Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Voavidy Ianareo”

“Voavidy Ianareo”

“Voavidy Ianareo”

“Voavidy ianareo. Eny, mankalazà an’Andriamanitra.”—1 KORINTIANINA 6:20.

1, 2. a) Ahoana no tokony hitondrana ny andevo israelita, araka ny Lalàn’i Mosesy? b) Inona no azon’ny andevo iray natao, raha tsy nahafoy ny tompony izy? 

“NIELY patrana sy neken’ny besinimaro ny fanandevozana fahiny”, hoy Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary (anglisy), nataon’i Holman. Hoy ihany izy io: “Ny fanandevozana no andry niankinan’ny toe-karen’i Ejipta sy Gresy ary Roma. Andevo ny ampahatelon’ny mponina tany Italia sy ny ampahadimin’ny mponina tany an-toeran-kafa, tamin’ny taonjato voalohany.”

2 Nisy andevo koa teo amin’ny Israely fahiny. Niaro ny andevo hebreo anefa ny Lalàn’i Mosesy. Voalaza tao, ohatra, fa tsy nahazo nanompo nihoatra ny enin-taona ny andevo israelita. Tsy maintsy navela “ho afaka fotsiny” izy tamin’ny taona fahafito. Ara-drariny sady feno fangorahana tokoa ireo lalàna momba ny fitondrana andevo, tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Izany no nampisy an’izao fandaharana izao: “Raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho, dia ho entin’ny tompony ho eo anatrehan’Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin’ny varavarana, na ho eo amin’ny tolam-baravarana, ka hotevehin’ny tompony amin’ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.”—Eksodosy 21:2-6; Levitikosy 25:42, 43; Deoteronomia 15:12-18.

3. a) Inona ilay karazana fanompoana nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no manosika antsika hanompo an’Andriamanitra?

3 Afaka nanolo-tena hanompo ny tompony an-tsitrapo ny andevo israelita. Mifanitsy amin’izay ataon’ny Kristianina marina izany, satria manompo an-tsitrapo koa izy ireo. Nilaza, ohatra, i Paoly, Jakoba, Petera ary Joda, fa mpanompon’Andriamanitra sy Kristy izy ireo. (Titosy 1:1; Jakoba 1:1; 2 Petera 1:1; Joda 1) Nampahatsiahy ny Kristianina tany Tesalonika i Paoly, fa efa ‘niala tamin’ny sampy izy ireo ka nitodika tany amin’Andriamanitra mba hanompoana Andriamanitra velona sady marina.’ (1 Tesalonianina 1:9) Inona no nanosika an’ireo Kristianina ireo hanompo an’Andriamanitra an-tsitrapo? Inona tokoa moa no nahatonga ny andevo israelita iray tsy hety hafahana? Tsy ny fitiavany ny tompony ve? Manompo an’Andriamanitra koa ny Kristianina noho ny fitiavany azy. Rehefa nahafantatra sy tia an’ilay Andriamanitra velona sady marina isika, dia voatosika hanompo azy ‘amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra.’ (Deoteronomia 10:12, 13) Inona anefa no dikan’ny hoe manompo an’Andriamanitra sy Kristy? Inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

“Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra”

4. Ahoana no nahatonga antsika ho mpanompon’Andriamanitra sy Kristy?

4 Milaza ny boky iray fa ny mpanompo na andevo dia “olona [lasa] fananan’olon-kafa na antokon’olona iray, ka tsy maintsy mankatò azy tanteraka.” Lasa fananan’i Jehovah isika, rehefa nanolo-tena ho azy, sy natao batisa. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tsy anareo intsony ny tenanareo, fa voavidy ianareo.’ (1 Korintianina 6:19, 20) Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no nividianana antsika. Miorina amin’izy io mantsy no haneken’Andriamanitra antsika ho mpanompony, na voahosotra isika, na manantena ny hiaina eto an-tany. (Efesianina 1:7; 2:13; Apokalypsy 5:9) “An’i Jehovah” àry isika, nanomboka tamin’ny fotoana nanaovana batisa antsika. (Romanina 14:8) Lasa mpanompon’i Jesosy Kristy koa isika, ary tsy maintsy mankatò ny didiny, satria novidina tamin’ny rany sarobidy.—1 Petera 1:18, 19.

5. Inona no adidintsika voalohany, noho isika mpanompon’i Jehovah, ary ahoana no hanatanterahantsika izany?

5 Tsy maintsy mankatò ny tompony ny mpanompo. Manompo an-tsitrapo isika satria tia ny Tompontsika. Hoy ny 1 Jaona 5:3: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” Ny fankatoavantsika an’Andriamanitra no manaporofo fa tia sy manaiky azy isika. Hita taratra amin’izay rehetra ataontsika izany. Hoy i Paoly: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (1 Korintianina 10:31) Tokony hasehontsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro, na dia amin’ny zavatra madinika aza, fa ‘manompo an’i Jehovah’ isika.—Romanina 12:11.

6. Manomeza ohatra mampiseho fa tokony hisy heriny eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro, ny maha mpanompon’Andriamanitra antsika.

6 Tokony hamantatra tsara ny sitrapon’i Jehovah, ilay Tompontsika any an-danitra, ohatra, isika, rehefa handray fanapahan-kevitra. (Malakia 1:6) Amin’ny fanapahan-kevitra sarotra no ahitana raha tena mankatò an’Andriamanitra isika na tsia. Hanaraka ny toroheviny ve isika amin’izay, sa hanaraka izay tian’ilay fontsika “mamitaka” sy “manana aretina tsy azo sitranina”? (Jeremia 17:9) Nisy lehilahy lasa raiki-pitia tamin’i Melisa, Kristianina mpitovo, raha vao vita batisa kelikely izy. Toa mba olona nahafinaritra ihany izy io, sady nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanoro hevitra an’i Melisa anefa ny anti-panahy iray, fa fahendrena ny manaraka ilay didin’i Jehovah hoe manambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39; 2 Korintianina 6:14) Niaiky i Melisa hoe: “Tsy mora tamiko ny nanaraka izany torohevitra izany. Nanapa-kevitra ny hankatò ny toromarika mazava omen’Andriamanitra anefa aho, satria efa nanolo-tena hanao ny sitrapony.” Hoy izy rehefa nisaintsaina ny zava-nitranga: “Tena faly aho fa nanaraka ilay torohevitra. Tsy nianatra Baiboly intsony ilay lehilahy, taoriana kelin’izay. Tsy Vavolombelona ny vadiko hoatr’izay, raha mbola nanohy nifandray taminy aho.”

7, 8. a) Nahoana isika no tsy tokony hila sitraka amin’olona? b) Hazavao amin’ny ohatra ny fomba azo andresena ny tahotra olona.

7 Tsy tokony ho lasa mpanompon’olona ny mpanompon’Andriamanitra. (1 Korintianina 7:23) Marina aloha fa tsy tiantsika ny hailikiliky ny hafa. Tokony hotadidintsika anefa fa manana fitsipika tsy mitovy amin’ny an’ity tontolo ity ny Kristianina. Hoy i Paoly: “Mila sitraka amin’olona [ve] aho?” Hoy ihany izy: “Raha mbola mila sitraka amin’olona mantsy aho, dia tsy mpanompon’i Kristy.” (Galatianina 1:10) Tsy tokony ho resin’ny faneren’ny namana isika, ka hanjary hila sitraka amin’olona. Inona àry no azontsika atao, rehefa misy fanerena hanaraka ny fanaon’ny besinimaro?

8 Diniho, ohatra, i Elena, tanora kristianina any Espaina. Mpanome ra ny ankamaroan’ny mpiara-mianatra taminy. Fantatr’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah i Elena, ka sady tsy hanome ra no tsy hanaiky hampidiran-dra. Nanolo-tena hanao famelabelarana teo anatrehan’ny iray kilasy izy, rehefa afaka nanao izany, mba hanomezany fanazavana. Hoy izy: “Natahotra ihany aloha aho ny hanao azy io. Nanomana tsara anefa aho, ary tsy nampoiziko ny vokany. Lasa nanaja ahy ny ankamaroan’ny mpiara-mianatra tamiko. Nankasitraka ny zavatra nataoko koa ny mpampianatra ahy. Ny zava-dehibe indrindra anefa dia hoe afaka niaro ny anaran’i Jehovah aho, sady nanazava tsara ny antony ara-baiboly handavako ireo zavatra ireo. Nahafaly ahy izany.” (Genesisy 9:3, 4; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Miavaka tokoa isika, satria mpanompon’Andriamanitra sy Kristy. Mety hanaja antsika anefa ny hafa, raha vonona hiaro ny zavatra inoantsika amim-panajana isika.—1 Petera 3:15.

9. Inona no ianarantsika avy amin’ilay anjely niseho tamin’ny apostoly Jaona?

9 Hanetry tena koa isika raha mitadidy fa mpanompon’Andriamanitra. Tena nanohina ny fon’ny apostoly Jaona ilay fahitana mahatalanjona momba an’i Jerosalema any an-danitra. Noho izany, dia niankohoka izy mba hivavaka teo an-tongotr’ilay anjely nitondra ny tenin’Andriamanitra. Hoy ilay anjely taminy: “Tandremo! Aza manao izao! Fa mpanompo toa anao ihany aho, ary mpanompo toa an’ireo rahalahinao izay mpaminany sy toa an’ireo mitandrina ny teny amin’ity horonam-boky ity. Andriamanitra no ivavaho.” (Apokalypsy 22:8, 9) Ohatra tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra tokoa ilay anjely! Mety hanana tombontsoa manokana eo anivon’ny fiangonana ny Kristianina sasany. Hoy anefa i Jesosy: “Na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.” (Matio 20:26, 27) Mpanompo avokoa isika rehetra, satria samy mpanara-dia an’i Jesosy.

“Izay tokony ho nataonay no nataonay”

10. Tsy mora foana amin’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky ny manao ny sitrapony. Manomeza ohatra avy ao amin’ny Baiboly.

10 Tsy mora foana amin’ny olona tsy lavorary ny manao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nankatò avy hatrany i Mosesy mpaminany, rehefa nasain’i Jehovah hanafaka ny zanak’Israely tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina. (Eksodosy 3:10, 11; 4:1, 10) “Nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’i Jehovah” i Jona, raha vao voatendry hanambara didim-pitsarana tamin’ny mponin’i Ninive. (Jona 1:2, 3) Nitaraina ho sasatra i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia. (Jeremia 45:2, 3) Inona no tokony hataontsika, raha mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny faniriantsika, na ny zavatra tiantsika? Ho hitantsika ao amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy ny valin’izany.

11, 12. a) Fintino ilay fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 17:7-10. b) Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana io?

11 Niresaka momba ny mpanompo iray, izay niandry ny ondrin’ny tompony tany an-tsaha nandritra ny andro, i Jesosy. Efa reraky ny asa nandritra ny adiny 12 teo ho eo ilay mpiasa, rehefa nody. Tsy nanasa azy hipetraka sy hiara-misakafo hariva taminy anefa ny tompony, fa nilaza kosa hoe: “Karakarao ny sakafo harivako, ary anaovy ny aron’akanjonao ka rosoy hanina aho mandra-pitsahatro mihinana sy misotro, ary rehefa vita izany, dia mahazo mihinana sy misotro kosa ianao.” Rehefa avy nanompo ny tompony izy, vao afaka nikarakara izay nilainy manokana. Nofaranan’i Jesosy toy izao ilay fanoharana: “Toy izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’ ”—Lioka 17:7-10.

12 Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tsy mankasitraka ny fanompoantsika i Jehovah. Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’ (Hebreo 6:10) Ianarantsika avy amin’io fanoharan’i Jesosy io kosa, fa tsy afaka manao izay mahafaly ny tenany ny mpanompo, na mifantoka amin’izay mampety ny fiainany. Nanaiky hanao ny sitrapon’Andriamanitra alohan’ny antsika isika, rehefa nanolo-tena ho azy sy nifidy ny ho mpanompony. Tsy maintsy ataontsika alohan’ny sitrapontsika ny an’Andriamanitra.

13, 14. a) Rahoviana isika no mila mandresy ny fironan-dratsintsika? b) Nahoana isika no tokony hanao ny sitrapon’Andriamanitra foana?

13 Tsy maintsy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” isika. (Matio 24:45) Hila ezaka avy amintsika izany, indrindra raha tsy dia mahay mamaky teny isika, na miresaka ny amin’ny “zava-dalin’Andriamanitra” ilay boky. (1 Korintianina 2:10) Tena tokony hanokana fotoana hianarana samirery anefa isika. Mila mifehy tena angamba isika, ka hipetraka sy haka fotoana hianarana. Tsy hankafy ny “ventin-kanina [natao] ho an’ny olona matotra” mihitsy isika, raha tsy mifehy tena toy izany.—Hebreo 5:14.

14 Ahoana indray raha reraka isika, rehefa avy niasa mafy nandritra ny andro manontolo? Mila manery tena angamba isika, mba hanatrehana ny fivoriana kristianina. Mety tsy ho tiantsika koa ny mitory amin’olon-tsy fantatra. Na i Paoly aza niaiky fa “tsy an-tsitrapo” no itoriantsika ny vaovao tsara, indraindray. (1 Korintianina 9:17) Manao izany rehetra izany anefa isika, satria i Jehovah, ilay Tompontsika any an-danitra sady tiantsika, no nandidy antsika hanao azy ireny. Mahatsiaro ho afa-po sy velombelona foana tokoa isika, rehefa avy nanao ezaka mafy mba hianarana sy hanatrehana fivoriana ary hitoriana.—Salamo 1:1, 2; 122:1; 145:10-13.

Aza “mitodika any aoriana”

15. Inona no ohatra navelan’i Jesosy momba ny fankatoavana an’Andriamanitra?

15 Ohatra miavaka i Jesosy, satria nankatò tanteraka ny Rainy any an-danitra. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy tany an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” (Jaona 6:38) Ory dia ory izy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ka nivavaka hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia esory amiko ity kapoaka mangidy ity. Aoka tsy ny sitrapoko anefa no hatao, fa ny anao.”—Matio 26:39.

16, 17. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ireo zavatra efa nafointsika? b) Nahoana no mety ny niheveran’i Paoly ireo tombontsoany teto amin’ity tontolo ity ho toy ny “fako miavosa”?

16 Tsy tian’i Jesosy Kristy hivadika amin’ny fanapahan-kevitsika hanompo an’Andriamanitra isika. Hoy izy: “Tsy misy olona mitana angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:62) Rehefa manompo an’Andriamanitra isika, dia tsy tokony hieritreritra intsony ireo zavatra efa nafointsika, fa hankamamy kosa ireo zavatra azontsika. Hoy i Paoly tamin’ny Filipianina: “Tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny mba hahazoako an’i Kristy.”—Filipianina 3:8.

17 Eritrereto ireo zavatra noheverin’i Paoly ho fako miavosa sy nafoiny, noho ireo valisoa ho azony avy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy ilay fiainana mampiadana atolotr’ity tontolo ity ihany no nafoiny, fa ilay tombontsoa ho anisan’ny mpitarika ny fivavahana jiosy koa. Raha mbola nijanona tao amin’io fivavahana io mantsy i Paoly, dia mety ho nitana toerana ambony toa an’i Simeona, zanak’i Gamaliela mpampianatra azy. (Asan’ny Apostoly 22:3; Galatianina 1:14) Lasa mpitarika ny Fariseo i Simeona. Anisan’ny nitarika ilay fikomian’ny Jiosy tamin’i Roma izy, tamin’ny taona 66-70, na dia nisalasala ny amin’izany aza. Maty tamin’io fifandonana io anefa izy. Tsy fantatra izay namono azy, na ireo Jiosy mahery fihetsika, na ny miaramila romanina.

18. Milazà fitantarana mampiseho fa mandray soa izay miezaka mampitombo ny fanompoany.

18 Vavolombelon’i Jehovah maro no nanahaka an’i Paoly. Hoy i Jean: “Lasa mpiara-miasa akaiky tamin’ny mpisolovava fanta-daza iray tany Londres aho, rehefa vita kelikely ny fianarako. Tiako ny asako sady tena tsara karama. Tsapako anefa fa afaka nanompo an’i Jehovah bebe kokoa aho. Nametra-pialana aho, tamin’ny farany, ary nanomboka nanao mpisava lalana. Tena faly aho fa nandray io fanapahan-kevitra io, efa ho 20 taona lasa izay! Mahasambatra kokoa noho ilay asa nataoko ny fanompoana manontolo andro. Manova ny fiainan’ny olona mantsy ny Tenin’Andriamanitra, ary tena mahafa-po ny mahita izany. Faly erỳ ny tena rehefa nanana anjara tamin’izany. Kely dia kely anefa ny zavatra omentsika an’i Jehovah raha ampitahaina amin’izay azontsika.”

19. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika, ary nahoana?

19 Mety hiova ny fiainantsika rehefa mandeha ny fotoana. Tsy miova anefa ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra. Mbola mpanompon’i Jehovah foana isika, ary avelany hifidy ny fomba tsara indrindra ampiasantsika ny fotoana, hery, talenta, ary ny zavatra hafa ananantsika. Ho hita taratra amin’ny fanapahan-kevitsika àry raha tena tia an’Andriamanitra isika ary vonona hanao sorona ho azy. (Matio 6:33) Tena tokony homentsika an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amintsika, na inona na inona toe-javatra iainantsika. Hoy i Paoly: “Raha misy aloha ny fahavononana, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona, fa tsy araka izay tsy ananany.”—2 Korintianina 8:12.

‘Ny vokatra azontsika’

20, 21. a) Inona no vokatra azon’izay manompo an’Andriamanitra? b) Inona no valisoa omen’i Jehovah an’ireo manome azy ny tsara indrindra avy aminy?

20 Tsy mampahory ny manompo an’Andriamanitra. Manafaka antsika amin’ilay karazana fanandevozana tsy mahasambatra kosa aza izy io. Hoy i Paoly: “Satria efa novotsorana ho afaka tamin’ny fahotana ianareo ka tonga mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, dia ny fahamasinanareo no vokatra azonareo, ary fiainana mandrakizay no hiafarany.” (Romanina 6:22) Ny fahamasinana no vokatra azontsika, izany hoe manjary manana fitondran-tena masina isika izao, ary fiainana mandrakizay amin’ny hoavy.

21 Malala-tanana amin’ny mpanompony i Jehovah. Raha manao araka izay fara herintsika eo amin’ny fanompoana azy isika, dia ‘hovohany ny varavaran’ny lanitra’, ary handrotsaka “fitahiana manana amby ampy” ho antsika izy. (Malakia 3:10) Tena hahafinaritra tokoa ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay doria!

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no lasa mpanompon’Andriamanitra?

• Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika?

• Nahoana isika no tokony ho vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra alohan’ny antsika?

• Nahoana isika no tsy tokony ‘hitodika any aoriana’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Mifanitsy amin’ilay fanompoana an-tsitrapo teo amin’ny Israely ny fanompoan’ny Kristianina marina

[Sary, pejy 17]

Lasa mpanompon’Andriamanitra isika, rehefa vita batisa

[Sary, pejy 17]

Ataon’ny Kristianina loha laharana ny sitrapon’Andriamanitra

[Sary, pejy 18]

Tsy nankatò avy hatrany i Mosesy rehefa nirahina