Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Lovanareo

Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Lovanareo

Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Lovanareo

“Fialokalofana ny fahendrena ... Maharo ny ain’ny manana azy [izy io].”—MPITORITENY 7:12.

1. Nahoana no tokony hihevitra ny zanany ho toy ny fanomezana ny ray aman-dreny?

MITERAKA zaza mitovitovy endrika sy toetra aminy ny ray aman-dreny. Antsoin’ny Baiboly hoe “lova avy amin’i Jehovah” ireny zaza ireny. (Salamo 127:3) Fananan’i Jehovah nankininy tamin’ny ray aman-dreny tokoa izy ireny, satria izy no tena Mpanome aina. (Salamo 36:9) Ry ray aman-dreny, ahoana no fiheveranareo io fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra io?

2. Inona no nataon’i Manoa rehefa reny fa ho bevohoka ny vadiny?

2 Tena tokony hankasitrahana sy horaisina amim-panetren-tena io fanomezana io. Izany no nataon’ilay Israelita antsoina hoe Manoa, rehefa nilazan’ny anjely fa hitoe-jaza ny vadiny, 3 000 taona lasa izay. Vao nahare ilay vaovao tsara i Manoa, dia nivavaka hoe: “Ry Tompo ô, aoka hankaty aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.” (Mpitsara 13:8) Inona no azonareo ray aman-dreny ianarana avy amin’i Manoa?

Nahoana no ilaina ny fanampian’Andriamanitra ankehitriny?

3. Nahoana no tena mila ny fanampian’i Jehovah ireo mitaiza ankehitriny?

3 Mila ny fanampian’i Jehovah noho ny hatramin’izay ny ray aman-dreny mitaiza zanaka ankehitriny. Nahoana? Satria natsipy tetỳ an-tany i Satana Devoly sy ny anjeliny. Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany ... fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:7-9, 12) Hazavainy koa fa “tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka”, i Satana. (1 Petera 5:8) Ny marefo indrindra, izany hoe ny tanora, matetika no ataon’ny liona rembiny. Hendry àry ny ray aman-dreny kristianina raha mitady ny tari-dalan’i Jehovah, mba hiarovana ny zanany. Miezaka mafy hiaro ny zanakao ve ianao?

4. a) Inona no hataon’ny ray aman-dreny, raha fantany fa misy liona mihaodihaody eo an-tanànany? b) Inona no ilain’ny ankizy mba hahavoaro azy?

4 Raha fantatrao fa misy liona mihaodihaody eo an-tanànanareo, dia azo antoka fa izay hiarovana ny zanakao no ahinao voalohany. Toy ny biby mpihaza i Satana. Mitarika ny vahoakan’Andriamanitra hanao ratsy izy, mba tsy hahazoan’izy ireo sitraka amin’Andriamanitra. (Joba 2:1-7; 1 Jaona 5:19) Ny ankizy no tena mora fandrihana. Tsy maintsy mianatra momba an’i Jehovah sy mankatò azy àry izy ireo, raha tsy te ho voafandriky ny Devoly. Tena ilainy ny mianatra Baiboly. Hoy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Mila fahendrena koa ny ankizy, izany hoe mila mahazo sy mampihatra izay ianarany. Tokony hataonao latsa-paka ao am-pon’ny zanakao àry ny fahamarinana, satria “maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12) Ahoana no anaovana izany?

5. a) Ahoana no anampiana ny ankizy ho hendry? b) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hasarobidin’ny fahendrena?

5 Azonao amakiana Baiboly ny zanakao, ary izany mihitsy no tokony hataonao. Tsy ampy anefa izany raha tianao ho tia sy hankatò an’i Jehovah izy. Tokony ho azony koa izay vakina aminy. Intỳ misy ohatra: Mety ho nilazana ny ankizy fa tsy maintsy mijery tsara ny havia sy ny havanana izy, vao miampita arabe. Misy ihany anefa ny tsy mankatò. Nahoana? Tsy naverimberina taminy angamba fa mety ho voadonan’ny fiara izy raha tsy manao izany, na tsy nantitranterina taminy fa mampidi-doza izany. Mbola ao aminy ihany àry ilay “hadalana” mety hitarika ho amin’ny loza. Mitaky fotoana sy faharetana ny manampy ankizy ho hendry. Sarobidy be anefa ny fahendrena! Hoy ny Baiboly: “Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.”—Ohabolana 3:13-18; 22:15.

Fampianarana mampahahendry

6. a) Nahoana no manaonao foana ny ankizy matetika? b) Inona no ady mitranga ankehitriny?

6 Manaonao foana ny ankizy matetika, satria tsy nanohina ny fony ny zavatra nampianarina azy, fa tsy hoe tsy natoro azy akory izay tsara. Miady mafy ny Devoly mba hahazoana ny fon’ny tanora. Ataony izay hitaoman’ity tontolo ratsy ity azy ireo. Hararaotiny koa ny fanirian-dratsy nolovan’izy ireo. (Genesisy 8:21; Salamo 51:5) Mila miaiky àry ny ray aman-dreny fa misy miady mafy mba hahazo ny fon-janany.

7. Nahoana no tsy ampy fotsiny ny milaza amin’ny ankizy izay mety sy tsy mety?

7 Mazàna ny ray aman-dreny no milaza amin-janany izay mety sy tsy mety. Heveriny fa izany no fomba ampianarana azy hanana fitsipi-pitondran-tena. Mety hilaza amin-janany izy fa ratsy ny mandainga, ny mangalatra, na ny manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny. Kanefa tsy hoe rehefa ny ray aman-dreny no miteny izany, dia hankatò ilay ankizy. Mila antony mavesa-danja kokoa izy hanaovana izany. Tokony ho takany fa izany no lalàn’i Jehovah. Tokony hampianarina azy àry fa fahendrena ny mankatò izany.—Ohabolana 6:16-19; Hebreo 13:4.

8. Inona no tokony hampianarina ny ankizy, mba hampahahendry azy?

8 Izao rehetra izao saro-takarina sy ireo zavaboary maro karazana ary ny fizaran-taona, dia samy afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa tena misy Mpamorona faran’izay hendry. (Romanina 1:20; Hebreo 3:4) Tokony hampianarina azy fa tia azy Andriamanitra, ka nanome ny Zanany ho sorona mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Tokony hampahalalana azy koa fa mampifaly an’Andriamanitra izy, raha mankatò azy. Azo inoana fa haniry hanompo an’i Jehovah ilay ankizy amin’izay, na dia mitady hisakana azy tsy hanao izany aza ny Devoly.—Ohabolana 22:6; 27:11; Jaona 3:16.

9. a) Mitaky inona ny fampianarana mamonjy aina? b) Inona no asaina ataon’ny ray, ary inona no tafiditra amin’izany?

9 Mitaky fotoana sy fiomanana tsara ny fampianarana ny ankizy, mba hiarovana sy hanampiana azy hanao ny tsara. Mila anehoana fiahiana koa izy ireo. Tokony hanaiky ny tari-dalan’Andriamanitra àry ny ray aman-dreny. Hoy ny Baiboly: “Ianareo ray, ... tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah [ny zanakareo].” (Efesianina 6:4) Inona no hevitr’izany? Midika hoe “mampiditra hevitra ao amin’ny”, ilay teny grika nadika hoe ‘fomba fisainana.’ Ampirisihina àry ny ray hampiditra ny hevitr’i Jehovah ao an-tsain-janany. Azo antoka fa hiaro ny ankizy izany! Raha ampidirina ao an-tsainy ny hevitr’Andriamanitra, na ny fomba fisainany, dia hisakana azy tsy hanao ratsy izany. 

Atosiky ny fitiavana

10. Inona no zava-dehibe tokony ho fantatrao, mba hampianaranao tsara ny zanakao?

10 Ny fitiavana no tokony hahatonga anao haniry hitaiza tsara ny zanakao. Tena ilaina ny fifampiresahana. Fantaro izay mitranga eo amin’ny fiainan’ny zanakao sy ny fomba fiheviny. Ampirisiho moramora izy hiresaka, rehefa miara-mipetrapetraka iny ianareo. Tsy hampoizinao angamba indraindray ny zavatra holazainy. Mitandrema anefa mba tsy sosotra, ary henoy tsara ny teniny.

11. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampiditra ny hevitr’Andriamanitra ao an-tsain-janany?

11 Mety ho efa nasehonao ny zanakao avy ao amin’ny Baiboly, fa voararan’Andriamanitra ny fitondran-tena maloto. Efa imbetsaka mihitsy aza angamba ianao no nanao izany. (1 Korintianina 6:18; Efesianina 5:5) Mety ho fantany tsara àry hoe inona no mampifaly an’i Jehovah sy tsy mampifaly azy. Tsy ampy anefa izany mba hampidirana ny hevitr’i Jehovah ao an-tsain’ny ankizy. Tokony hampiana izy hisaintsaina ny hasarobidin’ny lalàny. Tokony ho resy lahatra izy fa tsara sy mahasoa ireny lalàna ireny, ary ho hita fa tia an’i Jehovah izy rehefa mankatò azy ireny. Asaivo saintsaininy àry izay voalazan’ny Baiboly, mba hanekeny ny fihevitr’Andriamanitra. Rehefa manao izany ihany ianao, vao tena mampiditra ny hevitr’i Jehovah ao an-tsain-janakao.

12. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hanampiana ny zanany hanaiky ny lalàn’i Jehovah momba ny firaisana?

12 Rehefa miresaka momba ny firaisana ianareo mianaka, dia afaka manontany azy ianao hoe: “Tsy ho sambatra ve ny olona raha mankatò ilay lalàn’i Jehovah hoe tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana?” Ampirisiho izy hanazava ny valin-teniny. Resaho aminy indray fa fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra ny fahafahana miteraka. Anontanio izy avy eo hoe: “Hanao lalàna tsy hahasambatra antsika ve ilay Andriamanitsika be fitiavana? Sa natao hahasambatra sy hiaro antsika ny lalàny?” (Salamo 119:1, 2; Isaia 48:17) Fantaro izay hevitry ny zanakao momba izany. Afaka manome ohatra koa ianao, ampisehoana fa miteraka ratram-po sy olana ny fitondran-tena maloto. (2 Samoela 13:1-33) Efa mampiditra ny hevitr’Andriamanitra ao an-tsain-janakao tokoa ianao, rehefa mampisaintsaina azy mba hahazoany sy hanekeny ny fihevitr’Andriamanitra. Mbola misy zavatra hafa azonao atao anefa.

13. Inona no tokony ho takatry ny ankizy, ka tena hanosika azy hankatò an’i Jehovah?

13 Tsy ny vokatry ny tsy fankatoavana an’i Jehovah ihany no tokony hampianarinao ny zanakao. Mila hazavaina aminy koa fa misy fiantraikany eo amin’i Jehovah ny fomba fiainantsika. Atoroy azy ao amin’ny Baiboly fa malahelo izy, rehefa tsy manao ny sitrapony isika. (Salamo 78:41) Afaka manontany ianao hoe: “Nahoana ianao no tsy te hampalahelo an’i Jehovah?” Avy eo dia hazavao hoe: “Araka ny tenin’i Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra, dia fitiavan-tena no anompoantsika an’i Jehovah, fa tsy tena fitiavana.” Hazavao aminy fa tsy nivadika i Joba, ka nampifaly ny fon’Andriamanitra sady nanaporofo fa diso ny fiampangan’i Satana. (Joba 1:9-11; 27:5) Tokony ho azon’ny zanakao tsara fa mety hampalahelo na hampifaly an’i Jehovah ny ataony. (Ohabolana 27:11) Azo ampiasaina ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, * mba hampianarana ny ankizy lesona lehibe toy izany sy ny maro hafa koa.

Voka-tsoa

14, 15. a) Inona avy no lesona ao amin’ny boky Mpampianatra, nisy vokany teo amin’ny ankizy? b) Inona no vokatra tsara azonao tamin’ny fampiasana an’io boky io? (Jereo ny efajoro, pejy 18-19.)

14 Namaky ny boky Mpampianatra tamin’ny zafikeliny fito taona ny rangahy iray, any Kroasia. Hoy ilay zafikeliny taminy: “Nisy zavatra nasain’i Neny nataoko, nefa tsy te hanao ilay izy aho. Tadidiko avy eo ilay toko hoe ‘Miaro Anao ny Fankatoavana’, ka nankany amin’i Neny aho niteny taminy fa hankatò azy.” Niresaka momba ilay toko hoe “Nahoana no Ratsy ny Mandainga?” ny mpivady iray any Floride, Etazonia. Hoy izy ireo: “Mampirisika ny ankizy hilaza izay ao am-pony ny fanontaniana ao amin’izy io, sady mahatonga azy ireo hiaiky fahadisoana, izay tsy ho nekeny mihitsy raha tsy izany.”

15 Misy sary maherin’ny 230 ao amin’ny boky Mpampianatra, ary misy fanazavana miaraka amin’ny sary tsirairay na maromaro. Hoy ny vehivavy iray, tena mankasitraka ilay boky: “Matetika ny zanako no mibanjina sary iray, sady tsy avelany avadika mihitsy ilay pejy misy azy. Tsy hoe tsara fotsiny ny sary ao amin’ilay boky, fa mampita lesona koa, na fara faharatsiny, mampirisika ny ankizy hametraka fanontaniana. Rehefa nijery ny sarin’ilay ankizy mijery tele ao anaty haizina, ohatra, ny zanako, dia nanontany hoe: ‘Neny a, inona kay no ataon’io ankizilahy io?’ Reko tamin’ny feony fa fantany hoe misy zavatra tsy mety ataon’ilay ankizy.” Izao no fanazavana miaraka amin’ilay sary: “Iza no afaka mahita ny zavatra rehetra ataontsika?”

Fampianarana tena ilaina ankehitriny

16. Inona no zava-dehibe tokony hampianarina ny ankizy ankehitriny, ary nahoana?

16 Tokony ho fantatry ny ankizy ny fomba mety sy tsy mety ampiasana ny filahiany sy ny fivaviany. Tsy mora foana anefa ny miresaka momba izany. Nisy mpanao gazety nilaza fa nahamenatra ny nampiasa ireo teny ireo, tamin’izy mbola kely. Izao no nolazainy rehefa mampianatra izany an-janany izy: “Tsy maintsy mandresy ny henatro aho.” Tsy miaro ny zanany ny ray aman-dreny, raha tsy mety miresaka aminy momba ny firaisana, noho ny henatra. Manararaotra ny tsy fahalalan’ny ankizy mantsy ny mpametaveta. Miresaka momba izany amin’ny fomba tsara sy mihaja ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Tsy mandoto ny sain’ny ankizy velively ny fampahafantarana azy momba ny firaisana. Ny tsy firesahana momba izany kosa no mety hahatonga azy ho lavo.

17. Hazavao fa manampy ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany momba ny firaisana ny boky Mpampianatra.

17 Miresaka momba ireo anjely ratsy nidina tetỳ an-tany sy nanan-janaka, ny toko faha-10 amin’ilay boky. Misy fanontaniana ao manao hoe: “Inona no zavatra fantatrao momba ny firaisana?” Mamaly izany amin’ny fomba tsotra sy mihaja ilay boky. Hazavaina ao amin’ny toko faha-32 ny fomba iarovana ny ankizy amin’ireo mpametaveta. Tena zava-dehibe izany fampianarana izany, araka ny hita tamin’ireo taratasy maro voaray. Hoy ny vehivavy iray: “Nitondra an’i Javan zanako lahy tany amin’ny dokotera aho tamin’ny herinandro. Nanontany ahy ilay dokotera raha efa noresahinay mianaka ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny filahiana sy ny fivaviana. Gaga be izy rehefa nilazako fa nanampy anay hiresaka momba izany ilay bokintsika vaovao.”

18. Inona no lazain’ny boky Mpampianatra momba ny fananganan-tsaina?

18 Misy toko ao amin’io boky io miresaka momba an’ireo tanora hebreo telo lahy resahin’ny Baiboly, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Tsy nety niankohoka tamin’ny tsangambato nampiseho ny Fanjakana Babylonianina izy ireo. (Daniela 3:1-30) Mety tsy hampifandraisin’ny olona toy ny hita ao amin’ny boky Mpampianatra, ny fivavahana amin’ny tsangambato sy ny fananganan-tsaina. Mariho anefa ny tenin’ilay mpanoratra atao hoe Edward Gaffney, tao amin’ny gazety Katolika Amerikanina. Nilaza taminy ny zanany vavy, taorian’ny andro voalohany nianarany tany amin’ny sekolim-panjakana, fa nampianarina “vavaka vaovao [izy] tany am-pianarana.” Nasainy naverin’ilay zanany àry ilay vavaka. Hoy i Gaffney: “Nataony teo amin’ny fony ny tanany, ary kevoka erỳ izy nanao hoe: ‘Mianiana aho fa tsy hivadika amin’ny sainam-pirenena ...’ ” “Nisy hevitra nazava tampoka tamiko tamin’izay”, hoy i Gaffney. “Marina ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Volavolaina dieny mbola kely tokoa ny ankizy eny anivon’ny sekolintsika mba hivavaka amin’ny firenena, ka tsy hivadika amin’izy io na inona na inona mitranga.”

Tsy very maina ny ezaka ataonao

19. Inona avy no soa azo rehefa mampianatra ny ankizy?

19 Tsy very maina mihitsy ny ezaka ataonao mba hampianarana ny zanakao. Latsa-dranomaso ny vehivavy iray any Kansas, Etazonia, rehefa naharay taratasy avy tamin-janany lahy. Izao no nosoratany: “Tena sambatra aho satria niaro sy nanampy ahy hahay handanjalanja ny fitaizanareo. Mendri-piderana mihitsy ianareo sy Dada.” (Ohabolana 31:28) Afaka manampy ray aman-dreny maro hampianatra ny zanany sy hiaro io lova sarobidy io, ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe.

20. Inona foana no tokony hotadidin’ny ray aman-dreny, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo aminy?

20 Mendrika ny hanokanantsika fotoana betsaka araka izay azo atao ny zanatsika, ary mendrika hanehoana fiahiana sy hanaovana ezaka be koa. Mandalo ihany ny fotoana maha ankizy azy. Hararaoty àry ny fotoana rehetra mba hiarahana aminy sy hanampiana azy. Tsy hanenenanao mihitsy izany. Hanjary ho tia anao izy. Tadidio foana fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zanakao. Lova sarobidy tokoa izy ireny! (Salamo 127:3-5) Karakarao tsara àry izy ireo. Ataovy toy ny hoe mbola hampamoahin’Andriamanitra ianao ny amin’ny fomba nitaizanao azy ireny, ary izany tokoa no izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ny toko 40 hoe “Ahoana no Hampifaliana An’Andriamanitra?”

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana ny ray aman-dreny no tena mila miaro ny zanany ankehitriny?

• Inona no tokony hampianarina ny ankizy, mba hampahahendry azy?

• Inona avy ireo foto-kevitra lehibe tokony hiarahanao midinika amin’ny zanakao?

• Ahoana no nanampian’ny boky Mpampianatra ny ray aman-dreny sasany, mba hampianatra ny zanany?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 18, 19]

Boky ho An’ny Rehetra

Natao hanampiana ny ray aman-dreny sy ny olon-dehibe hamaky, sy hiara-midinika ny fampianaran’i Jesosy Kristy amin’ny ankizy, ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Tena nankasitraka izay nianarany tao koa anefa, ny olon-dehibe efa namaky azy io.

Hoy ny lehilahy iray any Texas, Etazonia: “Tsotra ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, ka manintona ny saina sy manosika hanao zavatra. Voakasik’izany daholo ny sokajin-taona rehetra, eny fa na izaho izay efa 76 taona aza. Misaotra indrindra, hoy ny olona iray efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny fahatanorany.”

Hoy ny mpamaky iray avy any Londres, Angletera: “Tena tian’ny ray aman-dreny sy ny ankizy ireo fanoharana mahafinaritra ao. Manintona ny endrik’ilay boky sy ireo fanontaniana ao anatiny. Mora azo ny fomba nanazavany ireo foto-kevitra sarotra, toy ilay hita eo amin’ny toko faha-32 hoe ‘Ahoana no Niarovana An’i Jesosy?’ ” Hoy ny famaranan-teniny: “Na dia natao indrindra ho an’ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah aza ilay boky, dia heveriko fa tena ho faly hahazo azy io koa ny mpampianatra sy ny olon-kafa. Tsy andriko izay hampiasana ilay boky mandritra ireo volana sy taona ho avy.”

Nilaza ny heviny momba ireo “sary voaomana tsara” ao anatin’izy io ny vehivavy iray avy any Massachusetts, Etazonia. Hoy izy: “Hitako fa afaka manampy antsika olon-dehibe mba hifandray tsara amin’i Jehovah koa ireo foto-kevitra dinihina ao anatin’ilay boky, na dia natao ho an’ny ankizy aza izy io.”

“Hatsaran’izay boky re izany!”, hoy ny vehivavy iray avy any Maine, Etazonia. “Tsy natao ho an’ny ankizy ihany ilay izy, fa ho antsika zanak’Andriamanitra rehetra koa. Tena nanohina ny foko sy nanamaivana ny fahorian-tsaiko ilay boky, ary nanome ahy fiadanana anaty. Mahatsiaro ho tena akaiky an’i Jehovah Raiko aho. Nesoriny avokoa ny ratram-po rehetra nahazo ahy hatramin’ny taona maro, ary nataony nazava kokoa tamiko ny fikasany.” Hoy izy namarana ny teniny: “Mampirisika ny rehetra aho hoe: ‘Mba vakio re io boky io e!’ ”

Nilaza ny vehivavy iray avy any Kyoto, Japon, rehefa namaky ilay boky tamin’ny zafikeliny, fa nametraka fanontaniana maro izy ireo. Toy ny hoe: “ ‘Maninona ity ankizilahy ity? Nahoana no bedy ity ankizivavy kely ity? Ary inona no ataon’ny neniny? Ary ity liona ity?’ Betsaka ny zavatra mahaliana ampianarin’ilay boky, ka tiako kokoa noho ny boky hafa rehetra mety ho hitako eny amin’ny tranomboky izy io.”

Nanomboka namaky ilay boky tamin’ny zanany vavy enin-taona sy ny zanany lahy sivy taona ny raim-pianakaviana iray avy any Calgary, Kanada, raha vao nahazo azy io. Hoy izy: “Nahavariana fa nahitam-bokatra teo no ho eo ilay izy. Nanaraka tsara izy ireo ary namaly ireo fanontaniana tamin’ny fony. Tsapan’izy ireo fa tena nandray anjara tamin’ilay fianarana izy, sady afaka nilaza ny heviny. Lasa nazoto be ry zareo, ary nilaza mihitsy aza ilay zanako vavy fa te hianatra ilay boky vaovao isan-kariva.”

Hoy ny raim-pianakaviana iray, rehefa avy niara-nianatra ny lesona iray tamin’ny zanany lahy: “Niresaka momba an’i Jehovah sy ny fikasany nandritra ny ora maro izahay. Betsaka ny fanontaniana napetrany miorina amin’ilay boky. Nanganohano ny masoko rehefa handeha hatory izy, ka nilaza tamiko hoe: ‘Mbola afaka mianatra an’ity indray ve isika ry Dada? Mbola te hanontany aho, sady te hahafantatra zavatra betsaka momba an’i Jehovah.’ ”

[Sary, pejy 15]

Ry ray aman-dreny, inona no azonareo ianarana avy amin’i Manoa?

[Sary, pejy 16]

Ry tanora, inona no azonareo ianarana avy amin’ireo Hebreo telo lahy?

[Sary, pejy 17]

Tena mandaitra ny fampianarana amin’ny alalan’ny sary ao amin’ny boky “Mpampianatra”

Inona no lainga nolazain’i Ananiasy tamin’i Petera?

Iza no afaka mahita ny zavatra rehetra ataontsika?