Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahabe Fanantenana Ilay Fivoriambe tao Amin’ny Tobin’ny Mpitsoa-ponenana

Nahabe Fanantenana Ilay Fivoriambe tao Amin’ny Tobin’ny Mpitsoa-ponenana

Nahabe Fanantenana Ilay Fivoriambe tao Amin’ny Tobin’ny Mpitsoa-ponenana

ANY amin’ny faritra avaratr’i Kenya, akaikin’ny sisin-tanin’i Soudan, no misy ny tobin’ny mpitsoa-ponenana any Kakuma. Olona 86 000 mahery no mipetraka ao. Tena maina io faritra io, ary mahatratra 50 degre ny mari-pana amin’ny antoandro. Manjaka koa ny herisetra, ka maro no mihevitra an’ilay toby ho toerana mampamoy fo. Misy olona manana fanantenana anefa ao.

Vavolombelon’i Jehovah ny mpitsoa-ponenana sasany, ary tena mazoto mitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana izy ireo. Anisan’ny fiangonana kelin’i Lodwar, any amin’ny 120 kilaometatra atsimon’ilay toby, izy ireo. Lalana adiny valo miala eo indray vao misy fiangonana, raha mandeha fiara.

Tsy afaka mivoaka ao an-toby ny mpitsoa-ponenana, ka maro no tsy afa-manatrika ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao àry izay hisian’ny fivoriambe manokana iray andro, tao amin’io toerana io.

Nianavaratra ny dia

Naniry hanatrika io fivoriambe io ny Vavolombelona 15 avy any Eldoret, tanàna any amin’ny 480 kilaometatra atsimon’ilay toby. Mandreraka ilay dia mianavaratra mankany amin’iny tany karakaina iny, nefa vonona izy ireo. Nandeha koa ny mpianatra Baiboly iray, izay nanome minibus sy mpamily nitondra azy ireo. Tena naniry hampahery ny rahalahiny izy ireo.

Niainga vao maraina be izy ireo, raha mbola nangatsiatsiaka ilay faritra be tendrombohitra any andrefan’i Kenya. Somary miakatra sy mikitoantoana aloha ny lalana, mamakivaky toeram-piompiana sy ala, ary avy eo midina, ka tonga eny amin’ny faritra maina sy manevokevoka ary feno kirihitra. Misy andian’osy sy rameva miraoka ahitra eny. Mandehandeha eny koa ny lehilahy tompon-tany, manao akanjo nentim-paharazana. Maro amin’izy ireo no mitondra langilangy sy tsipìka ary zana-tsipìka. Tonga tany Lodwar ireo Vavolombelona, rehefa avy nandeha fiara nandritra ny adiny 11. Mafana sy be vovoka ilay tanàna, ary efa ho 20 000 ny mponina ao. Tena feno ny fandaharam-potoanan’ireto vahiny, nandritra ny faran’ny herinandro. Te ho vonona amin’izany izy ireo, ka nandeha natory, rehefa avy nandray azy ireo tsara ny Vavolombelona mpampiantrano.

Nijery ny faritra mahaliana teo an-toerana ireo mpitsidika, ny ampitso maraina. Ny Farihin’i Turkana, farihy lehibe indrindra any Kenya, no tian’izy ireo hojerena voalohany. Voahodidina tany maina midadasika sy feno kirihitra izy io. Misy karibonetra ny ranony, ary ao no ahitana ireo voay lehibe indrindra eran-tany. Manjono ao ny olona mipetraka eny amorony, ary izany no antom-piveloman’izy ireo. Natao ny takariva ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana. Nanatrika izany niaraka tamin’ny fiangonana teo an-toerana ireo vahiny, ary tena nahafinaritra azy ireo izany. Manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy, vita tamin’ny 2003, ry zareo. Ilay tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana ho an’ny tany mahantra no nahafahana nanamboatra azy io.

Ilay Fivoriambe Manokana Iray Andro

Natokana hanaovana fivoriambe ny alahady. Tamin’ny valo ora maraina no navela hiditra tao an-toby, ny Fiangonan’i Lodwar sy ireo rahalahy mpitsidika. Tian’ireo Vavolombelona hatomboka aloha ny fandaharana. Nanaraka lalana miolakolaka mamakivaky tany ngazana izy ireo, mba hahatongavana tany akaikin’ny sisin-tanin’i Soudan. Nisy tendrombohitra mijoalajoala koa teny an-dalana. Vao lavitra dia efa tazana ny tanànan’i Kakuma. Nisy rano ny lalana nankao an-toby, satria nanorana tany. Vita tamin’ny biriky tany ny ankamaroan’ny trano, ary fanitso na labasy no natao tafo. Samy manana ny toeram-ponenany ny mpitsoa-ponenana avy any Etiopia, Somalia, Soudan, ary ny hafa. Nafana ny fandraisan’ny mpitsoa-ponenana an’ireo vahiny.

Natao tao amin’ny trano fampiofanana iray ilay fivoriambe. Nisy sary nampiseho ny zava-mahatsiravina iainan’ny mpitsoa-ponenana, teny amin’ny rindrina. Be fanantenana anefa izay rehetra tao, tamin’io andro io. Natao tamin’ny teny anglisy sy swahili ny lahateny rehetra. Nahay ireo fiteny ireo ny mpandahateny sasany, ka izy ihany no nandika ny lahateniny. Rahalahy mpitsoa-ponenana avy any Soudan no nanao ilay lahateny fanokafana hoe “Diniho ny Fonao Ara-panahy.” Anti-panahy mpitsidika no nanao ny anjara hafa.

Lafiny mampiavaka ny fivoriambe rehetra ny batisa. Iray monja ny olona nirotsaka hatao batisa, ary i Gilbert no anarany. Tany aminy daholo ny mason’ny mpanatrika 95 tao amin’ilay fivoriambe, rehefa nitsangana izy. Niara-nandositra tamin’ny rainy izy tamin’ny 1994, noho ilay fandripahana foko tany amin’ny tany nisy azy. Nialokaloka tany Burundi izy ireo tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa dia hitany fa mbola tandindomin-doza ny ainy. Nandositra tany Zaïre indray i Gilbert, avy eo tany Tanzania, ary farany tany Kenya. Niafina tany anaty ala izy indraindray. Niarahaba azy ho anisan’ny rahalahy eo anivon’ny fiangonana ilay mpandahateny, ka nanganohano ny ranomason’ny maro. Nazava tsara sady feno toky ny valin-tenin’i Gilbert hoe: “Ndiyo!”, na “Eny!” amin’ny teny swahili, rehefa namaly ireo fanontaniana roa napetraky ny mpandahateny izy. Efa nanamboatra dobo kely izy sy ny rahalahy hafa, ary ilay labasy nanafo ny tranony teo aloha no nataony tao anatiny. Hita mihitsy hoe tena vonona ny hatao batisa izy. Vao maraina mantsy izy dia efa nitatitra rano irery tamin’ny siny, mba hamenoana ilay dobo!

Anisan’ny nisongadina tamin’ny fandaharana ny tolakandro, ny fitantarana ny fiainan’ireo Vavolombelona tao an-toby. Nisy rahalahy nanazava ny fomba niresahany tamin’ny lehilahy iray nipetrapetraka teo am-bodihazo.

“Hono ho’aho, tsy mampahatahotra mihitsy ve ny mipetraka eo am-bodihazo?”

“Ie”, hoy izy, ary avy eo nampiany hoe: “Fa tsy amin’ny alina kosa aloha e.”

Novakin’ilay rahalahy taminy ny Mika 4:3, 4 hoe: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.” Hoy izy avy eo: “Hitanao eo fa tsy hisy zavatra hampahatahotra mihitsy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.” Nandray boky fianarana Baiboly izy.

Nandeha tany Kakuma koa ny anabavy iray, izay namoy havana telo vao haingana. Hoy izy momba ireo rahalahy tao an-toby: “Betsaka ny olana hita eto amin’ity toerana ity, nefa nanatanjaka ny finoany foana izy ireo. Mipetraka amin’ny toerana tsy mahafinaritra izy ireo, nefa faly manompo an’i Jehovah. Mifandray tsara amin’Andriamanitra izy. Nanampy ahy izany, mba hifandray tsara amin’i Jehovah sy hanompo azy hatrany. Tsy misy tokony hitarainako mihitsy!”

Tsy hitahita akory dia nifarana ilay fivoriambe. Nolazain’ilay rahalahy nanao ny lahateny famaranana, fa nisy solontena avy tamin’ny firenena valo nanatrika teo. Nilaza ny Vavolombelona mpitsoa-ponenana iray, fa manaporofo ny firaisan-tsaina sy fitiavana eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iny fivoriambe iny, na dia eto amin’ity tontolo misara-bazana ity aza. Tena mpirahalahy kristianina tokoa izy ireo.—Jaona 13:35.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

ZAZA VERY AVY ANY SOUDAN

Olona dimy tapitrisa no lasa tsy nanan-kialofana tany Soudan, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny ady an-trano tamin’ny 1983. Anisan’izany ny ankizy 26 000 eo ho eo tafasaraka tamin’ny fianakaviany. An’arivony tamin’izy ireo no nandositra tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Etiopia, ary nijanona tany nandritra ny telo taona teo ho eo. Noterena hiala tany indray izy ireo, ka nandeha an-tongotra nandritra ny herintaona, namakivaky an’i Soudan hatrany amin’ny faritra avaratr’i Kenya. Namely an’ireo ankizy ireo teny an-dalana ny miaramila, jiolahy, bibidia, ary ny aretina. Tena mafy ny dia, ka ny antsasany tamin’izy ireo sisa no tsy maty. Ireny ankizy ireny no mponina voalohany tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tao Kakuma. Nantsoin’ny fikambanana manampy ny tra-boina hoe zaza very avy any Soudan izy ireo.

Misy mpitsoa-ponenana avy amin’ny firenena maro ao amin’ny tobin’i Kakuma ankehitriny. Anisan’izany i Soudan, Somalia, Etiopia, ary firenena hafa. Omena fitaovana hanorenany trano sy labasy hataony tafo ny mpitsoa-ponenana, rehefa tonga ao an-toby. Omena an’ireto koa ny tsirairay, isaky ny tapa-bolana: lafarinina enina kilao eo ho eo, tsaramaso iray kilao, menaka, ary sira. Maro amin’izy ireo no mivarotra ny sasany amin’izany, mba hahazoany vola hividianana zavatra hafa.

Efa tafaray amin’ny fianakaviany, na lasa any an-tany hafa, ny sasany amin’ireo ankizy ireo. Nilaza anefa ny Birao Miandraikitra ny Mpitsoa-ponenana, fa “an’arivony amin’izy ireo no mbola mijanona ao amin’ilay toby be vovoka sy lalitra, ao Kakuma. Mifofotra mafy izy ireny, mba hahitana sakafo sy vola hianarana.”

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Refugees International

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

KENYA

Tobin’i Kakuma

Farihin’i Turkana

Lodwar

Eldoret

Nairobi

[Sary, pejy 23]

Mafy ny fiainana ao an-toby

[Sary, pejy 23]

Ferana ny rano zaraina ao amin’ny tobin’i Kakuma

[Sary, pejy 23]

Mafy ilay dia nianavaratra, nefa nanao izany ireo Vavolombelona avy any Kenya mba hampaherezana ireo rahalahiny

[Sary, pejy 24]

Misionera nandika ny lahatenin’ny mpisava lalana manokana teo an-toerana

[Sary, pejy 24]

Dobo nanaovana batisa

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Fizarana rano sy Tobin’i Kakuma: Courtesy Refugees International