Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Andriamanitrao i Jehovah

Ataovy Andriamanitrao i Jehovah

Ataovy Andriamanitrao i Jehovah

NISY olona tena nifandray akaiky tamin’i Jehovah fahiny, ka nantsoina hoe Andriamanitr’izy ireo i Jehovah. Lazain’ny Baiboly, ohatra, fa “Andriamanitr’i Abrahama”, sy “Andriamanitr’i Davida”, ary “Andriamanitr’i Elia” izy.—Genesisy 31:42; 2 Mpanjaka 2:14; 20:5.

Nahoana no nanjary nifandray akaiky tamin’Andriamanitra ny tsirairay tamin’ireo lehilahy ireo? Inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo, mba hihavanantsika tsara foana amin’ny Mpamorona?

“Nino an’i Jehovah” i Abrahama

I Abrahama no voalohany resahin’ny Baiboly hoe nino an’i Jehovah. Toetra tena nampiavaka azy ny finoana, ka nahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra. Rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’i Mosesy àry i Jehovah tatỳ aoriana, dia nilaza izy fa “Andriamanitr’i Abrahama” sy Isaka zanany ary Jakoba zafikeliny.—Genesisy 15:6; Eksodosy 3:6.

Ahoana no nananan’i Abrahama finoana toy izany? Nisy fototra tsara aloha nanorenany ny finoany. Nety ho nampianatra azy ny lalan’i Jehovah i Sema zanak’i Noa, izay nanatri-maso ny asa famonjen’Andriamanitra. Azon’i Sema noporofoina tsara fa ‘niaro an’i Noa, mpitory ny fahamarinana sy ireo fito hafa [i Jehovah], fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra.’ (2 Petera 2:5) Nety ho nianaran’i Abrahama avy tamin’i Sema koa, fa tsy maintsy tanteraka ny zavatra ampanantenain’i Jehovah. Na ahoana na ahoana, dia nifaly i Abrahama rehefa nahazo fampanantenana avy amin’Andriamanitra. Fantany tsara fa azo antoka ny hahatanterahan’ilay fampanantenana, ka nampifanarahiny tamin’izany ny fomba fiainany.

Tsara fototra àry ny finoan’i Abrahama, sady nihamafy satria narahin’asa. Hoy ny apostoly Paoly: “Finoana no nankatoavan’i Abrahama rehefa nantsoina izy, eny, nankatò izy ka nandeha ho any amin’ny toerana voatendry ho lovany. Ary nandeha tokoa izy, na dia tsy fantany aza izay halehany.” (Hebreo 11:8) Nanatanjaka ny finoan’i Abrahama ny fankatoavana, ka nahatonga an’i Jakoba mpianatra hanoratra hoe: “Hitanao fa ny finoany dia niara-niasa tamin’izay nataony, ary nanjary lavorary ny finoany noho izay nataony.”—Jakoba 2:22.

Nihanatanjaka koa ny finoan’i Abrahama, satria navelan’i Jehovah hotsapaina. Hoy ihany i Paoly: “Finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaka rehefa notsapaina izy.” Manatsara sy manamafy ny finoana ny fitsapana, ka mahatonga azy io ho “sarobidy lavitra noho ny volamena.”—Hebreo 11:17; 1 Petera 1:7.

Tsy tanteraka tamin’ny fotoana nahaveloman’i Abrahama ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Faly anefa izy, rehefa nahita ny hafa nanaraka ny ohatra nomeny. Deraina ao amin’ny Baiboly koa i Saraha vadiny, sy ny mpianakaviny telo hafa, dia i Isaka sy Jakoba ary Josefa, noho ny finoany niavaka.—Hebreo 11:11, 20-22.

Finoana toy ny an’i Abrahama

Tena ilain’ireo maniry hanao an’i Jehovah ho Andriamaniny ny finoana. Hoy i Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Ahoana no hananan’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny finoana matanjaka toy ny an’i Abrahama?

Tsy maintsy ataontsika tsara fototra toy ny an’i Abrahama ny finoantsika. Azo atao tsara izany raha mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly isika. Lasa matoky isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, rehefa mamaky ny Baiboly sy misaintsaina izay vakintsika ao. Ho voatosika hampifanaraka ny fomba fiainantsika amin’ilay fanantenana azo antoka isika amin’izay. Hanatanjaka ny finoantsika koa ny fankatoavana, toy ny fandehanana manompo sy ny fanatrehana fivoriana.—Matio 24:14; 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25.

Azo antoka fa hotsapaina koa ny finoantsika, angamba amin’ny alalan’ny fanoherana, aretina mafy, fahafatesan’ny havan-tiana, na zavatra hafa. Hatanjaka ny finoantsika, ary ho sarobidy kokoa noho ny volamena, raha tsy mivadika mihitsy amin’i Jehovah isika rehefa iharam-pitsapana. Hampanatona antsika kokoa an’i Jehovah ny finoantsika, na hahita ny fahatanterahan’ny fampanantenany isika, na tsia. Ho voatosika hanahaka ny finoantsika koa ny hafa. (Hebreo 13:7) Izany no nitranga tamin’i Ralph, izay nahita sy nanahaka ny finoan’ny ray aman-dreniny. Hoy izy:

“Nampirisihin’ny ray aman-dreniko hifoha maraina ny fianakavianay, mba hiarahanay mamaky Baiboly, tamin’izaho mbola tany an-trano. Izany no nahavitanay namaky ny Baiboly iray manontolo.” Mbola mamaky Baiboly isa-maraina i Ralph, ka tsara fanombohana ny androny. Zatra nandeha nanompo isan-kerinandro niaraka tamin’ny rainy koa izy. Hoy izy: “Tamin’ireny fotoana ireny no nianarako ny fanaovana fiverenana mitsidika sy ny fitarihana fampianarana Baiboly.” Mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa izao i Ralph. Novalian-tsoa tokoa ny finoan’ny ray aman-dreniny!

Lehilahy araka ny fon’i Jehovah

Teraka 900 taona teo ho eo taorian’i Abrahama i Davida, ary izy no anisan’ny niavaka indrindra tamin’ireo mpanompon’i Jehovah voaresaka ao amin’ny Soratra Masina. Nifidy azy ho mpanjaka i Jehovah, ka hoy i Samoela mpaminany momba izany: “Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony.” Nifandray akaiky tokoa i Jehovah sy Davida, ka hoy i Isaia mpaminany, tatỳ aoriana, rehefa niresaka tamin’i Hezekia mpanjaka: “Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao.”—1 Samoela 13:14; 2 Mpanjaka 20:5; Isaia 38:5.

Resin’ny faniriany i Davida tamin’ny fotoana sasany, na dia lehilahy araka ny fon’i Jehovah aza. Intelo izy no nanao fahadisoana lehibe. Navelany hoentina tany Jerosalema tsy araka izay nankasitrahan’i Jehovah ny fiaran’ny fanekena. Nijangajanga tamin’i Batseba sy nanao tetika hamonoana an’i Oria vadin’izy io izy. Tsy nandidian’i Jehovah koa ilay fanisana ny olon’ny Israely sy Joda nampanaoviny. Nandika ny lalàn’Andriamanitra izy tamin’izany rehetra izany.—2 Samoela 6:2-10; 11:2-27; 24:1-9.

Niaiky ny fahotany anefa i Davida rehefa naseho azy izany, ary tsy nanome tsiny olon-kafa. Nekeny fa tsy voalamina tsara ny fitondrana an’ilay Fiara, ka hoy izy: “Tsy nitady [an’i Jehovah] araka ny voadidy [isika].” Izao no navaliny rehefa nahariharin’i Natana mpaminany ny fijangajangany: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” Niaiky toy izao koa izy, rehefa nahafantatra fa hadalana ilay fanisam-bahoaka: “Efa nanota indrindra aho tamin’izao nataoko izao.” Nibebaka tamin’ny fahotany i Davida, ary nifandray akaiky tamin’i Jehovah foana.—1 Tantara 15:13; 2 Samoela 12:13; 24:10.

Rehefa manao fahadisoana isika

Hampahery antsika ny ohatr’i Davida, rehefa miezaka manao an’i Jehovah ho Andriamanitsika isika. Mety hanao fahadisoana isika indraindray, na eo aza ny ezaka mafy ataontsika. Mety ho fahadisoana lehibe mihitsy aza izany. Tsy tokony ho kivy anefa isika, satria nanao fahotana lehibe koa, na dia ny lehilahy araka ny fon’i Jehovah aza. (Mpitoriteny 7:20) Afaka mampionona antsika ny fahalalana fa navela ny fahotan’i Davida rehefa nibebaka izy. Izany no nitranga tamin’i Frank, taona vitsivitsy lasa izay. *

Anti-panahy teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Resin’ny fanirian-dratsy izy indray mandeha, ary nanana fitondran-tena ratsy. Niezaka nanafina ilay raharaha, toy ny nataon’i Davida aloha izy, ary nanantena fa hanakimpy ny masony teo anoloan’ny fahotany i Jehovah. Nanenjika azy mafy anefa ny eritreriny tatỳ aoriana, ka nibaboka tamin’ny anti-panahy iray izy. Nisy zavatra natao taorian’izay, mba hanampiana azy hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra indray.

Mbola afaka nifandray akaiky tamin’i Jehovah sy ny fiangonana i Frank, satria nibebaka tamin’ny fahotany. Tena nankasitraka lalina ny fanampiana nomena azy izy, ka nanoratra ho an’ny anti-panahy, herinandro vitsivitsy taorian’izay. Hoy izy: “Nanampy ahy hanaisotra ny fanalam-baraka tamin’ny anaran’i Jehovah ianareo.” Afaka nihazona ilay fifandraisany tamin’i Jehovah i Frank, ary voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana tao amin’ny fiangonana nisy azy indray, tatỳ aoriana.

“Olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany”

Zato taona teo ho eo tatỳ aorian’i Davida no niainan’i Elia, ary anisan’ny mpaminanin’ny Israely lehibe indrindra izy. Niaro ny fivavahana marina i Elia, nandritra ny fotoana naha be dia be ny tsolotra sy ny fitondran-tena maloto. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy. Tsy mahagaga raha niantso an’i Jehovah hoe “Andriamanitr’i Elia” i Elisa mpandimby azy, indray mandeha!—2 Mpanjaka 2:14.

Tsy hoe nahery noho ny olombelona anefa i Elia. Hoy i Jakoba: “Olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany i Elia.” (Jakoba 5:17) Nandrahona ny hamono azy, ohatra, i Jezebela Vadim-panjaka, rehefa avy nandresy ny mpivavaka tamin’i Bala izy. Inona no nataony? Raiki-tahotra izy ka lasa nandositra tany an’efitra. Nipetraka teo ambanin’ny anjavidy iray izy tany, ary nitaraina hoe: “Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.” Naniry ho faty i Elia, fa tsy te ho mpaminany intsony.—1 Mpanjaka 19:4.

Takatr’i Jehovah anefa ny fihetseham-pon’i Elia, ka nampahery azy izy. Nomeny toky izy fa tsy irery, satria mbola misy olona maro hafa tsy mivadika amin’ny fivavahana marina. Mbola natoky azy koa i Jehovah, ka nampanao zavatra azy.—1 Mpanjaka 19:5-18.

Ory dia ory i Elia. Tsy nidika anefa izany hoe tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony izy. Arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia niova tarehy teo anatrehan’i Petera sy Jakoba ary Jaona i Jesosy. Iza no nofidin’i Jehovah mba hiseho teo anilan’i Jesosy tao amin’ilay fahitana? Tsy iza fa i Mosesy sy Elia. (Matio 17:1-9) Mazava àry fa nihevitra an’i Elia ho mpaminany fakan-tahaka i Jehovah. “Olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany” i Elia. Nankasitrahan’Andriamanitra anefa ny asa mafy nataony, mba hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio, sy hanamasinana ny anaran’i Jehovah.

Ny fihetseham-pontsika

Mety ho kivy na hatahotra indraindray ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Mampionona erỳ ny mahalala fa efa nahatsapa zavatra toy izany i Elia! Tena mampahery koa ny hoe takatr’i Jehovah ny fihetseham-pontsika, toy ny nahatakarany ny an’i Elia.—Salamo 103:14.

Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika, ary maniry hanao ny asan’i Jehovah, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mety ho kivy anefa isika, rehefa tsy mihaino antsika ny olona. Mety hatahotra mihitsy aza isika noho ny fandrahonan’ny fahavalon’ny fivavahana marina. Ataon’i Jehovah anefa izay hanohizantsika ny fanompoantsika, toy ny nataony tamin’i Elia. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Herbert sy Gertrud.

Tamin’ny 1952 no lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa izy ireo, ary tao Leipzig tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina teo aloha izy ireo tamin’izany. Sarotra ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’izany, satria voarara ny fanompoana teny amin’ny saha. Ahoana anefa no niheveran’i Herbert ny fitoriana isan-trano?

“Natahotra izahay indraindray. Tsy fantatray mantsy raha hisy manam-pahefana hipoitra tampoka sy hisambotra anay rehefa mandeha isan-trano izahay.” Inona no nanampy an’i Herbert sy ny hafa handresy ny tahotr’izy ireo? “Nazoto nianatra samirery ny Baiboly izahay, ka tamin’izany no nanomezan’i Jehovah anay hery hitoriana hatrany.” Tojo zavatra maro nampahery azy i Herbert nandritra ny fanompoany, ary nisy aza nampihomehy azy.

Nihaona tamin’ny vehivavy efa zokinjokiny i Herbert. Liana tamin’ny Baiboly izy io, ka niverina nitsidika azy izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanatrika teo koa ny tovolahy iray, ary nihaino ny resaka. Nahatsikaritra zavatra nampatahotra azy i Herbert afaka minitra vitsivitsy. Nisy satroka polisy teo ambonin’ny seza iray teo an-joron-trano. An’ilay tovolahy io satroka io, ary mazava fa tapa-kevitra ny hisambotra an’i Herbert izy.

“Vavolombelon’i Jehovah ianao!”, hoy ilay tovolahy. “Asehoy ahy ny kara-panondronao.” Natolotr’i Herbert azy ny kara-panondrony. Nisy zavatra tsy nampoizina anefa nitranga. Nijery an’ilay polisy ilay vehivavy ary nampitandrina hoe: “Tsy mahazo miditra an’ity trano ity intsony ianao, raha misy zava-mitranga amin’io lehilahin’Andriamanitra io.”

Niato kely ilay tovolahy, namerina ilay karatra tamin’i Herbert, ary namela azy handeha. Fantatr’i Herbert tatỳ aoriana fa niaraka tamin’ny zanakavavin’ilay vehivavy ilay polisy. Naleony àry afaka niaraka tamin’ilay ankizivavy, toy izay hisambotra an’i Herbert.

Ataovy Andriamanitrao i Jehovah

Inona no ianarantsika avy amin’ireo zava-nitranga ireo? Tsy maintsy mino mafy ny fampanantenan’i Jehovah, toy ny nataon’i Abrahama isika. Tokony hanahaka an’i Davida isika, ka tena hibebaka rehefa manao fahadisoana. Mila miantehitra amin’i Jehovah koa isika mba hahazoana hery, rehefa misy mampatahotra antsika. Ho Andriamanitsika dieny izao sy ho mandrakizay i Jehovah, raha manao izany isika. Izy mantsy no “Andriamanitra velona, Mpamonjy ny karazan’olona rehetra, indrindra fa ny mahatoky.”—1 Timoty 4:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 25]

Nanatanjaka ny finoan’i Abrahama ny fankatoavana

[Sary, pejy 26]

Tokony hibebaka toa an’i Davida isika rehefa manota

[Sary, pejy 28]

Takatr’i Jehovah ny fihetseham-pontsika, satria takany ny an’i Elia