Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manosika Anao Hiasa ve ny Finoanao?

Manosika Anao Hiasa ve ny Finoanao?

Manosika Anao Hiasa ve ny Finoanao?

NINO ny manamboninahitra iray, fa nahay nanasitrana ny mpanompony nalemy i Jesosy. Tsy nanasa azy ho ao an-tranony anefa izy, angamba noho izy nahatsapa ho tsy mendrika, na tsy Jiosy. Naniraka anti-panahy jiosy sasany ho any amin’i Jesosy kosa izy, mba hilaza hoe: “Tsy mendrika ny handray anao ao ambany tafon-tranoko aho, tompoko, fa mitenena fotsiny, dia ho sitrana ny mpanompoko.” Nino izy fa nahay nanasitrana avy eny lavitra eny i Jesosy. Voamarik’i Jesosy izany, ka hoy izy tamin’ny vahoaka nanaraka azy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany aho teo amin’ny Israely.”—Matio 8:5-10; Lioka 7:1-10.

Manampy antsika hifantoka amin’ny lafiny iray lehibe amin’ny finoana io fitantarana io. Tsy maintsy aseho amin’ny atao ny tena finoana. Hoy ny fanazavan’i Jakoba, mpanoratra Baiboly: “Ny finoana, raha tsy aseho amin’ny atao, dia maty.” (Jakoba 2:17) Handinika ohatra iray tena nisy isika, mba ho azontsika kokoa izay hitranga, rehefa tsy aseho amin’ny atao ny finoana.

Nampiray ny firenen’Israely tamin’i Jehovah Andriamanitra ilay fifaneken’ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, tamin’ny 1513 T.K. Hoy i Mosesy, rehefa nilaza ny tenin’Andriamanitra tamin’ny zanak’Israely: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho ... firenena masina.” (Eksodosy 19:3-6) Tsy maintsy nankatò an’i Jehovah àry ny Israely, raha te ho masina.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia lasa nanan-danja kokoa tamin’ny Jiosy ny fianarana ny Lalàna fa tsy ny fampiharana ny toro lalana ao amin’izy io. Hoy i Alfred Edersheim tao amin’ilay bokiny hoe Ny Fiainana sy ny Andro Niainan’i Jesosy Ilay Mesia (anglisy): “Efa ela [ireo raby], ‘mpitondra fivavahana’, no nanapa-kevitra hoe fianarana aloha vao asa.”

Marina fa tsy maintsy nazoto nianatra ny zavatra takin’Andriamanitra ny Israelita fahiny. Hoy mihitsy Andriamanitra: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7) Te hilaza ve anefa i Jehovah, fa manan-danja kokoa noho ny fampiharana ny Lalàna, ny fianarana azy io? Andeha hodinihintsika.

Fianarana be

Toa ara-dalàna tamin’ny Israelita ny fanantitranterana tafahoatra ny fianarana ny Lalàna. Mandany adiny telo isan’andro hianarana ny Lalàna mantsy, hono, Andriamanitra, araka ny lovantsofina jiosy. Takatrao avy amin’izany àry ny antony niheveran’ny Jiosy sasany hoe: ‘Raha Andriamanitra aza mianatra tsy tapaka ny Lalàna, tsy tokony hanao toy izany koa ve ny zavaboariny?’

Simba tanteraka ny toe-tsain’ireo raby, tany amin’ny taonjato voalohany tany ho any. Nifantoka be loatra tamin’ny famakafakana sy filazana ny hevitry ny Lalàna mantsy ny sain’izy ireo. Hoy i Jesosy: ‘Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo miteny nefa tsy manao. Enta-mavesatra no feheziny ka apetrany eo an-tsoroky ny olona, nefa na ny tenany aza tsy te hanetsika izany amin’ny rantsantanany.’ (Matio 23:2-4) Nanavesatra ny olona tamin’ny fitsipika maro ireo mpitondra fivavahana, nefa nitady fomba tsy hitandremana azy ireny. Tsy noraharahain’ireny olona nifantoka tamin’ny fianarana be loatra ireny koa, ‘izay mavesa-danja kokoa tao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny miantra ary ny ho mahatoky.’—Matio 23:16-24.

Nilaza ho nanaraka ny Lalàna ny mpanora-dalàna sy Fariseo, nefa nandika azy io mba hanamarinany ny tenany. Tena niovaova tokoa izy ireo! Tsy nahatonga azy ireo ho akaiky kokoa an’Andriamanitra ny taonjato maro laniny niadian-kevitra momba ny teny sy ny tsipiriany hafa. Nivadi-pinoana izy ireo, noho ilay nantsoin’i Paoly hoe “resaka tsy misy fotony”, “fifanoheran-kevitra”, ary “fahalalana” sandoka. (1 Timoty 6:20, 21) Olana lehibe iray hafa anefa, ny voka-dratsin’ilay fikarohana tsy misy farany nataon’izy ireo. Lasa tsy nanana ilay karazam-pinoana manosika hanao asa tsara izy ireo.

Mahay fa tsy manam-pinoana

Tena tsy nitovy tamin’ny fomba fisainan’Andriamanitra ny an’ireo mpitondra fivavahana jiosy! Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita, taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.” (Deoteronomia 32:46) Mazava àry fa tsy hoe tokony ho mpianatra mazoto ny Lalàna fotsiny ny vahoakan’Andriamanitra, fa tokony ho mpankatò azy io koa.

Matetika anefa ny firenen’Israely no nivadika tamin’i Jehovah. Tsy nankatò izy ireo, fa naleony “tsy nino Azy, na nihaino ny feony.” (Deoteronomia 9:23; Mpitsara 2:15, 16; 2 Tantara 24:18, 19; Jeremia 25:4-7) Nivadika tanteraka ny Jiosy tamin’ny farany, rehefa nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia. (Jaona 19:14-16) Noho izany, dia nolavin’i Jehovah Andriamanitra ny Israely, ary nitodika tany amin’ny hafa firenena izy.—Asan’ny Apostoly 13:46.

Tena mila mitandrina isika mba tsy hanao fahadisoana toy izany, ka hihevitra fa afaka manompo an’Andriamanitra amin’ny saina matsilo fotsiny, nefa ny fo tsy mino. Midika izany fa tsy tokony hanangona fahalalana fotsiny isika rehefa mianatra Baiboly. Tokony hanohina ny fontsika ny fahalalana marina tsara, mba hahasoa antsika. Hisy dikany ve ny ianarantsika momba ny fambolena, nefa tsy mamboly mihitsy isika avy eo? Marina fa mety hahay hamboly isika, nefa tsy hisy vokatra ho azontsika mihitsy! Toy izany koa ireo te hahafantatra izay takin’Andriamanitra, ka mianatra ny Baiboly. Tsy maintsy avelan’ilay olona hanohina ny fony ny voan’ny fahamarinana, mba hitsimohany ka hanosika azy hiasa.—Matio 13:3-9, 19-23.

‘Aoka ianareo ho mpankatò ny teny’

Nilaza ny apostoly Paoly fa ny “finoana dia avy amin’izay re.” (Romanina 10:17) Mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay isika raha mandroso, izany hoe mihaino ny Tenin’Andriamanitra, ary mino an’i Jesosy Kristy Zanany avy eo. Tsy ampy àry ny milaza fotsiny hoe: ‘Mino an’Andriamanitra sy Kristy aho.’

Nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba hanana ilay karazam-pinoana manosika azy ireo hiasa. Hoy izy: “Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.” (Jaona 15:8) Tatỳ aoriana dia nanoratra i Jakoba rahalahin’i Jesosy hoe: ‘Aoka ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany.’ (Jakoba 1:22) Ahoana àry no ahalalantsika izay tokony hatao? Nasehon’i Jesosy tamin’ny teniny sy ny ohatra nomeny, izay tokony hataontsika mba hampifaliana an’Andriamanitra.

Niezaka mafy i Jesosy, tamin’izy teto an-tany, mba hitory ilay Fanjakana sy hanome voninahitra ny anaran’ny Rainy. (Jaona 17:4-8) Ahoana no nataony? Olona maro no mety hahatsiaro fa nanasitrana ny marary sy ny kilemaina i Jesosy. Milaza ny asa lehibe indrindra nataony anefa ny Filazantsaran’i Matio, manao hoe: “Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra, na kely na lehibe, ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.” Mariho fa tsy hoe ny namany sy ny olom-pantany vitsivitsy, na ny olona nifandray taminy teo an-tanàna fotsiny no nitorian’i Jesosy tsindraindray. Nikely aina fatratra izy, ary nitsidika ny olona “nanerana an’i Galilia manontolo”, tamin’izay fomba rehetra azony nampiasaina.—Matio 4:23, 24; 9:35.

Nandidy ny mpanara-dia azy mba hampianatra koa i Jesosy, ary nanome modely tonga lafatra ho azy ireo. (1 Petera 2:21) Hoy izy tamin’ireo mpianany nahatoky: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—Matio 28:19, 20.

Marina fa tena tsy mora ny asa fitoriana. Hoy mantsy i Jesosy: “Maniraka anareo toy ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia aho.” (Lioka 10:3) Tsy te hanahy na halahelo tsy amin’antony isika rehefa tojo fanoherana, ka mirona hihemotra. Izany no nitranga, tamin’ny alina nisamborana an’i Jesosy. Resin-tahotra ireo apostoly ka nandositra. Taorian’izay, dia intelo i Petera no nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy.—Matio 26:56, 69-75.

Niady mafy koa ny apostoly Paoly, mba hitoriana ny vaovao tsara. Mety ho gaga ianao mandre izany. Hoy ny nosoratany ho an’ny fiangonana tany Tesalonika: “Nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika [izahay] mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.”—1 Tesalonianina 2:1, 2.

Afaka nandresy ny tahotra hiresaka amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Paoly sy ireo apostoly namany, ary afaka ny ho toy izany koa ianao. Ahoana no hahavitanao izany? Dingana iray lehibe indrindra ny fianteherana amin’i Jehovah. Ho voatosika hiasa isika, ka hanao ny sitrapon’i Jehovah, raha tena mino azy.—Asan’ny Apostoly 4:17-20; 5:18, 27-29.

Hovalian-tsoa ny asanao

Fantatr’i Jehovah tsara ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy. Fantany, ohatra, rehefa marary na reraka isika. Takany koa rehefa tsy matoky tena isika. Tsapany tsara foana ny manjo antsika rehefa sahirana ara-bola isika, na mandiso fanantenana antsika ny fahasalamana na ny fihetseham-pontsika.—2 Tantara 16:9; 1 Petera 3:12.

Azo antoka fa tena faly i Jehovah rehefa mahita fa manosika antsika hiasa ny finoantsika, na dia tsy lavorary sy sahirana aza isika! Tia ny mpanompony izy, ka nanome fampanantenana azy ireo. Nahazo herin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly, ka nanoratra hoe: “Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.”—Hebreo 6:10.

Azonao atokisana ny filazan’ny Baiboly fa “Andriamanitra mahatoky [i Jehovah], ka tsy misy ratsy ao aminy”, sady “mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra” izy. (Deoteronomia 32:4; Hebreo 11:6) Nilaza, ohatra, ny vehivavy iray avy any Kalifornia, Etazonia hoe: “Nanompo manontolo andro nandritra ny folo taona ny raiko, tamin’izy mbola mpitovo. Nahafinaritra ahy ny tantara nolazainy mahakasika ny fomba nanohanan’i Jehovah azy teo amin’ny fanompoana. Matetika no nividianany solika ny vola farany tany aminy, mba hahafahany hanompo. Matetika koa no efa nisy sakafo niandry azy teo am-baravarany, rehefa nody izy.”

Manohana antsika ara-batana ilay “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” Ataony koa izay hanompoantsika azy foana. (2 Korintianina 1:3) Hoy ny Vavolombelona iray niaritra fitsapana maro efa hatramin’ny ela: “Tena mahafa-po ny miantehitra amin’i Jehovah. Lasa afaka mitoky aminy ianao sady mahita ny fomba hanampiany anao.” Afaka manatona amim-panetren-tena an’ilay “Mpihaino vavaka” ianao, sady matoky tanteraka fa hanome izay ilainao izy.—Salamo 65:2.

Mahazo fitahiana ny olona maro mazoto miasa ho an’Andriamanitra. (Matio 9:37, 38) Maro no nanjary salama kokoa rehefa nandray anjara tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ary mety ho toy izany koa ianao. Mihamafy koa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra rehefa mitory isika, ary izany no zava-dehibe kokoa.—Jakoba 2:23.

Ataovy foana izay tsara

Maniry hanompo bebe kokoa ny mpanompon’Andriamanitra, nefa mety ho voafetra ihany ny vitany, noho ny fahanterana, aretina, andraikitra ara-pianakaviana, na ny toe-javatra hafa. Diso hevitra anefa izy raha mieritreritra fa mandiso fanantenana an’i Jehovah izany.

Voasakantsakana ny fanompoan’ny apostoly Paoly rehefa narary sy niatrika olana hafa izy. ‘Niangavy ny Tompo intelo’ izy tamin’izay mba ‘hialan’izany aminy’, ka hahafahany hanompo bebe kokoa. Tsy nanasitrana azy anefa i Jehovah, fa hoy kosa izy: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” (2 Korintianina 12:7-10) Mety hiaritra zava-tsarotra koa ianao, ka ho voafetra izay vitanao eo amin’ny fanompoana. Matokia anefa, fa sarobidy amin’ilay Rainao any an-danitra foana izany.—Hebreo 13:15, 16.

Tsy mitaky mihoatra noho izay vitantsika ilay Mpamorona be fitiavana. Manasa antsika fotsiny izy, mba hanana ilay karazam-pinoana izay hanosika antsika hiasa.

[Sary, pejy 26]

Ampy ve ny mianatra ny Lalàna?

[Sary, pejy 29]

Tsy maintsy aseho amin’ny atao ny finoantsika