Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanantenana Kanto ny Fitsanganana Amin’ny Maty

Fanantenana Kanto ny Fitsanganana Amin’ny Maty

Fanantenana Kanto ny Fitsanganana Amin’ny Maty

MIELY patrana ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty. Nanokanana toko iray mihitsy izy io ao amin’ny Kôrana, boky masin’ny Silamo. Hoy ny andininy sasany ao amin’ny Sourate 75: “Tsy mila mianiana akory aho satria tena hisy ny Andro Fitsanganana Amin’ny Maty ... Heverin’ny olona ve fa tsy afaka manambatra ny taolany Isika? ... Nanontany izy hoe: ‘Rahoviana ny Andro Hitsanganan’ny Maty?’ Tsy manana hery hananganana ny maty ve Izy?”—Sourate 75:1-6, 40.

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy): “Inoan’ny Zoroastrianina [na olona tao amin’ny fivavahana iranianina fahiny], fa ho resy tanteraka ilay Ratsy, hatsangana ny marina sy ny tsy marina, hisy Fitsarana Farany, ary hiaina ao amin’ny tontolo voadio indray ny marina.”

Araka ny Rakipahalalana Judaica (anglisy), ny fitsanganana amin’ny maty dia “ny finoana fa hovelomina ny tenan’ny maty amin’ny farany, ary hiaina eto an-tany indray.” Lazain’io boky io ihany, fa miteraka olana saro-bahana ny finoan’ny Jodaisma hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Lazainy fa “tena mifanohitra ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy.”

Ampianarina ao amin’ny Hindoisma fa teraka indray ao amin’ny vatana vaovao ny olona rehefa maty. Tsy maintsy manana fanahy tsy mety maty anefa ny olona vao hety izany. Hoy ny Bhagavad Gita, boky masin’ny Hindoa: “Tsy mety levona ilay fanahy manenika ny vatana. Tsy misy mahafoana azy io.”

Mandà ny fisian’ny fanahy tsy mety maty ny Bodista, ary izay no tsy itovizany amin’ny Hindoista. Maro amin’ny Bodista any Extrême-Orient anefa ankehitriny no mino ny fidiran’ny fanahy tsy mety maty ao amin’ny nofo hafa. *

Fampianarana mampikorontan-tsaina

Lazain’ny Fivavahana kristianina mandritra ny fandevenana, fa mbola velona ny fanahy aorian’ny fahafatesana. Miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty koa anefa izy ireo. Mazàna, ohatra, ny pretra anglikanina no manonona izao teny izao: “Koa satria sitrak’Andriamanitra, noho ny haben’ny famindram-pony, ny haka ny fanahin’ity hava-malalantsika ity ho any aminy, dia atolotsika ho amin’ny tany ny nofony, tany ho an’ny tany, lavenona ho an’ny lavenona, vovoka ho an’ny vovoka; sady manantena fa hisy ny Fitsanganana ho amin’ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’i Iesosy Kristy Tompontsika.”—Boky Fivavahana.

Mety hanontany toy izao ny olona mandre izany teny izany: Ny fitsanganana amin’ny maty sa ny tsy fahafatesan’ny fanahy no ampianarin’ny Baiboly? Mariho anefa ny tenin’ny Profesora Oscar Cullmann, Protestanta avy any Frantsa. Izao no nosoratany tao amin’ilay bokiny hoe Tsy Fahafatesan’ny Fanahy sa Fitsanganana Amin’ny Maty? (frantsay): “Tsy mitovy mihitsy ny fanantenan’ny Kristianina ny fitsanganana amin’ny maty sy ny finoan’ny Grika fa tsy mety maty ny fanahy. ... Na dia nampifandraisin’ny Fivavahana kristianina aza ireo finoana roa ireo tatỳ aoriana, dia mampifangaro azy ireo tanteraka ny Kristianina tsotra ankehitriny. Tianay sy ny ankamaroan’ny manam-pahaizana àry ny hanambara izay heverinay fa marina. ... Ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty no votoatin’ny Testamenta Vaovao. ... Velomin’Andriamanitra indray ny olona iray, izay maty tanteraka, ary omeny vatana vaovao.”

Tsy mahagaga àry raha mampikorontan-tsaina ny ankamaroan’ny olona ny resaka fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty. Mila mamantatra izay lazain’ny Baiboly isika, mba hampahazava izany. Resahina ao mantsy ny fahamarinana avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny olombelona. Miresaka olona maromaro efa natsangana tamin’ny maty koa izy io. Andeha isika hijery ny efatra amin’izy ireo, ary handinika izay azontsika tsoahina avy amin’izany.

“Nisy vehivavy nandray ny havany efa maty, izay natsangana”

Nolazain’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ireo Jiosy lasa Kristianina, fa nisy vehivavy nanam-pinoana “nandray ny havany efa maty, izay natsangana.” (Hebreo 11:35) Anisan’izany ilay vehivavy nipetraka tany Zarefata, tanàna fenisianina akaikin’i Sidona, any amin’ny morontsirak’i Mediterane. Mpitondratena izy ary nampiantrano an’i Elia, mpaminanin’Andriamanitra. Nanome sakafo azy izy, na dia tamin’ny fotoana nahamafy ny mosary aza. Nampalahelo anefa fa narary ny zanakalahin’io vehivavy io, ary maty. Nentin’i Elia tao amin’ny efitrano ambony nitoerany avy hatrany, ilay zaza. Nangataka tamin’i Jehovah izy mba hamelona azy io indray. Nisy fahagagana tamin’izay, satria “velona” indray ilay zazalahy. Nomen’i Elia an-dreniny izy io, sady hoy izy: “Inty, fa velona ny zanakao.” Nanao ahoana ny fihetsik’ilay vehivavy? Faly izy, ary nilaza hoe: “Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’Andriamanitra tokoa hianao, ary marina ny tenin’i Jehovah aloaky ny vavanao.”—1 Mpanjaka 17:22-24.

Nisy mpivady nipetraka tany Sonema, tokony ho 100 kilaometatra atsimon’i Zarefata. Nalala-tanana izy ireo, ary nikarakara an’i Elisa, ilay mpaminany nandimby an’i Elia. Olona nanan-karena tao an-tanàna ilay vehivavy. Nifanaiky izy sy ny vadiny, fa hanao efitrano ambony rihana mba hitoeran’i Elisa. Nalahelo anefa izy mivady satria tsy mba niteraka. Faly be àry izy ireo rehefa nitera-dahy ravehivavy. Matetika no niaraka tamin-drainy sy ny mpijinja vary tany an-tsaha ilay zaza, rehefa nihalehibe. Nisy loza nitranga indray andro. Nitaraina ho narary andoha ilay zaza, ka nentin’ny mpanompo iray nody haingana. Nampofoin-dreniny izy rehefa tonga tany, ary maty tamin’ny farany. Very hevitra ny reniny, ka nanapa-kevitra ny hila vonjy tany amin’i Elisa. Niaraka tamin’ny mpanompo iray izy, nandeha nianavaratrandrefana, ary tonga tany amin’ny Tendrombohitra Karmela, izay nitoeran’i Elisa.

Nasain’ilay mpaminany nialoha azy i Gehazy mpanompony, ary nahita fa maty tokoa ilay zaza. Nanaraka avy ato aoriana i Elisa sy ilay vehivavy. Inona anefa no nitranga rehefa tonga tany Sonema izy ireo? Mitantara toy izao ny 2 Mpanjaka 4:32-37: “Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany. Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin’i Jehovah. Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin’ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin’ny vavany, ary ny masony tamin’ny masony, ary ny tànany tamin’ny tànany, ka dia nafana ny tenan’ny zazalahy. Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. Ary Elisa niantso an’i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao. Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin’ny tongony sady niankohoka tamin’ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.”

Samy niaiky ilay vehivavy tany Sonema sy ilay mpitondratena tany Zarefata, fa ny herin’Andriamanitra no nahatonga izany. Tena faly ireo vehivavy ireo, satria novelomin’Andriamanitra indray ny menaky ny ainy.

Olona natsangana nandritra ny fanompoan’i Jesosy

Nisy olona natsangana tany ivelan’ny tanànan’i Naina, any avaratra kelin’i Sonema, tokony ho 900 taona tatỳ aoriana. Avy tany Kapernaomy i Jesosy Kristy sy ny mpianany tamin’izay, ary nanakaiky ny vavahadin’ilay tanàna. Nifanena tamin’ny mpandevina izy ireo, ary hitan’i Jesosy fa mpitondra tena no namoy ny zanany lahitokana. Nilaza taminy i Jesosy mba tsy hitomany intsony. Nitantara ny zava-nitranga i Lioka, dokotera: “Dia nanatona [i Jesosy] ka nikasika an’ilay filanjana faty ary nijanona ny mpilanja. Koa hoy izy: ‘Ry tovolahy, hoy aho aminao: Miarena!’ Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny.” (Lioka 7:14, 15) Nanome voninahitra an’Andriamanitra ireo nahita an’io fahagagana io. Ren’ny mponina tany Jodia sy ny manodidina, ny vaovao momba an’ilay fananganana. Mahaliana fa nahare azy io koa ny mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa, ka nitantara izany tamin’i Jaona. Izy kosa naniraka azy ireo tany amin’i Jesosy, mba hanontany raha Izy no ilay Mesia nandrasana na tsia. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mandehana, lazao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, diovina ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.”—Lioka 7:22.

Nanangana an’i Lazarosy, namany akaiky, koa i Jesosy, ary io no nalaza indrindra tamin’ny fananganana ny maty nataony. Elaela taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy i Jesosy vao tonga tany amin’ilay fianakaviana. Efa maty efatra andro i Lazarosy, tamin’i Jesosy tonga tany Betania. Nasainy nesorina ny vato teo am-baravaram-pasana. Tsy nanaiky anefa i Marta, ka nilaza hoe: “Tompo ô, tsy maintsy maimbo izy izao, satria efa efatra andro izay.” (Jaona 11:39) Mbola azo natao ihany anefa ny nanangana an’i Lazarosy, na dia nety ho efa simba aza ny vatany. Raha vao niteny i Jesosy dia “nivoaka ilay lehilahy efa maty, mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, ary voafatotra lamba ny tarehiny.” Hita tamin’ny zavatra nataon’ny fahavalon’i Jesosy tatỳ aoriana, fa i Lazarosy tokoa ilay nitsangana tamin’ny maty.—Jaona 11:43, 44; 12:1, 9-11.

Inona no azontsika tsoahina avy amin’ireo fitantarana efatra momba ny fitsanganana amin’ny maty ireo? Tsy nisy hafa tamin’ilay olona maty ilay nitsangana. Nahafantatra tsara azy ny olona, eny fa na dia ny havany akaiky indrindra aza. Tsy nisy tamin’ireo natsangana nitantara fa nisy zava-nitranga nandritra ny fotoana fohy nahafatesany. Tsy nilaza izy ireo hoe nankany ankoatra. Toa salama tsara daholo izy rehetra rehefa nitsangana tamin’ny maty. Toy ny hoe natory nandritra ny fotoana fohy izy ireo, ary nifoha avy eo, araka ilay nolazain’i Jesosy. (Jaona 11:11) Maty indray anefa izy ireo, rehefa nandeha ny fotoana.

Afaka hihaona indray amin’ireo havantsika isika

Nitsidika ny mpifanila trano taminy ny dadan’i Owen, ilay voaresaka terỳ am-piandohana, taoriana kelin’ilay loza nahafaty ny zanany. Hitany teo ambony latabatra ny taratasy fanasana iray, miresaka momba ny lahateny ho an’ny besinimaro ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisarika ny sainy ny lohatenin’izy io hoe: “Aiza moa Ireo Maty?” Io indrindra ilay fanontaniana nanitikitika ny sainy. Nanatrika ilay lahateny izy, ary tena nampahery azy ny zavatra resahin’ny Baiboly. Fantany fa tsy mijaly ny maty. Tsy mijaly any amin’ny afobe, na nalain’Andriamanitra mba ho lasa anjely any an-danitra ny maty, anisan’izany i Owen, fa miandry ao am-pasana, mandra-pahatongan’ny fotoana hananganana azy.—Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4.

Nidonam-pahoriana ve ny fianakavianao? Nanontany tena toy ny rain’i Owen ve ianao hoe: ‘Aiza izao ireo havanay efa maty? Mbola hihaona amin’izy ireo ve izahay?’ Raha izany, dia asainay ianao hamaky izay mbola ampianarin’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Rahoviana ny maty no hitsangana? Iza marina no hatsangana?’ Hamaly ireo fanontaniana ireo sy ny maro hafa, ireo lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Sary, pejy 5]

Nitalaho tamin’i Jehovah i Elia, mba hamelona indray an’ilay zazalahy

[Sary, pejy 5]

Nampiasa an’i Elisa i Jehovah mba hanangana ny zanakalahin’ilay Sonemita

[Sary, pejy 6]

Nanangana ny zanakalahin’ilay mpitondratena tany Naina i Jesosy

[Sary, pejy 7]

Hihaona amin’ny havany indray ny fianakaviana maro, rehefa hitsangana ny maty