Be Loatra ve ny Fahalalana Azo Raisina?
Be Loatra ve ny Fahalalana Azo Raisina?
Nandinika ny volana mangoratsaka ny mpivady misionera iray teo amoron-dranomasina, tany Afrika Andrefana. Hoy ilay rangahy: “Mba firy àry ny zavatra fantatry ny olona momba ny volana? Ary firy ny zavatra mbola tsy fantany momba azy io?”
Namaly ny vadiny hoe: “Ahoana moa raha afaka mandinika ny tany toy izao andinihantsika ny volana izao isika? Asa raha mba firy ny zavatra efa fantatry ny olona momba ny tany, ary firy no mbola tsy fantany momba azy io? Fantatsika fa mihodidina amin’ny masoandro ny tany, nefa mihetsika koa ny masoandro sy ny planeta mihodidina aminy. Izany hoe mety tsy handalo amin’ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao intsony ny tany, any aoriana any. Ny toerana misy azy io oharina amin’ny toerana misy ny masoandro sy ny kintana hafa ihany no fantatsika. Tsy haintsika akory hoe aiza marina no misy antsika, na dia mahalala tsipiriany betsaka momba ny zavatra sasany aza isika!”
MARINA ny voalazan’izy mivady ireo. Be dia be ny zavatra azo ianarana. Mianatra zava-baovao isika tsirairay isan’andro. Na betsaka toy inona aza anefa no efa fantatsika, dia mbola misy zavatra tiantsika hianarana foana, fa isika no tsy maharaka.
Tsy hoe afaka miana-java-baovao fotsiny ny olona, fa mihamahay mitahiry fahalalana koa. Lasa be dia be ny fahalalana voatahiry, noho ny fandrosoan’ny teknolojia. Afaka mitahiry soratra sy sary ary feo be dia be, ohatra, ny ordinatera. Mba hamoahana izany, dia misy karazana kapila mangilatra ampiasaina atao hoe CD-ROM sy DVD. Mahazaka soratra sy sary maro be ny CD-ROM tsotra iray monja. Impiton’izay no azo tahirizina ao anaty DVD. Mahazaka mihoatra an’izany aza ny DVD sasany.
Mahagaga koa ny fomba fampitana fahalalana ankehitriny. Tsy mampino mihitsy ny hafainganam-pandehan’ny milina fanontam-pirinty sasany, izay mamoaka gazety sy boky. Ary ahoana ny amin’ny Internet? Bokotra kely iray amin’ny ordinatera fotsiny no tsindriana, dia misokatra ny tahirim-pahalalana be dia be. Miely haingana be tokoa ny fahalalana, ka ianao indray no mety tsy haharaka. Toy ny ranomasina izany fahalalana be dia be izany. Tsy migoka io rano io anefa isika, na dia mety hilomano ao anatiny aza. Mila mahay mifantina àry isika, na dia betsaka aza ny fahalalana azo raisina.
Asan’ny Apostoly 19:35, 36) Toa nalaza be tamin’izany hoe latsaka avy tany an-danitra ilay sary, ary tsy iadian-kevitra izany, hoy ny sasany. Tsy marina anefa izany. Rariny àry raha mampitandrina ny Kristianina amin’ny ‘fahalalana sandoka’, ny Soratra Masina.—1 Timoty 6:20.
Ilaina koa ny mifantina tsara, satria tsy mitondra soa firy ny ankamaroan’ny zavatra azo ianarana. Manimba mihitsy aza ny sasany, ka aleo tsy fantatra. Tadidio fa mety ho tsara na ratsy ny zavatra azo ianarana, ary mety hahasoa na hisy vokany ratsy. Diso mihitsy aza ny zavatra sasany lazain’ny olona maro fa marina, ka vao mainka mampikorontan-tsaina. Firifiry moa ny olona manan-kaja nilaza zavatra diso? Anisan’izany ilay ben’ny tanànan’i Efesosy fahiny, izay noheverin’ny olona fa manam-pahaizana. Hoy izy: “Iza tokoa moa no tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efesianina no mpiambina ny tempolin’i Artemisy lehibe, sy ilay sary latsaka avy tany an-danitra?” (Ankoatra izany, dia tena mila mifantina izay fahalalana horaisintsika isika, satria fohy ny androm-piainantsika. Azo antoka fa betsaka ny zavatra tianao hianarana, na firy taona ianao na firy taona. Tsy ho ampy anefa ny androm-piainanao, mba hianaranao izany rehetra izany.
Ho toy izany foana ve no izy? Misy karazana fahalalana afaka manalava ny androm-piainantsika ve, na mahatonga antsika hiaina mandrakizay mihitsy aza? Efa misy ve izany fahalalana izany ankehitriny? Ary raha misy izany, natao ho an’ny rehetra ve? Ho marina tanteraka ve izay rehetra azontsika ianarana indray andro any? Nahita valiny nahafa-po tamin’ireo fanontaniana ireo, ilay mpivady misionera noresahintsika terỳ am-piandohana. Afaka mahita ny valin’izany koa ianao. Vakio àry ny lahatsoratra manaraka, dia ho hitanao fa afaka hiana-javatra mandrakizay ianao.