Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitadiavana Ireo Mendrika any Afovoan’i Aostralia

Fitadiavana Ireo Mendrika any Afovoan’i Aostralia

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Fitadiavana Ireo Mendrika any Afovoan’i Aostralia

TSY nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory tany afovoan’i Aostralia, tanàna ambanivohitra be, tao anatin’ny 12 taona. Nanao ezaka manokana àry ny Vavolombelona tany Darwin, renivohitry ny Faritany Avaratr’i Aostralia. Nitory tany nandritra ny sivy andro izy ireo mba hitadiavana izay mendrika.—Matio 10:11.

Nalamina tsara ny zava-drehetra, herintaona mialoha an’ilay ezaka. Nisy sarintany mirefy 800 000 kilaometatra toradroa natao. Mitovitovy habe amin’i Madagasikara miampy ny antsasany izany. Midadasika be io faritra lavitra io. Alao sary an-tsaina hoe misy 30 kilaometatra mahery avy eo am-bavahadin’ny toeram-piompiana mankeo an-tokonam-baravaran’ny tompony! Misy 300 kilaometatra na mahery koa ny elanelan’ny toeram-piompiana sasany.

Vavolombelona 145 no nandray anjara tamin’ilay ezaka. Avy lavitra, avy any Tasmania mihitsy ny sasany. Nisy nitondra fiara tsy mifidy lalana, feno fitaovana fitondra milasy sy kojakojam-piarakodia ary solika. Tranofiara notarihina no nitondrana ny entan’ny sasany. Nanofa bisy roa samy nisy seza 22 avy kosa, ireo tsy nanana fiara tsy mifidy lalana. Ireo tanàna kely no tena nitorian’izy ireo.

Nanao lahateny sy fampisehoana ireo rahalahy talohan’ilay dia, mba hanoroana ny fomba hitoriana ny vaovao tsara ao amin’io faritany tsy mahazatra io. Mila fantarina sy arahina, ohatra, ny fomban’ny Tompon-tany raha tiana handaitra ilay fitoriana. Niresaka momba ny tontolo iainana koa ireo mpitory, mba hiarovana ny zavaboary.

Betsaka ny zavatra niavaka hitan’ny mpitory. Nanao lahateny ara-baiboly ho an’ny besinimaro, ohatra, ireo rahalahy rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray nonenan’ny Tompon-tany. Nampandre ny olona mialoha momba an’io lahateny io ny vehivavy iray zokiolona to teny tao. Nandray boky 5 sy bokikely 41 ireo nanatrika. Niresaka tamina lehilahy tompon-tany iray ireo mpitory, rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray hafa. Nanana Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques mihitsy io lehilahy io, saingy efa tonta sy rovidrovitra ilay izy. Nilaza izy fa mahafantatra ny anaran’Andriamanitra, rehefa nanontaniana, ary namoaka Ny Tilikambo Fiambenana efa tranainy avy tao am-paosin’ny palitaony. Novakiny tao amin’ilay gazety ny voalazan’ny Marka 12:30 manao hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo.” Hoy izy: “Tena tiako io andininy io.” Nandray Baiboly vaovao sy boky aman-gazety ara-baiboly izy, rehefa avy niara-nidinika elaela tamin’ireo mpitory.

Nihaino tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny mpitantana toeram-piompiana iray, nirefy 400 000 hektara, tany akaikin’ny Hoalan’i Carpentarie. Nanontany izy raha misy amin’ny fiteny kreôla fampiasa any avaratr’i Aostralia ireo boky sy gazety, rehefa naseho azy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly sy ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Tsy mahazatra izany, satria vitsy ny Tompon-tany mahay mamaky teny kreôla, na dia miteny azy io aza ny ankabeazany. Hay nahay namaky teny kreôla daholo ireo mpiasa 50 tao amin’ilay toeram-piompiana! Faly ilay mpitantana fa nahazo boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny teny kreôla, ary nanome ny nomeraon-telefaoniny izy mba hahafahana hifandray aminy.

Baiboly 120, boky 770, gazety 705, ary bokikely 1 965 no voapetraka nandritra ilay fitoriana sivy andro. Fiverenana mitsidika 720 no natao, ary 215 no nanomboka nianatra Baiboly.

Ela ny ela ka nahazo izay nilainy ireo mendrika sy nangetaheta ny fahamarinana tany amin’io faritra midadasika io.—Matio 5:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 30]

(Jereo ny gazety)

AOSTRALIA

FARITANY AVARATRA

Darwin

Hoalan’i Carpentarie

Sydney

TASMANIA