Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo Izay Nilainy i Macédoine

Nahazo Izay Nilainy i Macédoine

Nahazo Izay Nilainy i Macédoine

HOY ny lehilahy iray tao amin’ny fahitana azon’ny apostoly Paoly: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” (Asan’ny Apostoly 16:9) Hita avy amin’izany fa nilaina notorina tany amin’ny faritany hafa, ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tany amin’ireo tanàna any Gresy ankehitriny.

Misy Vavolombelon’i Jehovah 1 monja isaky ny mponina 1 840 any Macédoine ankehitriny. Betsaka no mbola tsy nandre mihitsy ny momba an’i Jehovah Andriamanitra. Koa ilaina maika ny handrenesan’ny olona any, ny hafatra milaza fiadanana.—Matio 24:14.

Nanao zavatra àry Andriamanitra. Naharay antso an-telefaonina tsy nampoizina ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao Skopje, tamin’ny Novambra 2003. Avy amin’ny Foibe Masedonianina Misahana ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena ilay antso. Nasain’izy ireo hanangana trano heva tamin’ny fampirantiana iray ny Vavolombelona. Hanomboka ny 20 Novambra ilay izy, ary haharitra telo andro. Tena azon’ny Vavolombelona nohararaotina izany, mba hampahafantarana ny zavatra inoany amin’ny olona an’arivony mbola tsy nandre ny vaovao tsara mihitsy!

Niasa mafy izy ireo mba hanomanana ny fampirantiana ireo boky sy gazety ara-baiboly amin’ny teny masedonianina. Santionany no naseho, mba hahafahan’ny olona haka izay nahaliana azy. Maro àry no afaka nisotro maimaim-poana tamin’ny ranon’ny fahamarinana mamelombelona.—Apokalypsy 22:17.

Tena tian’ny olona ny boky nahakasika ny fiainany, toy ny Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra sy Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. * Nisy 98 ny olona nanome adiresy satria naniry hotsidihina. Maro no nidera ny asa tsara ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny hatsaran’ireo boky sy gazety.

Nitsidika an’ilay trano heva ny lehilahy iray nitantana ny zanany lahikely. Nanontany izy raha nisy boky ho an’ny ankizy. Nasehon’ny Vavolombelona azy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. * Faly be izy namadibadika ilay boky sady nanontany ny vidiny. Vao mainka faly izy nandre, fa tohanana tanteraka amin’ny fanomezana an-tsitrapo ny asa fampianarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 10:8) Nasehony an-janany ilay boky, sady hoy izy: “Tsara izany raha boky an! Hamakian’i Dada tantara iray isan’andro ialahy!”

Tonga teo koa ny mpampianatra filozofia iray. Tena liana amin’ny resaka fivavahana izy, indrindra fa ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Navadibadiny ilay boky hoe Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona * (frantsay). Hoy izy avy eo: “Tena mirindra tsara ilay fanazavana! Hoatran’izao mihitsy no noeritreretiko hoe tokony hanaovana azy.” Tonga teo koa ny mpianany vitsivitsy avy eo, ary nangataka ilay boky. Tian’izy ireo hodinihina ilay izy, satria fantany fa hampiasain’ilay ramose any am-pianarana ny fanazavana ao.

Tamin’io fampirantiana io ny olona sasany vao nandre ny fahamarinana ara-baiboly. Nisy tanora marenina koa tonga mba nijery izay nahaliana azy. Niresaka vetivety tamin’izy ireo ny Vavolombelona iray, ary nandika izany tamin’ny baiko moana ny ankizivavy iray. Nampiseho sary tao amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany * ilay mpitory, mba hanazavana fa nanasitrana ny marary i Jesosy, ary anisan’ireny ny marenina. Faly izy ireo “nandre” ny fampanantenan’ny Baiboly, fa tsy ho ela i Jesosy dia hanasitrana ny olona amin’izao androntsika izao koa. Maromaro taminy no faly nandray boky sy gazety. Nilazana koa izy ireo fa hisy Vavolombelona mahay baiko moana hitsidika azy.

Nisy tamin’ny teny albaney sy anglisy ary tiorka koa ireo boky sy gazety, ankoatra ny teny masedonianina. Nangataka boky na gazety tamin’ny teny anglisy ny lehilahy iray tsy nahay niteny masedonianina. Nolazainy anefa fa Tiorka izy, rehefa avy nomena Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Gaga be izy rehefa naseho azy ny boky sy gazety tamin’ny fiteniny! Hitany fa te hanampy ny olona rehetra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nahafahana nitory tsara iny fotoana iny, ary nampahery ny nahita olona maro liana tamin’ny fahamarinana! Nanao zavatra tokoa i Jehovah, mba hitoriana bebe kokoa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any Macédoine.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Samy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 7 Samy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 8 Samy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 9 Samy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

FANDROSOANA LEHIBE!

Maro ny ezaka natao hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any Macédoine. Dingana iray lehibe àry izay nitranga tamin’ny 17 Mey 2003, satria notokanana ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Skopje. Roa taona no nanorenana ireo trano, ary inefatra noho ny teo aloha ny haben’ireo birao vaovao.

Ahitana sampan’asa fitantanan-draharaha sy fandikan-teny ao, ary koa toeram-ponenana sy lakozia ary fanasan-damba. I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nisy mpitsidika avy any amin’ny firenena folo koa tonga nanatrika. Faly erỳ ny rehetra nahita ireo trano telo vaovao tsara tarehy.

[Sarintany, pejy 8, 9]

(Jereo ny gazety)

BOLIGARIA

MACÉDOINE

Skopje

ALBANIA

GRESY

[Sary, pejy 8]

Skopje, Macédoine