Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia ny Tenin’i Jehovah

Matokia ny Tenin’i Jehovah

Matokia ny Tenin’i Jehovah

‘Matoky ny teninao aho.’​—SALAMO 119:42.

1. Iza no mety ho nanoratra ny Salamo faha-119, ary inona no azo lazaina momba azy?

NANKAMAMY ny tenin’i Jehovah ilay mpanoratra ny Salamo faha-119. I Hezekia, printsin’i Joda, angamba izy io. “Nifikitra tamin’i Jehovah” izy fony nanjaka tao Joda, ary hita taratra ao amin’io hira nampanoratin’Andriamanitra azy io izany. (2 Mpanjaka 18:3-7) Azo antoka fa tsapany hoe nila an’Andriamanitra izy.—Matio 5:3.

2. Inona no foto-kevitry ny Salamo faha-119, ary ahoana no nanoratana io hira io?

2 Ny hasarobidin’ny tenin’Andriamanitra, na ny hafany, * no foto-kevitry ny Salamo faha-119. Nataon’ilay mpanoratra nanaraka ny abidy hebreo io hira io, mba ho mora tadidina angamba. Mizara ho 22 ireo andinin-teny 176 ao anatiny. Ahitana andininy valo manomboka amin’ny litera mitovy ny fizarana tsirairay, araka ny teny hebreo nanoratana azy voalohany. Resahina ao ny tenin’Andriamanitra, ny lalàny, ny teni-vavolombelony na fampahatsiahivany, ny lalany, ny didiny, ary ny fitsipiny. Handinika ny Salamo faha-119 araka ny dikan-teny marina avy tamin’ny teny hebreo isika, ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Hazava kokoa amintsika io hira io, ary hankasitraka bebe kokoa ny Baiboly manontolo isika, rehefa misaintsaina ny zavatra niainan’ny mpanompon’i Jehovah fahiny sy ankehitriny.

Ho sambatra isika raha mankatò ny tenin’Andriamanitra

3. Inona no atao hoe tsy misy tsiny? Manomeza ohatra.

3 Tsy maintsy manaraka ny lalàn’Andriamanitra isika, raha te ho sambatra. (Salamo 119:1-8) Ho “mahitsy làlana” na tsy misy tsiny eo anatrehany isika, raha manao izany. (Salamo 119:1) Tsy midika izany hoe lavorary isika, fa hoe miezaka manao ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra kosa. “Tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy” i Noa, izay “niara-nandeha tamin’Andriamanitra.” Rehefa tonga ny Safodrano, dia voavonjy io lehilahy nahatoky io sy ny fianakaviany, satria nankatò an’i Jehovah. (Genesisy 6:9; 1 Petera 3:20) Mila ‘mitandrina tsara ny didin’Andriamanitra’, ka manao ny sitrapony koa isika, raha te ho voavonjy rehefa horinganina ity tontolo ity.—Salamo 119:4.

4. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te ho sambatra sy hahomby isika?

4 Tsy hanary antsika mihitsy i Jehovah, raha ‘midera azy amin’ny hitsim-po’ isika, sady ‘mitandrina ny didiny’ foana. (Salamo 119:7, 8) Tsy nandao an’i Josoa mpitarika ny Israelita izy. ‘Nisaintsaina ny bokin’ny lalàna andro aman’alina sady nitandrina izay rehetra voasoratra tao’ i Josoa, ka hendry ary nahomby. (Josoa 1:8) Mbola nidera an’Andriamanitra izy rehefa nadiva ho faty, ary nampahatsiahy ny Israelita hoe: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.” (Josoa 23:14) Ho sambatra sy hahomby isika, raha midera an’i Jehovah sy matoky ny teniny, toa an’i Josoa sy ilay mpanoratra ny Salamo faha-119.

Miaro antsika tsy ho voaloto ny tenin’i Jehovah

5. a) Ahoana no ahafahana miaro tena tsy ho voaloto? b) Inona no afaka manampy ny tanora nanao fahotana lehibe?

5 Tsy ho voaloto isika, raha mitandrina araka ny tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:9-16) Marina izany, na dia tsy manome modely tsara aza ny ray aman-drenintsika. Mpanompo sampy ny rain’i Hezekia, nefa vitan’i Hezekia ny ‘niaro ny lalany tsy ho voaloto’, angamba tsy ho voaloton’ny fanompoan-tsampy. Ahoana raha manao fahotana lehibe ny tanora iray mpanompon’Andriamanitra? Hahavita ‘hiaro ny lalany tsy ho voaloto sy hitandrina’ hatrany toa an’i Hezekia izy, raha mibebaka sy mivavaka ary ampian’ny ray aman-dreniny sy ny anti-panahy kristianina be fitiavana.—Jakoba 5:13-15.

6. Iza ireo vehivavy ‘niaro ny lalany tsy ho voaloto sy nitandrina araka ny tenin’Andriamanitra’?

6 ‘Niaro ny lalany tsy ho voaloto’ i Rahaba sy Rota, na dia niaina ela be talohan’ny nanoratana ny Salamo faha-119 aza. Kananita mpivaro-tena i Rahaba taloha, nefa nanjary nalaza ho mpanompon’i Jehovah nanam-pinoana. (Hebreo 11:30, 31) Nandao ny andriamaniny i Rota Moabita, ary nanompo an’i Jehovah sy nanaraka ny Lalàna nifehy ny Israely. (Rota 1:14-17; 4:9-13) Samy ‘nitandrina araka ny tenin’Andriamanitra’ ireo vehivavy tsy Israelita ireo, ka nomem-boninahitra lehibe satria lasa razamben’i Jesosy Kristy.—Matio 1:1, 4-6.

7. Ahoana no nampisehoan’i Daniela sy ireo Hebreo telo lahy hafa, fa niaro tena tsy ho voaloto izy ka modely ho antsika?

7 Marina fa “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” Afaka ny hadio anefa ny tanora, na dia eto amin’ity tontolo ratsy fehezin’i Satana ity aza. (Genesisy 8:21; 1 Jaona 5:19) ‘Nitandrina araka ny tenin’Andriamanitra’ i Daniela sy ireo tanora hebreo telo lahy hafa, fony izy ireo babo tany Babylona. Tsy nanaiky handoto ny tenany tamin’ny “hanin’ny mpanjaka”, ohatra, izy ireo. (Daniela 1:6-10) Nihinana biby maloto voararan’ny Lalàn’i Mosesy ny Babylonianina. (Levitikosy 11:1-31; 20:24-26) Matetika no tsy nalatsa-dra ny biby novonoiny. Nandika ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra izy ireo, satria nihinana hena mbola nisy ra. (Genesisy 9:3, 4) Tsy mahagaga àry raha tsy nihinana ny hanin’ny mpanjaka ireo Hebreo efa-dahy! Tsy nanaiky ho voaloto mihitsy ireo tanora natahotra an’Andriamanitra ireo, ka modely ho antsika.

Manampy antsika tsy hivadika ny tenin’Andriamanitra

8. Inona no tokony hirintsika sy ho takatsika, raha te hahazo tsara ny lalàn’Andriamanitra sy hampihatra izany isika?

8 Tena mila miravoravo amin’ny tenin’i Jehovah isika, mba tsy hivadika aminy mihitsy. (Salamo 119:17-24) Haniry fatratra hahazo ny dikan’ireo “zava-mahagaga” ao amin’ny lalàn’Andriamanitra isika, raha manahaka an’ilay mpanao salamo. ‘Haniry ny fitsipiny’ foana isika, ary ‘hiravoravo amin’ny [fampahatsiahivany].’ (Salamo 119:18, 20, 24) Na vao haingana aza isika no nanolo-tena ho an’i Jehovah, moa ve isika ‘maniry fatratra ny ronono tsy misy fangarony, dia ny rononon’ny teny’? (1 Petera 2:1, 2) Mila mahatakatra ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly isika, mba hahazoantsika tsara sy hampiharantsika ny lalàn’Andriamanitra.

9. Inona no tokony hataontsika, rehefa misy olona mitaky zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra?

9 Maharavoravo antsika angamba ny fampahatsiahivan’Andriamanitra, nefa ahoana no ataontsika rehefa misy “mpanapaka” manohitra antsika? (Salamo 119:23, 24) Matetika ny olona manana fahefana no mitady hanery antsika hihevitra ny lalàn’olombelona ho ambony kokoa noho ny lalàn’Andriamanitra. Inona no hataontsika, rehefa misy olona mitaky zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra? Hanampy antsika tsy hivadika aminy ny firavoravoana amin’ny teniny. Toy ireo apostolin’i Jesosy Kristy izay nenjehina, dia hiteny isika hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

10, 11. Ahoana no ahafahantsika tsy hivadika amin’i Jehovah, na dia miatrika zavatra faran’izay sarotra aza? Hazavao amin’ny ohatra.

10 Afaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah isika, na dia miatrika zavatra faran’izay sarotra aza. (Salamo 119:25-32) Tsy maintsy vonona hianatra sy mivavaka mafy mba hahazo ny tari-dalany isika, raha tsy te hivadika aminy. Tsy maintsy mifidy ‘ny lalan’ny fahamarinana’ na ny tsy fivadihana koa isika.—Salamo 119:26, 30.

11 Nifidy io ‘lalana’ io i Hezekia, izay mety ho nanoratra ny Salamo faha-119. Nanao izany izy, na dia feno mpanompo sampy aza nanodidina azy, sady mety ho nisy tandapa naneso azy koa. Azo inoana fa izany no ‘nampipotrapotraka ny ranomasony noho ny alahelo.’ (Salamo 119:28) Natoky an’Andriamanitra anefa i Hezekia. Mpanjaka tsara koa izy, ary ‘nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah.’ (2 Mpanjaka 18:1-5) Afaka miaritra fitsapana sy tsy mivadika koa isika, raha miantehitra amin’Andriamanitra.—Jakoba 1:5-8.

Manome herim-po ny tenin’i Jehovah

12. Ahoana no azontsika tsirairay ampiharana ny Salamo 119:36, 37?

12 Lasa manana herim-po hiatrehana fitsapana isika, rehefa manaraka ny tari-dalan’ny tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:33-40) Manetry tena isika ka mangataka tari-dalana aminy, mba hitandremana ny lalàny ‘amin’ny fo rehetra.’ (Salamo 119:33, 34) Toy ilay mpanao salamo, dia mangataka aminy isika hoe: “Amporisiho ny foko ho amin’ny [fampahatsiahivanao], fa tsy ho amin’ny fieremana”, izany hoe ny fahazoana tombony amin’ny tsy rariny. (Salamo 119:36) ‘Manao ny marina amin’ny zava-drehetra’ toy ny apostoly Paoly isika. (Hebreo 13:18) Misikina herim-po hankatoavana ny didin’i Jehovah isika, raha mampirisika antsika hanao ny tsy marina ny mpampiasa antsika. Tahiny foana izay manao izany. Manampy antsika hifehy ny fanirian-dratsy rehetra mihitsy aza izy. Aoka àry isika hivavaka hoe: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana.” (Salamo 119:37) Tsy tokony hahafinaritra antsika mihitsy ny zava-poana halan’Andriamanitra. (Salamo 97:10) Izany, ohatra, no mahatonga antsika tsy hijery sary vetaveta sy tsy hifandray amin’ny fanahy ratsy.—1 Korintianina 6:9, 10; Apokalypsy 21:8.

13. Ahoana no nahazoan’ny mpianatr’i Jesosy herim-po hitoriana tamim-pahasahiana, rehefa nenjehina izy ireo?

13 Mahatonga antsika hatoky tena sy hanana herim-po hitoriana, ny fahalalana marina ny tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:41-48) Tena mila herim-po mantsy isika ‘hamaliana izay miteny ratsy antsika.’ (Salamo 119:42) Mety ho toy ny mpianatr’i Jesosy izay nenjehina isika indraindray, ka hivavaka hoe: “Jehovah ô, ... ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana.” Inona no vokany? “Feno fanahy masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.” Manome antsika herim-po hitoriana ny teniny amim-pahasahiana koa io Tompo Fara Tampony io.—Asan’ny Apostoly 4:24-31.

14. Inona no hanome antsika herim-po hitoriana toa an’i Paoly?

14 Tsy ho menatra ny hitory koa isika fa ho be herim-po, raha mankamamy “ny teny marina” sy ‘mitandrina ny lalàn’Andriamanitra mandrakariva.’ (Salamo 119:43, 44) Raha mazoto mianatra tsara ny Teniny isika, dia hahavita ‘hilaza ny [fampahatsiahivany] eo anatrehan’ny mpanjaka.’ (Salamo 119:46) Hanampy antsika hahita izay tokony holazaina sy ny fomba hilazana izany koa ny vavaka sy ny fanahin’i Jehovah. (Matio 10:16-20; Kolosianina 4:6) Nanana herim-po i Paoly, ka nanambara ny fampahatsiahivan’Andriamanitra tamin’ireo mpitondra tamin’ny taonjato voalohany. Nitory tamin’i Feliksa, governora romanina izy, ohatra. Ary “nihaino izay nolazainy ny amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy” i Feliksa. (Asan’ny Apostoly 24:24, 25) Nitory tamin’i Festosy Governora sy Agripa Mpanjaka koa i Paoly. (Asan’ny Apostoly 25:22–26:32) Manampy antsika koa i Jehovah, ka hanana herim-po hitoriana isika, fa tsy ho “menatra ny vaovao tsara” mihitsy.—Romanina 1:16.

Mampionona antsika ny tenin’Andriamanitra

15. Ahoana no hampiononan’ny Tenin’Andriamanitra antsika, rehefa misy maniratsira antsika?

15 Afaka mampionona antsika foana ny Tenin’i Jehovah. (Salamo 119:49-56) Misy fotoana tena ilantsika fampiononana. “Maniratsira” antsika Vavolombelon’i Jehovah indraindray ny “mpirehareha”, na ny mpanimbazimba an’Andriamanitra, na dia be herim-po aza isika rehefa mitory. (Salamo 119:51) Rehefa mivavaka anefa isika, dia mety hahatsiaro hevitra mampahery avy ao amin’ny Teniny, ka hahazo ‘fampiononana.’ (Salamo 119:52) Rehefa mitalaho amin’i Jehovah isika, dia mety hahatadidy lalàna na toro lalana ao amin’ny Soratra Masina, izay hampionona antsika sy hanome antsika herim-po hiatrehana ilay toe-javatra sarotra. 

16. Inona no tsy nataon’ny mpanompon’Andriamanitra, na dia nenjehina aza?

16 Israelita ireo mpirehareha naniratsira an’ilay mpanao salamo, izany hoe olona anisan’ilay firenena voatokana ho an’Andriamanitra. Mahamenatra tokoa izany! Tsy hanahaka azy ireo anefa isika, fa ho tapa-kevitra ny tsy hivily hiala amin’ny lalàn’Andriamanitra mihitsy. (Salamo 119:51) Tsy nety nivily hiala tamin’ny lalàny sy ny toro lalany ao amin’ny Teniny mihitsy ny mpanompony an’arivony, na dia nenjehin’ny Nazia sy nampijalina aza. (Jaona 15:18-21) Tsy enta-mavesatra ny fankatoavana an’i Jehovah, satria toy ny hira mampionona antsika ny didiny.—Salamo 119:54; 1 Jaona 5:3.

Mahaiza mankasitraka ny tenin’i Jehovah

17. Mahatonga antsika hanao inona ny fankasitrahana ny tenin’Andriamanitra?

17 Porofon’ny fankasitrahantsika ny tenin’Andriamanitra ny fankatoavantsika azy io. (Salamo 119:57-64) Nampanantena ilay mpanao salamo fa ‘hitandrina ny tenin’i Jehovah.’ ‘Nifoha’ mihitsy aza izy ‘tamin’ny mamatonalina, mba hidera an’Andriamanitra noho ny fitsipiny marina.’ Tena tsara raha manararaotra mivavaka sy misaotra an’Andriamanitra koa isika, rehefa taitra amin’ny alina! (Salamo 119:57, 62) Noho isika mankasitraka ny tenin’Andriamanitra, dia mitady ny fampianarany koa isika, ary faly fa ‘naman’ireo matahotra azy’, izany hoe ireo manaja azy lalina. (Salamo 119:63, 64) Misy namana tsara toy izany ve?

18. Ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika, rehefa ‘mihodidina amintsika ny famatoran’ny ratsy fanahy’?

18 Hahazo sitraka amin’i Jehovah isika, raha mivavaka aminy amin’ny fo manontolo, sady manetry tena ka mangataka azy hampianatra antsika. Mila mivavaka isika, indrindra fa rehefa ‘mihodidina amintsika ny famatoran’ny ratsy fanahy.’ (Salamo 119:58, 61) Afaka manapaka ny fatorana na sakana avy amin’ny fahavalo i Jehovah sady manafaka antsika, mba hahafahantsika hitory hatrany ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Mateti-pitranga any amin’ireo tany andrarana ny asantsika izany.

Minoa ny tenin’Andriamanitra

19, 20. Inona no soa azo avy amin’ny fahoriana?

19 Manampy antsika hiaritra fahoriana sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra hatrany, ny finoana azy sy ny teniny. (Salamo 119:65-72) “Namoron-dainga hamelezana [ny mpanao salamo] ny mpirehareha”, nefa nihira izy hoe: “Soa ihany aho nampahorina.” (Salamo 119:66, 69, 71) Inona no soa azon’ny mpanompon’i Jehovah avy amin’ny fahoriana?

20 Tsy isalasalana fa rehefa azom-pahoriana isika, dia mivavaka mafy amin’i Jehovah, ka manjary akaiky azy kokoa. Mety haka fotoana bebe kokoa hianarana ny Teniny isika, ary hiezaka mafy kokoa hampihatra izany. Noho izany, dia lasa sambatra kokoa isika. Ahoana anefa raha mampiseho toetra ratsy toy ny tsy faharetana sy ny hambom-po isika, rehefa azom-pahoriana? Ho afaka hiala amin’izany isika, rehefa mivavaka mafy sady mahazo fanampiana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny. ‘Hitafy ny toetra vaovao’ amin’ny fomba feno kokoa isika amin’izay. (Kolosianina 3:9-14) Manatanjaka ny finoantsika koa ny fiaretana zava-tsarotra. (1 Petera 1:6, 7) Nandray soa avy tamin’ny fahoriana nahazo azy i Paoly, satria lasa niantehitra bebe kokoa tamin’i Jehovah. (2 Korintianina 1:8-10) Avelantsika hitondra soa ho antsika àry ve ny fahoriana?

Matokia hatrany an’i Jehovah

21. Inona no vokany, rehefa manao izay hahamenatra ny mpirehareha Andriamanitra?

21 Manome antony tsara atokisana an’i Jehovah ny teniny. (Salamo 119:73-80) Tsy ho menatra mihitsy isika, raha tena matoky ny Mpamorona. Noho ny ataon’ny hafa anefa, dia mila fampiononana isika ary mety hivavaka hoe: “Aoka ho menatra ny mpirehareha.” (Salamo 119:76-78) Rehefa manao izay hahamenatra azy ireny i Jehovah, dia hiharihary ny faharatsian’izy ireo, ka hohamasinina ny anaran’i Jehovah. Afaka matoky isika fa tsy mahazo tombony mihitsy ny mpanenjika ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy nahavita nandripaka ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary tsy hahavita izany mihitsy, satria mitoky amin’Andriamanitra amin’ny fony manontolo izy ireo.—Ohabolana 3:5, 6.

22. Nahoana no azo lazaina fa “tahaka ny siny hoditra ao amin’ny setroka” ilay mpanao salamo?

22 Manampy antsika hatoky kokoa an’Andriamanitra ny teniny, rehefa enjehina isika. (Salamo 119:81-88) Nenjehin’ny mpirehareha ilay mpanao salamo, ka “tahaka ny siny hoditra ao amin’ny setroka” no fiheverany ny tenany. (Salamo 119:83, 86) Natao fasiana rano na divay na zava-pisotro hafa ny siny hoditra fahiny. Mety hifintina kely izy ireny, rehefa tsy ampiasaina fa ahantona akaikin’ny afo, ao amin’ny efitra feno setroka. Mihevi-tena ho “tahaka ny siny hoditra ao amin’ny setroka” koa ve ianao, rehefa azom-pahoriana na enjehina? Raha izany no izy, dia matokia an’i Jehovah, ary mivavaha hoe: “Velomy aho araka ny famindramponao; dia hitandrina ny [fampahatsiahivana] naloaky ny vavanao aho.”—Salamo 119:88.

23. Inona no nodinihintsika tao amin’ny Salamo 119:1-88, ary inona no azontsika eritreretina eo am-piandrasana ny hianarana ny Salamo 119:89-176?

23 Inona àry no hitantsika tamin’iny tapany voalohany amin’ny Salamo faha-119 iny? Maneho fitiavana sy hatsaram-panahy amin’ny mpanompony i Jehovah, satria matoky ny teniny izy ireo ary miravoravo amin’ny didiny sy ny fampahatsiahivany ary ny lalàny. (Salamo 119:16, 47, 64, 70, 77, 88) Faly izy rehefa mitandrina araka ny teniny ny olona nanolo-tena ho azy. (Salamo 119:9, 17, 41, 42) Mandra-pianatrao ny tapany manaraka amin’io salamo tena kanto io, dia afaka manontany tena ianao hoe: ‘Tena avelako hanazava ny lalako ve ny tenin’i Jehovah?’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny hafatr’i Jehovah no resahina eto, fa tsy ny Baiboly manontolo, izay antsoina koa hoe Tenin’Andriamanitra.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no tsy maintsy ataontsika raha tena te ho sambatra isika?

• Ahoana no iarovan’ny tenin’i Jehovah antsika mba tsy ho voaloto?

• Ahoana no anomezan’ny tenin’Andriamanitra herim-po sy fampiononana ho antsika?

• Nahoana isika no tokony hino an’i Jehovah sy ny teniny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

‘Nitandrina araka ny tenin’Andriamanitra’ i Rota sy Rahaba ary ireo tanora hebreo babo tany Babylona

[Sary, pejy 12]

Be herim-po i Paoly, ka nilaza ny fampahatsiahivan’Andriamanitra teo anatrehan’ny mpanjaka