Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Velona ho An’ny Tenantsika Intsony Isika

Tsy Velona ho An’ny Tenantsika Intsony Isika

Tsy Velona ho An’ny Tenantsika Intsony Isika

“Maty ho an’ny rehetra [i Kristy], mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona.”—2 KORINTIANINA 5:15.

1, 2. Tsy tia tena ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Inona ilay didy ao amin’ny Soratra Masina nanosika azy ireo hanao izany?

ALINA talohan’ny nahafatesan’i Jesosy tamin’izay, ary hanome ny ainy ho an’izay hino azy izy, rehefa afaka ora vitsivitsy. Niresaka zava-dehibe maromaro tamin’ny apostoliny nahatoky izy, tamin’io alina io. Anisan’izany ny nandidiany azy ireo hanana toetra tsara iray, mba ho marika hamantarana ny mpanara-dia azy. Hoy izy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:34, 35.

2 Tokony hifaneho fitiavana feno fahafoizan-tena ny tena Kristianina, ary hitady izay hahasoa ny mpiray finoana aminy, alohan’ny an’ny tenany. Tsy tokony hisalasala ‘hahafoy ny ainy ho an’ny namany’ izy ireo. (Jaona 15:13) Nankatò ilay didy vaovao ve ny Kristianina voalohany? Izany tokoa. Mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa i Tertullien. Naveriny tao amin’ilay bokiny malaza hoe Fanamarinana (anglisy), izay nolazain’ny olona momba ny Kristianina, manao hoe: ‘Jereo fa mifankatia tokoa izy ireo, ary vonona ny ho faty ho an’ny namany mihitsy aza.’

3, 4. a) Nahoana isika no tsy tokony ho tia tena? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Tsy maintsy ‘mifampitondra foana izay mavesatra’ koa isika, ka ‘hanatanteraka amin’izany ny lalàn’i Kristy.’ (Galatianina 6:2) Ny fitiavan-tena anefa no anisan’ny sakana lehibe indrindra tsy hankatoavantsika ny lalàn’i Kristy. Izy io koa no mahatonga antsika tsy ho ‘tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny tenantsika ary ny saintsika manontolo’, sy tsy ho ‘tia ny namantsika tahaka ny tenantsika.’ (Matio 22:37-39) Tsy lavorary isika, ka mirona ho tia tena. Efa ao amintsika io toetra io raha vao teraka isika. Vao mainka mampitombo azy io anefa ny adin-tsaina eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fifaninanan’ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa, ary ny ady mafy atao mba hahitana vola ampy hivelomana. Tsy nihalefy io fironan-dratsy io, satria efa nilaza ny apostoly Paoly hoe: “Any aoriana any dia ... ho tia tena ny olona.”—2 Timote 3:1, 2, Fandikan-teny Katolika.

4 Nilaza fomba handresena ny fitiavan-tena i Jesosy, teo antenatenan’ny fanompoany teto an-tany. Misy dingana telo amin’izy io. Inona moa izany, ary ahoana no handraisantsika soa avy amin’ny toromarika nomeny?

Fomba mandaitra!

5. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany rehefa nitory tany avaratr’i Galilia izy, ary nahoana izany no nampalahelo azy ireo?

5 Nitory tany akaikin’i Kaisaria-Filipo, tany avaratr’i Galilia, i Jesosy. Tsara sady nahafinaritra ilay faritra, ka toa nety kokoa hialana voly, fa tsy hianarana momba ny fandavan-tena. Tany anefa i Jesosy no nanomboka nilaza tamin’ny mpianany, fa “tsy maintsy mankany Jerosalema izy, ary hampijalin’ny anti-panahy sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka hovonoina ho faty ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.” (Matio 16:21) Tsy maintsy ho tena nampalahelo ny mpianany izany teniny izany! Nanantena mantsy izy ireo talohan’izay, fa hanorina ny Fanjakany eto an-tany ilay Mpitarika azy.—Lioka 19:11; Asan’ny Apostoly 1:6.

6. Nahoana i Jesosy no niteny mafy an’i Petera?

6 Avy hatrany dia “nentin’i Petera hihataka kely [i Jesosy] ary noteneniny mafy hoe: ‘Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô. Tsy ho izany mihitsy no hiafaranao.’ ” Inona no navalin’i Jesosy? “Nihodina izy ka niteny tamin’i Petera hoe: ‘Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina ahy ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.’ ” Tsy nitovy mihitsy ny toe-tsain’izy ireo! Nasain’Andriamanitra hahafoy tena i Jesosy. Nekeny an-tsitrapo izany, ka ho faty eo amin’ny hazo fijaliana izy rehefa afaka volana vitsivitsy. Izay hananana fiainana mampiadana kosa no natoron’i Petera. Hoy izy: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao.” Tsy isalasalana fa tsara fikasa i Petera. Niteny mafy azy ihany anefa i Jesosy, satria nanaiky ho voataonan’i Satana izy tamin’io fotoana io, ka ‘tsy ny hevitr’Andriamanitra no noeritreretiny, fa ny an’ny olona.’—Matio 16:22, 23.

7. Inona no tokony hataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy, araka ny Matio 16:24?

7 Mandre teny mitovy amin’izay nolazain’i Petera isika ankehitriny. Matetika ny olona eo amin’izao tontolo izao no mampirisika hoe: ‘Ataovy izay mampifalifaly anao’, na hoe ‘ataovy izay tsy manahirana anao.’ Samy hafa tanteraka amin’izany kosa ilay toe-tsaina nasain’i Jesosy hananantsika. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Matio 16:24) Hoy ny boky Fanazavana Vaovao Momba ny Baiboly (anglisy): “Tsy manasa ny olona eny ivelany ho tonga mpianatra ireo teny ireo, fa mampirisika ireo efa namaly ny antson’i Kristy kosa mba hisaintsaina momba ny dikan’ny hoe mpianany.” Ny mpino àry no tokony hanaraka ireo dingana telo noresahin’i Jesosy, tao amin’io andininy io. Andeha hodinihintsika tsirairay izy ireo.

8. Hazavao ny dikan’ny hoe mandà tena.

8 Voalohany, tsy maintsy mandà tena isika. Ny teny grika nadika hoe ‘mandà tena’ dia midika hoe vonona hanohitra ny filana, na izay tiana hatao. Tsy midika fotsiny izany hoe mahafoy fahafinaretana sasany, na mampijaly tena, na manimba tena. ‘Tsy antsika intsony [mantsy] ny tenantsika’, izany hoe i Jehovah no avelantsika hifehy tanteraka ny fiainantsika manontolo sy izay rehetra momba azy io. (1 Korintianina 6:19, 20) Tsy ho tia tena isika, fa hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra kosa. Ny hoe mandà tena àry dia midika hoe tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, na dia mety hifanohitra amin’izay tiantsika hatao aza izany. Ny fanoloran-tena sy batisa no anaporofoantsika fa nanokan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika. Miezaka mafy isika avy eo mba hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika, mandritra ny androm-piainantsika. 

9. a) Nidika ho inona ny hazo fijaliana, tamin’i Jesosy teto an-tany? b) Ahoana no hitondrantsika ny hazo fijaliantsika?

9 Faharoa, tsy maintsy mitondra ny hazo fijaliantsika isika. Nidika ho fampahoriana sy fampietrena ary fahafatesana ny hazo fijaliana, tamin’ny taonjato voalohany. Ny jiolahy ihany, raha ny tena izy, no novonoina teo amin’izy io, na nahantona teo ny fatiny. Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teny ireo, fa tsy maintsy mivonona hiatrika fanenjehana, fanaovana tsinontsinona, na fahafatesana mihitsy aza ny Kristianina, noho izy tsy anisan’izao tontolo izao. (Jaona 15:18-20) Mampiavaka antsika amin’ny olon-kafa ny fitsipika kristianina arahintsika. Mety ‘hanevateva antsika’ àry ny olona eo amin’izao tontolo izao. (1 Petera 4:4) Mety hitranga izany any am-pianarana, any am-piasana, na eo anivon’ny fianakaviana mihitsy aza. (Lioka 9:23) Vonona hiaritra fanaovana tsinontsinona anefa isika, satria tsy miaina ho an’ny tenantsika intsony. Hoy i Jesosy: “Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra.” (Matio 5:11, 12) Ny fankasitrahan’Andriamanitra àry no zava-dehibe indrindra amintsika.

10. Inona no atao hoe manaraka an’i Jesosy mandrakariva?

10 Fahatelo, nilaza i Jesosy Kristy fa tsy maintsy manaraka azy mandrakariva isika. Ny hoe manaraka dia midika hoe “miray lalana” na miara-dia, araka ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy) nataon’i W. Vine. Hoy ny 1 Jaona 2:6: “Izay milaza fa tafaray foana amin[’Andriamanitra], dia tsy maintsy mandeha hatrany toy izay nandehanan’i Jesosy Kristy koa.” Ahoana no nandehanan’i Jesosy? Tia ny Rainy any an-danitra izy sady tia ny mpianany, ka tsy tia tena. Hoy i Paoly: ‘Tsy nanao izay nahafaly ny tenany i Kristy.’ (Romanina 15:3) Noheverin’i Jesosy ho zava-dehibe kokoa noho ny azy ny zavatra nilain’ny olona, na dia tamin’izy noana sy reraka aza. (Marka 6:31-34) Niezaka mafy koa izy mba hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. Tokony hanahaka azy àry isika, ka hazoto hanatanteraka ny asa nanirahana antsika, dia ny ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, sy hampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy.’ (Matio 28:19, 20) Nanome modely ho antsika i Kristy tamin’izany rehetra izany, ka tsy maintsy ‘manaraka tsara ny diany’ isika.—1 Petera 2:21.

11. Nahoana isika no mila mandà tena sy mitondra ny hazo fijaliantsika ary manaraka an’i Jesosy Kristy mandrakariva?

11 Tena ilaintsika àry ny mandà tena sy mitondra ny hazo fijaliantsika ary manaraka ilay Modelintsika mandrakariva. Ny fanaovantsika izany ihany no fomba mandaitra handresena ny fitiavan-tena, izay misakana antsika tsy haneho fitiavana feno fahafoizan-tena. Hoy koa i Jesosy: “Izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa dia hahazo azy. Inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny ainy? Sa inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?”—Matio 16:25, 26.

Tsy mahay manompo tompo roa isika

12, 13. a) Inona no nahatonga ilay tovolahy hangataka torohevitra tamin’i Jesosy? b) Inona no torohevitra nomen’i Jesosy azy, ary nahoana?

12 Nantitranterin’i Jesosy fa tokony handa tena ny mpianany. Volana vitsivitsy taorian’izay, dia nanatona azy ny tovolahy mpanankarena iray, ary nilaza hoe: “Mpampianatra ô, inona no tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?” Nilaza taminy i Jesosy mba ‘hitandrina hatrany ny didy.’ Nanonona vitsivitsy tamin’ireny izy avy eo. Hoy ilay tovolahy: “Efa notandremako avokoa izany rehetra izany.” Toa tso-po izy sady nanao izay vitany mba hankatoavana ny didy tao amin’ny Lalàna. Nanontany àry izy hoe: “Inona no mbola tsy ampy amiko?” Fanasana manokana no navalin’i Jesosy azy, ka hoy izy: “Raha te ho lavorary [na feno] ianao, dia mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.”—Matio 19:16-21.

13 Nibahan-toerana teo amin’ny fiainan’ilay tovolahy ny fananany. Hitan’i Jesosy àry fa mila mamoy izany izy, raha te hanompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo. Tsy mahay manompo tompo roa ny tena mpianatr’i Kristy. “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena” izy. (Matio 6:24) Tokony hanana ‘maso tsotra’ mifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy. (Matio 6:22) Mitaky fandavan-tena ny hoe mamoy ny fananana sy manome izany ho an’ny mahantra. Notoloran’i Jesosy tombontsoa sarobidy ilay tovolahy, ho takalon’ny famoizany ny fananany. Ho afaka hanangona harena any an-danitra izy, ka hiaina mandrakizay sy hiara-manjaka amin’i Kristy. Tsy vonona ny handa tena anefa ilay tovolahy. ‘Lasa tamin’alahelo izy, satria maro ny fananany.’ (Matio 19:22) Tsy toy izany kosa no fihetsiky ny mpanara-dia an’i Jesosy hafa.

14. Ahoana no nataon’ireo mpanjono efatra, rehefa nasain’i Jesosy hanara-dia azy izy ireo?

14 Efa nanasa an’i Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona toy izany koa i Jesosy, roa taona teo ho eo talohan’izay. Mpanjono izy ireo, ary teo am-panjonoana ny roa tamin’izay fotoana izay, fa ny hafa kosa sahirana nanamboatra ny haratony. Hoy i Jesosy taminy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” Namela ny asany izy efa-dahy, ary nanaraka an’i Jesosy nandritra ny androm-piainan’izy ireo.—Matio 4:18-22.

15. Inona avy no tsy maintsy nafoin’ny Vavolombelona iray mba hanarahana an’i Jesosy?

15 Kristianina maro ankehitriny no nanahaka ireo mpanjono efatra, fa tsy ilay tovolahy mpanankarena. Nafoin’izy ireo ny harena sy laza eto amin’ity tontolo ity, mba hanompoana an’i Jehovah. Hoy i Deborah: “Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra lehibe aho, tamin’izaho 22 taona.” Hoy izy nanazava izany: “Nianatra Baiboly nandritra ny enim-bolana teo ho eo aho, ary naniry hanolo-tena ho an’i Jehovah. Nanohitra be anefa ny fianakaviako. Mpanankarem-be ry zareo, ka nihevitra fa hahamenatra azy ny fahatongavako ho Vavolombelona. Nomen-dry zareo 24 ora aho, hanapahana hevitra ny amin’izay tiako, na ny fiainana mampiadana na ny fahamarinana. Hanary ahy tsy ho mpandova ry zareo, raha mbola mifandray amin’ny Vavolombelona aho. Nanampy ahy hanapa-kevitra tsara anefa i Jehovah, ary nanome hery ahy hanatanterahako izany. Efa 42 taona izao no nanompoako manontolo andro, ary tsy manenina mihitsy aho. Hitako fa tsy sambatra ny fianakaviako, sady tsy misy zava-kendrena ny fiainany. Afaka tamin’izany anefa aho, satria nanda ilay fiainana feno fitiavan-tena sy mitady fahafinaretana fotsiny. Nanampy olona maherin’ny zato hahafantatra ny fahamarinana izahay mivady. Sarobidy kokoa noho izay heverina ho harena ireny zanakay ara-panahy ireny.” Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany no miombon-kevitra aminy. Ary ianao?

16. Ahoana no ampisehoantsika fa tsy miaina ho an’ny tenantsika intsony isika?

16 Irin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tsy ho velona ho an’ny tenany intsony. An’arivony amin’izy ireo àry no manao mpisava lalana, na mitory ilay Fanjakana manontolo andro. Ny hafa indray manao izay rehetra azony atao, mba hanatontosana ny asa fitoriana ilay Fanjakana, na dia tsy afaka manompo manontolo andro aza. Miezaka mafy koa ny ray aman-dreny, ary manokana fotoana sy mamoy tombontsoa maro mba hampiofanana ny zanany hatahotra an’Andriamanitra. Misy foana ny fomba azontsika anehoana fa ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainantsika ilay Fanjakana.—Matio 6:33.

Ny fitiavan’iza no manery antsika?

17. Inona no manosika antsika hahafoy tena?

17 Tsy mora ny maneho fitiavana feno fahafoizan-tena. Diniho anefa ny antony manosika antsika. Hoy i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra ... Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.” (2 Korintianina 5:14, 15) Ny fitiavan’i Kristy tokoa no manery antsika tsy hiaina ho an’ny tenantsika intsony. Antony manosika mahery tokoa izany! Tokony ho velona ho an’i Kristy isika, satria maty ho antsika izy. Tena velom-pankasitrahana isika, noho ny fitiavana lalina nasehon’Andriamanitra sy Kristy tamintsika. Noho izany, dia voatosika isika hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy ho tonga mpianatr’i Kristy.—Jaona 3:16; 1 Jaona 4:10, 11.

18. Inona no soa ho azon’ireo mahafoy tena?

18 Inona no soa ho azontsika raha tsy miaina ho an’ny tenantsika intsony isika? Lasa ilay tovolahy mpanankarena, rehefa avy nanda ny fanasan’i Kristy. Hoy i Petera avy eo: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao, koa inona no ho azonay?” (Matio 19:27) Nanda ny tenany tokoa i Petera sy ny apostoly hafa. Inona àry no ho valisoan’izy ireo? Nolazain’i Jesosy aloha fa manana tombontsoa hiara-manjaka aminy any an-danitra izy ireo. (Matio 19:28) Noresahiny avy eo ny fitahiana ho azon’ireo rehetra manara-dia azy. Hoy izy: “Tsy misy olona efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na reny na ray na zanaka na saha noho ny amiko sy ny vaovao tsara ka tsy hahazo avo zato heny amin’izao andro izao ... ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.” (Marka 10:29, 30) Mahazo zavatra mihoatra lavitra noho izay nafointsika isika. Tena sarobidy kokoa noho izay nafointsika noho ilay Fanjakana, ireo ray, reny, zanaka, rahalahy, ary anabavintsika kristianina. Iza tamin’i Petera sy ilay tovolahy mpanankarena tokoa moa no nahazo fiainana nahafa-po indrindra?

19. a) Inona no tena mahasambatra? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Nasehon’i Jesosy tamin’ny teniny sy ny asany, fa ny manome sy ny manompo no tena mahasambatra, fa tsy ny fitiavan-tena. (Matio 20:28; Asan’ny Apostoly 20:35) Hanana fiainana mahafa-po isika ankehitriny, raha tsy miaina ho an’ny tenantsika intsony, fa manara-dia an’i Kristy mandrakariva. Afaka manantena fiainana mandrakizay koa isika amin’ny hoavy. Mazava ho azy fa lasa Tompontsika i Jehovah rehefa mandà tena isika. Lasa mpanompon’Andriamanitra àry isika. Nahoana izany no mahasoa? Nahoana izany no tokony hanan-kery eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony handresy ny fitiavan-tena?

• Inona no dikan’ny hoe mandà tena sy mitondra ny hazo fijaliantsika ary manaraka an’i Jesosy mandrakariva?

• Inona no manosika antsika tsy hiaina ho an’ny tenantsika intsony?

• Nahoana no mahasoa ny fiainana feno fahafoizan-tena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

“Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô”

[Sary, pejy 13]

Inona no nisakana ilay tovolahy mpanankarena tsy hanaraka an’i Jesosy?

[Sary, pejy 15]

Ny fitiavana no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hazoto hitory ilay Fanjakana