Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelao Hanazava ny Lalanao ny Tenin’Andriamanitra

Avelao Hanazava ny Lalanao ny Tenin’Andriamanitra

Avelao Hanazava ny Lalanao ny Tenin’Andriamanitra

“Fanazavana ny làlako ny teninao.”—SALAMO 119:105.

1, 2. Inona no tsy maintsy ataontsika, mba hanazavan’ny tenin’i Jehovah ny lalantsika?

HANAZAVA ny lalantsika ny tenin’i Jehovah, raha avelantsika hanao izany. Tsy maintsy mazoto mianatra ny Teniny sy mampihatra ny toroheviny anefa isika, vao hiombon-kevitra amin’ny mpanao salamo, izay niteny hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.”—Salamo 119:105.

2 Hodinihintsika izao ny Salamo 119:89-176, izay misy fizarana 11. Maro ny zavatra azo ianarana avy amin’ireo andinin-teny ireo! Hanampy antsika handeha hatrany amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo.—Matio 7:13, 14.

Nahoana no tokony haharavoravo antsika ny tenin’Andriamanitra?

3. Nahoana no azontsika ianteherana ny tenin’Andriamanitra, araka ny Salamo 119:89, 90?

3 Ho mafy orina ny finoantsika, raha maharavoravo antsika ny tenin’i Jehovah. (Salamo 119:89-96) Nihira ilay mpanao salamo hoe: “Ho mandrakizay, Jehovah ô, no nanorenanao any an-danitra ny teninao. ... Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.” (Salamo 119:89, 90) Noho ny tenin’Andriamanitra, izany hoe “ny lalàn’ny lanitra”, dia tsy miova ny fihetsehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary mitoetra mandrakizay ny tany. (Joba 38:31-33; Salamo 104:5) Azontsika ianteherana àry ny teny rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah. ‘Hambinina’ na tsy maintsy ho tanteraka izay lazainy, mba hahatontosa ny fikasany.—Isaia 55:8-11.

4. Koa satria maharavoravo ny mpanompon’Andriamanitra ny teniny, inona no vokatr’izany rehefa misy mampahory azy ireo?

4 ‘Maty tamin’ny fahoriany’ ilay mpanao salamo, ‘raha tsy niravoravo tamin’ny lalàn’Andriamanitra.’ (Salamo 119:92) Tsy ny vahiny no nampahory azy, fa ireo Israelita mpandika lalàna izay nankahala azy. (Levitikosy 19:17) Tsy nahakivy azy anefa izany, satria tiany ny lalàn’Andriamanitra sady nanohana azy. “Saika nahita loza teo anivon’ny rahalahy sandoka”, ny apostoly Paoly tany Korinto. Anisan’izany angamba ireo ‘apostoly tsara loatra’ nitady hanameloka azy. (2 Korintianina 11:5, 12-14, 26) Tsy nampihena ny finoan’i Paoly anefa izany, satria naharavoravo azy ny tenin’Andriamanitra. Tia ny rahalahintsika isika, satria maharavoravo antsika ny Tenin’i Jehovah ary mampihatra izany isika. (1 Jaona 3:15) Tsy misy hadinontsika ny toromariny, na dia ankahalain’ity tontolo ity aza isika. Manao ny sitrapony miaraka amin’ny rahalahintsika foana isika, ary tsy andrintsika ny hanompoana azy mandrakizay amim-pifaliana.—Salamo 119:93.

5. Inona no nataon’i Asa Mpanjaka mba hitadiavana an’i Jehovah?

5 Mety hivavaka toy izao isika, mba hampisehoana fa mahafoy tena ho an’i Jehovah: “Anao aho, vonjeo aho; fa ny didinao no tadiaviko.” (Salamo 119:94) Nitady an’i Jehovah i Asa Mpanjaka, ary namongotra ny fivadiham-pinoana tany Joda. “Nanao fanekena hitady an’i Jehovah” ny mponin’i Joda, nandritra ny fivoriambe iray tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Asa (963 T.K.). “Nahita” an’Andriamanitra izy ireo, ary ‘nomeny fiadanana tamin’ny manodidina.’ (2 Tantara 15:10-15) Noho izany, dia tokony ho voatosika hitady an’Andriamanitra indray, ireo nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ny fiangonana kristianina. Hotahin’i Jehovah sy harovany ireo mifanerasera indray amin’ny vahoakany.

6. Inona no tokony hataontsika mba hiarovana ny finoantsika?

6 Manome fahendrena hiarovana ny finoantsika ny tenin’i Jehovah. (Salamo 119:97-104) Hendry noho ny fahavalontsika isika, raha mankatò ny didiny sy ny fampahatsiahivany. Lasa ‘hendry noho ny anti-panahy [koa] isika, satria mitandrina ny didiny.’ (Salamo 119:98-100) Hankahala “ny làlam-pitaka rehetra” sy hanalavitra izany isika, raha ‘mamy mihoatra noho ny tantely ao am-bavantsika’ ny tenin’i Jehovah. (Salamo 119:103, 104) Hiaro ny finoantsika izany rehefa sendra olona miavonavona sy masiaka be ary tsy tia an’Andriamanitra isika, amin’izao andro farany izao.—2 Timoty 3:1-5.

Fanilon’ny tongotsika

7, 8. Inona no tokony hataontsika, mba hanarahana izay voalazan’ny Salamo 119:105?

7 Loharanom-pahazavana azo ianteherana foana ny tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:105-112) Na Kristianina voahosotra isika na anisan’ny “ondry hafa”, dia milaza hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Jaona 10:16; Salamo 119:105) Toy ny jiro manazava ny lalantsika ny tenin’Andriamanitra, ka tsy tafintohina isika sady tsy lavo. (Ohabolana 6:23) Isika tsirairay anefa no tsy maintsy mamela ny teniny ho fanilon’ny tongotsika.

8 Tokony ho tapa-kevitra toa an’ilay mpanoratra ny Salamo faha-119 isika. Nanapa-kevitra ny tsy hiala tamin’ny didin’Andriamanitra izy, ka nilaza hoe: “Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, ka nefaiko izany.” (Salamo 119:106) Tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly sy ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana kristianina. 

9, 10. Ahoana no ahalalantsika fa mety ‘hania hiala amin’ny didin’i Jehovah’ ny olona nanolo-tena ho azy, nefa ahoana no isorohana izany?

9 Tsy ‘nania niala tamin’ny didin’Andriamanitra’ ilay mpanao salamo, nefa mety hitranga amin’ny olona nanolo-tena ho an’i Jehovah izany. (Salamo 119:110) Nania i Solomona Mpanjaka, na dia anisan’ny firenena nanolo-tena ho an’i Jehovah sy naneho fahendrena avy aminy aza taloha. “Na dia izy aza dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena”, izay nampirisika azy hanompo andriamani-diso.—Nehemia 13:26; 1 Mpanjaka 11:1-6.

10 “Mpihaza” i Satana, ka mamela-pandrika maro. (Salamo 91:3) Mety hisy mpiara-mivavaka tamintsika taloha, ohatra, hanandrana hitaona antsika hiala amin’ny fahazavan’ny fahamarinana ho any amin’ny haizin’ny fivadiham-pinoana. Izany no nataon’ilay “vehivavy Jezebela” teo anivon’ny Kristianina tany Tyatira. Angamba izany vehivavy maromaro nitaona ny hafa hanompo sampy sy hijangajanga. Tsy nilefitra tamin’izany i Jesosy, ka tsy tokony hilefitra koa isika. (Apokalypsy 2:18-22; Joda 3, 4) Aoka àry isika hivavaka amin’i Jehovah mba hanampiany antsika tsy hiala amin’ny didiny, fa hitoetra kosa ao amin’ny fahazavan’ny Teniny.—Salamo 119:111, 112.

Manohana antsika ny tenin’Andriamanitra

11. Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ratsy fanahy, araka ny Salamo 119:119?

11 Hanohana antsika Andriamanitra, raha tsy mania amin’ny didiny mihitsy isika. (Salamo 119:113-120) Tsy mankasitraka ny “mpiroa saina” isika, toy ny tsy ankasitrahan’i Jesosy ireo milaza ho Kristianina nefa matimaty. (Salamo 119:113; Apokalypsy 3:16) ‘Fierentsika’ i Jehovah ary hanohana antsika izy, satria manompo azy amin’ny fo manontolo isika. ‘Hataony tsinontsinona [kosa] izay rehetra mania amin’ny didiny’ na ireo fetsifetsy sy mpamitaka. (Salamo 119:114, 117, 118; Ohabolana 3:32) Sahala amin’ny “tain-drendrika” ny fiheverany an’ireny ratsy fanahy ireny, izany hoe tahaka ny loto esorina amin’ny metaly sarobidy, toy ny volafotsy sy volamena. (Salamo 119:119; Ohabolana 17:3) Tokony ho tiantsika foana àry ny fampahatsiahivan’Andriamanitra, satria tsy irintsika mihitsy ny ho lasa toy ny tain-drendrika, ka hiara-ringana amin’ny ratsy fanahy!

12. Nahoana no zava-dehibe ny tahotra an’i Jehovah?

12 Hoy ilay mpanao salamo: “Mipararetra ny nofoko noho ny fahatahorana Anao [Jehovah].” (Salamo 119:120) Raha tiantsika ny hanohanan’Andriamanitra antsika mpanompony, dia tena ilaina io tahotra mahasoa io, izany hoe tsy manao izay tsy mampifaly azy. Natahotra sy nanaja lalina an’i Jehovah i Joba, ka nanao ny marina. (Joba 1:1; 23:15) Manampy antsika hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra foana ny tahotra azy, na inona na inona tsy maintsy iaretantsika. Mila mivavaka avy amin’ny fo sy amim-pinoana anefa isika, mba hiaretana.—Jakoba 5:15.

Mivavaha amim-pinoana

13-15. a) Nahoana isika no mino fa ho voavaly ny vavaka ataontsika? b) Inona no mety hitranga, raha tsy hitantsika izay holazaina ao amin’ny vavaka? d) Hazavao fa mety hisy hifandraisany amin’ny ‘toloko ao am-pontsika tsy miloaka’ ny Salamo 119:121-128.

13 Rehefa mivavaka isika, dia mino fa hanampy antsika Andriamanitra. (Salamo 119:121-128) Toa an’ilay mpanao salamo, dia azontsika antoka fa ho voavaly ny vavaka ataontsika. Nahoana? Satria tiantsika ‘noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza’ ny didin’Andriamanitra. ‘Mihevitra ny didiny rehetra ho marina’ koa isika.—Salamo 119:127, 128.

14 Mihaino ny hataka ataontsika i Jehovah, satria mivavaka amim-pinoana isika ary mankatò tsara ny didiny. (Salamo 65:2) Inona anefa no azo atao, raha manana olana saro-bahana isika, ka tsy mahita izay holazaina ao amin’ny vavaka? ‘Hiangavy ho antsika ny fanahy, rehefa mitoloko ao am-po tsy miloaka isika.’ (Romanina 8:26, 27) Raha mamerina ny tonom-bavaka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika amin’ireny fotoana ireny, dia hanaiky izany izy, satria toy ny hoe milaza izay tadiavintsika ihany ilay izy.

15 Misy vavaka sy hevitra maro be ao amin’ny Soratra Masina, izay mety hisy hifandraisany amin’ireo ‘toloko ao am-pontsika tsy miloaka.’ Diniho, ohatra, ny Salamo 119:121-128. Mety hifanitsy amin’izay manjo antsika ny hevitra voalaza ao. Afaka mangataka ny fanampian’Andriamanitra toy ny nataon’ilay mpanao salamo isika, ohatra, raha misy mitady hampahory antsika. (Andininy 121-123) Ahoana indray raha misy fanapahan-kevitra sarotra be tsy maintsy raisina? Afaka mangataka ny fanahin’i Jehovah isika, mba hanampy antsika hitadidy sy hampihatra ny fampahatsiahivany. (Andininy 124, 125) Marina fa ‘mankahala ny lalam-pitaka rehetra’ isika, nefa mety hila hangataka amin’Andriamanitra koa isika mba hampiany tsy ho resin’ny fakam-panahy handika ny lalàny. (Andininy 126-128) Raha mamaky Baiboly isan’andro isika, dia hahatadidy andinin-teny mahasoa toy ireny, rehefa mitalaho amin’i Jehovah.

Manampy antsika ny fampahatsiahivan’i Jehovah

16, 17. a) Nahoana isika no mila ny fampahatsiahivan’Andriamanitra, ary ahoana no tokony hiheverantsika azy ireny? b) Ahoana no mety hitondran’ny olona antsika, nefa inona no tena zava-dehibe?

16 Tsy maintsy mitandrina ny fampahatsiahivan’Andriamanitra isika, mba hahazoana sitraka aminy sy hihainoany ny vavaka ataontsika. (Salamo 119:129-136) Mila hampahatsiahivina ny toromarika sy didin’i Jehovah isika, satria mora manadino. Mazava ho azy fa ankasitrahantsika koa izay mety ho fanazavana vaovao momba ny tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:129, 130) Velom-pisaorana koa isika, satria ‘mampamirapiratra ny tavany amintsika’ i Jehovah na mankasitraka antsika, na dia ‘rano mandriaka aza no mijononoka amin’ny masontsika’ noho ny fandikan’ny olona ny lalàny.—Salamo 119:135, 136; Nomery 6:25.

17 Azo antoka fa hankasitrahan’Andriamanitra foana isika, raha manaiky ny fampahatsiahivany marina. (Salamo 119:137-144) Ekentsika mpanompony fa zony ny manome fampahatsiahivana marina sy mandidy antsika hankatò izany. (Salamo 119:138) Nankatò ny didin’Andriamanitra ilay mpanao salamo, nefa nahoana izy no nilaza hoe: “Kely aho ka natao ho tsinontsinona”? (Salamo 119:141) Niresaka ny fiheveran’ny fahavalony azy angamba izy. Mety hatao tsinontsinona isika, raha tsy manaiky hampandefitra ny fahamarinana. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe ankasitrahan’i Jehovah isika, satria mankatò ny fampahatsiahivany marina.

Milamin-tsaina sy miadana

18, 19. Inona no vokatry ny fankatoavana ny fampahatsiahivan’Andriamanitra?

18 Akaiky antsika foana Andriamanitra, rehefa mankatò ny fampahatsiahivany isika. (Salamo 119:145-152) Afaka miantso azy amin’ny fo manontolo isika ary fantatsika fa hihaino izy, satria mitandrina ny fampahatsiahivany isika. Mety hifoha isika ‘raha mbola tsy mazavaratsy akory ny andro’ ary hitaraina aminy. Fotoana mety tsara hivavahana tokoa izany! (Salamo 119:145-147) Akaiky antsika koa Andriamanitra satria tsy fatra-panaraka ny ratsy isika, ary manaiky ny teniny ho fahamarinana, toa an’i Jesosy. (Salamo 119:150, 151; Jaona 17:17) Hanampy antsika hiatrika ity tontolo feno zava-manahirana ity ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ary hanampy antsika ho tafavoaka amin’ilay ady lehibe Hara-magedona.—Apokalypsy 7:9, 14; 16:13-16.

19 Milamin-tsaina tokoa isika, satria manaja lalina ny tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:153-160) Tsy toy ny ratsy fanahy isika, ka ‘tsy miala amin’ny [fampahatsiahivan’i Jehovah].’ Tiantsika ny didiny ka milamin-tsaina isika, satria anehoany famindram-po, na fitiavana sy hatsaram-panahy. (Salamo 119:157-159) Manampy antsika hitadidy ny zavatra takin’i Jehovah amintsika amin’ny fotoana tena ilana izany, ny fampahatsiahivany. Ny didiny kosa no mitari-dalana antsika, ary ekentsika fa manan-jo hitari-dalana antsika ilay Mpamorona. Faly isika manaiky izany satria ‘fahamarinana no tontalin-kevitry ny teniny’, sady tsy ho vitantsika samirery ny hahalavorary ny diantsika.—Salamo 119:160; Jeremia 10:23.

20. Nahoana isika no “be fiadanana”?

20 Tena miadana isika rehefa tia ny lalàn’i Jehovah. (Salamo 119:161-168) Manana ny “fiadanan’Andriamanitra” foana isika, na dia enjehina aza. (Filipianina 4:6, 7) Ankasitrahantsika tokoa ny fitsipik’i Jehovah, ka matetika isika no midera azy, eny manao izany “impito isan-andro” mihitsy aza. (Salamo 119:161-164) Nihira ilay mpanao salamo hoe: “Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy.” (Salamo 119:165) Tsy hanafintohina antsika ny ataon’ny hafa sy ny zavatra hafa rehetra, raha tia sy mitandrina ny lalàn’i Jehovah isika tsirairay.

21. Inona avy no ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tsy tokony ho tafintohina isika, raha misy olana mipoitra eo anivon’ny fiangonana?

21 Olona maro voatantara ao amin’ny Baiboly no tsy namela na inona na inona hanafintohina maharitra azy ireo. Tsy tafintohina, ohatra, ilay Kristianina atao hoe Gaio fa ‘nandeha hatrany tao amin’ny fahamarinana’, na dia nanao zava-dratsy aza i Diotrefa. (3 Jaona 1-3, 9, 10) Nanarin’i Paoly “mba hiray saina ao amin’ny Tompo” ireo vehivavy kristianina atao hoe Eodia sy Syntyke, satria tsy nifankahazo angamba. Toa nampiana handamina ilay olana izy mirahavavy, ka nanompo hatrany an’i Jehovah. (Filipianina 4:2, 3) Tsy tokony ho tafintohina àry isika, raha misy olana mipoitra eo anivon’ny fiangonana. Aoka kosa isika hitandrina hatrany ny didin’i Jehovah, ary hitadidy fa ‘eo anatrehany ny lalan-kalehantsika rehetra.’ (Salamo 119:168; Ohabolana 15:3) Tsy hisy hisakana antsika tsy ho “be fiadanana” amin’izay.

22. a) Inona no tombontsoa ananantsika, raha mankatò an’Andriamanitra isika? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ireo tsy mifanerasera intsony amin’ny fiangonana kristianina?

22 Hanana tombontsoa hidera hatrany an’i Jehovah isika, raha mankatò azy foana. (Salamo 119:169-176) Tsy hoe hilamin-tsaina fotsiny isika raha mankatò ny didiny, fa ‘hiboiboika fiderana ho azy koa ny molotsika.’ (Salamo 119:169-171, 174) Izany no tombontsoa lehibe indrindra ananantsika amin’izao andro farany izao. Te ho velona sy hidera an’i Jehovah hatrany ilay mpanao salamo, na dia “nania” noho ny antony tsy fantatra aza. (Salamo 119:175, 176) Mety ho mbola tia an’Andriamanitra sy haniry hidera azy ny olona sasany tsy mifanerasera intsony amin’ny fiangonana kristianina. Aoka àry isika hanao izay rehetra vitantsika, mba hanampiana azy ireny hihavana amin’i Jehovah indray, ka hilamin-tsaina ary ho faly hidera azy miaraka amin’ny vahoakany.—Hebreo 13:15; 1 Petera 5:6, 7.

Hanazava ny lalantsika foana ny teniny

23, 24. Inona no soa noraisinao avy tamin’ny Salamo faha-119?

23 Betsaka ny soa raisintsika avy amin’ny Salamo faha-119. Manampy antsika hiantehitra bebe kokoa amin’Andriamanitra, ohatra, izy io satria resahiny fa “izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah” no tena sambatra. (Salamo 119:1) Mampahatsiahy antsika ilay mpanao salamo, fa ‘fahamarinana no tontalin-kevitry ny tenin’Andriamanitra.’ (Salamo 119:160) Vao mainka izany tokony hahatonga antsika hankasitraka ny Baiboly. Tokony hampahazoto antsika hianatra azy io koa ny fisaintsainana ny Salamo faha-119. Imbetsaka ilay mpanao salamo no nangataka tamin’Andriamanitra hoe: “Ampianaro ahy ny didinao.” (Salamo 119:12, 68, 135) Niangavy koa izy hoe: “Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, fa matoky ny didinao aho.” (Salamo 119:66) Tokony hivavaka toy izany koa isika.

24 Mahatonga antsika ho akaiky an’i Jehovah ny fampianarany. Imbetsaka ilay mpanao salamo no niantso ny tenany hoe mpanompon’Andriamanitra. Ireto teny mampihetsi-po ireto mihitsy no nolazainy tamin’i Jehovah: “Anao aho.” (Salamo 119:17, 65, 94, 122, 125; Romanina 14:8) Voninahitra tokoa ny manompo sy midera an’i Jehovah amin’ny maha Vavolombelony! (Salamo 119:7) Mahafaly anao ve ny mitory ilay Fanjakana? Matokia àry fa hanampy anao hanatontosa io asa io izy ary hitahy anao, raha matoky hatrany ny teniny ianao ary mamela azy io hanazava ny lalanao.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no tokony haharavoravo antsika ny tenin’Andriamanitra?

• Nahoana no lazaina fa manohana antsika ny tenin’Andriamanitra?

• Amin’ny lafiny inona avy no manampy antsika ny fampahatsiahivan’i Jehovah?

• Nahoana no milamin-tsaina sy miadana ny vahoakan’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Loharanom-pahazavana ny tenin’Andriamanitra

[Sary, pejy 17]

Tsy hihevitra antsika ho toy ny “tain-drendrika” mihitsy i Jehovah, raha tiantsika ny fampahatsiahivany

[Sary, pejy 18]

Raha mamaky Baiboly isan’andro isika, dia hahatadidy andinin-teny mahasoa rehefa mivavaka