Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Marina ve ny Tantara ao Amin’ny Baiboly?

Marina ve ny Tantara ao Amin’ny Baiboly?

Marina ve ny Tantara ao Amin’ny Baiboly?

TAO amin’ilay boky hoe Ady ao Amin’ny Baiboly (anglisy), dia nanoratra toy izao i Chaim Herzog, prezidàn’i Israely teo aloha, sy Mordechai Gichon, mpampianatra arkeolojia tao amin’ny Oniversiten’i Tel Aviv:

‘Tsy azo eritreretina hoe noforomporonina fotsiny ireo tetikady tantaraina ao amin’ny Baiboly. Ampy hanaporofoana izany ny fampitahana ny ady nataon’i Gideona tamin’ny Midianita sy ny mpiray dina taminy, resahin’ny Mpitsara toko faha-6-8, sy ny angano momba ny Adin’i Troie notantarain’i Homère ao amin’ilay asa sorany hoe Iliade. Azo ampifanarahina amin’ilay tantara noforonin’i Homère, rehefa tanàna mimanda sy tsy lavitra ny moron-dranomasina. Tsy toy izany anefa ny tantaran’ny ady nataon’i Gideona ao amin’ny Baiboly. Voaresaka amin’ny an-tsipiriany mantsy ny fandehan’io ady io sy ny fifanafihana natao tamin’izany, ary mifanaraka tsara amin’ny toetoetran’ilay faritra. Nahatratra 60 kilaometatra ny toerana nitrangan’ilay ady, ary tsy ho nitranga tany an-toeran-kafa ankoatra ny voalaza ao ilay izy. Voatery manaiky àry isika, fa tena nitranga ireo tetikady tantaraina ao amin’ny Baiboly.’

Raha te hahafantatra ny momba ilay ady nataon’i Gideona ianao, dia afaka mijery ny sarintany ao amin’ny pejy 18 sy 19 amin’ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ * Nanomboka ilay ady rehefa ‘nivory ny Midianina rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana, ka nita sy nitoby teny amin’ny tany lemaka Jezirela.’ Niantso ireo foko nanodidina teo i Gideona mba hanampy azy. Avy teo amin’ny loharanon’i Haroda izy ireo, dia nankeo amin’ny havoanan’i More, ary avy eo nidina teo amin’ny Lohasahan’i Jordana. Resin’i Gideona ny fahavalony, rehefa avy nenjehiny hatrany ampitan’ny Reniranon’i Jordana.—Mpitsara 6:33–8:12.

Hita ao amin’io sarintany ao amin’ny pejy 18 sy 19 io, ny ankamaroan’ireo toerana nisehoan’ilay ady sy ny momba azy ireo. Ilay sarintany ao amin’ny pejy 15 kosa no ahitanao ny faritanin’ireo fokon’ny Israely. Rehefa mandinika ireo sarintany ireo ianao, dia hiaiky fa tena marina ny tantara ao amin’ny Baiboly.

Marina àry ny tenin’ny Profesora Yohanan Aharoni hoe: “Ao amin’ny Baiboly dia tena tsy afa-misaraka ny jeografia sy ny tantara. Mazava kokoa ny tantara rehefa fantatra ny momba ny toerana nisehoany, ary mazava kokoa ao an-tsainao ny momba ilay toerana rehefa fantatrao ny tantara niseho teo aminy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Sarintany eo andamosina: Avy amin’ny sarintany nahazoan-dalana tamin’ny Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel