Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifanohitra Tokoa ve ny Siansa sy ny Baiboly?

Mifanohitra Tokoa ve ny Siansa sy ny Baiboly?

Mifanohitra Tokoa ve ny Siansa sy ny Baiboly?

INONA no fototr’ilay fifandiran’i Galilée sy ny Eglizy Katolika? Taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Copernic sy Galilée, dia efa nino ny Grika fahiny fa ny tany no eo afovoan’izao rehetra izao. Nampahalaza izany teoria izany ilay filozofa atao hoe Aristote (384-322 T.K.), sy ilay astronoma sady mpanandro atao hoe Ptolémée (taonjato faharoa A.K.). *

Nisy heriny teo amin’i Aristote ny hevitr’ilay Grika atao hoe Pythagore, izay mpahay matematika sy filozofa (taonjato fahenina T.K.). Niombon-kevitra tamin’i Pythagore i Aristote hoe boribory tanteraka ny faribolana sy ny bola. Noho izany, dia nino izy fa bola kristaly maro be ao anaty bola ny lanitra, toy ireo sosona maro amin’ny tongolobe, ary ny tany no eo afovoany. Manao faribolana, hono, ny kintana rehefa mihetsika, ary Andriamanitra, izay mipetraka amin’ilay bola lavitra indrindra, no mampihetsika azy ireny. Nino koa i Aristote fa tonga lafatra ny masoandro sy ny tenan-javatra hafa eny amin’ny lanitra, ka sady tsy misy pentina no tsy miovaova.

Tsy vokatry ny fikarohana ara-tsiansa ny teorian’i Aristote, fa nalaina avy tamin’ny filozofia. Araka ny heviny, dia tsy mitombina ny hoe mihetsika ny tany. Tsy nekeny koa hoe misy faritra babangoana eo amin’izao rehetra izao. Nino mantsy izy fa hifampikasoka amin-javatra hafa ny tany raha mihetsika, ary hijanona tsy hihetsika izy io raha vao tsy misy hery manosika azy. Toa nifanaraka tamin’ny fahalalana tamin’izany andro izany ny teorian’i Aristote, ka nanaiky azy io ny ankamaroan’ny olona nandritra ny 2 000 taona latsaka kely. Mbola nalaza ihany izy io na dia tamin’ny andron’ilay filozofa frantsay atao hoe Jean Bodin, tany amin’ny taonjato faha-16 aza. Hoy izy: ‘Tsy hisy olona misaina na mahafantapantatra kely momba ny fizika mihitsy hilaza fa mihodidina amin’ny tenany sy ny masoandro ny tany, izay sady mavesatra no goavana. Vao mihetsika kely fotsiny izy io, dia hirodana ny tanàna sy ny manda ary ny tendrombohitra.’

Neken’ny eglizy ny teorian’i Aristote

Anisan’ny nahatonga ilay fifandonana teo amin’i Galilée sy ny eglizy koa ny zava-nitranga tamin’ny taonjato faha-13. Nanaja fatratra an’i Aristote ny teolojianina katolika iray atao hoe Thomas d’Aquin (1225-1274). Nilaza izy fa filozofa tsy manan-tsahala i Aristote. Noho izany, dia niezaka mafy nampiditra ny filozofian’i Aristote tao amin’ny fampianaran’ny eglizy i Thomas d’Aquin, nandritra ny dimy taona. Milaza i Wade Rowland ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fahadisoan’i Galilée (anglisy) fa tamin’ny andron’i Galilée, dia “lasa anisan’ny foto-pinoan’ny Eglizin’i Roma ny teolojian’i Thomas d’Aquin, izay nifangaro tamin’ny filozofian’i Aristote.” Tadidio koa fa tsy nahaleo tena ny mpahay siansa tamin’izany andro izany. Ny fivavahana mantsy no tena nisahana ny fampianarana, ka ny eglizy irery ihany matetika no nandidy sy nanapaka teo amin’ny resaka fivavahana sy siansa.

Izany rehetra izany no nahatonga ilay fifandonana teo amin’i Galilée sy ny eglizy. Efa nanoratra boky momba ny fihetsehan’ny zavatra amin’ny ankapobeny i Galilée, talohan’ny nanaovany astronomia. Notoheriny tao amin’izy io ny hevitra maro naroson’i Aristote, ilay filozofa nohajaina fatratra. Ny antony nitsarana azy teo anoloan’ny Inquisition tamin’ny 1633 anefa, dia noho izy nanohana ilay hevitra hoe ny masoandro no eo afovoan’izao rehetra izao, ary nilaza fa mifanaraka amin’ny Soratra Masina izany.

Mba hiarovany tena, dia nanizingizina i Galilée fa nino mafy izy hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Nilaza koa izy fa natao ho an’ny olon-tsotra izy io, ary tsy tokony horaisina ara-bakiteny rehefa milaza fa toa nihetsika ny masoandro. Herim-po very maina anefa ny azy. Nomelohina izy, satria tsy nanaiky ny fanazavana ny Baiboly niorina tamin’ny filozofia grika! Tamin’ny 1992 ny Eglizy Katolika vao niaiky fa diso io didim-pitsarana navoakany io.

Ny lesona azontsika raisina

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ny fampianaran’ny eglizy no nampisalasala an’i Galilée, fa tsy ny fahamarinan’ny Baiboly mihitsy. Nisy mpanoratra boky momba ny fivavahana nilaza hoe: “Izao no ianarantsika avy amin’i Galilée: Tsy hoe nanaraka akaiky loatra ny fampianaran’ny Baiboly akory ny Eglizy, fa tsy nanaraka izany araka ny tokony ho izy.” Ny lovantsofina no narahin’ny eglizy fa tsy ny Baiboly, rehefa nampifangaroiny ny filozofia grika sy ny teolojia.

Mampahatsiahy antsika izao fampitandreman’ny Baiboly izao izany: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.”—Kolosianina 2:8.

Mbola manaiky teoria sy filozofia mifanohitra amin’ny Baiboly ihany ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny Kristianisma Anarana ankehitriny. Anisan’izany ny teorian’i Darwin momba ny evolisiona. Aleon’izy ireo mino azy io toy izay ny tantaran’ny famoronana ao amin’ny Genesisy. Neken’ny fivavahana àry ny hevitra naroson’i Darwin, toy ny nanekeny ny teorian’i Aristote. Lazainy fa marina ny evolisiona. *

Mifanaraka ny tena siansa sy ny Baiboly

Tsy midika akory izany hoe tsy tokony hahaliana antsika ny siansa. Ny Baiboly mihitsy no mampirisika antsika hiana-javatra avy amin’ny zavaboarin’Andriamanitra, sy hamantatra ny toetrany mahatalanjona hita taratra amin’izany. (Isaia 40:26; Romanina 1:20) Mazava ho azy fa tsy boky momba ny siansa ny Baiboly. Hita ao kosa ny fitsipik’Andriamanitra, ny toetrany sasany tsy hita eo amin’ny zavaboary, ary ny fikasany ho an’ny olona. (Salamo 19:7-11; 2 Timoty 3:16) Marina foana anefa izay lazain’ny Baiboly momba ny natiora. Hoy i Galilée: “Samy avy amin’Andriamanitra ny Soratra Masina sy ny natiora ... Samy marina ireo, ka tsy afaka ny hifanipaka mihitsy.” Diniho ireto ohatra ireto.

Zava-dehibe kokoa noho ny fihetsehan’ny kintana sy ny planeta ny lalàna mifehy izao rehetra izao, toy ny lalàn’ny sinton’ny tany. Ankoatra ny Baiboly, dia i Pythagore no fantatra fa niresaka voalohany momba ny lalàn’ny natiora. Nino izy fa misy kajy azo atao hanazavana ny fihetsehan’ireo zavatra eo amin’izao rehetra izao. Roa arivo taona tatỳ aoriana, dia voaporofon’i Galilée sy Kepler ary Newton, fa misy lalàna mirindra tsara mifehy ny zavatra hita maso rehetra.

Raha ny Baiboly no jerena, dia ny bokin’i Joba no miresaka voalohany momba ny lalàn’ny natiora. Nanontany an’i Joba Andriamanitra tany amin’ny taona 1600 T.K. tany ho any hoe: “Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra?” (Joba 38:33) Milaza koa ny bokin’i Jeremia, izay nosoratana tamin’ny taonjato fahafito T.K., fa i Jehovah no nanao ny “lalàna harahin’ny volana aman-kintana” sy “ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany.” (Jeremia 31:35, Fandikan-teny Katolika; Jeremia 33:25) Izany no nahatonga an’i G. Rawlinson, mpanazava ny Baiboly, hilaza hoe: “Ny Baiboly sy ny siansa maoderina dia samy manamafy fa misy lalàna mifehy izao rehetra izao hita maso.”

Efa arivo taona talohan’i Pythagore no nanoratan’i Joba ireo teniny ireo. Tadidio fa tsy hilaza ny zava-misy fotsiny no antony nanoratana ny Baiboly, fa hampiekena antsika hoe i Jehovah no namorona ny zava-drehetra. Izy no namorona ny lalàn’ny natiora.—Joba 38:4, 12; 42:1, 2.

Ohatra iray azontsika raisina koa ny tsingerin’ny rano. Raha tsorina, dia miakatra ho etona ny ranomasina, miforona ny rahona, milatsaka ho orana na lanezy izany avy eo, ary miverina any amin’ny ranomasina indray. Nosoratana tany amin’ireo taona 300 T.K. ny boky tranainy indrindra miresaka momba izany. Ny Baiboly kosa anefa efa niresaka momba izany an-jatony taona mialoha. Talohan’ny taona 1000 T.K., ohatra, dia nanoratra i Solomona mpanjakan’ny Israely hoe: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.”—Mpitoriteny 1:7.

Nanoratra momba izany koa i Amosa mpaminany, izay tantsaha sady mpiandry ondry, tamin’ny taona 800 T.K. tany ho any. Nilaza izy fa i Jehovah no “miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ny tany.” (Amosa 5:8) Tsy nampiasa teny sarotra i Solomona sy Amosa ilazana ny tsingerin’ny rano. Samy marina anefa ny tenin’izy ireo, na dia tsy tena mitovy aza ny fomba nilazany azy.

Milaza koa ny Baiboly fa “manantona ny tany amin’ny tsy misy” Andriamanitra. (Joba 26:7) Tany amin’ny taona 1600 T.K. tany ho any no nosoratana ireo teny ireo. Raha jerena ny fahalalan’ny olona tamin’izany, dia tsy maintsy ho faran’izay nahay ny olona sahy nilaza, fa afaka mitsingevaheva eny amin’ny habakabaka ny zavatra mivaingana iray. Efa hitantsika teo fa na dia i Aristote aza tsy nino hoe misy faritra babangoana eo amin’izao rehetra izao, nefa velona 1 200 taona tatỳ aoriana izy!

Tsy mahavariana anao ve ny fahamarinan’ny Baiboly, rehefa oharina amin’ny hevi-diso ninoan’ny olona fa nitombina tamin’izany andro izany? Vao mainka izany manaporofo fa avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Hendry àry isika raha tsy mora mino izay fampianarana na teoria rehetra mifanohitra amin’izy io. Hita teo amin’ny tantara fa vetivety ihany no be mpitia ny teorian’ny olombelona, eny fa na dia ny teorian’ireo avara-pianarana aza. “Ny tenin’i Jehovah [kosa anefa] maharitra mandrakizay.”—1 Petera 1:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tamin’ny taonjato fahatelo T.K., dia nilaza ilay Grika atao hoe Aristarque avy any Samos, fa mety ho ny masoandro no eo afovoan’izao rehetra izao. Naleon’ny olona anefa nino an’i Aristote.

^ feh. 12 Misy tsipiriany momba izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1994, pejy 4-6, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Ny Fihetsiky ny Protestanta

Nokianin’ny mpitarika ny Fanavaozana Protestanta koa ilay teoria hoe ny masoandro no eo afovoan’izao rehetra izao. Anisan’ireo mpitarika ireo i Martin Luther (1483-1546), sy Philipp Melanchthon (1497-1560), ary Jean Calvin (1509-1564). Hoy i Luther momba an’i Copernic: “Te hanova tanteraka ny astronomia ilay adala iny.”

Nandray ara-bakiteny ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly ny mpitondra fanavaozana, mba hanaporofoana ny heviny. Anisan’ireny tantara ireny ny Josoa toko faha-10, milaza fa “nijanona” ny masoandro sy ny volana. * Nahoana ireo mpitondra fanavaozana ireo no tsy nety nanaiky fa ny masoandro no eo afovoan’izao rehetra izao? Manazava ilay boky hoe Fahadisoan’i Galilée fa mbola “nisy heriny lehibe” teo amin’izy ireo ihany ny hevitr’i Aristote sy Thomas d’Aquin, na dia efa tsy nekeny intsony aza ny fahefan’ny papa. “Samy nanaiky” ny hevitr’izy mirahalahy ireo “ny Katolika sy ny Protestanta.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 28 Raha ny siansa no jerena, dia tsy marina ny fitenenana hoe “miposaka” sy “milentika” ny masoandro. Marina anefa ireo teny fampiasa isan’andro ireo, satria izany tokoa no hitantsika avy etỳ an-tany. Toy izany koa, fa tsy niresaka momba ny astronomia i Josoa, fa nilaza fotsiny ny zavatra hitany.

[Sary]

Luther

Calvin

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky Servetus and Calvin, 1877

[Sary, pejy 4]

Aristote

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky A General History for Colleges and High Schools, 1900

[Sary, pejy 5]

Thomas d’Aquin

[Sary, pejy 5]

Avy amin’ny boky Encyclopedia of Religious Knowledge, 1855

[Sary, pejy 6]

Isaac Newton

[Sary, pejy 7]

Efa 3 000 taona mahery ny Baiboly no nilazalaza ny amin’ny tsingerin’ny rano