona ireo vato ireo?
Tsy vato matevina manjelatra avy etỳ ivelany izy ireo. Nampiasaina mba hanondroana vato samy hafa loko ilay teny grika nadika hoe “jaspa”, fahiny. Anisan’izany ireo vatosoa sarobidy mangarahara. “Azo antoka fa tsy ilay vato jaspa mora vidy ankehitriny” ilay “vato jaspa” ao amin’ny Apokalypsy 4:3, araka ny voalazan’i A. Robertson tao amin’ilay boky hoe Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy). Tatỳ aoriana dia nilazalaza ny amin’i Jerosalema, tanàna any an-danitra, i Jaona, ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Hoy izy: “Toy ny vatosoa faran’izay tsara ny famirapiratany, dia tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly.” (Apokalypsy 21:10, 11) Toa ireo vato tantera-pahazavana no noresahin’i Jaona teo.
I Jehovah Andriamanitra no nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana, tao amin’ilay fahitan’i Jaona. Izy no be voninahitra sy madio ary masina indrindra eo amin’izao rehetra izao. Izany no nanoratan’ny apostoly Jaona hoe: “Andriamanitra dia fahazavana, ka tsy ao anatin’ny haizina mihitsy izay tafaray aminy.” (1 Jaona 1:5) Nampirisika ireo mpiray finoana taminy àry i Jaona, mba ‘hanadio ny tenan’izy ireo, ka hadio tahaka an’i Jehovah.’—1 Jaona 3:3.
Inona no tsy maintsy ataontsika mba hiheveran’Andriamanitra antsika ho madio? Tena zava-dehibe ny inoantsika ny ran’i Kristy, raha tiantsika ny hamelana ny fahotantsika. Tsy maintsy “mandeha ao amin’ny mazava” foana koa isika, ka mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy miaina mifanaraka amin’ny fampianaran’izy io.—1 Jaona 1:7.