Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afrikanina Nanetry Tena Tia ny Tenin’Andriamanitra

Afrikanina Nanetry Tena Tia ny Tenin’Andriamanitra

Afrikanina Nanetry Tena Tia ny Tenin’Andriamanitra

GAGA matetika ireo mitsidika an’i Afrika, fa mora erỳ ny manombo-dresaka ara-baiboly amin’ny mponina any. Mahaliana ny olona ny fanontaniana toy ny hoe: “Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?” na “Ho voavaha tanteraka ve ny olana momba ny tsy fahampian-tsakafo, ny aretina, ny ady, ary ny heloka bevava?” Betsaka no faly rehefa asehon’ilay mpitsidika aminy ny valiny omen’ny Baiboly. Matetika no lasa mianatra Baiboly tsy tapaka ilay olona, ary mandroso ka tonga Kristianina vita batisa.

Anisan’ny Afrikanina voalohany nanao toy izany ilay lehilahy resahin’ny Asan’ny Apostoly 8:26-40. Etiopianina izy, ary nankany Jerosalema mba hivavaka tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.

Hita eto amin’ny sary fa eny an-dalana hody izy, ary mitaingina kalesy sady mamaky horonam-boky. Nisy olona tsy fantany nanatona azy sady nanontany hoe: “Tena azonao ve izay vakinao?” Nanetry tena izy, ka nanaiky fa nila fanampiana. I Filipo, Kristianina mpitory ny vaovao tsara, ilay olona tsy fantany. Niangavy azy hiakatra tao anaty kalesy izy. Nasainy nohazavain’i Filipo avy eo ilay andininy vao avy novakiny. Nilaza i Filipo fa tanteraka io faminaniana io rehefa maty ny Mesia, na i Jesosy Kristy. Azo antoka fa noresahin’i Filipo taminy koa ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, rehefa nitory taminy ny “vaovao tsara momba an’i Jesosy” izy.

Naniry ho lasa mpianatr’i Jesosy ilay Etiopianina, rehefa nandre izany fahamarinana tena lehibe izany, ary nanontany hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” Nody sady faly io Afrikanina io rehefa vita batisa, ary tsy miresaka momba azy intsony ny Baiboly.

Mampianatra an’io “vaovao tsara” io amin’ny olona an-tapitrisany maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Misy enina tapitrisa eo ho eo, no mianatra Baiboly any an-tranony, ary atao maimaim-poana izany.