Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lova Sarobidy ny Zanatsika

Lova Sarobidy ny Zanatsika

Lova Sarobidy ny Zanatsika

“Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby [valisoa, “TV” ] ny ateraky ny kibo.”—SALAMO 127:3.

1. Ahoana no nampisy ny zazakely voalohany?

ERITRERETO ny zava-mahatalanjona vokatry ny fomba namoronan’i Jehovah Andriamanitra an’i Adama sy Eva, lehilahy sy vehivavy voalohany. Nitambatra ny tsirilahy sy ny tsirivavy avy tamin’izy ireo, ary nitombo tao an-kibon’i Eva, ka lasa olombelona. Io no zazakely voalohany. (Genesisy 4:1) Mbola mahazendana antsika hatramin’izao ny fiforonan’ny zaza sy ny fahaterahany. Fahagagana mihitsy izany ho an’ny maro.

2. Nahoana no azo lazaina ho fahagagana ny zava-mitranga ao an-kibon’ny vehivavy bevohoka?

2 Misy sela iray miforona ao an-kibon’ny vehivavy, rehefa manao firaisana amin’ny vadiny izy. Mitombo io sela io ary lasa zazakely misy sela an-tapitrisa tapitrisany, rehefa afaka sivy volana eo ho eo. Misy ny toromarika ilaina hamokarana ireo sela misy karazany 200 mahery ireo, ao anatin’ilay sela voalohany. Mahatalanjona sy tsy takatry ny saina ireo toromarika ireo. Manaraka izany toromarika izany ireo sela be pitsiny, ka mitombo amin’ny fomba mirindra sy maty paika mba ho lasa olombelona!

3. Nahoana ny ankamaroan’ny olona misaina no miaiky fa tsy maintsy ho Andriamanitra no namorona ny zazakely?

3 Iza àry, hoy ianao, no tena nanao ny zazakely? Azo antoka fa Ilay namorona ny aina no nanao azy. Nihira ny mpanao salamo hoe: “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika.” (Salamo 100:3) Fantatrareo tsara, ry ray aman-dreny, fa tsy ny fahaizanareo no nahavitanareo ny sombin’ny ainareo, izay sarobidy tokoa. Andriamanitra manana fahendrena tsy manam-petra ihany no mahavita fahagagana toy izany. Efa an’arivony taona ny olona misaina no miaiky, fa ilay Mpamorona Lehibe no mahatonga ny zaza hiforona ao an-kibon-dreniny. Miaiky izany koa ve ianao?—Salamo 139:13-16.

4. Inona no toetra ratsin’ny olombelona izay tsy hita amin’i Jehovah mihitsy?

4 Mpamorona manana fo vato ve anefa i Jehovah, ka nataony fotsiny izay hiterahan’ny lehilahy sy ny vehivavy fa tsy raharahainy akory ny zanak’izy ireo? Misy olona manana fo vato, fa tsy toy izany mihitsy i Jehovah. (Salamo 78:38-40) Hoy mantsy ny Baiboly ao amin’ny Salamo 127:3: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby [valisoa, TV ] ny ateraky ny kibo.” Hodinihintsika àry ny atao hoe lova sy ny dikan’izany ho antsika.

Lova sady valisoa

5. Nahoana no atao hoe lova ny zanaka?

5 Toy ny fanomezana ny lova. Matetika no tsy mitandro hasasarana ny ray aman-dreny, mba hamelana lova ho an-janany. Mety ho vola izany, na tany, na fananana sarobidy. Porofon’ny fitiavan’izy ireo izany, na inona na inona. Milaza ny Baiboly fa lova omen’Andriamanitra ny ray aman-dreny ny zanaka. Fanomezana ataony noho ny fitiavany izany. Raha ray ianao na reny, moa ve hita amin’ny ataonao fa mihevitra ny zanakao ho toy ny fanomezana nankinin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao taminao ianao?

6. Nahoana no nataon’Andriamanitra izay hahafahan’ny olona hiteraka?

6 Nanao io fanomezana io i Jehovah, mba ho feno taranak’i Adama sy Eva ny tany. (Genesisy 1:27, 28; Isaia 45:18) Tsy noforoniny tsirairay toy ny anjely an-tapitrisany ny olombelona. (Salamo 104:4, fanamarihana ambany pejy; Apokalypsy 4:11) Nataony kosa izay hahafahan’izy ireo hiteraka olona mitovitovy aminy. Tombontsoa lehibe tokoa ny miteraka sy mikarakara zanaka! Misaotra an’i Jehovah àry ve ianareo ray aman-dreny, noho izy nanome anareo io lova sarobidy io?

Mianara amin’i Jesosy

7. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa niahy sy nangoraka ny “zanak’olombelona” izy, fa tsy toy ny ray aman-dreny sasany?

7 Mampalahelo fa tsy ny ray aman-dreny rehetra no mihevitra ny zanaka ho valisoa. Maro no zara raha mangoraka ny zanany. Tsy manahaka an’i Jehovah na i Jesosy izy ireo. (Salamo 27:10; Isaia 49:15) Niahy ny tanora i Jesosy. Milaza ny Baiboly fa ‘naharavoravo azy ny zanak’olombelona’, na dia fony izy fanahy mahery tany an-danitra aza. (Ohabolana 8:31) Tena lalina ny fitiavany ny olombelona, hany ka namoy ny ainy ho vidim-panavotana izy, mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.—Matio 20:28; Jaona 10:18.

8. Inona no modely navelan’i Jesosy ho an’ny ray aman-dreny?

8 Namela modely faran’izay tsara ho an’ny ray aman-dreny i Jesosy, fony izy teto an-tany. Diniho ange izay nataony e! Nanokana fotoana hiarahana tamin’ny ankizy izy, na dia be atao sy sahiran-tsaina aza. Nijery azy ireo nilalao teny an-tsena izy, ary nampiasainy tamin’ny fampianarany ny zavatra sasany nataon’izy ireo. (Matio 11:16, 17) Nandritra ilay diany farany nankany Jerosalema, dia fantatr’i Jesosy fa hijaly sy ho faty izy. Tsy te hanampy trotraka ny fahorian-tsainy angamba ny mpianany, ka nandroaka ireo olona nitondra ankizy teo aminy. Nibedy azy ireo anefa i Jesosy. Mba hampisehoana fa “naharavoravo” azy tokoa ny ankizy, dia hoy izy: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza tadiavinareo hosakanana.”—Marka 10:13, 14.

9. Nahoana no zava-dehibe kokoa noho ny tenintsika ny ataontsika?

9 Afaka mianatra amin’i Jesosy isika. Ahoana no ataontsika, rehefa misy tanora te hiresaka amintsika? Ahoana raha sahirana isika amin’izay? Manao toa an’i Jesosy ve isika? Misy zavatra tadiavin’ny ankizy, indrindra fa avy amin’ny ray aman-dreniny, ary vonona nanome izany i Jesosy. Tsy inona izany fa fotoana sy fiahiana. Marina fa tena ilaina ny milaza hoe: “Tiako ange ity zanako ity e!” Misy heriny kokoa noho ny teny anefa ny atao. Ny ataonao no tena manaporofo ny fitiavanao, fa tsy ny teninao fotsiny. Ny fotoana iarahanao amin’ny zanakao sy ny fiahianao ary ny fikarakaranao azy no ahitana izany. Mety tsy hiharihary ny vokatr’izany, na tsy ho hitanao haingana araka ny antenainao. Mila maharitra àry ianao. Afaka mianatra ny haharitra isika, raha manahaka ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany.

Naneho faharetana sy fitiavana i Jesosy

10. Ahoana no nampianaran’i Jesosy ny mpianany hanetry tena, ary nandaitra ve ilay izy tamin’izay?

10 Fantatr’i Jesosy fa nifaninana mba ho ambony ny mpianany. Tonga tany Kapernaomy izy ireo indray mandeha, ary nanontanian’i Jesosy hoe: “ ‘Inona no nifandiranareo teny an-dalana?’ Fa tsy nahateny ireo, satria nifanditra ... ny amin’izay lehibe kokoa.” Tsy nibedy azy ireo anefa i Jesosy. Naharitra kosa izy ary nanome ohatra hampianarana azy ireo hanetry tena. (Marka 9:33-37) Nandaitra ve izany? Tsy teo no ho eo. Enim-bolana tatỳ aoriana mantsy, dia naniraka an-dreniny hankany amin’i Jesosy i Jakoba sy Jaona, mba hangataka ny toerana ambony indrindra ao amin’ny Fanjakany. Mbola naharitra ihany i Jesosy ary niezaka nanitsy ny fomba fisainan’izy ireo.—Matio 20:20-28.

11. a) Inona no fomba nahazatra tsy nataon’ny apostolin’i Jesosy, rehefa tonga tao amin’ny efitra iray ambony rihana izy ireo? b) Inona no nataon’i Jesosy, ary nisy vokany ve ny ezaka nataony tamin’izay fotoana izay?

11 Tsy ela taorian’izay dia tonga ny Paska taona 33. Nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray i Jesosy sy ny apostoliny, mba hankalaza azy io. Fanao tamin’izany andro izany ny nanasa ny tongotra feno vovok’ireo vahiny. Asa heverina ho ambany izany, ary ny mpanompo na ny vehivavy tao an-trano mazàna no nanao azy. Tsy nisy nanolo-tena hanao izany anefa ireo apostoly 12. (1 Samoela 25:41; 1 Timoty 5:10) Azo antoka fa nalahelo i Jesosy, rehefa nahita fa mbola naniry ho ambony foana ny mpianany! Izy mihitsy àry no nanasa ny tongotry ny tsirairay tamin’izy ireo. Nampirisika mafy azy ireo izy avy eo, mba hanompo ny hafa toy ny nataony. (Jaona 13:4-17) Nankatò ve izy ireo? Ny harivan’iny ihany, hoy ny Baiboly, dia ‘nifanditra mafy izy ireo momba ny hoe iza no noheverina ho lehibe indrindra teo aminy.’—Lioka 22:24.

12. Ahoana no anahafan’ny ray aman-dreny an’i Jesosy, rehefa miezaka mampiofana ny zanany izy ireo?

12 Azonao sary an-tsaina ve izay tsapan’i Jesosy? Takatrao tsara angamba izany, rehefa tsy mety manaraka ny torohevitrao ny zanakao. Mariho fa tsy niova avy hatrany ny mpianatr’i Jesosy, nefa tsy nitsahatra nanampy azy ireo izy. Nisy vokany ny faharetany tamin’ny farany. (1 Jaona 3:14, 18) Tokony ho be fitiavana sy haharitra toa an’i Jesosy ianareo ray aman-dreny, ka tsy hitsahatra hiezaka hampiofana ny zanakareo.

13. Nahoana no tsy tokony horoahina na hobedesina ny ankizy, rehefa te hanontany zavatra?

13 Mila tsapan’ny ankizy fa tia sy miahy azy ny ray aman-dreniny. Naniry hahafantatra izay tao an-tsain’ny mpianany i Jesosy, ka nihaino ny fanontaniana napetrak’izy ireo. Nanontany azy ireo ny heviny momba ny zavatra sasany koa izy. (Matio 17:25-27) Mila mihaino tsara sy tena miahy ny zanakao koa ianao, raha te hampianatra azy tsara. Rehefa mametraka fanontaniana ny ankizy, dia tokony hifehy tena ny ray aman-dreny mba tsy handroaka azy na hibedy azy hoe: “Lasa ianao mandeha! Tsy hitanao angaha fa sahirana aho?” Raha tena sahirana ianao, dia lazao aminy fa horesahinareo amin’ny manaraka ilay izy. Aza hadinoina ny miresaka momba ilay izy avy eo. Ho tsapan’ilay ankizy amin’izay fa tena miahy azy ny ray aman-dreniny, ka ho mora kokoa aminy ny hamboraka izay ao am-pony amin’izy ireo.

14. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana amin’i Jesosy momba ny fanehoana fitiavana ny zanak’izy ireo?

14 Mety ve ny misakambina sy mamihina ny ankizy, mba hanehoana fitiavana azy? Mbola afaka mianatra amin’i Jesosy indray ny ray aman-dreny eto. Milaza ny Baiboly fa “namihina ireo zaza izy ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.” (Marka 10:16) Araka ny hevitrao, inona no tsapan’ireo ankizy ireo tamin’izay? Azo antoka fa falifaly erỳ izy ireo, ary lasa tia an’i Jesosy! Ho mora kokoa amin’ny zanakao ny hanaiky hahitsinao sy hampianarinao, raha tena mifankatia ianareo.

Fotoana manao ahoana no tokony hatokana ho azy ireo?

15, 16. Inona no hevitra be mpitia momba ny fitaizan-janaka, ary inona no toa nahatonga izany?

15 Misy misalasala raha tena ilain’ny ankizy ny hanokanan’ny ray aman-dreniny fotoana betsaka hiarahana aminy sy ny hanehoan’izy ireo fitiavana azy. Nampirisihina àry ny ray aman-dreny, mba hanokana fotoana kely mahasoa hiarahana amin-janany. Milaza ny mpanohana an’io hevitra io, fa tsy voatery manokana fotoana betsaka hiarahana amin-janany ny ray aman-dreny. Fotoana kely, hono, dia efa ampy, raha voafaritra mialoha ilay izy, sady anaovan-javatra misy heviny sy voaomana tsara. Tsara ve io hevitra io? Ny hahasoa ny ankizy ve no tao an-tsain’ireo namorona azy io?

16 Niresaka tamin’ny ankizy maro ny mpanoratra iray, ka hitany fa ny tena notadiavin’izy ireo dia ny “hanokanan’ny ray aman-dreniny fotoana bebe kokoa hiarahana aminy”, ka “tsy hanao afa-tsy ny hikarakara azy izy ireo amin’izay.” Tsara homarihina ny tenin’ny profesora iray any amin’ny oniversite. Hoy izy: “Nanenjika ireo ray aman-dreny ny eritreriny, ka izany no namoronana ilay fitenenana [hoe fotoana kely mahasoa]. Nitady fialan-tsiny ny olona, mba ho kely kokoa ny fotoana hiarahany amin-janany.” Fotoana manao ahoana àry no tokony hatokana hiarahana amin’ny ankizy?

17. Mila manao inona ho an-janany ny ray aman-dreny?

17 Tsy faritan’ny Baiboly ny habetsahan’ny fotoana tokony hiarahana amin’ny ankizy. Nampirisihina kosa anefa ny Israelita mba hiresaka amin-janany, rehefa ao an-trano, eny an-dalana, sy rehefa matory, na mifoha. (Deoteronomia 6:7) Midika izany fa tsy maintsy nifampiresaka tamin-janany sy nampianatra azy ireo tsy tapaka ny Israelita isan’andro.

18. Ahoana no nanararaotan’i Jesosy ny fotoana rehetra mba hampiofanana ny mpianany, ary inona no ianaran’ny ray aman-dreny avy amin’izany?

18 Nampiofana ny mpianany i Jesosy, rehefa niara-nisakafo sy niara-nanao dia ary niara-niala voly tamin’izy ireo. Nanararaotra nampianatra azy ireo foana izy. (Marka 6:31, 32; Lioka 8:1; 22:14) Tokony hanararaotra ny fotoana rehetra koa ny ray aman-dreny kristianina, mba hiresahana tsara hatrany amin-janany sy hampiofanana azy hanaraka ny lalan’i Jehovah.

Inona no hampianarina ary amin’ny fomba ahoana?

19. a) Inona no ilaina, ankoatra ny fanokanana fotoana hiarahana amin’ny ankizy? b) Inona no zavatra voalohany tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany?

19 Tsy ampy ny manokana fotoana hiarahana amin’ny ankizy sy ny mampianatra azy, mba hitaizana tsara azy ireo. Zava-dehibe koa izay ampianarina azy. Asongadin’ny Baiboly toy izao izay tokony hampianarina: ‘Izao teny andidiako anao anio izao, dia ampianaro tsara ny zanakao.’ Inona ireo “teny” tokony hampianarina ny ankizy ireo? Azo inoana fa ny teny nolazaina talohan’izay, dia ny hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Deoteronomia 6:5-7) Nilaza i Jesosy fa io no lehibe indrindra amin’ny didin’Andriamanitra. (Marka 12:28-30) Ny momba an’i Jehovah no zavatra voalohany tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany. Tokony hohazavain’izy ireo aminy hoe nahoana no i Jehovah irery ihany no mendrika ny hotiavina sy hotompoina amin’ny fo manontolo.

20. Inona no nasain’Andriamanitra nampianarin’ny ray aman-dreny fahiny ny zanany?

20 Tsy ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ihany anefa no tafiditra amin’ireo “teny” asaina ampianarina ny ankizy ireo. Namerina nilaza ireo Didy Folo nosoratan’Andriamanitra tamin’ny vato fisaka i Mosesy, ao amin’ny Deoteronomia toko faha-5. Anisan’izany ny hoe aza mandainga, aza mangalatra, aza mamono olona, ary aza mijangajanga. (Deoteronomia 5:11-19) Araka izany, dia nantitranterina tamin’ny ray aman-dreny fa mila mampianatra ny zanany mba ho tsara fitondran-tena izy ireo. Izany koa no tokony hampianarin’ny ray aman-dreny kristianina ny zanany, raha tiany ho voaro sy ho sambatra izy ireo amin’ny hoavy.

21. Inona no dikan’ny hoe ‘mampianatra’ ny tenin’Andriamanitra amin’ny ankizy?

21 Mariho fa atoro ny ray aman-dreny koa ny fomba tokony hampianarany ireo “teny” na didy ireo. Voalaza eo hoe: “Ampianaro tsara ny zanakao izany.” Ny hoe ‘mampianatra’ eo dia midika hoe ‘mamerimberina sy miteny foana mba handentehana ao an-tsaina.’ Toy ny miteny amin’ny ray aman-dreny àry Andriamanitra, fa mila manao fandaharana izy ireo hampianarana Baiboly ny zanany, mba handentehana ny fahamarinana ao an-tsain’izy ireo.

22. Inona no nasaina nataon’ny Israelita mba hampianarany an-janany, ary inona no dikan’izany?

22 Mitaky finiavana avy amin’ny ray aman-dreny izany fampianarana izany. Hoy ny Baiboly: “Fehezo ho famantarana eo amin’ny tànanao ireny [“teny” na didin’Andriamanitra ireny], ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao, ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao.” (Deoteronomia 6:8, 9) Tsy midika akory izany fa tokony hosoratana ara-bakiteny eo amin’ny tolàm-baravarana sy ny vavahady ny lalàn’Andriamanitra, ary hofatorana eo amin’ny tanan’ny ankizy, sy hatao eo amin’ny handriny. Midika kosa ireo teny ireo fa tokony hampahatsiahivin’ny ray aman-dreny an-janany foana ny fampianaran’Andriamanitra. Tokony hatao tsy tapaka izany, mba ho toy ny hoe eo anoloan’izy ireo foana ny fampianaran’Andriamanitra.

23. Inona no hodinihintsika amin’ny fianarana amin’ny herinandro?

23 Inona ireo zava-dehibe sasany tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany? Nahoana no tena mila ampianarina sy ampiofanina hiaro tena ny ankizy ankehitriny? Inona no afaka manampy ny ray aman-dreny hampianatra tsara ny zanany? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany sy ny zavatra hafa mampanahy ny ray aman-dreny maro.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hihevitra ny zanany ho sarobidy?

• Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny olon-kafa ianarana amin’i Jesosy?

• Fotoana manao ahoana no tokony hatokan’ny ray aman-dreny hiarahana amin-janany?

• Inona no tokony hampianarina ny ankizy, ary amin’ny fomba ahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana amin’ny fomba fampianatr’i Jesosy?

[Sary, pejy 11]

Oviana ny Israelita no tokony ho nampianatra an-janany, ary tamin’ny fomba ahoana?

[Sary, pejy 12]

Tokony hataon’ny ray aman-dreny eo anoloan’ny zanany foana ny fampianaran’Andriamanitra